Rehefa Manoaka ny Biby Dia
Rehefa manoaka eny imasom-bahoaka ny olona iray, dia mety hihevitra ny olona fa tsy mahalala fomba izy — na, fara faharatsiny, sorisorena izaitsizy. Na dia eo aza ny fitsipika momba ny fahalalam-pomba, rehefa manoaka isika, raha ny marina, dia misy zava-kendrena tena ilaina amin’izany. Mitroka rivotra tsy nahy isika rehefa manoaka. Mazàna isika no manoaka amin’ny takariva rehefa valaky ny asa nandritra ny andro, na amin’ny maraina rehefa avy nifoha. Mampitombo ny vatsin’oksizena ao amintsika isika rehefa manoaka be ary mety hamelombelona antsika vetivety izany; matetika izany no anisan’ny fizotran’ny fifohazana.
Fantatrao ve anefa fa manoaka koa ny biby, na dia tsy hoe mba hahazoany rivotra amin’ny fomba tsara kokoa foana aza no anaovany izany? Matetika no tena mahavariana ny antony anaovan’izy ireo izany. Ohatra, indraindray ny rajako dia manoaka mba hampitan-kafatra. Fomba iray fandefasana haingana fampitandremana amin’ny rajakolahy rafiny na amin’izay mety hiremby azy, ny vavany mitanatana be sy ny fampisehoana vangy amin-kasiahana. Izao ilay hafatra: ‘Kekeriko eo a! Aza manatonatona ahy!’
Voamarika koa fa ireo saka dia mpiremby any amin’ny lemak’i Afrika dia matetika no manenjana ny tenany sady manoaka, alohan’ny hanombohany hihaza. Toy ny amin’ny olombelona, rehefa manoaka ireo saka dia misy asany eo amin’ny vatany izany — ny fampidirana rivotra fanampiny ao amin’ny havokavoka. Mampitombo ny oksizena ao amin’ny ra izany. Avy eo ny fo dia mandefa haingana ny oksizena mankany amin’ny faritra hafa amin’ny vatana, ka manome hery eo no ho eo mba hanenjehana remby haingana dia haingana ao anatin’ny fotoana fohy.
Na dia ny trondro aza dia voamarika fa manoaka! Ilay boky hoe Inside the Animal World dia miresaka ny amin’ny trondro izay indraindray dia “manoaka, alohan’ny hitsoriahany haingana. (...) Mety hanoaka koa ny trondro rehefa taitaitra izy na rehefa mahita fahavalo na mahita sakafo, ary izany rehetra izany dia fotoana ilana fanaovan-javatra haingana”.
Azo inoana fa ny lalomena, na Behemota, no mampiaiky volana indrindra amin’ny biby rehetra rehefa manoaka. Afaka mampitanatana ny vavany makadiry toy ny zohy io zavaboary vaventy io, ary tsy mampino fa manome zoro 150 degre izany! Rehefa manoaka ny lalomenalahy antitra iray, izany dia ahafahany mampiseho amin’ny hafa rehetra ao amin’ny kamory misy ireo lalomena hoe iza no sefo. Fampitandremana amin’ny fampisehoana vangy koa izany ho an’izay rehetra sahy mitsofotsofoka ao amin’ny faritra anjakany eo amin’ny ony.
Koa na dia mety tsy hampahatsiahy ny fanairana ateraky ny liona mierona aza ny biby manoaka — na milaza faharendremana izany, na fandrahonana, na fakana hery fotsiny — dia tena manan-java-kendrena mahasoa. Ohatra fanampiny iray monja ny amin’ny fahaiza-mamorona mahazendana ananan’ilay Mpamolavola ny biby izany!