FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 11/11 p. 24-25
  • Mampidi-doza ny Dengue

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mampidi-doza ny Dengue
  • Mifohaza!—2011
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Soritr’aretina sy fitsaboana
  • Dengue — Fanaviana avy Amin’ny Kaikitra
    Mifohaza!—1998
  • Nahoana no Miverina Indray?
    Mifohaza!—2003
  • Avy Amin’ny Mpamaky
    Mifohaza!—1999
  • Avy Amin’ny Mpamaky
    Mifohaza!—2001
Hijery Hafa
Mifohaza!—2011
g 11/11 p. 24-25

Mampidi-doza ny Dengue

‘Ny Sampan-draharahan’ny Fahasalamana eto Morelos, izay miara-miasa amin’ny Komitin’ny Fahasalaman’ny tanànan’i Emiliano Zapata, dia manolotra an’ity taratasy fanamarinana ity ho an’ny Efitrano Fanjakana an’ny Vavolombelon’i Jehovah, noho ireo Vavolombelona niara-nientana mba hanadio sy hamongotra ny toerana fanatodizan’ny moka mpitondra dengue.’

RARINY raha mampanahy ny manam-pahefana any Meksika ny moka mpitondra aretina. Moka kely mahatsiravina no mamindra ny virosy mahatonga an’ilay aretina mahafaty atao hoe dengue. Olona 57 000 no voan’izy io tany Meksika, tamin’ny 2010. Iray monja amin’ireo tany 100 mahery be dengue i Meksika. Tombanan’ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana (OMS) ho 50 tapitrisa isan-taona no voan’ny dengue eran-tany, ary olona roa isaky ny dimy eo ho eo no atahorana ho voany. Nanao ezaka hamongorana an’ilay moka mipentina fotsy atao hoe Aedes aegypti àry ny manam-pahefana momba ny fahasalamana. Iray amin’ireo bibikely mpamindra dengue izy io.a

Mihanaka be ny dengue any amin’ny tany mafana sady mando, indrindra rehefa manorana na aorian’ny loza toy ny rivo-doza sy ny tondra-drano. Eny amin’ny rano mihandrona mantsy no fanatodizan’ilay moka.b Manangona sy mitahiry rano amin’ny sinibe simenitra ny mponin’i Amerika Latinina sy Karaiba. Ampirisihin’ny manam-pahaizana momba ny fahasalamana hanarona ny sinibeny àry ny olona, amin’izay ny moka tsy manatody ao. Misakana ny moka tsy hiparitaka koa ny olona ka esoriny eny an-tokotaniny ny pne tonta, kapoaka, pôm-boninkazo, ary boaty plastika, izay mety hihandronan’ny rano.

Soritr’aretina sy fitsaboana

Matetika no tsy fantatra avy hatrany ny dengue satria mitovitovy amin’ny gripa ny fisehony. Milaza anefa ny OMS fa mety ho dengue no mahazo ny olona iray raha manavy mandritra ny dimy ka hatramin’ny fito andro izy, mivonto menamena ny hodiny, ary marary ny ati-masony sy ny hozany ary ny vanin-taolany.

Mbola tsy misy fanafody mahasitrana dengue, nefa matetika no azo tsaboina any an-tranony ny marary. Mila miala sasatra sy misotro rano be fotsiny izy. Mety hitranga koa anefa ny hoe toy ny efa salama izy, nefa mihombo be indray ilay aretina. Tokony harahi-maso akaiky izy amin’izay, satria mety hahafaty izany. Ahoana no fisehon’izany? Marary be eo amin’ny kibo, mandoa lava, mandeha ra ny orona sy ny hihy, mainty ny fivalanana, ary mangana sy mibontsin-drano ny hoditra. Rehefa tena mihombo be ilay aretina dia reraka be ilay olona, mangetaheta lava, hatsatra sy mangatsiaka ny hodiny, ary midina be ny tosidrany.

Tsy sitran’ny antibiotika ny dengue satria tsy avy amin’ny bakteria fa avy amin’ny virosy. Tsara koa raha tsy mihinana fanafody mampihena fanaintainana toy ny aspirinina sy ibuprofène, satria vao mainka mety hampivoa-dra izany. Misy efatra ny karazana virosy mpitondra dengue ary mety ho voan’ny dengue mihoatra ny indray mandeha ny olona iray.

Mialà sasatra tsara ary misotroa rano be, raha voan’ny dengue ianao. Mampiasà koa lay aro moka, raha mety, mba tsy hanaikitra anao ny moka ary hamindra amin’ny hafa.

Ahoana no azonao iarovan-tena amin’ny moka? Manaova akanjo lava tanana sy pataloa na akanjo lava, ary mampiasà ody moka. Mety hanaikitra foana ny moka, nefa adiny roa eo ho eo aorian’ny fiposahan’ny masoandro sy adiny roa eo ho eo alohan’ny filentehany izy no tena manaikitra. Ho voaro koa ianao raha matory anaty lay misy ody moka.

Asa raha hisy vaksinin’ny dengue ihany any aoriana any. Ny Fanjakan’Andriamanitra ihany anefa no hanafoana ny aretina rehetra, anisan’izany ny dengue. Izao tokoa no hataon’Andriamanitra amin’ny hoavy: “Hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana, fa efa lasa ny zavatra taloha.”—Apokalypsy 21:3, 4.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Any amin’ny tany sasany, dia mety hitondra an’ilay tsimokaretina koa ny moka hafa, toy ny Aedes albopictus.

b Afaka manidina am-polony metatra avy eo amin’ny toerana nahafoizany ny moka Aedes.

[Kisary, pejy 25]

(Jereo ny gazety)

Jereo Izay Mety Hanatodizany

1. Pne tonta

2. Fantson-drano amin’ny tafo

3. Pôm-boninkazo

4. Boaty plastika

5. Kapoaka sy barìka efa tsy miasa

Miarova Tena Amin’ny Moka

a. Manaova akanjo lava tanana sy pataloa na akanjo lava. Mampiasà ody moka

b. Matoria anaty lay aro moka

[Sary nahazoan-dalana, pejy 24]

Avy amin’ny: Courtesy Marcos Teixeira de Freitas

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara