Ny Alahelo Ateraky ny Famelana ny Zanaka Handeha
“Efa nampitandrina ahy ny vadiko tamin’ny andro nahaterahan’ny zanakay voalohany — ‘Ny fitaizana ankizy, ry malala, dia fiomanana ela be hamela azy handeha.’ ” — Ourselves and Our Children—A Book by and for Parents.
FALY ny ankamaroan’ny ray aman-dreny — mientanentana mihitsy aza — rehefa teraka ny zanany voalohany. Na dia eo aza ny fahasahiranana, ny fanahiana manorisory, ny alahelo, ny fahakiviana, sy ny tebiteby rehetra entin’ny fananan-janaka, dia mety ho loharanom-pifaliana lehibe ny zanaka. Telo arivo taona lasa teo ho eo izay, dia nilaza toy izao ny Baiboly: “Fanomezana avy amin’ny TOMPO ny zanaka; tena fitahiana izy ireo.” — Salamo 127:3, Today’s English Version.
Na dia izany aza, dia milaza izao fampiomanana mampieritreritra izao koa ny Baiboly: “Ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny”. (Genesisy 2:24). Noho ny antony maro samihafa, mazàna ny zanaka efa lehibe dia mandao ny tokantrano — mba hanohy fianarana, hanao anton’asa iray, hanitatra ny fanompoany kristiana, na hanambady. Ho an’ny ray aman-dreny sasany anefa, dia tena mankarary fo loatra izany zava-marina izany. Avelany hahatonga azy — araka ny voalazan’ny mpanoratra iray — “hahatsiaro ho notevatevaina, tafintohina mafy, sanganehana, mahazo fandrahonana, na ailika”, ny ady ara-dalàna ataon’ny zanany mba hahaleo tena. Matetika izany no mitarika ho amin’ny fifandirana sy ny fihenjanana tsy misy farany eo amin’ny mpianakavy. Misy ray aman-dreny sasany tsy mety manaiky fa ho avy ilay andro handaozan’ny zanany ilay akany nahabe, ka tsy manomana azy ireny ho amin’ny fiainan’olon-dehibe izy ireo. Mety ho faran’izay ratsy ny vokatra hojinjaina avy amin’ny fanaovana tsirambina toy izany: olon-dehibe tsy voaomana tsara hitondra tokantrano, hikarakara fianakaviana, na hitana asa mihitsy aza.
Ao amin’ny fianakaviana tsy misy afa-tsy ray na reny no mety ho tena mafy indrindra ny alahelo ateraky ny fisarahana. Hoy ny reny iray antsoina hoe Karen, izay mitaiza irery ny zanany: “Mifankahazo am-po izaho sy ny zanako vavy; namboly fatoram-pisakaizana tena izy izahay mianaka. Na taiza na taiza nalehako, dia nentiko izy.” Fahita ao amin’ireo tokantrano tsy misy afa-tsy ray na reny ny hoe mifandray akaiky ny ray na ny reny sy ny zanany. Mora takatra àry raha mety hahakivy izaitsizy ny fieritreretana ny hamoy izany fifandraisana akaiky izany.
Kanefa, mampahatsiahy ny ray aman-dreny toy izao ilay boky hoe Traits of a Healthy Family (Lafin-toetra Mampiavaka ny Fianakaviana Matanjaka): “Izao no atao hoe fiainam-pianakaviana: ny fanolokoloana zaza iray tsy mahaleo tena ho tonga olon-dehibe mahavita tena.” Mampitandrina izy io avy eo hoe: “Olana maro ao amin’ny fianakaviana no mipoitra avy amin’ny tsy fahaizan’ny ray aman-dreny mamela ny zanaka handeha.”
Ahoana ny aminao? Ray na reny ve ianao? Raha izany no izy, voaomana ho amin’ilay andro tsy maintsy hamelanao ny zanakao handeha ve ianao? Ary ahoana ny amin’ny zanakao? Moa ve ianao eo am-panomanana azy tsy hiankin-doha amin’ny hafa?