FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g98 8/8 p. 21-24
  • Dengue — Fanaviana avy Amin’ny Kaikitra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Dengue — Fanaviana avy Amin’ny Kaikitra
  • Mifohaza!—1998
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Inona moa ny dengue?
  • “Ny roa ampahadimin’ny mponina amin’ny tany” no mety ho voany
  • Ny loza manokana entin’ny DH
  • Fiarovana ny fianakavianao
  • Fepetra fisorohana mialoha
  • Mampidi-doza ny Dengue
    Mifohaza!—2011
  • Avy Amin’ny Mpamaky
    Mifohaza!—1999
  • Avy Amin’ny Mpamaky
    Mifohaza!—2001
  • Nahoana no Miverina Indray?
    Mifohaza!—2003
Hijery Hafa
Mifohaza!—1998
g98 8/8 p. 21-24

Dengue — Fanaviana avy Amin’ny Kaikitra

Avy amin’ny masoivohon’ny Mifohaza! any Philippines

TSY nisy nahamarika akory, indro ny moka iray nipetraka teo amin’ny sandrin’ilay zazavavy kely. Nanindrona haingana ny hodiny ilay bibikely, ary nitsentsitra ny ra. Fotoana fohy taorian’izay, dia nitopy tany amin-janany vavy ny mason-dreniny, ka hitany ilay moka. Nikapoka azy io haingana izy, fa lasa ilay izy. Izay ve no faran’iny fisehoan-javatra iny? Mety ho tsy izany. Mety ho lasa tokoa ilay moka, nefa ny fanafihana fohy nataony dia namela zavamiaina tsy irina — afaka miteraka aretina — ao amin’ny ran’ilay zaza.

Ao anatin’ny tapa-bolana, ilay zaza dia mari-koditra, marary andoha, misy manaintaina azy ao ambadiky ny masony, misy fanaintainana mafy izaitsizy ao amin’ny vanin-taolany, ary manavy be izy. Arakaraka ny hihomboan’ilay aretina, no hisian’ny mandrotsirotsy mena eo amin’ny hodiny, ary manjary lany hery tanteraka izy. Voan’ny dengue, fanaviana avy amin’ny kaikitry ny moka, izy.

Mety ho ny dengue mampivoa-dra (dengue hémorragique, DH), endriny mafy kokoa amin’ilay aretina, anefa no mahazo azy, indrindra raha efa voan’io areti-mifindra dengue io izy taloha. Rehefa voan’io fanaviana io, dia mitsika avy eo amin’ny lalan-dra madinika ny ra, ary avy eo dia mivoaka eo amin’ny hoditra. Mety hisy fahaverezan-dra anaty koa. Raha tsy misy fitsaboana araka ny tokony ho izy, dia mety ho reraka mafy ilay marary ary tsy hikoriana tsara ny rany, ka hitarika ho amin’ny fahafatesana haingana.

Inona marina moa ny dengue? Mety hahavoa anao ve izy io? Ahoana no azonao iarovana ny tenanao sy ny fianakavianao amin’izy io? Andeha hodinihintsika akaiky kokoa izany.

Inona moa ny dengue?

Iray monja amin’ireo aretina maromaro mety hateraky ny kaikitry ny moka ny dengue, izay antsoina koa hoe fanaviana manapa-taolana. Virosy no tena miteraka ilay aretina. Moka misy otrikaretina, ao amin’ny fihary rorany (izany hoe moka avy nanaikitra olona voan’ilay aretina), no mitondra ilay virosy. Rehefa manaikitra olona iray izy, mba hahazoany ny ra, dia mamindra ilay virosy ao amin’ny olombelona.

Misy karazany efatra ny virosin’ny dengue. Tsy manome hery fanefitra amin’ny karazany telo hafa ny hoe voan’ny karazany iray. Rehefa avy voan’ny dengue ny olona iray, ka voakaikitry ny moka mitondra virosy karazany hafa iray, ny vokany dia mety ho DH.

“Ny roa ampahadimin’ny mponina amin’ny tany” no mety ho voany

Mandrahona olona roa arivo tapitrisa sy sasany, izany hoe “roa ampahadimin’ny mponina amin’ny tany”, ny dengue, araka ny voalazan’ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana (OMS). Nanao tatitra toy izao ny Asiaweek: “Maherin’ny 100 ny firenena tropikaly sy any ambanin’ny tropika nilaza fa nisehoana firongatry ny dengue, ary olona am-polo tapitrisany maro isan-taona no voalaza fa voa, ka ankizy ny 95%.”

Tsy fantatra mazava hoe oviana no hita voalohany teto amin’ny sehatr’izao tontolo izao ny dengue. Mety ho dengue mihitsy ilay “fanaviana mamely ny lohalika” voalaza fa nitranga tany Le Caire, tamin’ny 1779. Nanomboka tamin’io fotoana io, dia nisy tatitra momba ny dengue, naneran-tany. Nanomboka tamin’ny Ady Lehibe Faharoa indrindra indrindra, dia nisy vokany lehibe teo amin’ny fahasalaman’ny olombelona ny dengue, nanomboka tany Azia Atsimoatsinanana. Nanomboka hita tetsy sy teroa ny karazana virosy maro dia maro, ary izany dia nitarika ho amin’ilay karazany ratsy sy mampivoa-dra kokoa. Milaza toy izao ny boky iray navoakan’ny OMS: “Tao Manille, tamin’ny 1954, no tena nirongatra voalohany ny fanaviana mampivoa-dra tany Azia.” Nisy firenena hafa koa nanaraka, indrindra fa i Tailandy, i Vietnam, i Malezia, ary ireo faritra manodidina. Ny 10 ka hatramin’ny 50 isan-jaton’ny olona voa no maty tamin’ireny firongatr’ilay aretina tany am-boalohany tany Azia Atsimoatsinanana ireny, nefa arakaraka ny nahafantarana bebe kokoa momba ilay aretina, no nampihena ny tahan’ny fahafatesana.

Nanomboka tamin’ireo taona 1960, ny fanaovana tsirambina ny fandaharana hiadiana amin’ny moka mitondra ilay virosy dia anisan’ny nampirongatra be ny dengue. Arakaraka ny nielezan’ny dengue no nielezan’ny DH. Firenena 9 monja no nahitana io valanaretina io talohan’ny 1970, nefa nanomboka tamin’ny 1995, dia nitombo ho 41 io isa io. Tombanan’ny OMS fa olona 500 000 isan-taona no voan’ny DH, ka mitaky ny hampidirana hôpitaly azy.

Na dia tsy fantatra firy aza ilay aretina any ankoatra ny faritra tropikaly, tamin’ny toe-javatra sasany dia nanjary voan’izy io ny olona mpandeha matetika tany amin’ny faritra mety hahazoany io aretina io, ka nitondra azy io nody niaraka taminy. Tany akaikin’ny faran’ny taona 1996, ohatra, dia nilaza ny The New York Times fa nisy olona voan’ny dengue tany Etazonia — tany Massachusetts, New York, Oregon, ary Texas.

Ny loza manokana entin’ny DH

Araka ny nomarihina tetsy aloha, dia endriny mety hahafaty amin’ny dengue ny DH. Anisan’ny mampidi-doza amin’ny DH, dia satria voafitaka ny olona ka mihevitra fa tsy mafy akory ilay aretina. Betsaka no mihevitra amin’ny fomba diso hoe gripa izy io. Ny fangatahana andro anefa dia mety hamela ilay aretina hihombo kokoa. Amin’izay, dia mihena be ny isan’ny plaquettes (anisan’ny mampivaingana ny ra) ao amin’ny ra, ka manomboka mivoa-dra (ao anaty, na avy eo amin’ny akanjonify, ny orona, na ny hoditra) ilay olona, ary midina be ny tosidrany. Mety ho torana ilay marary. Amin’ny fotoana hahatakaran’ny fianakaviana fa aretim-be ilay izy, dia efa ho tratran’ny harerahana mafy ilay marary. Entin’izy ireo haingana any amin’ny hôpitaly izy. Rehefa tonga any, dia hitan’ny dokotera fa efa tsy mikoriana tsara ny rany. Koa satria tandindomin-doza ny ainy, dia tsy maintsy ampidirana ranoka ho solon’ny ra very izy.

Fiarovana ny fianakavianao

Inona no azo atao mba hampihenana ho faran’izay kely ny vokatr’io aretina io? Raha monina any amin’ny faritra ielezan’ny dengue ny fianakaviana ary misy mpianakavy iray manavy be mihoatra ny indray andro, dia tokony haneho fahendrena ny mpianakavy ka hanatona dokotera. Tena zava-dehibe izany, indrindra raha misy soritr’aretina hafa mampiavaka ny dengue amin’ilay marary, toy ny mandrotsirotsy amin’ny hoditra, ny fanaintainana amin’ny hozatra sy ny vanin-taolana, na ao ambadiky ny maso.

Mety hampanao fitsirihana ny ra ny dokotera. Mety tsy hitaky afa-tsy fitsaboana tsotra ny dengue tsy mampivoa-dra. Raha mampiseho anefa ny valin’ny fitsirihana fa DH ilay izy, dia azo inoana fa hampirisika ny hampiasana ranoka amim-pitandremana, ny dokotera. Mety hampiasaina amin’izany ny fanafody manarina ny fahaverezan-drano malia, toy ireo izay fampiasa amin’ny aretim-pivalanana, na, raha tandindomin-doza ny ain’ilay marary, dia ny ranoka Ringer na ranoka masira ampidirina amin’ny lalan-dra, na zavatra hafa. Raha reraka mafy ilay marary, dia mety hasain’ny dokotera hampiasa fanafody sasany mampiakatra ny tosidra, sy mamerina amin’ny laoniny ny habetsahan’ny plaquettes ao amin’ny ra.

Raha be dia be ny ra very, dia mety hirona hampirisika ny fampidiran-dra ny dokotera. Mety ho dodona hampirisika ny fanaovana izany ny dokotera sasany, nefa tsy mihevitra akory raha misy zavatra hafa azo asolo azy. Mifanohitra amin’ny lalàn’Andriamanitra anefa izy io, ary ambonin’izany, dia tsy tena ilaina foana. (Asan’ny Apostoly 15:29). Nasehon’ny traikefa fa ny famerenana amin’ny laoniny ny ranoka mikoriana ao amin’ny lalan-dra, dieny vao eo am-piandohan’ilay aretina, no lafin-javatra lehibe indrindra eo amin’ny fitsaboana. Afaka manampy hanafoanana ny ady hevitra momba ny raharaha mahakasika ny fampidiran-dra ny fiaraha-miasa eo amin’ny marary sy ny dokotera eo amin’io lafiny io. Izany rehetra izany dia manantitrantitra ny mahazava-dehibe ny fanaovan-javatra haingana rehefa ahina ho voan’ny DH ny olona iray. — Jereo ilay faritra voafefy hoe “Inona avy Ireo Soritr’aretina?”

Fepetra fisorohana mialoha

Ny moka Aedes aegypti no iray amin’ireo moka mpitondra indrindra ny virosin’ny dengue. Hita betsaka any amin’ny faritra tropikaly sy any ambanin’ny tropika maneran-tany io karaza-moka io. (Jereo ilay sarintany miaraka amin’itỳ.) Mitombo be any amin’ny faritra be mponina ny moka Aedes aegypti. Iray amin’ireo fanalahidin’ny fisakanana ilay aretina ny fiadiana amin’ilay moka.

Tsy mora ny fiadiana amin’ny moka eo amin’ny sehatra maneran-tany. Misy zavatra azonao atao anefa mba hanampiana amin’ny fampihenana ny fitomboan’ny moka manodidina ny tranonao. Manatody ao amin’ny rano ny mokavavy. Ny zanaka moka dia afaka mitombo ao anatin’izay zavatra mety hihandronan’ny rano mandritra ny herinandro eo ho eo, toy ny pne tsy ampiasaina intsony, boatin-tsakafo nariana, tavoahangy, na vakina akoram-boaniho. Hanafoana ny toerana hanatodizan’ny moka ny fanesorana ireny zavatra ireny. Fanampin’izany, dia ampirisihina ianao hanohoka ny siny na ny lakana. Hanampy koa ny fanesorana ny rano mihandrona ao amin’ny fantson-dranonorana. Mahaliana ny mahalala fa teo am-piandohan’ny taom-pianarana 1997/98, dia tsy nampirisika ny hampiasana tavim-boninkazo ao an-dakilasy ny sampan-draharahan’ny fahasalamana tany Philippines, noho io antony io ihany.

Raha misy olona voan’ny dengue ao an-trano, dia tandremo mba tsy ho voakaikitry ny moka hafa izy, fandrao hitondra ilay areti-mifindra any amin’olon-kafa indray koa ireo moka. Mety hiaro koa ny trano misy makarakara fiarovana amin’ny bibikely, na misy fampangatsiahan-drivotra.

Ahoana ny amin’ny vaksiny? Mbola tsy misy aloha ny vaksiny mifanentana amin’ilay aretina amin’izao fotoana izao. Eo an-dalam-pikarohana izao ny hanaovana vaksiny, nefa mananosarotra ihany izany, satria mitaky fanefitra amin’ireo karazana dengue efatra ny fiarovana tanteraka. Mety hampitombo ny mety hahavoan’ny DH aza ny fanaovana vaksiny fiarovana amin’ny karazany iray monja, raha ny marina. Be fanantenana ireo mpikaroka fa mety hisy vaksiny mandaitra ho azo ampiasaina ato anatin’ny dimy ka hatramin’ny folo taona.

Efa nisy fomba hafa iray nandraman’ireo mpikaroka sasany. Manantena izy ireo fa hisakana ny virosin’ny dengue tsy hitombo isa ao amin’ny roran’ny moka ny fanovana ny fototarazon’ny moka. Raha mandeha tsara araka ny nikasana azy izy io, dia tsy handairan’ny dengue ny moka novana fototarazo, ka hamindra izany amin’ny taranany. Na dia efa nisy fandrosoana vita aza, dia mbola ho hita eo ihany hoe hatraiza no ho fahombiazan’izany.

Amin’izao fotoana izao aloha, dia toa tsy azo atao ny mamongotra tanteraka ny dengue. Ny fandraisana fepetra azo ampiharina ho fitandremana anefa dia afaka manampy anao sy ny havan-tianao tsy ho voan’ny dengue mafy kokoa izay mety hahafaty, dia ilay fanaviana avy amin’ny kaikitra.

[Efajoro, pejy 22]

Inona avy Ireo Soritr’aretina?

Soritr’aretina iombonan’ny dengue sy ny dengue mampivoa-dra (DH)

• Fanaviana be tampoka

• Aretin’andoha mafya

• Fanaintainana ao ambadiky ny maso

• Fanaintainana ao amin’ny vanin-taolana sy ny hozatra

• Fisian’ny atodintarina

• Mandrotsirotsy amin’ny hoditra

• Harerahana be

Soritr’aretina mampiavaka kokoa ny DH

• Fahatoranana tampoka

• Fahaverezan-dra eo amin’ny hoditra

• Fandehanan-dra, mety ho amin’ny faritra rehetra amin’ny vatana

• Mangatsiaka sady mando sy madity ny hoditra

• Tsy fahatoniana

• Harerahana mafy, ka iva dia iva ny fitepon’ny polisa (famantarana ny harerahana mafy vokatry ny dengue)

Aza mangataka andro manatona dokotera raha misy ireo soritr’aretina ireo. Ny ankizy indrindra indrindra no mety ho voa

[Fanamarihana ambany pejy]

a Misy manam-pahefana ara-pitsaboana milaza fa tokony hohalavirina ny fihinanana aspirinina, noho izy io mety hampitombo ny fandehanan-dra

[Efajoro, pejy 23]

Torohevitra ho An’ireo Olona Mpandeha Matetika

Indraindray, dia voan’ny dengue ny olona mpandeha matetika any amin’ny faritra tropikaly. Mahalana be anefa vao voan’ny dengue mampivoa-dra ny olona satria, raha ny ara-dalàna, dia tokony ho efa voan’ny dengue fanindroany aloha ilay olona taloha. Indreto misy fanoloran-kevitra fiarovana ho an’ireo olona mpandeha matetika:

• Manaova lobaka lava tanana sy pataloa

• Mampiasà ody moka

• Halaviro ny faritra be mponina loatra

• Trano misy varavarankely azo hidiana ihany ipetrahana ary aza avela hiditra ao an-trano ny moka

• Raha manavy ianao rehefa tafaverina any amin’ny misy anao, dia lazao amin’ny dokotera ny faritra nandehananao

[Sarintany/Sary, pejy 23]

Faritra vao avy nisehoan’ny “dengue”

Faritra mety hisehoan’ny valanaretina “dengue”

Faritra ahitana “Aedes aegypti”, moka mpitondra “dengue”

[Sary nahazoan-dalana]

Loharanon-kevitra: Foibe Miady Amin’ny Aretina, 1997

© Dr. Leonard E. Munstermann/Fran Heyl Associates, NYC

[Sary, pejy 24]

Ireto avy no toerana mety hanatodizan’ny moka: 1) pne tsy ampiasaina intsony, 2) fantson-dranonorana, 3) tavim-boninkazo, 4) siô na zavatra hafa, 5) boaty vy efa nariana, 6) barìka

[Sary nahazoan-dalana, pejy 21]

© Dr. Leonard E. Munstermann/Fran Heyl Associates, NYC

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara