FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g97 8/10 p. 15-17
  • Guépard — Ilay Saka Haingam-pandeha Indrindra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Guépard — Ilay Saka Haingam-pandeha Indrindra
  • Mifohaza!—1997
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Saka haingam-pandeha
  • Zavaboary bikàna misy pentina
  • Fikarakaran-dreny saka
  • Hazaina ilay mpihaza
  • Leopara
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Ny Biby sy ny Fitaizan-janaka
    Mifohaza!—2005
  • Liona — Saka Heni-kaja Misy Vombony, Atsy Afrika
    Mifohaza!—1999
  • Ny Lelan’ny Saka
    Nisy Namorona Ve?
Hijery Hafa
Mifohaza!—1997
g97 8/10 p. 15-17

Guépard — Ilay Saka Haingam-pandeha Indrindra

AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ATSY KENYA

NIDANIKA teo amin’ny hivoka main’ny hainandro, ny hafanana. Ny masolavitray dia nifantoka teny amin’ny andian-gazela Thomson. Namirapiratra ny takibany misy tsipitsipika mivolom-bolamena azon’ny tara-pahazavana faran’ny masoandro mody. Tsy lavitra avy teo, niteronterona teo ambony votry iray, dia nisy mpitazana iray hafa nibanjina koa an’ireo antilopa. Saka misy pentina ilay izy, niaraka tamin’ireo zanany. Nandinika tamim-pikendren-javatra an’ilay fisehoan-javatra ireo masony mavo manja. Tampoka teo, dia nihenjana ny hozany, ary niarina moramora izy ka nandeha nanatona an’ilay andiam-biby. Toa fantatr’ireo zanany fa tokony hiandry ny fiverenan-dreniny izy ireo.

Tamim-pitandremana fatratra, dia nandroso izy, niafina tao ambadiky ny akata kely sy ny vondron’ahitra lava. Nilanto sy feno fatokiana ny fihetsehany. Hatreo amin’ny 200 metatra avy teo amin’ilay hazany izy, dia tsy nihetsika tampoka. Nitraka ny iray tamin’ireo gazela ka nibanjina tany amin’ny nisy azy, avy eo dia nanohy nihinana. Nanohy nanatona indray ilay guépard. Nanatona hatreo amin’ny 50 metatra avy teo amin’ireo biby tsy nanampo na inona na inona izy vao tapa-kevitra ny hihazakazaka. Toy ny vimiaina novahana tampoka, dia niantsambotra tao amin’ilay hazavana efa nirefarefa izy. Niparitaka hatraiza hatraiza ilay andian-gazela, nefa tsy nampiala ny masony tamin’ilay haza nofidiny, ilay saka. Nihazakazaka namakivaky ny tany lemaka izy, ka nihananatona an’ilay gazela haingam-pandeha.

Nivilivily ilay biby raiki-tahotra mba hihodivirana ilay mpanenjika azy, nefa ny fomba fandosirany dia tsy naharaka mihitsy ny hakingan’ilay saka toy ny tselatra. Avy eo, tokony ho iray metatra avy teo amin’ilay hazany, dia naninjitra ny tongony anoloana ilay guépard mba hampianjerana an’ilay nokasainy hasiana. Tamin’izay fotoana izay, dia tafintohina kely izy. Toy ny indray mipy maso, dia nanjavona tsy hita intsony ilay gazela.

Sempotra ilay guépard ka nampiadana ny fihazakazahany ary avy eo izy dia nijanona sy nipetraka ka nijery tany amin’ny nisy an’ireo zanany noana. Nijery tany amin’ny vadiko tamim-pitalanjonana aho. Vao avy nanatri-maso ny hafainganam-pandehan’ny guépard mahatalanjona izahay.

Saka haingam-pandeha

Tena afaka mihazakazaka haingana toy ny tadio marina tokoa ny guépard. Toa tsy mampino fa, ao anatin’ny roa segondra monja, dia afaka mampitombo ny hafainganam-pandehany izy, avy amin’ny tsy fihetsehana mihitsy ka hatramin’ny tokony ho 65 kilaometatra isan’ora! Afaka mahatratra hafainganam-pandeha hatramin’ny 110 kilaometatra isan’ora izy! Izy io no biby an-tanety haingam-pandeha indrindra. Raha ampitahaina aminy, dia afaka mahatratra hafainganam-pandeha mihoatra kelin’ny 72 kilaometatra isan’ora ny soavaly mpihazakazaka ary ny lévrier (alika mpihazakazaka) dia afaka mitsoriaka hatramin’ny 65 kilaometatra isan’ora eo ho eo. Tsy afaka mihazona ilay hafainganam-pandehany mahatalanjona afa-tsy ao anatin’ny halavirana fohy ihany anefa ny guépard.

Kely ny vatan’ny guépard, lava sy mahia ny tongony, ary mora milefitra sy milempona ny lamosiny. Mahatonga azy tsy hianjera rehefa mihilana sy mivily amin’ny hafainganam-pandeha ambony, ny rambony lava misy pentina. Rehefa mihazakazaka faran’izay mafy izy, dia afaka miantsambotra manao dingan-dava mihoatra ny enina metatra. Ny zavatra iray manampy azy hahavita izany hafainganam-pandeha izany dia ny tongony hafa kely; mitovy kokoa amin’ny tongotr’alika noho ny amin’ny tongo-tsaka ny azy. Mampiasa ny hohony izy mba hamikirany amin’ny tany ka hampitombo ny fitsambikinany.

Zavaboary bikàna misy pentina

Tsy isalasalana fa hafa kely sady tsara ny endriky ny guépard. Misy tsipika mainty manify roa midina avy eo amin’ireo masony mankeo amin’ireo sisin’ny vavany, ka manome azy endrika malahelohelo sy toa mahonena. Kely sy tokan-doko ireo pentina amin’ny volony fohy, izay matetika no manopy mena-volon-tsokolà mazava eo amin’ny vatany, nefa somary fotsy kosa eo amin’ny kibony. Matroka lavitra kokoa ny lokon’ny volon’ireo zanaka guépards raha vao teraka, ary misy volo lava sady matevina sy manga mivolondavenona midina avy eo amin’ny hatony mankeo amin’ny rambony.

Ny feon’ny guépard dia feo mikiokio na mikiririoka toy ny an’ny vorona. Re hatrany amin’ny roa kilaometatra io feo io, ary ampiasainy mba hifandraisana amin’ireo zanany sy amin’ireo guépards hafa.

Malemy paika sy tsy tia ady ny guépard raha ampitahaina amin’ny saka hafa tahaka azy, dia ny liona sy ny leoparda. Rehefa mahatsapa ho afa-po izy dia mirohondrohona toy ny saka goavana fiompy ao an-trano. Mora aminy ny mizatra amin’ny fiarahana amin’ny olona ary efa nisy mihitsy aza guépard voafolaka. Mazava ho azy fa tsy saka fiompy ao an-trano ny guépard. Rehefa lehibe tsara izy, dia milanja 45 kilaograma na mihoatra, ary ny nifiny sy ny hohony maranitra dia mahatonga azy io ho biby mampidi-doza — biby iray tokony hoentina amim-pitandremana.

Tsy avy hatrany dia mahay mihaza ny guépard, ary tsy maintsy mampiofana azy be ny reniny hanao izany. Raha ompiana ao amin’ny toerana voafefy ny zanaka guépard iray, dia tsy hanana ny fahaiza-mijoko sy manenjika ny hazany. Misakafo amim-pilaminana aoka izany ny reniny sy ny zanany rehefa miara-misakafo, tsy mitabataba sy miadiady toy ny fahita eo amin’ireo liona misakafo. Fantatra mihitsy ho mihinana voatango be ranony aza ireo guépards, any amin’ireo faritra karakaina.

Gaga ireo mpizaha tany ao amin’ireo valam-biby voaro atỳ Afrika nahita hoe mety ho tena tsy saro-tahotra mihitsy ireto saka tsy masiaka ireto. Fahita matetika ny guépard lehibe iray mitady alokaloka eo amin’ny kamiaonety mpitondra mpizaha tany, na mitsambikina eo ambonin’ny rakotry ny maoteran’ny fiarakodia sy mijery eo amin’ny fitaratra anoloana ireo mpandeha taitra sady raiki-tahotra.

Fikarakaran-dreny saka

Mety hiteraka zanaka madinika hatramin’ny enina indray miteraka ny guépard vavy. Miaro azy ireo amin-kerim-po izy ary mihazona azy ireo ho miafina tsara, ka mamindra toerana azy ireo matetika ao anatin’ireo volana vitsivitsy voalohany iainan’izy ireo. Kanefa, na dia eo aza ny ezaka ataon’ireo reny guépards mba hiarovana ny zanany, dia toa ny ampahatelon’ireo zanany monja no velona hatramin’ny fahalehibeazany.

Tsy asa mora amin’ny reny guépard ny fikarakarana ireo guépards kely. Feno hery sy faran’izay tia sangisangy izy ireo. Matetika ireo guépards kely no mijoko ny rambon-dreniny izay miala sasatra, ary miantsambotra amin’izy io rehefa ahetsiketsi-dreniny araka ny fanaon’ny saka izy io. Mifampitolona sy mifanaikitra ary mifanenjika izy ireo, ka manadino matetika ny loza mananontanona foana, izany hoe ireo mpiremby.

Hazaina ilay mpihaza

Manam-pahavalo maro ny guépard eny amin’ny natiora, anisan’izany ny liona sy ny leoparda ary ny hyènes (karazana amboadia). Kanefa, ny olombelona no fahavalony ratsy fanahy indrindra. Ny volony maha-te ho tia sy misy pentina dia vidìna lafo be hanaovana fitafiana sy karipetra ary amboaram-pandresena. Nofandrihana sy nampiofanina ho amin’ny fihazana natao toy ny fanatanjahan-tena io zavaboary haingam-pandeha io. Noho ny guépard tsy mety miteraka raha atao amin’ny toerana voafefy, dia nenjehina hatrany amin’ny sisiny faran’ny faritra onenany mihitsy izy io mba hanomezana fahafaham-po io zavatra irina io. Nampananosarotra ny fiainan’ny guépard koa ny faharavan’ny fonenany, hany ka eto Afrika Atsinanana, dia any amin’ny valam-biby voaro ankehitriny no ahitana azy io indrindra.

Tamin’ny 1900, dia nisy guépards 100 000 tany amin’ny tany 44, araka ny fanombantombanana. Amin’izao andro izao, dia tsy misy afa-tsy 12 000 angamba sisa mbola velona any amin’ny tany 26, ka atỳ Afrika ny ankamaroany. Misy ezaka atao mba hiarovana an’io saka tsara tarehy misy pentina io, kanefa dia mitohy mihena ihany ny isany.

Mihevitra ny olona sasany fa mety tsy ho azo arovana tsy ho lany tamingana ny guépard. Kanefa, manome toky indray ny mahalala fa ho avy ny fotoana izay haneken’ny olombelona amin’ny fomba feno ny andraikitra nomen’Andriamanitra azy mba hikarakara sy hiaro ary ‘hanjaka amin’ny biby rehetra izay mihetsiketsika ambonin’ny tany’. (Genesisy 1:28). Amin’izay fotoana izay ihany vao hisy antoka fa hanome fahafinaretana ny mponina eto an-tany mandrakizay ny saka tsara tarehy, toy ny guépard.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara