Ny Antony Mahatonga Ireo Ankizy ho Mpiady Mamokatra
NAMONO OLONA VE IANAO? “Tsia.”
NANANA BASY VE IANAO? “Eny.”
NATAONAO NANANDRIFY NY OLONA VE NY VAVA BASY? “Eny.”
NITIFITRA VE IANAO? “Eny.”
INONA NO NITRANGA? “Nianjera fotsiny ry zareo.” — World Press Review, Janoary 1996.
IZANY resaka mampihoron-koditra nifanaovan’ny mpanao asa sosialy iray sy ny miaramila ankizy iray tatsy Afrika izany, dia mampiseho ny fikorontanana ao amin’ny saina tanora iray, izay miady amin’ny fahatsiarovana ny lasa.
Tao anatin’ireo taona faramparany, tany amin’ny tany 25, ireo ankizy latsaka ny 16 taona dia nandray anjara tamin’ny ady. Nandritra ny 1988 fotsiny, dia ankizy 200 000 teo ho eo no nandray anjara tamim-pahavitrihana tamin’ny ady. Koa satria izy ireo nolalaovin’ny olon-dehibe, ireo ankizy mpiady dia niharan’ny vokatry ny ady ihany koa.
Ny vidin’izy ireo amin’ny maha-miaramila
Tamin’ny lasa, rehefa niady tamin’ny lefona sy ny sabatra ireo tafika, ny ankizy iray dia tsy ho afaka hitsangana hiady amin’ny olon-dehibe iray mampiasa fitaovam-piadiana mitovy amin’ny azy. Kanefa, izao vanim-potoana izao dia fotoan’ny fitaovam-piadiana maivana. Ankehitriny, ny ankizy iray manana basy fanafihana iray — ny AK-47 vitan’ny Sovietika na ny M16 vitan’ny Amerikana — dia afaka mifanandrina tsara amin’ny olon-dehibe iray.
Ireny fitaovam-piadiana ireny dia tsy vitan’ny hoe maivana, fa mora ampiasaina sy kojakojaina koa. Ny AK-47 iray dia azon’ny zaza iray folo taona saratsarahina sy atambatra indray. Be dia be ihany koa ireny basy ireny. Nisy AK-47 55 tapitrisa efa lafo. Any amin’ny tany afrikana iray, dia amidy hatramin’ny enina dolara amerikana (30 000 FMG eo ho eo amin’izao fotoana izao) fotsiny izy io. Ny basy M16 koa, dia sady betsaka no mora.
Ankoatra ny fahaizany mampiasa basy fanafihana, ireo ankizy dia miaramila lafo vidy noho ny antony hafa. Tsy mitaky karama izy ireo, ary saika tsy mandositra na oviana na oviana. Fanampin’izany, ireo ankizy dia maniry mafy ny hampifaly ireo zokiny amin’ny taona. Ny fahatsapan’izy ireo ny tsara sy ny ratsy dia takonan’ny faniriana ny heken’izay antokom-panafahana na izay tafika mpiady anaty akata, tonga “fianakaviany”.
Maro amin’izy ireo koa no mirona tsy hatahotra. Hoy ny nohazavain’ny mpanao fandinihana ara-tafika, tatsy Afrika Andrefana: “Koa satria [ireo ankizy] tsy manana fahazoana ny hevitr’izany hoe fahafatesana izany toa an’ireo miaramila be taona kokoa, dia mazàna izy ireo no tsy mitsoaka ady ao anatin’ny tarehin-javatra mampamoy fo.” Nieboebo toy izao ny ankizilahy liberiana iray, nahazo anarana hoe Captain Killing Machine (Kapiteny Milina Famonoana): “Rehefa nandositra ireo lehilahy lehibe, izahay ankizilahikely kosa dia mbola nijanona niady.”
Mifanohitra amin’izany anefa, na dia miaramila tsara aza ireo tovolahy, dia mazàna izy ireo no heverina ho toy ny mora soloana indrindra. Nandritra ny ady iray tany Moyen-Orient ny antokona miaramila tanora dia nobaikoina mba hitari-dalana hamakivaky saha iray feno vanja milevina.
Firotsahana ho miaramila sy fomba fiasa
Ny ankizy sasany dia manao miaramila na miditra amin’ny fihetsiketsehana ho fanoherana, noho izy ireo te hisetra zava-tsarotra. Rehefa mandrahona koa ny loza, ka mikorontana ny fianakaviana, ny tafika iray dia manome fahatsapana filaminan-tsaina ka tonga solon’ny fianakaviana. Hoy ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana Mikarakara ny Reny sy ny Zaza: “Ireo ankizy izay nihalehibe tao anatin’ny herisetra dia mihevitra izany ho fomba fiaina maharitra. Irery, kamboty, matahotra, sorisorena sy kivy izy ireo, ka matetika dia hifidy ny hiady, amin’ny farany.”
Ny ankizy hafa dia manao miaramila satria toa tsy misy safidy tsaratsara kokoa noho izany. Indraindray, rehefa tsy ampy ny sakafo ka mandrahona ny loza, ny fanaovana miaramila dia mety ho ny fomba tokana hahafahana ho velona.
Ireo ankizy indraindray, dia mety hihevitra ny tenany ho mpiady ho an’ny rariny ara-tsosialy, ho an’ny zavatra inoana ara-pivavahana, na ho an’ny kolontsaina mampiavaka azy. Tany Peroa, ohatra, ireo ankizy izay noterena hanaraka antokona mpiady anaty akata, dia nandalo fotoana lava nampidirana fampianarana ara-politika. Matetika anefa, dia tsy ilaina izany. Hoy i Brian Milne, mpandinika ny fiaraha-monin’ny olombelona, izay nanadihady momba ireo ankizy nanao miaramila tany Azia Atsimo-Atsinanana: “Ny ankizy dia tsy manana foto-pinoana na firehan-kevitra. Izy ireo dia mora mirona ho amin’ny andaniny na ho amin’ny ankilany, ka manaraka azy io.”
Ankizy maro hafa anefa no mbola terena ho amin’izany. Tany amin’ireo ady afrikana sasany, dia nisy antoko mpanani-bohitra nisambotra ireo ankizy izay, avy eo dia nasaina nanatrika na nandray anjara tamin’ny fampijalijaliana sy ny famonoana ho faty ny mpianakavin’izy ireo. Indraindray izy ireo dia noterena hitifitra ny ray aman-dreniny, na hanapaka ny tendan’izy ireo. Rehefa avy nampihorohoroina ireo ankizilahy, dia notarihina koa hampihorohoro ny hafa. Ireny tanora nanaovana herisetra ireny, dia matetika no manao zavatra feno halozana izay, na ny miaramila olon-dehibe mafy fo iray aza dia tsy hahavita izany.
Ny fiverenana ho amin’ny fiainana ara-dalàna
Tsy mora ho an’ny ankizy toy izany ny mampifanaraka ny fiainany amin’ny fiainana tsy misy herisetra. Hoy ny lehiben’ny fitaizana ankizy tany amin’ny tany iray atsy Afrika Andrefana: “Ireo ankizy rehetra nokarakarainay dia mikorontana ara-tsaina amin’ny fetrany sasany daholo. Nametaveta olona sy namono ary nampijaly izy ireo. Ny ankamaroan’izy ireo dia nomena toaka na zava-mahadomelina, mazàna marijuana, kanefa indraindray héroïne. (...) Azonao alaina sary an-tsaina ny vokatra mampahatahotra naterak’izany zavatra izany tamin’ny sain’ireo ankizy, izay ny sasany aminy dia valo na sivy taona monja.”
Mitovy amin’izany koa ny tarehin-javatra eo amin’ilay tany eo akaikiny, dia i Liberia, izay isian’ireo ankizy an’aliny maro nandany ny fahazazany hampihorohoroana ireo tambanivohitra. Tsy mora ho an’ireo tanora manamboninahitra sy ireo jeneraly ny manadino ny toerany sy ny fahefany nomen’ny AK-47 iray. Hoy ny mponina iray ao Somalia: “Raha manana basy ianao, dia manana fiainana. Tsy misy basy, tsy misy fiainana.”
Matetika ireo ankizy mpiady dia tsy afaka miverina ao an-tranony noho ny fanasaziana na ny fandavan’ny fianakaviany azy. Hoy ny mpisolovava ny ankizy any Liberia: “Ireo reny dia milaza aminay hoe: ‘Hazony any izy. Tsy tia olon-dozabe ato an-tranonay izahay.’ ”
Na dia ankizy maro aza no nanitsy ny fiainany mba ho tonga tia fihavanana, ny fanaovana izany dia mitaky fitiavana be dia be, sy fanohanana ary fahazoana ny fiheviny avy amin’ireo manodidina azy. Tsy mora izany, na ho an’ireo ankizy, na ho an’ny fianakaviany. Manazava toy izao ny mpanao asa sosialy iray any Mozambika: “Ampitahao ny fiainana izay ahafahanao maka izay rehetra ilainao, milaza amin’ny hafa izay tokony hataony, sy ny fiainanao rehefa miverina any an-tanàna. Indrindra raha 17 taona ianao ka tsy mahay mamaky teny sy manoratra sady tsy manana fahaizana hafa. Nafoy ho ao anatin’ny fiainana iray mankaleo ianao. Tena mafy ny tsy maintsy miverina amin’ny fananana olona hafa milaza aminao izay tokony hatao sy manomboka miverina any amin’ny vao mianatra abidy indray.”
[Efajoro/Sary, pejy 5]
Mipetraka any Afghanistan i Anwar, 13 taona. Za-draharaha tamin’ny ady enina izy, ary namono olona voalohany tamin’ny ady fahafito. Nitifitra miaramila roa teo amin’ny elanelana akaiky kely izy, ary avy eo dia nanosika ny vatan’izy ireo tamin’ny vodibasiny mba hahazoana antoka fa tena maty tokoa izy ireo. Rehefa nanontaniana momba izay tsapany ny amin’ilay fitrangan-javatra i Anwar, dia toa gaga tamin’ilay fanontaniana izy. “Faly aho satria nahafaty azy ireo”, hoy izy.
Nandritra io ady io ihany, ny miaramila naman’i Anwar dia nahazo babo efatra tamin’ireo fahavalo. Nofatorana izy ireo, notampenana ny masony, ary avy eo notifirina. Inona no tsapan’i Anwar momba izany? Nampakatra ny volomasony ilay mpiady tanora ka namaly miadana sy tamim-pisainana, sahala amin’ny hoe niresaka tamin’ny olona tsy ampy saina izy. “Faly aho.”
[Efajoro/Sary, pejy 6]
Mifatotra amin’ny gadra vy ny tanan’ny babo iray nadiva hafahana tatsy Afrika Andrefana, kanefa tsy hitan’ilay lehiben’ny miaramila ny lakile. Namaha ilay olana tamin’ny fibaikoana ankizilahy miaramila iray mba hanapaka ny tanan’ilay babo, ilay lehibe. “Mbola mandre ny fikiakiakan’ilay lehilahy aho, ao anatin’ny nofiko”, hoy ilay ankizilahy. “Isaky ny mieritreritra momba azy aho, dia manenina.”