FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g96 8/10 p. 28-29
  • Fijerena An’izao Tontolo Izao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fijerena An’izao Tontolo Izao
  • Mifohaza!—1996
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Lafiny Mampiavaka ny Famonoan-tena
  • Fifohana Sigara
  • Varotra Ankizy Anaovana Firaisana, any Azia
  • Tsotsotra hoe ny Sandwich?
  • Fampiofanana ho Amin’ny Herisetra
  • Fijerena An’izao Tontolo Izao
    Mifohaza!—1998
  • Famonoan-tena — Loza Mamely ny Tanora
    Mifohaza!—1998
  • Fijerena An’izao Tontolo Izao
    Mifohaza!—1996
  • Fijerena An’izao Tontolo Izao
    Mifohaza!—1996
Hijery Hafa
Mifohaza!—1996
g96 8/10 p. 28-29

Fijerena An’izao Tontolo Izao

Lafiny Mampiavaka ny Famonoan-tena

“Amerikana tokony ho 30 000 no [mamono] tena isan-taona”, hoy ny fanamarihan’ny Scientific American, “ary azo inoana kokoa ho avo efatra heny noho ny an’ny vehivavy ny mety hamonoan’ny lehilahy tena.” Mitombo koa miaraka amin’ny fitomboan’ny taona ny tahan’ny famonoan-tena, ka mampiseho taratry ny faneren’ny tsy fahasalamana sy ny fihenan’ny fanantenan-javatra. Avo efatra heny noho ny an’ny zatovo ny tahan’ny famonoan-tena eo amin’ireo 75 taona no ho miakatra. Inona avy ireo anton-javatra mamaritra raha hamono tena tokoa ny olona iray? Mitana toerana lehibe eo amin’ny lisitra ny tsy fananana ny fanohanan’ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina sy ny fandraisana anjara kely kokoa amin’ny fivavahana. Raha oharina amin’ny tany hafa, ny tahan’ny famonoan-tena any Etazonia dia eo antenatenany, famonoan-tena tokony ho 11 isaky ny olona 100 000.

Fifohana Sigara

Na dia nihena be aza ny fifohana sigara tany amin’ny tany sasany, ny ankamaroan’ireo firenena dia mampiseho fitomboana, nandritra ny roapolo taona lasa. I Sina, ohatra, no mbola ny mpifoka be indrindra ary nanana fitomboana 297 isan-jato. I Etazonia sy i India no nitana ny laharana faharoa sy fahatelo amin’ny mpifoka ary nampiseho fitomboana 27 isan-jato sy 50 isan-jato avy. Ny tany hafa sasany nanana fitomboana lehibe dia i Rwanda tamin’ny fitomboana 388 isan-jato; i Gresy, 331 isan-jato; i Korea Avaratra, 325 isan-jato; i Tanzania, 227 isan-jato; i Hong-Kong, 214 isan-jato; i Indonezia, 193 isan-jato; i Singapour, 186 isan-jato; sy i Torkia, 185 isan-jato. Mampiseho ny ampahany isan-jaton’ny fiovana teo anelanelan’ny taona 1970 sy 1993 ireo tarehimarika, izay natao pirinty tao amin’ny Asiaweek. Amin’ireo firenena 138 ao anaty lisitra, dia 26 monja no nampiseho fihenana teo amin’ny fifohana sigara.

Varotra Ankizy Anaovana Firaisana, any Azia

Tombanan’ireo fitondram-panjakana sy ireo mpanao asa sosialy fa ankizilahy sy ankizivavy maherin’ny iray tapitrisa, 17 taona no ho midina, no tafiditra amin’ny fivarotan-tena any Azia, hoy ny fanambaran’ny The New York Times. Na dia tsy fantatra aza ireo tarehimarika marina, dia ahitana ankizy mbola tsy tonga eo amin’ny fahamaotiany akory, any amin’ireo trano fivarotan-tena any amin’ireo tany toa an’i India, i Kambodja, i Philippines, i Sina, i Taïwan, sy i Thaïlande. Nahoana no ankizy mbola kely aoka izany no tadiavina? Antony iray ny tahotra SIDA. “Ireo lehilahy manerana an’i Azia manontolo dia mitodika any amin’ireo ankizy mihakely taona kokoa, ary anisan’ny anton’izany ny fiheverana azy ireny ho tsy azo inoana kokoa ho voan’ny VIH, ilay virosy miteraka ny SIDA”, hoy ny Times. Na dia izany aza, ny virosin’ny SIDA dia miely haingana eo amin’ireo mpivaro-tena ao amin’ireo tany ireo, ary anisan’ny anton’izany ny fivarotana mpivaro-tena any ambadiky ny sisin-tany ary koa ireo clients, izay ny sasany dia manao fizahan-tany mba hanao firaisana, ka mandehandeha mitety tany. Na dia alaina an-keriny aza ny ankizy sasany, ny hafa kosa dia amidin’ny ray aman-dreniny mba hahazoany tombony ara-nofo.

Tsotsotra hoe ny Sandwich?

Tamin’ny 1762, ny Andriana Sandwich, mpiloka raindahiny, tany Grande-Bretagne, dia nitoetra adiny 24 teo amin’ny latabatra filokana iray. Mba hampitonena ny hanoanany, dia nangataka didy mofo roa nasiana hena teo anelanelany, izy. Avy hatrany dia nomena ny anarany io sakafo maivana vaovao io — ny sandwich. Mandany $7,9 tapitrisa isan’andro amin’ny sandwiches ny Britanika ankehitriny, izany hoe fitomboana 75 isan-jato tao anatin’ny dimy taona lasa. “Mahaforona ny maherin’ny ampahatelon’ny tontalin’ny varotra fast-food [sakafo voaomana haingana] ireo sandwiches”, hoy ny tatitra nataon’ny The Times any Londres, ary toeram-pisakafoana 8 000 mandroso sandwiches no mizara azy ireny. Sandwiches 1 300 tapitrisa eo ho eo efa voamboatra no hanina any Grande-Bretagne isan-taona. Ireny sandwiches ireny anefa, dia matetika no samy hafa be amin’ireo fonosan-tsakafo tsotra entin’ny fianakaviana rehefa manao pique-nique eny ambanivohitra na eny amoron-dranomasina izy. Misy fivarotana sasany manolotra karazany hafa kely, anisan’izany ny sandwiches vita tamin’ny henan’ny kangourou na voay, na mofo sokola nohosorana firezy sy crème.

Fampiofanana ho Amin’ny Herisetra

◼ “Manatsoaka hevitra ny fandinihana herintaona ny fandaharana tao amin’ny televiziona, [fandinihana] notarihin’ny mpikaroka ao amin’ny oniversite efatra, fa manenika ny fandaharana ao amin’ny televiziona aely ho an’ny besinimaro sy mandeha amin’ny réseau câblé, ny herisetra ‘manimba eo amin’ny lafiny psikolojika’ ”, hoy ny The Washington Post. Ilay fandinihana dia tsy vitan’ny hoe nahita fa nisy herisetra ny ankamaroan’ireo fandaharana, fa nahita koa hoe nety hisy vokany manimba teo amin’ny mpijery ny fomba nampisehoana azy io. “Anisan[’izany] ny fianarana mitondra tena amin-kerisetra, ny fahatongavana ho tsy mihontsina kokoa amin’ireo vokatra manimban’ny herisetra, sy ny fahatongavana ho matahotra kokoa ny hotafihina.” Ny antony iray dia satria tsy voasazy ireo mpanao herisetra amin’ny 73 isan-jaton’ireo fisehoan’ny fanaovana herisetra ao amin’ny televiziona, ka manome ilay hafatra hoe “mahomby ny herisetra”. Afa-tsy izany koa, ny ankamaroan’ireo fampisehoana dia tsy mampiseho ireo vokany eo amin’ireo niharam-pahavoazana, toy ny fanaintainana, na ny fahavoazana ara-pihetseham-po na ara-bola. Ary ny fampiasana matetika basy poleta ao amin’ireo fisehoan-javatra feno herisetra ao amin’ny televiziona, hoy ilay fandinihana, dia afaka “miteraka eritreritra sy fitondran-tena tia ady”.

◼ Eo amin’ny faha-30 taonany, ny olona izay nijery herisetra be dia be tao amin’ny televiziona fony fahakeliny, “dia hahazo fanamelohana maro kokoa noho ny herisetra, hiharan’ny fisamborana betsaka kokoa noho ny fitondrana fiara nefa mamo, ho mpila ady kokoa rehefa eo ambany herin’ny alkaola, sy hitondra amin’ny fomba ratsy kokoa ny vadiny [ary] koa hanana zanaka mpila ady kokoa”, hoy ny filazan’i Len Eron, profesora momba ny psikolojia sady mpahay siansa mpikaroka ao amin’ny Oniversiten’ny Institut Momba ny Fikarohana Sosialy ao Michigan. Miteraka olana mitovy amin’izany ireo kilalao vidéo. Araka ny nanaovana tatitra tao amin’ny gazety The Toronto Star, dia nilaza i Eron fa ny loza mifandray amin’ny kilalao vidéo dia noho izy io misy akony eo amin’izay manao azy. Ireo mpilalao dia “mamindra fanoitra iray na manindry bokotra iray ary dia ny tenan’izy ireo mihitsy no manatontosa ilay fanaovan-javatra mahatahotra, feno herisetra — ny famonoana olona iray”. Mihevitra ny profesora Eron fa ilaina ny fanaraha-maso be kokoa ataon’ny ray aman-dreny. Kanefa, milaza ny alahelony izy fa “ray aman-dreny maro no tsy miraharaha tsotra izao”.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara