Fijerena An’izao Tontolo Izao
Maty Tanora
Raha ampitahaina amin’ny ankizy any amin’ny tany 25 hafa izay be indostria, dia avo 12 heny ny mety hahafatin’ny tifi-basy ny ankizy any Etazonia, avo 5 heny ny mety hahafatin’ny vonoan’olona azy, ary avo roa heny ny mety hamonoany tena, hoy ny tatitra nataon’ny The Dallas Morning News. “Nampoizinay hoe hanana taha ambony kokoa i Etazonia, kanefa nahagaga anay ny halehiben’ny elanelana”, hoy i Etienne Krug, mpandrindra ny tatitra ho an’ny Foibe Miady Amin’ny Aretina any Atlanta, Géorgie. Anisan’ny anton-javatra mifandray amin’ny fahafatesana mahery vaika eo amin’ny ankizy ny zava-mahadomelina, ny fahantrana, ny faharavan’ny fianakaviana, sy ny fahafahana voafetra hahazo fianarana.
Otrikaretina Entin’ny Sakafo
Anisan’ny miteraka ny fipoiran’ny aretina vaovao entin’ny sakafo any Etazonia ny fitomboan’ny fitadiavan’ny mpividy “vokatra vao isan-karazany mandavantaona”, ampian’ny “tsena iray maneran-tany izay afaka mitatitra haingana dia haingana ireo vokatra manerana izao tontolo izao”, hoy ny tatitra nataon’ny JAMA (The Journal of the American Medical Association). Mifototra amin’ny fandinihana natao nandritra ny folo taona lasa, dia tombanan’ny mpahay siansa fa “mankarary olona 6,5 tapitrisa ka hatramin’ny 81 tapitrisa, sady miteraka fahafatesan’olona 9 000 eo ho eo isan-taona any Etazonia”, ny mikraoby entin’ny sakafo. Mino koa ny manam-pahaizana manokana sasany fa mety ho anisan’ny miteraka ilay olana ny fitomboan’ny fihinanana sakafo nambolena tamin’ny zavatra ôrganika (sakafo novokarina tamin’ny zezi-pahitra). Araka ilay tatitra nataon’ny JAMA, ny bakteria “Escherichia coli dia afaka ny ho velona ao amin’ny zezik’omby mandritra ny 70 andro ary afaka mitombo isa ao amin’ny sakafo nambolena tamin’ny zezika, raha tsy hoe ampiasaina angaha ny hafanana na ny fanampin-javatra toy ny sira na ny zavatra mampahateza sakafo mba hamonoana ireo mikraoby”.
Rajako “Masina” — Manorisory
Efa hatramin’izay, araka ny fitadidian’ny olona, no nipetrahan’ny rajako rhésus tany Vrindavan, India, hoy i Iqbal Malik, mpanao fandinihana momba ny rajako. Heverin’ny olona maro ho masina ny rajako ary afaka nirenireny nanerana ilay tanàna masina hindoa, kanefa tsy nanan-tahotra ny hosamborina — mandraka ankehitriny. Araka ny gazetiboky New Scientist, dia nitombo be ny isan’ny rajako rhésus tany tato anatin’ireo taona faramparany, satria nitombo ny isan’ny mpanao fivahiniana masina namahana azy ireo. Heverina fa mitondra fanambinana ny famahanana ireo rajako. Tao anatin’ny taona maro anefa, dia nanjary saika niantehitra tanteraka tamin’ny sakafo natolotra azy ireo rajako satria tsy misy zava-maitso firy any. “Nanomboka nangalatra harona sy niditra ny trano izy ireo mba hitadiavana sakafo.” Neken’ny mponina ny hisamborana sy hamindran-toerana any ambanivohitra ny 60 isan-jaton’ireo rajako. Hoy i Malik: “Nanjary nanorisory ireo andriamanitra.”
Tery Ve?
Na dia mitsahatra tsy mitombo aza ny taolan’ny tongotsika eo amin’ny faramparan’ny fotoana maha-zatovo, dia mandalo fiovana mandritra ny androm-piainantsika manontolo ny tongotsika. Hoy i Neil Koven, prezidàn’ny Canadian Podiatric Medicine Association (fikambanana momba ny fitsaboana ny tongotra): “Arakaraka ny itomboan’ny taonantsika no ironan’ny tongotsika ho somary hihafisaka sy hivelatra, koa dia mihalava sy mivelatra izy ireo. Izany no izy satria manjary mivahavaha na malefaka kely kokoa ny rohinofontsika.” Tombanan’ny manam-pahaizana manokana momba ny kiraro fa hatramin’ny antsasaky ny isan’ireo olon-dehibe no manao kiraro tsy mifanentana aminy ny refiny — ny haben’ny sakany no olana fahita indrindra — ka anisan’ny miteraka kitro, kitron’ny ankiben-tongotra, sy fiovam-bikan’ny rantsantongotra izany. Tery loatra ve ny kiraronao? “Mijoroa tsy mikiraro eo amin’ny takela-taratasy iray ary farito ny manodidina ny tongotra roa. Avy eo dia apetraho eo ambonin’ilay taratasy ireo kiraronao ka sorito ny manodidina azy ireo. Amin’ny fampitahana ireo soritra no hahafahanao hahita hoe toy inona moa ny hamafin’ny fanerenao ny tongotrao hiditra ao anaty kiraronao”, hoy ny gazety The Toronto Star. Mba hahazoana ny refy sahaza tsara indrindra araka izay azo atao, dia refeso ny tongotrao isaky ny mividy kiraro ianao, ary ataovy amin’ny tolakandro na amin’ny takariva ny fividiananao kiraro, rehefa avy nampiasa ny tongotrao ianao.
Fikarohana “Fahavalo Tsy Fantatra”
Tamin’itỳ 1997 itỳ, dia nanomboka roa volana aloha kokoa tsy toy ny mahazatra ny tsy fahazakana vovobony, ho an’ny olona mipetraka any Roma, Italia, hoy ny Corriere della Sera. Heverin’ny manam-pahaizana manokana iray momba ny tsy fahazakana zavatra fa ny famelezan’ny vovobony aloha kokoa dia nateraky ny “fisondrotana ankapoben’ny salan’ny maripanan’ny planeta, izay voamarika fa nampihena ny faharetan’ny ririnina”. Nomarihin’ilay gazety fa “nitondra vovobony tsy fantatra ireo andro tsara, dia vovobony izay tsy hain’ny manam-pahaizana manokana eo amin’io sehatra io iadiana”. Efa nanomboka sahady, araka izany, ny “fikarohana ilay antony tsy fantatra”, kanefa mandritra izany fotoana izany, dia “mijaly noho ny tsy fahazakana zavatra ny marary, ary tsy hay fantarina ireo antony mahatonga izany”.
Mpanao Andry Maso ny Komonio
Nanomboka nametraka mpiambina ny Eglizy Katolika Md. Charles any Picuyane, Mississippi, mba hahazoana antoka fa tsy misy olona mivoaka ny eglizy tsy nitelina ny Komonio. Noraisina io fepetra io, taorian’ny fisehoan-javatra maromaro nahitana olona nivoaka ny eglizy niaraka tamin’ny komonio, na Hostia, izay heverin’ny Katolika ho masina. Araka ny The Dallas Morning News, dia milaza i John Noone, anisan’ny klerjy, fa “tian’ny mpivavaka amin’i Satana ny hahazo ilay hostia” mba “handotoana” azy. Ny asan’ireo mpiambina ny Komonio dia ny manao andry maso ny mpiangona sy ny mijery raha tena mitelina izy ireo. Raha tsy manao izany izy ireo, dia asaina amim-pahalalam-pomba, na hihinana ilay Hostia na hamerina ilay izy.
Mitamberina Tampoka ao An-tsaina ny Vidéo
Araka ny filazana iray navoaka tao amin’ny gazetiboky Pediatrics, “dia tondroin’ny fandinihana vitsivitsy nanaovana andrana fa mety hisy fiantraikany lehibe eo amin’ny fitondran-tena ny vidéos mirakitra mozika, amin’ny fanadontoana ny mpijery amin’ny herisetra sy amin’ny fanaovana izay haneken’ny zatovo mora kokoa ny fanaovana firaisana alohan’ny fanambadiana”. Mampanahy indrindra ny ray aman-dreny ireo tonon-kira amin’ny heavy metal sy gangsta rap. “Ho an’ny zatovo vitsivitsy tafaraka, dia mety hilaza zavatra tokoa ny mozika tiany kokoa. Tondroin’ny fandinihana maro fa ny fitiavana kokoa ny mozika heavy metal dia mety ho famantarana lehibe ny amin’ny fihatakatahana, ny fidorohana zava-mahadomelina, ny fikorontanana ara-tsaina, ny mety hamonoan-tena, ny fananana fomba fijery raikitra momba ny anjara asan’ny lahy sy ny vavy, na ny fihetsika tia mihantsy loza mandritra ny fotoana maha-zatovo.” Hoy ilay tatitra natambatry ny dokotera valo, teo anelanelan’ny taona 1995 sy 1996: “Raha mandre hira iray ny mpijery, taorian’ny nahitany ilay izy tao amin’ny vidéo, dia ‘mitamberina tampoka ao an-tsainy’ avy hatrany ilay sary tao amin’ny vidéo.”
Taratasy Vita Amin’ny Tain’elefanta
Rehefa nandinika an’i Mike Bugara nitanika tain’elefanta tao anaty vilany teo an-tokotaniny ny mpiara-monina taminy, dia takatra mora foana raha tena nanahy izy ireo. Nihevitra ny sasany fa nilalao ody izy, kanefa, raha ny marina, dia nanamboatra taratasy izy. Nanamboatra taratasy avy tamin’ny ravin’akondro, ravin-katsaka, sy ravin-kininina aloha Atoa Bugara. Ny nananana be dia be tain’elefanta be tsiratsiraka avy tamin’ny elefanta any Kenya anefa dia nahatonga an’io mpiaro mafana fo ny zavaboary io hanontany tena momba ny fampiasana tain’elefanta mba hanamboarana taratasy. Nanapa-kevitra izy fa ho fomba tsara iray hanairana ny “sain’ny olona momba ny hasarobidin’ny fihazonana ireo elefanta ho velona” izany, hoy ny tatitra nataon’ny gazetiboky New Scientist. Ampiasaina hanaovana karatra fanasana ho amin’ny faha-50 taona hitsingerenan’ny niorenan’ny Kenya Wildlife Service amin’itỳ taona itỳ io taratasy vita amin’ny tain’elefanta io ankehitriny.
Fombafomba Amin’ny Fisakafoana
Ny televiziona no “ifantohan’ny fombafomba maoderina maro”, hoy ny The New York Times. Ohatra iray nomeny ny fahazarana misakafo eo am-pijerena televiziona — fombafomba iray any amin’ny tany maro manerana izao tontolo izao ankehitriny. Any Meksika, ohatra, dia fianakaviana maro no misakafo hariva eo am-pijerena tantara mitohy. Nahariharin’ny fanadihadiana iray vao haingana tany Frantsa fa “ny 62 isan-jaton’ny sakafo no hanina raha mbola mandeha koa ny televiziona”. Any Sina, dia mankafy fijerena fandaharana manokana ao amin’ny televiziona ny mpijery eo am-pitsakotsakoana voan’ny voanketsihetsy natono. Be mpitia koa ireo voan-javatra mainty ireo, miaraka amin’ny voan’ny tanamasoandro sy ny voanjo, eo amin’ny mpijery televiziona any Israely. Anisan’ny tsakitsaky hanina mandritra ny fijerena televiziona any Philippines ny tongotr’akoho natsatsika, ny sofin-kisoa, sy ny tsinain’akoho natono. Tsakitsaky tiana indrindra ny balut — “atodin-ganagana lamòkany izay nampangotrahina sy hanina amin’ny akorany ampiana sira vaingany kely”, hoy ny Times.
Fisorohana ny Kôlerà Tsy Andaniam-bola
Inoan’ny mpahay siansa fa nahita fomba iray tsy andaniam-bola fisorohana ny kôlerà izy ireo — ny fanatantavanana ny rano fisotro amin’ny sari (fitafiam-behivavy karàna)! Hitan’ireo mpikaroka ao amin’ny Oniversiten’i Maryland, any Etazonia, sy ny International Centre for Diarrhoeal Disease Research (foibe manao fikarohana momba ny aretim-pivalanana) any Dacca, Bangladesh, fa mipetraka ao amin’ny tsinain’ny karazana orana sahala amin’ny zavamananaina bitika miaina any anaty rano, ny bakteria mahatonga ny kôlerà. Amin’ny fanidinana ny rano amin’ny sari atao sosona efatra, dia maherin’ny 99 isan-jaton’ny bakteria mitondra kôlerà no azo esorina. Avy eo dia azo alana ny otrikaretina amin’ilay sari amin’ny fanataninana azy mivantana eo amin’ny hainandro mandritra ny adiny roa, na amin’ny fanadiovana azy amin’ny zavatra mamono otrikaretina izay mora vidy, mandritra ny fotoan’ny varatraza. Manao tatitra ny gazety The Independent any Londres fa hanomboka amin’itỳ taona itỳ ireo andrana fampiharana, ka hampianarina ny fomba fanaovana ilay izy ny olona mipetraka any amin’ny faritra efa voa.
Adalam-basy i Amerika
“Olon-dehibe amerikana 4 amin’ny 10 no mipetraka ao amin’ny tokantrano manana basy, ary manana basy roa avy, amin’ny antsalany, ireo trano ireo, araka ny fitsapan-kevi-pirenena iray”, hoy ny tatitra nataon’ny Daily News any New York. “Tao amin’ilay fitsapan-kevitra, dia 25% no nilaza fa nanana basy poleta, 27% nanana basim-borona ary 29% nanana basy lava.” Tokantrano maro no manana karazam-basy mihoatra ny iray.