Topy Maso Eran-tany
Mahazoa Fifaliana Rehefa Manoaka!
Milaza ny gazety espaniola Salud fa vao 11 herinandro monja ny zaza ao am-bohoka dia efa manomboka manoaka. Toa manao io fihetsika tsy nahy io ny ankabeazan’ny biby mampinono, sy ny vorona ary ny biby mandady sasany. Mbola tsy tena fantatra ny mahatonga antsika hanoaka, fa voamariky ny mpikaroka hoe matetika isika no manenjana ny tanantsika sy ny tongotsika rehefa manoaka. Marihiny koa fa “mampiakatra ny tosidra sy mampitombo ny fitepon’ny fo, no sady manalefaka ny hozatra sy ny tonon-taolana”, izany fihetsehana izany. Tsy mandray ny soa tokony ho azontsika isika raha manakombona ny vavantsika fa tsy manoaka tsara. Mampirisika antsika àry ilay ekipa mpanao fikarohana hoe raha mbola azo atao, dia tokony “havelantsika hisokatra tsara ny vavantsika rehefa manoaka isika.” Iza moa no mahalala fa, tena mety hampety ny zavatra ataonao mandritra ny andro izany!
Karazana Voaroihazo Miady Amin’ny Aretina
Hoy ny The Times any Londres: “Nisarika ny sain’ny olona hatry ny ela ny ranon’ilay karazana voaroihazo antsoina hoe canneberge. Fanaovana fanafody sy zava-pisotro no ahafantaran’ny Indianina any Amerika azy io. Nampiasain’ny tantsambo amerikanina ho fiarovana amin’ny aretin’ny hihy koa izy io.” Be vitaminina C ao anatiny ary ahitana zavatra simika mahatonga azy tsy ho mora lo. “Afaka mamono mikraoba koa ny ranon’io voaroihazo io, ka mandaitra tsara mba hiadiana amin’ny aretin’ny taovam-pamaniana.” Noheverina fa noho izy io mampisy asidra ao amin’ny pipỳ no mahatonga izany. Raha ny marina anefa, hoy ny The Times, dia misy zavatra ao anatiny, misakana ny bakteria E. coli tsy hipetaka amin’ny sisin’ny taovam-pamaniana [io bakteria io no mahatonga ny ankamaroan’ny aretina, anisan’izany ny firehetan’ny tatavia]. Afaka àry ilay bakteria, alohan’ny hisian’ny aretina. Hitan’ny mpikaroka koa fa mampihena ny aretin’ny akanjonify ny ranon’io voaroihazo io.
Fiarovana ny Atidohan’ny Olona Tapaka Lalan-dra
“Mety tsy ho voa ny atidoha ary tsy ho faty koa ny olona tapaka lalan-dra, raha ampidinina kely fotsiny ny hafanan’ny vatany, araka ny vokatry ny fandinihana lehibe roa”, hoy ny gazety Toronto Star, any Kanada. Hita tamin’ny fandinihana natao tany amin’ny firenena eoropeanina dimy sy tany Aostralia, fa manatsara ny fiasan’ny atidoha sy ny sain’ilay marary ny fampidinana kely ny hafanan’ny vatany. Rehefa niditra hopitaly ireo olona tapaka lalan-dra sady tsy nahatsiaro tena, dia nampidinina ho 33 degre ny hafanan’ny vatany, nandritra ny 12 ka hatramin’ny 24 ora. Rivotra mangatsiaka sy kitapo kely misy gilasy no nampiasaina tamin’izany. Araka an’i Beth Abramson, mpitsabo aretim-po, dia mampihena ‘ny oksizenina ilain’ny atidoha, sady misakana ireo zavatra simika tsy hamono ny sela ao’, io fomba fitsaboana tsotra sady tsy lafo vidy io. “Mandaitra tsara ilay izy”, hoy ny Star, “ka milaza ny dokotera eto Kanada, sy any Etazonia, Aostralia ary Eoropa fa io no tokony hatao fitsaboana ny olon-drehetra tapaka lalan-dra any amin’ny hopitaly.”
Voarara ny Fampiasana Ankizy ho Miaramila
Hoy ny filazana an-gazety nataon’ny Firenena Mikambana, tamin’ny 12 Febroary 2002: ‘Manan-kery manomboka androany ny dina mandrara ny fampiasana ny ankizy ho miaramila. Nahomby àry ny ezaka iraisam-pirenena naharitra folo taona, niadiana tamin’io fanitsakitsahana ny zon’ny olombelona eran-tany io.’ Araka ny lalàna nosoniavin’ny firenena 96, anisan’ny Firenena Mikambana, dia “tsy misy olona latsaka ny 18 taona azo terena hanao miaramila. Mitaky koa io lalàna io fa tokony hoferan’ny fitondram-panjakana ho 16 taona, fara fahakeliny, ny taonan’ny olona afaka manolo-tena ho miaramila.” Tombanana ho “500 000 ankehitriny ny ankizy anisan’ny tafi-panjakana, manampy ny andia-miaramila, ary anisan’ny antokon’olona mitam-piadiana. Firenena 85 maneran-tany no misy azy ireo ary 300 000 mahery no mandray anjara amin’ny ady any amin’ny firenena maherin’ny 35.” Araka ny vaovao navoakan’ny Firenena Mikambana, dia alaina an-keriny ny ankabeazan’ireny ankizy ireny ary “kapohina na vonoina raha manandrana mandositra. Ny ankizivavy no tena mora voa, satria matetika izy ireo no misy misavika.”
Ny Zokiolona sy ny Fanafody
Hoy ny gazety alemà Der Spiegel: “Mampiasa karazam-panafody telo eo ho eo ny olona 60 taona mahery. Avo telo heny noho ny fanafody ampiasain’ny marary tanora kokoa izany . . . Rehefa betsaka anefa ny fanafody ampiasaina dia tena mety hiteraka voka-dratsy ny fifangaroany, ankoatra ny efa voka-dratsy mahazatra.” Mety hiampy koa ny zava-manahirana, satria ‘matetika ny dokotera no tsy mitadidy fa tsy miasa tsara intsony ny voa rehefa mihantitra ny olona.’ Mety hiangona ao amin’ny vatana àry ireo fanafody. Noho izany dia “mety hanapoizina olona 70 taona, ny fatra ampy ho an’ny olona 40 taona”, hoy ny Der Spiegel. “Manampy trotraka an’ilay izy koa ireo be taona, rehefa tsy ampy ny rano sotroiny.” Milaza koa ilay gazety fa ny tsy fahampian’ny rano sotroina fotsiny dia mety hiteraka voka-dratsy, toy ny hoe mety hikorontan-tsaina, ho fanimpanina sy hirediredy. Heverina ho vokatry ny fahanterana fotsiny izany matetika.
Mahafaty ny ecstasy
Araka ny gazety espaniola El País, dia olona sivy ao anatin’ny folo no mampiasa zava-mahadomelina antsoina hoe ecstasy, rehefa mankany amin’ny alim-pandihizana raves. Nisy tanora roa maty vao haingana satria be loatra ny fatrana ecstasy nohaniny tamin’ny alim-pandihizana raves, tany Espaina. “Misy manolotra zava-mahadomelina foana ianao”, hoy ny iray tamin’ny naman’ireo maty. Inona no mahatonga ny tanora handray ilay izy? Ny fitaoman’ny namana. Ilay ecstasy koa moa mahatonga azy hahatsiaro vetivety ho mahay mifandray amin’olona sy ho misy vidiny. Matetika ny tanora no mampifangaro azy io amin’ny karazan-drongony na toaka, ka vao mainka mampidi-doza ilay izy. Ny Fandaharana Nasionaly Espaniola Miady Amin’ny Fampiasana Zava-mahadomelina dia mampitandrina fa, ankoatra ny fahaverezan’ny fitadidiana sy ny fahaketrahana, ny ecstasy dia mety hiteraka ‘olana eo amin’ny taovam-pisefoana, lotsi-dra ao amin’ny atidoha, ary fahafatesana mihitsy.’
Teny Ratsy any Am-piasana
Milaza ny The Gazette any Montréal, any Kanada, fa lasa mahazatra ny miteny ratsy any amin’ny toeram-piasana maro. Misy manam-pahaizana milaza fa mampitombo ny sorisory any am-piasana izany. Hoy i Karen Harlos, profesora any amin’ny Oniversite McGill: “Raha misy miteny ratsy mba hanakianana ilay mpiasa, dia mety hisy voka-dratsy eo amin’ny asany sy ny hajan’ny tenany ary ny fahasalamany izany.” Araka ilay gazety dia “matetika ny mpampiasa no miteny ratsy” ary manaraka ny ataony koa ny hafa. Raha mahasorena anao ny fitenenan-dratsy any am-piasana, dia manoro hevitra anao ny The Gazette mba hiresaka “amin’ilay olona heverinao fa nihoa-pefy ary hangataka aminy amim-pahalalam-pomba tsy hiteny ratsy eo imasonao intsony.”
Mahasoa ny Manao Raharaha ao An-trano
Azo kilasina ho fanatanjahan-tena mahasalama ve ny fanadiovana trano, ny fanasana varavarankely sy ny fanosehana posiposin-jaza? Eny ny valiny, araka ny fandinihana natao vao haingana tany amin’ny Oniversiten’i Queensland, any Aostralia. Milaza ny The Canberra Times fa nisy vehivavy fito manan-janaka latsaka ny dimy taona, nasaina nibaby fitaovana manokana handrefesana ny oksizenina fohiny mandritra ny asa fanaony isan’andro. Milaza ny mpikaroka fa “araka ny hitan’izy ireo dia mafimafy ihany ny raharaha sasany ao an-trano ka mitondra vokany tsara ara-pahasalamana.” Nilaza ny Profesora Wendy Brown “fa ny asan’ny vehivavy ao an-trano dia mitovitovy amin’ny fanatanjahan-tena antonony, toy ny fanaovana dia maika, fandehanana bisikileta sy ny filomanosana.” Hoy koa izy: “Fikarohana savaranonando fotsiny izany. Mazava tsara anefa fa tsy azo lazaina ho tsy manao na inona na inona ny vehivavy ao an-trano, satria tsy mipetraka mihitsy izy mandritra ny andro.”
Manamafy ny Rihitra Simenitra ny Ampombo
Hoy ny gazety brezilianina Jornal da USP: “Milaza ny mpikaroka fa hisy fiovana lehibe mahakasika ny fanorenana. Hanjary hateza kokoa ny trano sady tsy ho mora simban’ny toetr’andro sy ny loto eo amin’ny tontolo iainana. Azo atao izany noho ny simenitra vaovao namboarin’ireo mpikaroka ao amin’ny Sekolin’ny Injenieran’ny Oniversiten’i São Paulo”, any Brezila. Nampifangaroin’ny mpahay siansa ny silisy avy tamin’ny lavenon’ny ampombo nodorana sy ny simenitra tsotra, mba hahazoana simenitra malemy tsara sy ambony karazana. Tsy tantera-drano kokoa izy io, tsy mora simban’ny loto sy ny toetr’andro, sady tena mafy kokoa noho ny simenitra mahazatra. Vokatr’izany dia azo ahena 30 isan-jato ny hatevin’ny andry, “nefa matanjaka tsara ihany, ka malalaka kokoa ny toerana, tsy dia mavesatra ny trano, fohy kokoa ny fotoana hanorenana azy, kely kokoa ny vola lany amin’ny fitaovam-panorenana, ary mihena ny asa”, hoy ny Jornal da USP. Ampombo 80 000 000 taonina eo ho eo isan-taona no vokarina maneran-tany, ary manome silisy 3 200 000 taonina izany.