FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g97 8/10 p. 30
  • Avy Amin’ny Mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Avy Amin’ny Mpamaky
  • Mifohaza!—1997
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny Fisedrana Mafy Nahazo An’i Maggy sy ny Fitahiana Azoko
    Mifohaza!—1997
  • Avy Amin’ny Mpamaky
    Mifohaza!—1996
  • Avy Amin’ny Mpamaky
    Mifohaza!—1996
  • Avy Amin’ny Mpamaky
    Mifohaza!—1997
Hijery Hafa
Mifohaza!—1997
g97 8/10 p. 30

Avy Amin’ny Mpamaky

Fiatrehana Fisedrana Mahatsiaro tena ho voatosika hilaza ny hevitro momba ilay lahatsoratra hoe “Nohatanjahina mba Hiatrika ny Fisedrana ho Avy” (8 Janoary 1997) aho. Nanohina ny foko ny fomba nikirizan’i Edward Michalec tao anatin’ny sasany tamin’ireo tarehin-javatra sarotra indrindra. Ny fitiavany an’i Jehovah sy ny mpiara-belona aminy ary ny fahamarinana dia niharihary mazava teo amin’ny fitondran-tenany nahatoky sy ny fiaretany tamim-paharetana.

K. B., Etazonia

Ny Fisedrana Mafy Nahazo An’i Maggy Misaotra noho ny namoahanareo ilay lahatsoratra hoe “Ny Fisedrana Mafy Nahazo An’i Maggy sy ny Fitahiana Azoko”. (8 Janoary 1997). Tsy tanako ny ranomasoko rehefa namaky momba ny sorona nataon’io reny io nandritra ireo andro farany niainany, mba hahafahan’ny zanany vavikely ho teraka salama, aho. Nankasitrahako koa ny fanamarihan’ny vadiny hoe nihena tsikelikely ny alahelony arakaraka ny niresahany momba ny namoizany ny vadiny — loha hevitra mety hohalavirintsika rehefa miresaka amin’ny havan’ny maty isika. Manantena ny hifankahalala amin’i Maggy aho amin’ny fitsanganana amin’ny maty.

L. S. C., Espaina

Mampiseho ny fomba ahafahantsika, dia isika ao amin’ny kongregasiona, mifaneho fiahiana marina, ilay lahatsoratra. Namatsy sakafo ny vadin’i Maggy nandritra ireo volana maro ireo namany kristiana ary nanome azy koa akanjo ho an’ny zanany kely. Izany ka lesona ho antsika mba hanaovantsika mihoatra noho ny fandefasana carte na fiantsoana an-telefaonina fotsiny!

P. L., Etazonia

Maniry hisaotra anareo amin’ny foko rehetra aho noho io lahatsoratra io. Maty tamin’ny lozam-pifamoivoizana ny vadiko, roa tokom-bolana taorian’ny nahafatesan’i Maggy, ka namela tamiko zaza valo. Takatro ny alahelo tsapan’i Lorne Wilkins tamin’izay sy tsy maintsy mbola tsapany. Misaotra noho ny namoahanareo fitantarana zavatra niainana toy ireny ho anay. Marina tokoa fa fanohanana sy fampaherezana ho an’izay rehetra mandia fahoriana mafy toy izany izy ireny.

B. B., Frantsa

Mifindra ny Namana Tsy Foy Maniry haneho ny fankasitrahako lalina aho noho ilay lahatsoratra hoe “Manontany ny Tanora Hoe... Nahoana no Nifindra Toerana ny Namana Tsy Foiko?” (8 Janoary 1997). Tonga tamin’ny fotoana nety ilay izy. Tsy ho ela dia hifindra toerana ny iray amin’ireo namako; andeha hanompo any amin’ny kongregasiona iray izay ilana mpitory bebe kokoa izy sy ny vadiny. Na dia tena faly aza aho noho izany tombontsoa azony izany, dia fantatro fa halahelo azy mafy aho. Misaotra noho ny torohevitra faran’izay tsara nomenareo.

R. A., Italia

Tsy ho azonareo alaina sary an-tsaina mihitsy hoe tena nanohina ny foko be ilay lahatsoratra rehefa nandao anay ny mpiandraikitra ny fizaran-taninay, mpitory mpitety faritany, mba hanompo any amin’ny faritra hafa. Nikarakara be dia be ny zavatra ilaiko ara-panahy sy ara-pihetseham-po tokoa izy. Tsy misy hafa amin’ny asehon’ilay sary ao amin’ilay lahatsoratra, dia fanandraman-javatra nampanaintaina ny fanaovam-beloma. Tena tonga tamin’ny fotoana nilana azy indrindra ireo fanoloran-kevitrareo teo amin’ny fanampiana ahy hiatrika ny fahatsapana ho manirery.

J. D., Nizeria

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara