FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g93 8/7 p. 21
  • Tena Izy ve Anefa Izy Io?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tena Izy ve Anefa Izy Io?
  • Mifohaza!—1993
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Hosoka mandrahona ny aina
  • Ampiasao Amim-pahendrena ny Fanafody
    Mifohaza!—1996
  • Topy Maso Eran-tany
    Mifohaza!—2014
  • Fijerena An’izao Tontolo Izao
    Mifohaza!—1998
  • Aiza no itadiavanao torohevitra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
Hijery Hafa
Mifohaza!—1993
g93 8/7 p. 21

Tena Izy ve Anefa Izy Io?

IZAY azon’ny olona iray amboarina dia azon’ny iray hafa atao hosoka. Ny zavatra atolotra iray dia mety ho toa ilay tadiavinao mihitsy. Tena izy ve anefa izy io? Indraindray, dia fomba fandaminan-javatra hentitra no nampiasaina mba hifehezana ny fisandohana. Ny tompon’ny hotely alemanina iray tamin’ny taonjato faha-14 dia nahantona noho ny fivarotana divay nolazainy ho tena Rudesheimer nefa divay ambany karazana kokoa. Tany Angletera, nandritra ireo 140 taona talohan’ny taona 1832, dia olona maherin’ny 300 no nahantona noho ny fanaovana vola taratasy sandoka. Tamin’ny 1597, dia mpanefy volamena roa no nofantsihina tamin’ny sofiny teo amin’ny boloky hazo noho ny fanamarinana sandoka takelaka nolazainy ho volamena.

“Ny fahazaran’ny olona fatra-panangon-javatra dia niteraka paradisa ho an’ireo mpandraharaha tsy manao ny marina”, hoy i Mark Jones, izay nandray anjara tamin’ilay fampisehoana mivelatry ny British Museum hoe Fake? The Art of Deception (Ny Hosoka ve? Fahakingana eo Amin’ny Famitahana). Na dia ireo olona mahafanta-javatra indrindra aza dia voan’ny fisolokian’ny hafa. Namboamboarina ilay ‘fosilin’ilay’ lehilahin’i Piltdown ary namitaka ireo mpahay siansa nandritra ny taona maro. Ireo ‘diarin’i’ Hitler dia manome fanamarinana tsy azo lavina ny amin’ny hakingan’ireo mpisandoka hamitaka na dia ireo tokony hahafanta-javatra aza.

“Ny faritra itomboan’ny fanaovana hosoka be indrindra amin’izao andro izao”, hoy i Mark Jones, “dia (...) ny fisandohana goavana ireo entana mitondra anarana malaza.” Notombanana, ohatra, fa ordinatera Apple sandoka eo amin’ny 10 000 ka hatramin’ny 15 000 eo ho eo no lafo isam-bolana tany Etazonia tamin’ny 1987. Voala sarona vao haingana ny fanambakana nitentina 33 tapitrisa dolara tamin’ny fanaovana kristaly Waterford sandoka. “Kopia tsy misy hafa amin’ireo kristaly malaza indrindra maneran-tany no navoaka tao amin’ny orinasa iray tany amin’ny tanàna kely mitokana iray any Frantsa”, hoy ny The Sunday Times any Angletera.

Ity taranaka ity dia mitsiriritra entana haitraitra. “Anio”, hoy i Vincent Carratu, menavazana eo amin’ny ady atao amin’ireo mpisandoka, ilay mpisandoka dia “hamoaka ranomanitra Chanel sandoka, rahampitso izy dia hifindra ho amin’ny lobaka spaoro Fila sandoka, ary avy eo dia hampiditra raketrana tenisy Dunlop sandoka.” Na inona na inona zavatra ilain’ny mpanjifa dia ataon’ilay mpisandoka. Kanefa mampitandrina ny Fikambanana Miady Amin’ny Fisandohana any Angletera fa “matetika loatra (...) ilay famantaranandro mitondra anarana malaza ‘azo mora’ tamin’ny vidiny £50 no tsy mendrika afa-tsy £5 raha ny tena izy”.

Hosoka mandrahona ny aina

Ny Anti-Counterfeiting News koa dia manondro zava-manahirana iray hafa, dia ny loza avy amin’ireo entana ambany karazana kokoa: “Tena fandrahonana ho an’ny fahatsiarovan’ny mpanjifa tena ho voaro mihitsy ireo vokatra mampidi-doza sy ambany karazana kokoa noho ny fari-pitsipika ara-dalàna.” Fandrahonana lehibe ve izany? Manome ireto ohatra ireto ny Trademark World: “Lozam-piaramanidina 14 sy fahafatesana 2 fara faharatsiny no hita fa vokatry ny fisandohana kojakojam-piaramanidina sandoka.” Ny Vaomiera Miaro ny Mpanjifa any Angletera dia nanala sarona ireo prizin’aratra ambany karazana noho ireo fari-pitsipika ara-dalàna sy cylindres à freins amin’ny fiarakodia sandoka izay nisy hidy fingotra ambany karazana kokoa, hita teny amin’ny mpivarotra. “Ireo rehetra ireo”, hoy izy io, “dia mety hampidi-doza ny mpanjifa.”

Ny maty eritreritra indrindra dia ireo izay mamoaka fanafody sandoka. “Hatramin’ny 70 isan-jaton’ny fanafody rehetra amidy any amin’ny faritra sasany any Afrika dia sandoka”, hoy ny Fikambanana Miady Amin’ny Fisandohana any Angletera. Ireo fanafody maso hita tany Nizeria, ohatra, dia tsy nanan-kery ara-pitsaboana ary vita tamin’ny rano voaloto. Afaka niteraka fahajambana teo amin’ny olona izy ireny. “Raha miantehitra amin’ny ‘antibiotika’ tsy misy antibiotika ny olona”, hoy ny Fandaminana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana tamin’ny 1987, “dia tsy maintsy hisy fahafatesana, koa ny fisandohana àry dia famonoana olona tambambe.”

Na dia ireo vola taratasy eny an-tananao aza dia mety ho sandoka. Vao haingana, tao anatin’ny herintaona monja, dia vola taratasy sandoka nitentina 110 tapitrisa dolara no voaray naneran-tany. Nisy vola taratasy 100 dolara sandoka nampiasaina tany Irlanda tena vita tsara aoka izany, “hany ka 155 [taminy] no tonga tany amin’ireo banky lehibe indrindra”, hoy ny The Irish Times.

Inona no azonao atao mba hiarovan-tena amin’ny hosoka? Milaza ny manam-pahaizana manokana iray momba ny raharaha mahakasika ny mpanjifa fa “ny fiarovana tsara indrindra amin’ny famitahana dia ny mpanjifa mahafanta-javatra”. Hoy ny teny nanampiny: “Raha toa hita fa hoe tsara loatra ilay izy ka tsy mety ho tena izy, dia azo inoana fa marina izany fahatsapana izany.”

[Sary, pejy 21]

Ilay ‘fosilin’i’ Piltdown dia hosoka izay namitaka ireo mpahay siansa nandritra ny taona maro

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara