Paradisa Hafa Kely
AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ANY KANADA
REHEFA mijoro eo ambony kokoa amin’ny tehezan’ny hady ianao, ka mandinika ny lohasaha erỳ ambany erỳ, dia talanjona noho ny faritra taza-maso mampientanentana — havoana be fiakarana sy fidinana, sy tevana mitsatoka be. Ahitra midadasika toa ranomasina tsy misy farany no eo anoloanao. Mitambolina tampoka ny rivotra mitondra ny fofona maherin’ny solila: izany no fameroveron’ny tanety.
Eritrereto ange e! Roanjato taona lasa monja izay, dia ho afaka nandeha nandritra ny andro maro ianao, kanefa nahita foana andiana ombidia lehibe izay nanamaizina ny kijana midadasika eto Kanada, ary ho azonao natao koa ny nahatsapa ny fihovotrovotry ny tany noho ny firohondrohon’ny kitro an-tapitrisany maro. Na dia ny fifindra-monin’ny biby any Afrika, izay malaza erỳ aza, dia tsy ho afaka nifampitaha tamin’ny an’ny ombidia lehibe izay nirenireny teto amin’itỳ ahitra toy ny ranomasina midadasika itỳ.
Ankehitriny, ny sasany amin’ireo zavatra sisa tavela amantarana fa nisy teto tokoa ireo ombidia lehibe ireo, dia ny vato be fihaotraoran’izy ireo. Afaka mitsapa ny rirany malambolambo ianao, ary afaka mahita, manodidina ireo vato, ny hady nataon’ireo ombidia lehibe an’arivony maro rehefa nikaoka ny hodiny teo, mba hanala hidihidy azy. Tsy ny rivotra mahery mitsoka avy any andrefana ihany no mampanganohano ny ranomasonao, fa ny fahatalanjonanao mafy noho ny zavaboary mahagaga izay hitanao manodidina anao koa, ka mameno fahafaham-po ny vavahadin-tsainao. Aiza àry ianao izao? Mitsidika paradisa iray hafa kely ianao.
Vala hafa kely
Tonga soa eto amin’ny Grasslands National Park (valam-pirenena), atỳ atsimoandrefan’i Saskatchewan, Kanada — ilay hany vala atỳ Amerika Avaratra atokana ho fitsimbinana ireo tanety milamina anirian’ny ahitra mifangaro. Ampahany roa, atsinanana sy andrefana, raha ny marina, no mahaforona ilay vala, ary misy 22 kilaometatra sy sasany manelanelana azy roa ireo. Hisy 900 kilaometatra toradroa ny fitambarany, amin’ny farany.
Mikitoantoana sy misy sakana sarotra maro ilay faritra. Tsara indrindra raha mandeha an-tongotra na mitaingin-tsoavaly, rehefa hizaha ilay vala. Hankafizin’ireo tia fisetran-javatra manaitaitra ny hanao lasy, mba hahafahana hijery ireo kintana, mandritra ny alina maromaro. Miomàna tsara anefa, ka mitondrà rano ampy sy tahirin-tsakafo hafa tena ilaina. (Jereo ilay faritra voafefy hoe “Fizahana Vala”.) Tsy hahita trano maoderina, na lalana voarary vato na rakotra vatokely, na taribin’aratra, na toerana fanariam-pako, na parking, ianao, mandritra ny dianao mamakivaky ilay vala. Mety tsy hahita olona mihitsy aza ianao. Marina tokoa fa paradisa hafa kely tokoa izy itỳ! Raha vao miditra ilay vala ianao, dia miditra ao amin’ny tontolo kanto sy miavaka iray.
Iray amin’ireo ekôsistema niova be indrindra eto an-tany ny Tany Lemaka Lehiben’i Amerika Avaratra. Roanjato taona latsaka izay, dia tany aolo ary tsy voakasika zato isan-jato izy io. Amin’izao andro izao, ohatra, dia latsaka ny 25 isan-jaton’io tanety anirian’ny ahitra mifangaro eto Kanada io sisa tsy voasa. Tamin’ireo taona 1830 no nipoitra ny hevitra ny amin’ny hiarovana io tanetin’ahitra io, ka hanaovana azy ho vala iray. Zato taona mahery tatỳ aoriana, tamin’ny 1957, dia nanomboka niasa tamin’ny fanorenana valam-pirenena ny Fikambanana Momba ny Tantara Voajanahary, any Saskatchewan.
Tamin’ny 1988 anefa vao namorona ny Grasslands National Park ny fifanarahan’ny federasiôna sy ny faritany. Ankehitriny io vala io, sy ny maro hafa ao amin’ny tanetin’i Kanada, dia miaro zavamaniry sy biby mampinono ary vorona karazany 22, izay ao amin’ny lisitra ofisialin’ny karazana atahorana ho lany tamingana, eto Kanada. Fanampin’izany, dia misy karazana maro hafa arovana, izay tsy hita na aiza na aiza eto an-tany ny sasany aminy.
Mifanipaka be ny toe-tany eto amin’ny vala Grasslands. Ao afovoan’ilay tany no misy azy io, hany ka tsy tonga hatrany ny vokatra manalefaky ny ranomasimbe na iza na iza. Noho izany, dia mety hahatratra -50° Celsius ny maripana amin’ny ririnina, ary tsy mahalana no ahitana 40° Celsius mahery amin’ny fahavaratra. Noho ny orana faran’izay tsy misy firy sy ny rivotra mitsoka tsy an-kijanona, dia henjana ny toe-tany.
Misy zavamiaina maro be ao, na dia tsy hita avy hatrany aza. Raha manam-paharetana sy fikirizana anefa ianao, indrindra fa rehefa aloha kely na aoriana kelin’ny mangiran-dratsy sy ny somambisamby, dia mety hovalian-tsoa ianao satria ho afaka haka sary serfa, alikadia, sakadia, bitrodia, akoholahinala lehibe, bibilava mikorintsan-drambo, vorondolo monina an-davaka, hitsikitsika manopy mena, voromahery mivolom-bolamena, antilopa hafa kely antsoina hoe antilocapres (lazalazaina ho ny biby lehibe haingam-pandeha indrindra atỳ Amerika Avaratra angamba), na ny hany andiana alikan-tanety mainty rambo sisa tavela eto Kanada. Hahita vorona maro hafa sy bibikely sy zavamaniry zana-tany koa ianao.
Tantara mahaliana maro momba ilay faritra
Raha tapa-kevitra ny hitsidika itỳ vala miavaka itỳ ianao, dia mampirisika anao izahay mba hanao fikarohana momba ilay faritra. Ho hitanao fa misy tantara betsaka mahakasika azy io. Ohatra, mbola misy marika ao, ahitana soritr’ilay lalana malaza hoe Mounted Police Red Coat Trail, any avaratrandrefana. Rehefa nandre tsaho momba ny hotakotaka teo amin’ny tompon-tany ny fitondram-panjakana kanadianina, tamin’ny 1874, dia nandefa andia-miaramila voaforona Polisy Mitaingin-tsoavaly niisa telonjato ho any Andrefana mba hampandry tany. Izany koa dia nampitony ny ahiahin’ireo olona maro momba ny hoe ho azon’i Etazonia ny tany Andrefan’i Kanada. Nanaitra ny saina aoka izany ireo andia-miaramila nanao palitao lava mena jaky sy nitaingina soavaly voaravaka tsara, hany ka hatramin’izao andro izao, dia fantatra ho Lalam-ben’ny Red Coat (Akanjo Mena) ilay lalana nalehan’izy ireo.
Mahaliana ny mahafantatra fa tamin’ny 1878, io faritra io dia nanjary toeram-ponenan’ny iray amin’ireo mpiady indianina mena hoditra natahorana indrindra tatỳ Amerika Avaratra — i Sitting Bull, sefo lehibe teo amin’ny Sioux. Taorian’ny nandresen’ny Sioux ny miaramilan’i Custer tao Little Bighorn, dia nandositra nankany amin’io faritr’i Kanada io ny Sioux an’arivony maro avy tatsy Etazonia, mba hitady fialofana tsy ho azon’ny miaramila amerikanina nitaingin-tsoavaly.
Misy toerana arkeôlôjika lehibe miisa 1 800 eo ho eo, izay nanana fiandohana taloha kokoa mihitsy aza, ao amin’ilay vala. Ahitana vato lehibe maro nalahatra nanao faribolana, fantatra amin’ny hoe faribolana tipi (lay), eny amin’ny tendrombohitra mitomandavana sy tampon-kavoana ary havoana mitokana maro. Taloha dia nampiasaina ireny vato ireny hihazonana ny sisin’ireo lay vita tamin’ny hoditra ombidia lehibe, mba tsy ho lasan’ny rivotra. Misy lalana tery maromaro mifandray koa nampiasain’ny Indianina Mena Hoditra monina an-tany lemaka mba handroahana ombidia lehibe. Taonjato maro lasa izay, dia toeram-pihazana tsara ilay faritra ho an’ny foko Gros Ventre, Cree, Assiniboines, Blackfoot, ary Sioux.
Mbola taloha kokoa, dia nahitana sisam-patina dinôzôro teo amin’ny havoanan-tanimanga voakaoky ny riaka ao Killdeer Badlands, ao amin’ny ampahany atsinanana amin’ilay vala.
Faritra taza-maso kanto
Raha mbola tsy ampy mba hampitolagaga anao ny zavamaniry sy ny biby karazany maro sy tondraka, na ny tantara mahavarianan’io tany io, dia hanao izany ny faritra taza-maso kanto sy manaitra ny maso. Eo ny feon’ireo karazam-borona maro dia maro, ny fofon’ny solila, ary ny hafanan’ny masoandro sy ny rivotra mitsoka, tsapanao eo amin’ny hoditrao. Matsiro kokoa ny sakafo nandrahoina teo amin’ny fatana gaza azo entina mandeha, ampian’ny fitazanana faritra taza-maso, izay fahafinaretana hatrany ho an’ny masonao. Ambonin’izany rehetra izany, dia tsy misy zavatra manakontakona mihitsy ny faravodilanitra hatraiza hatraiza, indrindra fa rehefa manaraka ny lalan-kely Two Trees Interpretive, ao amin’ny ampahany andrefana amin’ilay vala, ianao. Voaravaka rahona fotsy toy ny vohavohan-dandihazo miparitadritaka etsy sy eroa, izay mihantona eo ambonin’ny lohanao toy ny tendrombohitra mitsinkafona, ny lanitra manga midadasika. Tsapanao mafy ho manana fahafahana tanteraka ianao rehefa mijery ny faritra taza-maso manaitra, ary etsy an-danin’izany, dia mahatsiaro tena ho bitika aoka izany koa ianao sady talanjona tanteraka noho izany faritra taza-maso izany.
Raha ny momba ny tanety indray, dia tsy ny zavatra hitanao ihany, fa ny tsapanao koa, no zava-dehibe. Ny fihetseham-po tsapanao ho an’itỳ toerana itỳ no hanintona anao hiverina eto amin’itỳ paradisa hafa kely itỳ. Safononoky ny fankasitrahana izao ny fonao noho ilay zavatra niainanao. Manjary feno fiderana an’i Jehovah, ilay Mpamorona Lehibe, izay nametraka ireo rehetra ireo eto, ny sainao. Tsy ho ela dia ho tonga ilay andro andrandraina, izay hahatongavan’ny tany manontolo ho paradisa, ka hanehoany amin’ny fomba feno ny hakantony voajanahary.
[Efajoro, pejy 26]
Fizahana Vala
Aza hadinoina ny
1. Misoratra anarana ao amin’ny mpiasa mikarakara ilay vala, mba hahazoana bokim-panazavana feno, alohan’ny hidiranao ao amin’ny vala.
2. Mitondra vatsin-drano fisotro ampy. Ao amin’ny Foibem-panazavan’ny Vala ihany mantsy no misy rano fisotro.
3. Manao satroka, ary koa kiraro mafy sy mety tsara amin’ny tongotrao izay hanarona ny kitrokelinao sy hiaro azy amin’ny tsilo maniry any.
4. Mitondra hazo lavalava mba hahetsiketsika eo anoloanao rehefa mamakivaky toerana misy ahitra avo sy kirihitr’ala ianao.
5. Mitondra ny fakan-tsarinao sy ny masolavitrao, raha manana ianao. Amin’ny mangiran-dratsy sy ny somambisamby no fotoana tsara indrindra handinihana biby.
FAMPITANDREMANA: Aza apetraka eo amin’ny toerana tsy hitanao tsara ny tananao na ny tongotrao. Mety hanaikitra ny bibilava mikoritsan-drambo rehefa terena eo amin’ny toerana tsy ahafahany miala, na rehefa taitra tampoka. Voararan’ny lalàna ny fanorisorenana na ny fihazana ny zavamiaina ao amin’ny valam-pirenena.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 25]
Ny sary rehetra: Parks Canada