FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Leopara”
  • Leopara

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Leopara
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Guépard — Ilay Saka Haingam-pandeha Indrindra
    Mifohaza!—1997
  • “Hiaraka Amiko ao Amin’ny Paradisa Ianao”
    Henoy Ilay Mpampianatra Lehibe
  • Fanontanian’ny Mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Ho Sambatra Mandrakizay Ireo Manana ny Tena Finoana
    Ho Sambatra Ianao Raha Manana ny Tena Finoana
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Leopara”

LEOPARA

[Heb.: namer; aram.: nemar; gr.: pardalis].

Sokajina ho anisan’ny saka be. Matetika no mivolontsôkôlà tanora misy pentina mainty tsy tena boribory ny volony. (Je 13:23) Mahatratra 1,2 m ny lavany (tsy anatin’izany ny rambony). Nisy leopara maromaro novonoina tany akaikin’i Jerosalema taona vitsivitsy lasa izay, nefa mbola maro noho izany ny tany Palestina fahiny. (To 4:8) Hita tany koa ny leopara mpihaza, izay anisan’ny biby mampinono haingam-pandeha indrindra. Mety hoe namer (heb.) koa no nilazana azy. Tsy tena afaka mipoitra sy milentika toy ny an’ny leopara anefa ny hohony, ary boribory tsara ny pentina amin’ny volony.

[Sary, pejy 270]

Hiaraka hatoritory amim-piadanana ny leopara sy ny zanak’osy, rehefa mitondra ny Mesia

Resahin’ny Baiboly an-kolaka hoe haingam-pandeha ny leopara (Ha 1:8), ary mamitsaka eny akaikin’ny tanàna izy mba handrapaka an’izay biby fiompy mandalo. (Je 5:6; Ho 13:7) Hiaraka hatoritory amim-piadanana kosa ny leopara sy ny zanak’osy, rehefa mitondra ny Mesia.​—Is 11:6.

Ny Fanjakana Grika ilay leopara manana loha efatra sy elatra efatra resahin’ny Daniela 7:6, satria haingana be ny nandreseny an’i Media-Persa. Toy ny leopara koa ilay bibidia avy tany an-dranomasina, tao amin’ny fahitan’ny apostoly Jaona.​—Ap 13:1, 2; jereo BIBY AN’OHATRA.

Nadika hoe “liona” ny hoe layish (heb.). (Jb 4:11; Oh 30:30) Natao hoe “leopara” kosa izy io ao amin’ny Isaia 30:6 (TV), satria efa miresaka “liona” (laviʼ) ao.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara