FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Samoà”
  • Samoà

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Samoà
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny Hakanton’ireo Valam-pirenen’i Alpes
    Mifohaza!—1997
  • Antilopa
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Biby
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Angelinkary
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Samoà”

SAMOÀ

[Heb.: zemer].

Antilopa kely hoatran’ny osy, manan-tandroka mifaingoka, ary mailaka sy tsy mora mianjera na dia eny amin’ny toerana avo be aza. Mety hirefy 80 sm hatreo amin’ny hatony ny lahiny rehefa lehibe, ary mety hilanja 30 kg mahery. Mena somary mavo ny lokony rehefa vanin-taona mafana, ary mihamatroka izany rehefa manomboka ny ririnina. Anisan’ny biby azo hanina ny samoà, araka ny Lalàna.​—De 14:5.

Tsy fantatra hoe inona marina ilay biby antsoina hoe zemer (heb.), izay adikan’ny Baiboly samihafa hoe “samoà” (TV), “osy dia” (Kat.), “osidia izay any an-tendrombohitra” (DPV) na “ropikapra” (Prot.; DIEM). Heverina ho iray tarika amin’ny teny arabo hoe zamara (miantsambotra; mandositra) ny fototeny hebreo niavian’ny hoe zemer, ka azo ilazana biby miantsambotsambotra sy mitsambikimbikina toy ny gazela. Tsy nisy samoà (Rupicapra rupicapra) tany Palestina, hoy ny manam-pahaizana sasany momba ny biby. Misy karazam-biby toa azy anefa any amin’ireo tendrombohitra Carpates sy Caucase, ka mety ho nisy karazana samoà ihany taloha tany amin’ny Tandavan-tendrombohitra Libanona.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara