FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g98 8/2 p. 9-12
  • Fiainana Amim-pahasambarana ao Amin’ilay Akany Foana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fiainana Amim-pahasambarana ao Amin’ilay Akany Foana
  • Mifohaza!—1998
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Mifantoha amin’ny lafy tsaran-javatra
  • Mbola ray na reny ihany!
  • Halaviro ny fitsabahana amin’ny raharahany
  • Havaozy ny fatoram-panambadianao
  • Ny famelan’ny ray na reny mitaiza irery ny zanany handeha
  • Fahitana fahasambarana amin’ny famelana ny zanaka handeha
  • Olana Maro Atrehin’ny Ray na Reny Tokan-tena
    Mifohaza!—2002
  • Ampiofano Manomboka eo Amin’ny Maha-zazakely Azy ny Zanakao
    Ny Tsiambarantelon’ny Fahasambaram-pianakaviana
  • Manomeza fanabeazana ireo zanakao hatramin’ny vao fahakelezany indrindra
    Ny Fomba Hahitana Fiainam-pianakaviana Sambatra
  • Fianarana Mamela ny Zanaka Handeha
    Mifohaza!—1998
Hijery Hafa
Mifohaza!—1998
g98 8/2 p. 9-12

Fiainana Amim-pahasambarana ao Amin’ilay Akany Foana

“HO AN’NY ankamaroantsika”, hoy ny fieken’ny reny iray, “dia miteraka fikorontanana ara-pihetseham-po mafy ny fisarahana farany, na dia voaomana tsara toy inona aza isika.” Eny, mety tsy ho azo ialana ny fandehanan’ny zanaka, kanefa rehefa tena mitranga tokoa ilay izy, dia mety tsy ho mora ny fiatrehana azy. Hoy ny raim-pianakaviana iray momba ny fihetsiny manokana rehefa avy nanao veloma ny zanany lahy: “Sambany teo amin’ny fiainako (...) aho vao nitomany saika tsy nisy fitsaharany.”

Ho an’ny ankamaroan’ny ray aman-dreny, ny fandehanan’ny zanany dia mamela fahabangana goavana eo amin’ny fiainany — fery misokatra be. Ny sasany mahatsapa mafy ho manirery, malahelo, na namoy zanaka, satria tsy misy intsony ilay fifandraisana isan’andro amin-janany. Ary mety tsy ho ny ray aman-dreny ihany no mahita fa sarotra ny mizatra amin’ilay toe-javatra. Mampahatsiahy antsika toy izao ny mpivady iray antsoina hoe Edward sy Avril: “Raha mbola misy zanaka hafa ao an-trano, dia hahatsapa ilay famoizana koa izy ireo.” Ny torohevitra omen’io mpivady io? “Anokany fotoana sady anehoy fahaiza-mahatakatra ny fiheviny izy ireo. Hanampy azy ireo hizatra amin’ilay tarehin-javatra izany.”

Eny, mbola mitohy ihany ny fiainana. Raha tsy maintsy mikarakara ny zanakao sisa tavela ao aminao ianao — tsy resahina intsony ny asanao na ny adidinao ao an-trano — dia tsy azonao atao ny mamela ny tenanao ho difotry ny alahelo. Andeha àry isika hijery fomba sasany hahitana fahasambarana, rehefa mandao ny tokantrano ny zanaka.

Mifantoha amin’ny lafy tsaran-javatra

Mazava ho azy fa raha mahatsiaro ho malahelo na manirery ianao ka mila mitomany na miresaka momba ny fihetseham-ponao amin’ny namana iray mangoraka, dia ataovy tokoa izany. Hoy ny Baiboly: “Ny alahelo ao am-pon’ny olona dia mampitanondrika azy; fa ny teny soa no mahafaly azy.” (Ohabolana 12:25). Indraindray ny hafa dia afaka manome fomba fijery vaovao momba ilay toe-javatra. Ohatra, manoro hevitra toy izao ny mpivady iray antsoina hoe Waldemar sy Marianne: “Hevero ho toy ny fahatratrarana amim-pahombiazana tanjona iray ilay raharaha, fa tsy ho toy ny famoizana.” Fomba fijery lafy tsaran-javatra re izany! “Faly izahay fa afaka nitaiza ireo zanakay lahy ho tonga olon-dehibe mahay mandray andraikitra”, hoy ny mpivady iray antsoina hoe Rudolf sy Hilde.

Niezaka hitaiza ny zanakao ‘tao amin’ny lalàm-pifehezana sy ny fanabeazana ara-tsaina izay an’i Jehovah’ ve ianao? (Efesiana 6:4, NW ). Na dia niezaka aza ianao, dia mety ho mbola mitebiteby ihany rehefa handeha izy. Ho an’ireo izay nampiofana ny zanany tamin’izany fomba izany anefa, dia manome toky ny Baiboly fa “na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin’izany”. (Ohabolana 22:6). Tsy mahafa-po indrindra ve ny mahita fa nandray tsara ny fampiofananao ny zanakao? Hoy ny apostoly Jaona mikasika ny fianakaviany ara-panahy: “Tsy manana fifaliana mihoatra noho izao aho, dia ny andrenesako fa mandeha araka ny fahamarinana ny zanako.” (3 Jaona 4). Angamba ianao afaka manana fihetseham-po mitovy amin’izany koa raha ny amin’ny zanakao.

Marina aloha fa tsy ny ankizy rehetra no mandray tsara ny fampiofanana kristiana. Raha izany no izy ny amin’ny zanakao efa lehibe, dia tsy midika akory izany hoe ray na reny tsy nahomby ianao. Aza mandevilevy tena tsy amin’ny antony, raha efa nanao araka izay tena fara herinao ianao mba hitaizana azy tamin’ny fomba araka an’Andriamanitra. Aoka ho takatrao fa hitondra ny enta-mavesatry ny andraikiny manokana eo anatrehan’Andriamanitra ny zanakao efa lehibe. (Galatiana 6:5). Manàna fanantenana hatrany fa angamba, rehefa mandeha ny fotoana, dia handinika indray ny safidiny izy, ka handeha ho amin’ilay nikendrena azy ilay “zana-tsipìka”, amin’ny farany. — Salamo 127:4.

Mbola ray na reny ihany!

Na dia manondro fiovana lehibe aza ny fandehanan’ny zanakao, dia tsy midika akory izany fa vita hatreo ny asanao amin’ny maha-ray na reny anao. Hoy i Howard Halpern, manam-pahaizana momba ny fitsaboana aretin-tsaina: “Ianao no ray na reny mandra-pahafatinao, saingy tsy maintsy omena famaritana hafa indray ny atao hoe fanomezana sy fanolokoloana.”

Efa hatramin’ny ela no naneken’ny Baiboly fa tsy mitsahatra akory ny asan’ny ray aman-dreny, satria fotsiny hoe efa tonga olon-dehibe ny zanaka. Hoy ny Ohabolana 23:22: “Maneke ny rainao izay niteraka anao. Ary aza manamavo ny reninao, saingy efa antitra izy.” Eny, na dia rehefa “antitra” aza ny ray aman-dreny ary efa lehibe ny zanany, dia mbola afaka ny hanan-kery lehibe eo amin’ny fiainan-janany ihany ny ray aman-dreny. Mazava ho azy fa misy fanitsiana sasany ilaina hatao. Mila fanitsiana anefa ny fifandraisana rehetra indraindray, mba hihazonana azy ireny ho vaovao sady mahafa-po. Koa amin’izao zanakao efa lehibe izao, dia miezaha hanana fifandraisan’ny samy olon-dehibe aminy. Mahaliana ny zavatra asehon’ireo fandinihana: Matetika no mihatsara ny fifandraisan’ny ray aman-dreny sy ny zanaka, rehefa mandao ny tokantrano ny zanaka! Koa satria manjary miatrika ireo faneren’ny tena fiainana ny zanaka, dia matetika izy ireo no manomboka manana fomba fijery vaovao momba ny ray aman-dreniny. Hoy ny lehilahy alemà iray antsoina hoe Hartmut: “Ankehitriny dia azoko tsara kokoa ny hevitry ny ray aman-dreniko ary takatro ny antony nanaovan’izy ireo zavatra toy ireny nataony ireny.”

