FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g99 8/4 p. 3-4
  • Mandia Fotoan-tsarotra ny Ankizy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mandia Fotoan-tsarotra ny Ankizy
  • Mifohaza!—1999
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Miaramila kely sy ankizy kamboty
  • Amin’ny Hatsembohan’ny Ankizy
    Mifohaza!—1999
  • Fanararaotana Vetaveta Atao Amin’ankizy — Olana Maneran-tany
    Mifohaza!—1997
  • Fanavakavahana ny Vehivavy
    Mifohaza!—1998
  • Ny Antony Mahatonga Ireo Ankizy ho Mpiady Mamokatra
    Mifohaza!—1997
Hijery Hafa
Mifohaza!—1999
g99 8/4 p. 3-4

Mandia Fotoan-tsarotra ny Ankizy

“Raha tsy anokanana fotoana sy hery ary anehoana fiahiana ny ankizy, dia hitoetra ho olana fototra maharitra ny ankamaroan’ireo olana fototra maharitra rehetra, izay mahazo ny taranak’olombelona.” — Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana Mikarakara ny Reny sy ny Zaza.

MANDIA fotoan-tsarotra ny ankizy maneran-tany. Nisy porofo mampiaiky ny amin’ny halehiben’izany loza izany naroso tao amin’ilay kongresy niraisam-pirenena momba ny fanararaotana mamoafady atao amin’ankizy, mba hahazoam-bola. Natao tany Stockholm, any Soeda, io kongresy io, tamin’ny 1996, ary natrehin’ny solontena avy tamin’ny tany 130. Ohatra, nasehon’ireo porofo fa any amin’ny faritra maro eto an-tany, dia misy ankizivavy an-tapitrisany maro noterena hivaro-tena, ka ny sasany taminy vao folo taona monja.

Nomarihin’ilay gazetiboky aostralianina hoe Melbourne University Law Review fa nantsoina hoe “iray amin’ireo endri-panandevozana maoderina ratsy indrindra” izany fanerena hivaro-tena izany. Rehefa avy niharan’ny famelezana nisesy ara-batana sy ara-tsaina ary ara-pihetseham-po nandritra ny taona maro ireny ankizivavy ireny, dia mitondra fahavoazana mandra-pahafatiny. Amin’ny ankamaroan’ny toe-javatra, dia manaiky iharan’ny fitondrana henjana toy izany ireo ankizivavy, satria fotsiny maniry hihinan-kanina izy ireo mba tsy ho faty mosary. Mahantra ny ray aman-drenin’ny ankamaroan’ireny ankizy tsy manan-kialofana ireny, ary mampalahelo fa ny ray aman-dreniny ihany no nanery azy hivaro-tena, ka nivarotra azy mba hahazoam-bola.

Manampy trotraka an’io loza miharihary mamely ny ankizy io ilay raharaha mafana iadian-kevitra matetika mahakasika ny ankizy miasa. Any Azia sy Amerika Atsimo sy any amin’ny tany hafa ary ao amin’ny fiaraha-monina sasany voaforon’ny mpifindra monina any Etazonia, dia terena hanao ilay azo lazaina hoe “asa an-tery vozona” ny ankizy, na dia vao dimy taona monja aza. Miasa toy ny robots kely izy ireny, ao anatin’ny toe-javatra mahatsiravina izay manimba ny vatana sy ny saina mbola tanoran’izy ireny. Tsy nahita fianarana, tsy nahazo fitiavan-dray aman-dreny, tsy manana trano ahatsapana tsy fananana ahiahy, na kilalao, na zaridaina ilalaovana, ny ankamaroan’izy ireny. Ny ankamaroany dia nohararaotin’ny ray aman-dreniny tsy manana antra.

Miaramila kely sy ankizy kamboty

Ny fitomboan’ny fampiasana ankizy ho miaramila mpiady anaty akata dia mbola manampy trotraka kokoa ihany ny loza. Mety ho nalaina an-keriny na novidina teny amin’ny tsenan’andevo ireo ankizy, ary avy eo dia natao izay hahamafy fo azy tamin’ny alalan’ny fampijerena azy famonoana olona. Ny sasany aza nomena baiko mihitsy mba hamono ny ray aman-dreniny, na hampiasa zava-mahadomelina mba hampitomboana ny fironany hamono.

Izao manaraka izao dia santionan’ny vokatry ny fanasana atidoha natao tamina miaramila kely an’arivony maro tatsy Afrika. Resadresaka mampihoron-koditra nifanaovan’ny olona iray mpanao asa sosialy sy ny ankizilahy iray miaramila izay toa niezaka nitsimbina izay tsy fananan-tsiny kely nananany izy ity:

‘Efa namono olona ve ianao? “Tsia.”

Nanana basy ve ianao? “Eny.”

Efa nikendry olona tamin’ilay basy ve ianao? “Eny.”

Nitifitra ve ianao? “Eny.”

Dia inona no nitranga? “Nidaraboka fotsiny ry zareo.” ’

Ny sasany amin’ireny tanora ireny dia zara raha vao nivoaka ny fahazazana, rehefa heverina ny hoe misy amin’izy ireny vao enin-taona monja. Nisy nanao tatitra hoe tamin’ny 1988, dia efa niisa 200 000 teo ho eo ny miaramila kely naneran-tany.

Voalaza fa teo anelanelan’ny 1988 sy 1992, tao amin’ny trano iray fitaizana zaza kamboty tao amin’ny tany iray aziatika, dia ankizy 550, ankizivavy ny ankamaroany, no nofantenana mba ho faty mosary. Manao izao tatitra izao ny dokotera iray: “Tsy nanana fanafody hampitsaharana ny fanaintainany akory ireny kamboty ireny. Na dia teo am-pandriana nialany aina aza, dia nofatorana izy ireo.”

Ahoana ny amin’i Eoropa? Tafintohina mafy ny tany eoropeanina iray noho ny nahitana fa nisy fikambanana iraisam-pirenena mpanao sary vetaveta ampiasana ankizy, tao aminy. Nisambotra ankizivavy io fikambanana io mba hampiasaina amin’ny fanararaotana mamoafady. Novonoina na navela ho faty mosary ny sasany tamin’ireo ankizivavy ireo.

Ireo tatitra ireo tokoa dia manondro fa tena olana any amin’ny tany maro ny fampijaliana sy ny fanararaotana ankizy. Fanitaran-dresaka ve anefa ny filazana fa olana maneran-tany izany? Ny lahatsoratra manaraka no hamaly izany fanontaniana izany.

[Sary, pejy 4]

Miaramila kely any Liberia

[Sary nahazoan-dalana]

John Gunston/Sipa Press

[Sary, pejy 4]

Ao amin’ny orinasa iray mpanao biriky any Kolombia, dia ankizy no atao toy ny broety

[Sary nahazoan-dalana]

UN PHOTO 148000/Jean Pierre Laffont

[Sary nahazoan-dalana, pejy 3]

FAO photo/F. Botts

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara