Ny Hakanton’ireo Valam-pirenen’i Alpes
AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ANY FRANTSA
RANO madio mangalahala mikoriana mafy, ravinkazo tsofin’ny rivotra mifampikasoka malefaka, lanitra tsy semban-drahona eny ambony eny, tara-masoandro mamakivaky ireo hazo. Ireo no zava-mahafinaritra hita sy re izay mitsena anay, ary azonay antoka fa vao santatry ny andro kanto iray, izy ireo. Aiza àry no misy anay? Ao amin’ny Valam-pirenena Écrins, ao amin’i Alpes Dauphiné, eto Frantsa.
Ao amin’ny iray amin’ireo fidirana ao amin’ilay valam-pirenena, ao Ailefroide, eo amoron’ny ala, dia misy takelaka mampahafantatra fa misy zavatra sasany tsy azo atao ao amin’ilay vala, toy ny fananganan-dasy na ny fandrehetana afo. Asaina izahay hitondra mody izay rehetra mety ho fakofakonay, ary voamarikay fa voarara ny mitondra alika, satria matetika izy ireny no mampitahotra na manakorontana ireo biby tera-tany.
Ny zava-kendrena tamin’ny nanaovana azy ireo
Inona marina anefa no atao hoe valam-pirenena, ary inona no zava-kendrena tamin’ny nanaovana azy? Ny Valam-pirenena Yellowstone, ao amin’ny fanjakan’i Wyoming, valam-pirenena voalohany indrindra, dia namboarina tany Etazonia, tamin’ny 1872. Nanomboka tamin’izay, dia maro no nosokafana tany amin’ny kontinanta rehetra. Eto Frantsa, dia misy valam-pirenena fito, ka ny telo aminy dia any amin’i Alpes miendri-bolantsinana, izay miitatra manomboka eto Frantsa ka hatrany Aotrisy. Namboarina tao amin’ny faribohitr’i Graubünden (Grisons), Soisa, tamin’ny 1914 ny valam-pirenena voalohany indrindra tatỳ Eoropa. Avy eo, tamin’ny 1922, dia nosokafana ny Valam-pirenena Gran Paradiso, atsy Italia. Anisan’ireo valam-pirenena hafa any amin’i Alpes miendri-bolantsinana ny Berchtesgaden, atsy Alemaina; ny Hohe Tauern, any Aotrisy; ny Stelvio, atsy Italia; ary ny Triglav, any Slovénie. I Vanoise, izay namboarina tamin’ny 1963, no valam-pirenena voalohany indrindra teto Frantsa.
Ny zava-kendrena voalohany indrindra tamin’ny nanaovana valam-pirenena dia ny fiarovana ny zavamaniry sy ny biby eo amin’ny natiora. Tsy maintsy marihina koa fa misy vala hafa maro tsy manana sata hoe valam-pirenena, izay manana zava-kendrena tsy misy hafa amin’izany koa. Anisan’ireny ny Valam-paritra Vercors, eto Frantsa, sy ny Tahirin-javaboary Karwendel, any Aotrisy. Kanefa, ny valam-pirenena dia manana sata manokana izay manome fahefana an’ireo mpiambina azy. Mahazo lalana izy ireo hampandoa sazy an’ireo izay tsy manaraka ny lalàna ao amin’ilay vala. Ohatra, ny fitondrana alika ao amin’ny vala iray atsy Soisa, dia mety handoavana sazy hatramin’ny 500 vola soisa (1 850 000 FMG eo ho eo).
Angamba ny sasany mihevitra hoe tafahoatra izany. Kanefa misy antony nanaovana ny fandrarana sy ny sazy sasany. Hevero ange e: Indray mandeha izahay dia nifanena tamina chamois (karazana osidia) kely iray, raha tao amin’ny Valam-pirenena Mercantour, any amin’i Alpes-Maritimes, any atsimo-atsinanan’i Frantsa. Toa nandeha irery izy io ary tsy nanam-piarovana tanteraka. Kanefa tsy nikasika azy izahay, satria nihevitra izahay fa mety tsy handray azy intsony ny reniny, noho ny fandrenesana ny fofonay. Alao sary an-tsaina anefa raha toa ka nisy alika niaraka taminay! Ho feno horohoro ilay chamois mampalahelo, indrindra raha nanomboka nivovò ilay alika.
Midika ve izany fa ireo mpiambina dia tsy inona fa polisin’ny vala fotsiny? Azo antoka fa tsia. Ny mpiambina iray nifanena taminay tao amin’ny Vala Mercantour, dia nanoro anay ny toerana vao avy nandalovan’ny andiana chamois iray, ka namelan’izy ireo ny dian-tongony teo amin’ny ranomandry vao avy nilatsaka. Notondroiny ny fomba namelan’ireo kitro marika. Izany dia nanampy anay hahatakatra fa fanampin’ny fitsimbinana ny fifandanjan’ny zavaboary ao amin’ilay vala, dia anjara asan’ireo mpiambina ny manome fanazavana sy ny mampianatra.
Biby maro karazana eo amin’ny natiora
Erỳ aloha kokoa amin’ny lalanay erỳ, eo amin’ny ilan-kavoana iray lavitra, dia tazanay fa misy chamois mifalihavanja eo amin’ny faritra kely rakotra ranomandry mivongambongana. Mahita marmôta roa misangisangy eo amin’ny tehezan-karaobato koa, izahay. Mahagaga fa tsy matahotra olona ny sasany amin’ireo marmôta ireo, fa manatona an’ireo mpitsangantsangana, amin’ny fanantenana hahazo sakafo.
Misy andian’osidia mipetraka ao amin’ny vala sasany any amin’i Alpes. Ao amin’ny Vala Gran Paradiso, atsy Italia, no misy azy ireo betsaka indrindra. Nientanentana izahay nahita vitsivitsy tamin’ireny tao Mercantour. Feno biby io vala atsimon’i Alpes io. Mivoivoy malalaka ny mouflons, karazan’ondridia, ary niseho indray ny amboadia tato anatin’ireo taona faramparany. Kanefa, tsy mila ny manahy ireo mpitsidika, satria mahalana ireo amboadia no sahy mandehandeha eny akaikin’ny sakeli-dalana, ary mandositra olona izy ireny. Tamin’ny lasa, dia nisy orsa nivoivoy koa tany amin’i Alpes soisa, nefa novonoina tamin’ny 1904 ilay orsa farany hita tao. Any Eoropa Andrefana, dia azo atao izao ny mahita orsa mivolon-tsokolà any amin’i Pyrénées, eo amin’ny sisin-tany mampisaraka an’i Frantsa sy i Espaina; ao amin’ny Tendrombohitra Cantabrian, any avaratr’i Espaina; ary ao amin’ny Valam-pirenena Abruzzi, ao afovoan’i Italia. Etsy an-danin’izany, indraindray ianao dia afaka mandre serfa mitrena ao amin’ny Valam-pirenena soisa, izay misy azy ireny betsaka.
Ankoatra ireo biby lehibe kokoa anefa, dia misy biby kely kokoa maro be natao ao mba hahafinaritra an’ireo mpitsidika, toa an’ireo hermines (biby mampinono tsara volo) sy bitrodia maro karazana, izay mivadika ho fotsy ny volony amin’ny ririnina, ary koa alikadia sy marmôta ary écureuils (karazana vontsira). Fanampin’izany, dia misy bibikely sesehena, anisan’izany ireo lolo kanto, sy vitsika mazoto miasa, monina ao amin’ireo faritra ireo. Azo antoka fa tsy ho diso fanantenana ireo mpitia vorona. Mety hahita voromahery misidina eny ambonin’ny lohanao, na zipaety, na voromahery misy volom-bava mihitsy aza ianao, ao amin’ny Valam-pirenena soisa sy ao amin’ny valam-pirenena Vanoise sy Mercantour. Fandre tanteraka ao koa ny feo mampiavaka ny vavan’ny pic (voron-kely mpitsaingotsaingoka), mamely vatan-kazo mba hikarohana bibikely. Maro no manontany hoe ahoana no hahavelona ihany an’ireo mponina an-tendrombohitra ireo mandritra ny ririnina any Alpes. Mahay mifanaraka tsara amin’io tontolo iainana io ireo biby ireo, na dia maty ihany aza ny marary sy ny antitra, noho ny toe-piainana mafy.
Zavamanirin’i Alpes
Na dia ireo zavamaniry aza dia arovana ao amin’ireo vala. Araka izany, dia voarara ny mioty voninkazo, anisan’izany ireo lilia kanto volondaoranjy izay manamorona ny lalanay. Angamba ianao ta hahalala ny antony. Ny zavamaniry sasany — toy ny edelweiss malaza, ny anemônan’i Alpes, ny raozin’i Alpes, ny bleuet (karazana miritila) an-tendrombohitra, ary ny karazana gentiane sasany — dia tsy misy firy, ary zava-dehibe ny hiarovana azy ireny mba hahazoana antoka fa tsy ho lany tamingana izy ireny. Tena mampientam-po ny voninkazo isan-karazany.
Miharihary eo amin’ireo hazo izay mampisy endrika ireo vala koa ny hakanton’ny natiora. Mandravaka ny ala ny mélèzes (karazana hazo kesika) volombolamena, amin’ny fararano. Ny arolle, na hazo kesika soisa etsy an-danin’izany, dia toa mihaika ny hamafin’ny ririnina, ka manome loharanon-tsakafo tsy an-kijanona ho an’ny vorona fantatra mahazatra hoe casse-noix. Mitondra ao amin’ny takorobabony voan’ny hazo kesika notsimponiny io vorona io, ary avy eo dia mandevina izany mba hisy hohanina amin’ny hoavy. Amin’ny fanaovana izany, io vorona io dia mandray anjara amin’ny fampielezana ny hazo kesika any amin’ny toerana izay tsy ho nisy azy io, raha tsy izany. Tsy misy isalasalana fa afaka mandany andro iray manontolo handinihana ny hakanton’ny manodidina anay izahay. Kanefa, raha te ho tonga any amin’ny trano bongo eny an-tendrombohitra izahay, dia tsy maintsy mandeha haingana.
Manohy ny dianay izahay ary tsy ela dia tonga eo amin’ny lalan-kely sarotra kokoa iray. Toy ny hoe miandry anay ao an’ala ireo chamois, ary afaka maka sary maromaro izahay. Kanefa, rehefa mihamanatona izahay, dia mandositra ireto zavaboary tsara tarehy ireto, toa matahotra noho ny fanatonanay azy. Eritreretinay ilay fampanantenana mahatalanjona nataon’Andriamanitra, voarakitra ao amin’ny Isaia 11:6-9, manao hoe: “Ny amboadia hiara-mitoetra amin’ny zanak’ondry; ny leoparda hiara-mandry amin’ny zanak’osy; ary ny zanak’omby sy ny liona tanora sy ny ombikely mifahy hiray toerana, ary ny zazakely no hiroaka azy. Ary ny ombivavy sy ny bera hiara-komana; ny zanany hiara-mandry (...). Ary tsy handratra na hanimba eran’ny tendrombohitro masina izy”. Faly izahay amin’ny fanantenana fa tsy ho ela ny tany manontolo dia ho tonga paradisa hitovy amin’ny vala goavana, izay hiarahan’ny olona sy ny biby monina tsy misy tahotra.
[Sary, pejy 13]
“Any aminy” ny “chamois” ao amin’i Alpes frantsay
[Sary, pejy 14]
Marmôta malina iray ao amin’ny Valam-pirenena Vanoise, Frantsa
[Sary, pejy 14]
Voromahery iray ao amin’ny Valam-pirenena Mercantour, Frantsa
[Sary, pejy 15]
“Chamois” mianika an’i Alpes frantsay
[Sary, pejy 15]
Zanaka “chamois”
[Sary, pejy 16]
Raozin’i Alpes
[Sary, pejy 16]
Aritisao dia
[Sary, pejy 16]
“Ancolie” any amin’i Alpes
[Sary, pejy 16]
Osidia
[Sary, pejy 17]
Lilia volondaoranjy
[Sary, pejy 17]
Lilia manao satroka tiorka
[Sary, pejy 17]
“Panicaut” any amin’i Alpes
[Sary, pejy 17]
Marmôta