Halaviro ny fitsabahana amin’ny raharahany

Mety hanimba zavatra be dia be anefa ny fitsabahanao amin’ny fiainana manokan’ny zanakao efa lehibe. (Ampitahao amin’ny 1 Timoty 5:13.) Mitaraina toy izao ny vehivavy iray, izay manana fifandraisana mihenjana be amin’ny rafozany: “Tianay izy ireo, saingy mba ta hanana ny fiainanay manokana sy hanao ny fanapahan-kevitray manokana koa izahay.” Mazava ho azy fa tsy hisy ray na reny be fitiavana hijery fotsiny ny zanany efa lehibe midi-kizo. Mazàna anefa no tsara indrindra raha toa ny ray aman-dreny ka tsy manome torohevitra tsy nangatahina, na dia mampiseho fahendrena na fiahiana toy inona aza ilay izy. Marina izany, indrindra fa aorian’ny nanambadian’ny zanaka.

Nanome izao torohevitra izao ny Mifohaza! tamin’ny 1983: “Ekeo fa miova ny anjara asanao. Tsy mampinono ny zanakao intsony ianao rehefa afa-mandeha izy. Toy izany koa fa tsy maintsy soloanao indray izao ilay anjara asa nankamaminao tamin’ny naha-mpitaiza anao ka ovanao ho ny an’ny mpanoro hevitra. Tsy mifanentana amin’izao zanakao efa lehibe izao ny manao fanapahan-kevitra eo amin’ny toerany, toy ny maha-tsy mety ny manampy azy handrezatra na ny mampinono azy. Mpanoro hevitra ianao, ka voafetra mazava tsara ny azonao atao. Tsy afaka manantitrantitra intsony ny amin’ny fahefanao amin’ny maha-ray na reny anao ianao. (‘Ataovy izao, satria izany no teniko.’) Tsy maintsy hajaina ny maha-olon-dehibe ny zanakao.”a

Mety tsy hiombon-kevitra amin’ny fanapahan-kevitra rehetra raisin’ny zanakao sy ny vadiny ianao. Afaka manampy anao hampitony ny fanahianao sy tsy hitsofotsofoka tsy amin’ny antony amin’ny fiainany anefa ny fanajana ny fahamasinan’ny fanambadiana. Izao no marina: Tsara indrindra mazàna ny hamelana ny mpivady tanora handamina ny zava-manahirana azy. Raha tsy izany, dia mety hiatrika fifandonana tsy ilaina ianao, rehefa manome torohevitra tsy nirina ho an’ny vinantonao, izay mety ho tena mora tohina amin’ny fanakianana, eo amin’ny fotoana mampaharefo ny fanambadiany. Nanome torohevitra fanampiny toy izao ilay lahatsoratra ao amin’ny Mifohaza! voalaza etsy ambony: “Esory ilay fakam-panahy hanipy hevitra tsy misy farany sady tsy nangatahina akory, izay mety hampivadika vinanto iray ho fahavalo.” Aoka ianao hanohana — fa tsy hitondra ny zanakao araka izay tianao. Amin’ny fihazonanao fifandraisana tsara amin’ny zanakao no anamoranao kokoa ny hanatonany anao, raha tena mila torohevitra izy.

Havaozy ny fatoram-panambadianao

Ho an’ny mpivady maro, dia mety hanokatra fahafahana hampitombo ny fahasambaran’izy mivady koa ilay akany foana. Mety hitaky fotoana sy ezaka be aoka izany ny fitaizana vanona, hany ka manao tsirambina ny fifandraisan’izy roa ny mpivady. Hoy ny vehivavy iray: “Izao efa lasa izao ny ankizy, dia miezaka hifankahalala amin’ny lafiny rehetra indray izahay sy i Konrad.”

Afaka amin’ny andraikitra andavanandro amin’ny fitaizana ianareo izao ka mety hanam-potoana bebe kokoa hifampiheverana. Hoy ny fanamarihan’ny reny iray: “Izao fotoana malalaka vao azo izao (...) dia mamela anay hifantoka bebe kokoa amin’ny maha-izy anay sy hifantoka amin’ny fianaran-javatra bebe kokoa momba ny fifandraisanay ary hanomboka hanao zavatra izay hanome fahafaham-po amin’izay ilainay.” Hoy ny teny nanampiny: “Fotoana ianaran-java-baovao sy itomboana tokoa izao, ary na dia mety hampikorontana aza ny fotoana toy izao, dia mampientanentana koa.”

Ny mpivady sasany koa dia afaka mampiasa amin-kalalahana kokoa ny volany. Azo atao ankehitriny ireo fialam-boly sy anton’asa izay naato aloha. Eo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia mpivady maro no mampiasa ny fahafahana vao azony mba hikatsahana tombontsoa ara-panahy. Nohazavain’ny raim-pianakaviana iray antsoina hoe Hermann fa taorian’ny nandaozan’ny zanany ny tokantrano, dia nieritreritra avy hatrany ny hanohy indray ny fanompoana manontolo andro izy mivady.

Ny famelan’ny ray na reny mitaiza irery ny zanany handeha

Mety ho sarotra ny mizatra amin’ny fiainana ao amin’ilay akany foana, indrindra fa ho an’ny ray na reny mitaiza irery ny zanany. Hoy ny fanazavan’i Rebecca, izay mitaiza irery zanaka roa lahy: “Rehefa mandeha ny zanakay, dia tsy manana vady hiaraka aminay sy ho tia anay izahay.” Nety ho hitan’ny ray na reny nitaiza irery ny zanany fa loharanom-panohanana ara-pihetseham-po izy ireny. Ary raha nandray anjara tamin’ny fampidiram-bola tao an-trano izy ireny, dia mety hitondra fahasahiranana ara-bola koa ny fandehanany.

Ny reny sasany dia mahavita manatsara ny toe-bolany amin’ny fidirana ao amin’ny fandaharam-piofanana hiasa na ao amin’ny taranjam-pianarana tsy maharitra ela. Ahoana anefa no amenoana ilay fahabangana entin’ny fahatsapana ho manirery? Hoy ny reny iray nitaiza irery ny zanany: “Ny mandaitra amiko dia ny fitadiavana zavatra hatao foana. Mety ho famakiana ny Baiboly izany, fanadiovana ny tranoko, na fandehandehanana na fihazakazahana tsara fotsiny. Ny fomba mahasoa ahy indrindra anefa, mba handresena ny fahatsapana ho manirery, dia ny firesahana amin’ny namana iray tia zavatra ara-panahy.” Eny, “mihalalaha”, ary mambole fisakaizana vaovao sy mahafa-po. (2 Korintiana 6:13). ‘Mahareta amin’ny fangatahana sy ny fivavahana’, rehefa mahatsapa ho difotry ny alahelo ianao. (1 Timoty 5:5). Matokia fa hanatanjaka sy hanohana anao i Jehovah mandritra io fe-potoan-tsarotra izaranao amin’ilay tarehin-javatra io.

Fahitana fahasambarana amin’ny famelana ny zanaka handeha

Na inona na inona tarehin-javatra misy anao, dia aoka ho takatrao fa tsy mifarana amin’ny fotoana andaozan’ny zanaka ny tokantrano akory ny fiainana. Tsy rava koa ny fatoram-pianakaviana. Matanjaka tsara ilay fitiavana voalazalaza ao amin’ny Baiboly, hany ka mampiray ny olona, na dia rehefa mifanalavitra be aza izy ireo. Nampahatsiahy antsika ny apostoly Paoly fa ny fitiavana “maharitra ny zavatra rehetra. Ny fitiavana tsy ho levona mandrakizay”. (1 Korintiana 13:7, 8). Tsy hoe ho levona akory ilay fitiavana tsy misy fitiavan-tena nambolenao tao amin’ny fianakavianao, satria fotsiny hoe mandao ny tokantrano ny zanakao.

Mahaliana fa rehefa manomboka mahatsapa mafy ilay fisarahana sy manina mafy ny any amin’ny ray aman-dreniny ny zanaka, na rehefa manomboka mahatsapa ny ngidin’ny fahasahiranana ara-bola izy ireo, dia matetika izy no voalohany manorina indray ny fifandraisana. Hoy ny torohevitr’i Hans sy i Ingrid: “Ampahafantaro ny zanakao fa misokatra foana ny varavaran’ny tranonao.” Hanampy anareo hifandray hatrany ny fitsidihana tsy tapaka, ny fanoratana taratasy, na ny fiantsoana an-telefaonina tsindraindray. “Manehoa fahalianana amin’izay ataony, saingy aza mitsabaka amin’ny raharahany”, hoy i Jack sy i Nora.

Rehefa mandao ny tokantrano ny zanaka, dia miova ny fiainana. Mety ho feno zavatra atao sy marisidrisika ary mahafa-po anefa ny fiainana ao amin’ilay akany foana. Afa-tsy izany koa, dia miova ny fifandraisanao amin’ny zanakao. Na dia izany aza, dia mbola afaka ny ho fifandraisana mahasambatra sy mahafinaritra izany. Hoy ny Profesora Geoffrey Leigh sy Gary Peterson: “Ny tsy fiankinan-doha amin’ny ray aman-dreny dia tsy voatery hidika hoe very ny fitiavana azy, ny tsy fivadihana aminy, na ny fanajana azy. (...) Eny tokoa, matetika no maharitra mandritra ny androm-piainana ny fatoram-pianakaviana mafy.” Eny, tsy hitsahatra ny ho tia ny zanakao na oviana na oviana ianao, ary tsy hitsahatra ny ho rainy na ho reniny na oviana na oviana. Ary satria ampy fitiavana ny zanakao ianao matoa namela azy handeha, dia tsy tena namoy azy ianao.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Jereo ilay lahatsoratra hoe “Le métier de parent n’a pas de fin”, ao amin’ny Mifohaza! (frantsay) tamin’ny 8 May 1983.

[Teny notsongaina, pejy 12]

“Sambany teo amin’ny fiainako (...) aho vao nitomany saika tsy nisy fitsaharany”

[Efajoro/Sary, pejy 10]

Teny Atsipy Amin’ny Zanaka efa Lehibe — Ampio ny Ray Aman-dreny Hamela Handeha

Mora kokoa, raha ny ara-dalàna, ny mandao noho ny ilaozana. Koa na dia faly aza ianao izao mahaleo tena izao, satria efa olon-dehibe, dia manehoa hatsaram-panahy sy fahaiza-mahatakatra ny hevitry ny ray aman-dreninao, raha sarotra aminy ny mizatra amin’ilay tarehin-javatra. Omeo toky izy ireo fa tia azy sady manana firaiketam-po aminy hatrany ianao. Taratasy fohy, fanomezana tsy ampoiziny, na antso an-telefaonina amim-pisakaizana, dia afaka mampahery be dia be ny ray na reny malahelohelo! Lazao aminy hatrany ireo fisehoan-javatra lehibe eo amin’ny fiainanao. Hampahafantatra azy izany fa mbola mafy ihany ny fatoram-pianakaviana.

Arakaraka ny iatrehanao ireo faneren’ny fiainan’olon-dehibe, dia azo inoana fa hahatakatra bebe kokoa hatrany izay nodiavin’ny ray aman-dreninao teo am-pikarakarana anao, ianao. Angamba izany hanosika anao hilaza amin’ny ray aman-dreninao hoe: “Misaotra noho izay rehetra nataonareo ho ahy!”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara