Yellowstone — Ambohipihaonan’ny Rano sy ny Vato ary ny Afo
Avy amin’ny mpanoratra ny Mifohaza! any Etazonia
Iza àry no voalohany sy fara tampony — voalohany amin’ny valam-pirenena eran-tany, ny loharano mafana mifantsitsitra fanta-daza indrindra sy avo indrindra eran-tany, ary ny farihy an-tendrombohitra lehibe indrindra atỳ Amerika Avaratra? I Yellowstone izany.
TSY voafehy ny fahaliananay mivady, fa lasa nandeha ho any amin’ny fidirana avy any avaratry ny Valam-pirenena Yellowstone any Wyoming, Etazonia, izahay. Efa hatramin’ny fahazazanay no nanitikitika ny sainay ny anarana hoe Ikaky Ramahatoky sy ny teny toy ny hoe “loharano mafana mifantsitsitra” sy “loharano mafana”. Araka ny noeritreretinay ve ny tena zava-misy?
Nahita vato makadiry miendrika andohalambo izahay teo amin’ny fidirana lehibe amin’ilay valam-pirenena. Izao no misoratra eo an-tampon’izy io: “Mba hahasoa sy hahafaly ny olona.” I Yellowstone no valam-pirenena voalohany eran-tany, ary nosokafana tamin’ny 1872 izy io.
Nanomboka teo amin’ny Loharano Mafana Mammoth izahay, eo ambonin’ny sisin-tanin’i Montana indrindra. Hita ho tena niasa mafy ny hafanana avy amin’ny tany teo. Mangotraka sy miboiboika avy ao amin’ireo dobo ny rano. Misy eton-drano mivoaka avy amin’ireo triatra. Toy ny tain-dabozia mitete manao an-tanantohatra ny endrik’ilay mineraly miloko mavokely.
Inona no mangotraka ao ambanin’i Yellowstone?
Misy zava-mahatalanjona 10 000, noho ny hafanana avy ao anaty tany, ao Yellowstone. Mamaky an’io lembalemban’ny Rocheuses ambony io ny Tendrombohitra Mampizaraa, ka mikoriana miankandrefana na miantsinanana ny rano, ary mitsika midina koa. Fantatray fa avy amin’ireny rano mitsika ireny no amoahan’i Yellowstone ny zava-mahatalanjona ao aminy. Indray mandeha dia nampitresaka an’io lembalemba io ny fipoahan’ny volkano lehibe. An’arivony taona maro lasa izay, ny volkano iray dia namela vava volkano mirefy 75 kilaometatra ny lavany ary 45 kilaometatra ny sakany. Ny magmà, na vato mitsonika mbola ao anaty tany, no mahatonga an’i Yellowstone hangotraka foana.
Nohazavaina tamin’ireo fampirantiana momba ilay valam-pirenena fa mitsika mankany amin’ireo vato tantera-drano ny rano, mandra-pahatongany any amin’ny vato mahamay be, eo ambonin’ireo magmà indrindra. Manery ny rano hiverina hiakatra ilay hafanana. Miforona ny loharano mafana iray, raha vao mahita lalana ny rano. Raha sakantsakanan’ny vato ny fiakaran’ny rano mafana, dia mitombo ny heriny, ka misy loharano mafana mifantsitsitra miforona. Mivoaka ho etona amin’ny lavaka kely ny hamandoana, any amin’ny faritra hafa. Misy fotaka miboiboika rehefa simban’ny rivotra misy asidra sy ny rano ny tany ka lasa fotaka sy tanimanga. Mahafinaritra erỳ ny mijery izany!
Ikaky Ramahatoky
Noheverinay fa efa teo akaikin’Ikaky Ramahatoky, loharano mafana mifantsitsitra malaza, izahay, rehefa nahita ireo asan’ny hafanana ao anaty tany manodidina ny Loharano Mafana Mammoth ireo. Rehefa nijery ny sarintaninay izahay vao nahafantatra fa hay mbola 80 kilaometatra any atsimo Ikaky Ramahatoky. Lehibe kokoa tsy araka ny niheveranay azy i Yellowstone, satria mahatratra 900 000 hektara ny velarany.
Mba hahatongavana any amin’Ikaky Ramahatoky, dia nandray ny lalana miolakolaka midina amin’ny ilany andrefan’ilay valam-pirenena izahay; nandalo deboka loharano mafana mifantsitsitra dimy io lalana io. Tsy ela izahay dia nanomboka zatra ny fofona solifara sy ny hamandoana avy amin’izany.
Toy ireo olona an-tapitrisany maro nitsidika an’Ikaky Ramahatoky talohanay, dia naniry hahafantatra izahay hoe rahoviana no hifantsitsitra io loharano io. Noheverinay foana fa tsy miovaova ny fotoana fipoahan’izy io, izany hoe isaky ny 57 minitra katroka. Rehefa nijery nanodidina anefa izahay, dia nahita soratra milaza fa tokony ho amin’ny 12.47 antoandro ny ora manaraka mety hipoahany. Afaka adiny iray any ho any izany, ary tombana ihany io ora io! Nanontanianay momba izany i Rick, mpiandry valam-pirenena.
“Angano ilay hoe tsy miova ny ora ipoahan’Ikaky Ramahatoky”, hoy izy. “Niovaova foana ny elanelan’ny fotoana fipoahany, ary rehefa nandeha ny taona dia nihanitombo izany, noho ny horohoron-tany sy ireo mpihetraketraka manipy zavatra ao amin’ny vavan’ilay loharano. Isaky ny 80 minitra eo ho eo ny elanelany izao. Tsy afaka manombana afa-tsy fipoahana indray mandeha isaky ny mandeha ny ekipanay.”
Tamin’ny 12.30 antoandro tamin’izay. Nanatona an’Ikaky Ramahatoky izahay mba hijery ny fipoahany manaraka, nolazaina mialoha. Nisy olona an-jatony maro nipetraka teo amin’ny faritra ho an’ny mpitazana, na teny an-dalana ho eny. Nampiandrasin’Ikaky Ramahatoky nandritra ny folo minitra izahay. Tena tsara tarehy anefa izy io rehefa nipoaka, ary tsy misy mpaka sary afaka mampiseho izany hatsarana izany. Nitombo ny heriny, rehefa avy namoaka rano nitsitapitapy izy. Nitehaka ny rehetra. Naharitra telo minitra teo ho eo ilay fipoahana, ary tena finaritra aoka izany izahay nahita azy niakatra avo tsy toy ny mahazatra. Nanao an-tanantohatra ny fiakaran’ny rano sy ny piti-drano, ka nahatratra 37 ka hatramin’ny 46 metatra. Tarafin’ny masoandro ny piti-drano ary miparitaka tsikelikely miovaova endrika.
Nandeha tao amin’ny fandraisana olona teo amin’ny hotely iray teo an-toerana izahay, rehefa tapitra izany. Mbola mahaliana ny olona foana anefa Ikaky Ramahatoky. Tamin’ny sisa tamin’ilay andro, raha vao mihamanatona ny ora fipoahany voalaza mialoha, dia ajanon’ny vahiny rehetra ny zavatra ataony, ka lasa izy ireo mivoaka mba hijery azy io. Afaka nahita azy io nipoaka imbetsaka izahay. Sady lavabe izany no avo, no tsara tarehy tsy misy toa azy, indrindra fa rehefa nanaloka ny masoandro mody ny rano mandihy avy aminy. Tena hitanay ho mahatoky tokoa io loharano tranainy io.
“Latsaka ny 500 ny loharano mafana mifantsitsitra eran-tany, ka tokony ho 300 amin’izy ireo no eto Yellowstone”, hoy i Rick, ilay mpiambina valam-pirenena, taminay. “Ary ny 160 amin’ireo dia eto amin’ity lohasaha kelin’ny Upper Geyser Basin ity, izay mirefy roa kilaometatra monja. Tsy maharitra ny fisian’ny loharano mafana mifantsitsitra sasany — na velona izy ireny, na matory. Ikaky Ramahatoky anefa mbola eo ihany.” Mifantsitsitra hatrany amin’ny 60 metatra anefa ny rano avy amin’i Grand, eo akaikin’Ikaky Ramahatoky. Efa ho 120 metatra ny haavon’ny rano mifantsitsitra avy amin’i Steamboat. Avo telo heny noho ny an’Ikaky Ramahatoky izany, nefa matory mandritra ny taona maro izy io. Indraindray ny loharano mafana mifantsitsitra iray atao hoe Echinus, any Norris, dia mandena ny mpitazana azy amin’ny rano mafana.
Mandositra ombidia lehibe
Namaky bokikely ho an’ny mpizaha tany izahay, ny ampitson’iny. Hoy izy io: “Ao ambanin’ny nofon-tany manify sy mety vaky ny rano mangotraka; efa hitovy amin’ny rano mangotraka na mihoatra noho izany ny hafanan’ny dobo. Isan-taona dia misy mpitsidika mivoaka eny amin’ireo faritra misy rano mafana tena may be, ary nisy koa olona matin’ny rano mangotraka.” Izao no lazain’ny iray hafa: “Tandremo: Mpitsidika maro no notrongisin’ny ombidia lehibe. Mety hilanja 900 kilao ny ombidia lehibe ary afaka mihazakazaka hatramin’ny 50 kilaometatra isan’ora, izany hoe avo telo henin’ny hafainganam-pandehanao, izy ireo.” Enga anie izahay ka tsy hila ny handositra ombidia lehibe mihitsy!
Ny biby no tompon’ny lalana any Yellowstone. Rehefa misy biby mandalo, dia mijanona tampoka ny fiara, ka mitohana eny amin’ny tsy tokony hitohanany ny fifamoivoizana. Vao avy nitranga izany rehefa tonga izahay, ary niverina tao anaty fiarany ny mpizaha tany. Rehefa nanontanianay ny amin’izay nojeren’ny olona tao ny vehivavy iray, dia hoy izy: “Omby orignal lehibe iray, fa efa lasa izy izao.”
Taorian’izay, dia nahita serfa be mampirisika ny zanany tapa-bolana hiampita renirano izahay. Nifindra ho any amin’ny faritra ambany amin’ilay valam-pirenena izy ireo, rehefa avy nandany ny ririnina tany an-tendrombohitra. Tsy nety niampita ireo zanany, satria tsy natao hiampita rano. Tsy nitsahatra niantso ny zanany ireo reny, ka niampita ihany ireo zanany, tamin’ny farany.
“Mahatsiaro ho kely sy tsinontsinona”
Nandeha teo amin’ny Hadilanana Lehiben’i Yellowstone izahay, nony avy eo. Nivoaka ny fiara izahay tany amin’ireo toerana fitazanana maro manaraka ireo morony manana haavo 360 metatra, ary mitazana any ambany, tsy sazoka fotsiny indraindray. Tao amin’ny kahie nanoratany ny diany, tamin’ny 1870, i Nathaniel Langford, dia nilaza ho “mahatsiaro ho kely sy tsinontsinona”, rehefa nitazana ny sombiny 32 kilaometatra tamin’io hadilanana mamiratra toy ny rindrina mivolom-barahina io — izay nahazoan’ny Reniranon’i Yellowstone (vato mavo) ny anarany — sy ny riandrano roa avo be. Nahatsapa ho kely sy tsinontsinona toa azy izahay.
Nandeha niantsinanana izahay ny ampitson’iny. Niova indray koa ny endriky ny zavatra hita tao amin’ilay valam-pirenena. Alan-tendrombohitra indray no hita eto, ary indroa nanapaka ny Tendrombohitra Mampizara ny Rocheuses ny lalana. Nahita ombidia lehibe sy biby lehibe hafa foana izahay, ary matetika ireo ombidia lehibe no mitsangana araka ny fomba fitsangany mahazatra. Nampalahelo fa tsy nahita orsa izahay, nefa iray amin’ireo zavatra manintona mpizaha tany ho any Yellowstone izany. Inona no nanjo azy ireo?
Tao anatin’ireo taona maro lasa, dia nifanakaiky loatra ny olona sy ny orsa tao, hany ka nanjary naratra na maty ny mpizaha tany. Ratsy koa ny tarehin-javatra, na dia ho an’ireo orsa aza. Koa tamin’ny fiandohan’ireo taona 1970, dia nakaton’ny Sampan-draharahan’ny Valam-pirenena ny fanariam-pako tao, ka noho izany dia tsy sakafon’olombelona intsony no nohanin’ireo orsa nanomboka teo, ka voatery niverina any an’ala izy ireo. Nahomby ilay fandaharana. Sakafo voajanahary izao no hanin’ireo orsa, ary salama kokoa izy ireo. Mbola mifanena amin’ny mpizaha tany ihany anefa izy ireo indraindray, toy ny eo amin’ny Tetezana Fanjonoana, ka eo dia samy manana ny toerana fihinanany sy fatoriany ary fanjonoany ny olona sy ny orsa.
Ny Tetezana Fanjonoana no toerana farany nirinay haleha. Teo no nasehon’ilay valam-pirenena anay ny zavatra farany tsy nampoizinay. Rehefa nojerenay ny teny ampitan’ny Farihy Yellowstone — ilay farihy lehibe indrindra amin’ny farihy an-tendrombohitra atỳ Amerika Avaratra — dia hitanay ny tendrombohitra Tetons, feno ranomandry ny tampony, ka toy ny hoe any amin’ny faritra avaratr’i Italia no fiheveranay anay; toy ny hakanton’ireo tendrombohitra any ilay farihy sy ny zava-manodidina any. Tsy nisy orsa anefa nanodidina teo.
Tonga ny fotoana handaozana an’i Yellowstone. Nahazo fahafinaretana tokoa ny maso sy ny saina. Nihoatra ny noeritreretinay ny zava-misy.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ny Tendrombohitra Mampizara dia tany avo mamakivaky an’i Amerika Avaratra sy Atsimo. Mifanohitra ny lalan’ireo renirano amin’ny andaniny avy amin’izy io, ka ny ilany mikoriana ho any amin’ny Oseana Pasifika ary ny ilany hafa any amin’ny Oseana Atlantika sy ny Hoalan’i Meksika ary ny Oseana Arktika.
[Efajoro/Sary, pejy 17]
Afo Tamin’ny 1988
Tamin’ny faran’ny Jolay sy Aogositra 1988, dia nivadika haingana ho vava afo lehibe valo tsy voavonon’olombelona ny afo kely tao Yellowstone. Ny hain-tany no antony iray nahatonga izany, satria ny lohataonan’ny 1988 no maina indrindra teo amin’ny tantaran’i Yellowstone voarakitra an-tsoratra. Ny rivotra mahery no antony iray hafa. Nahatratra 80 kilaometatra isan’ora ny hafainganam-pandehany, ka nanaparitaka ny afo hatrany amin’ny 20 kilaometatra tao anatin’ny iray andro. Tsofiny hialoha be ny afo ny vainafo, ka zavatra mbola tsy hitan’ny mpamono afo hatramin’izay izany. Mandrehitra afo vaovao indray ireny vainafo ireny.
Tamin’ny fara tampon’ilay ezaka famonoana afo, izay nandaniana 120 tapitrisa dolara, dia nisy sivily sy miaramila mpamono afo efa ho 10 000 ary masinina famonoana afo 100 nampiasaina. Nandatsaka tsiranoka 5 000 000 litatra hifehezana ny afo sy rano 40 000 000 litatra ny helikoptera sy fiaramanidina mpamono afo. Toa tsy niraharaha izany ezaka izany ny lelafo, ka lasa namakivaky an’ilay valam-pirenena, ka kely sisa tsy namelezany ny maro tamin’ireo mponina. Nisy setroka matevina nameno ny rivotra isan’andro. Toy ny faritra nisy ady no fijery an’ilay valam-pirenena tamin’ny faramparan’ny lohataona. Tamin’ny tapaky ny Septambra vao maty ny afo, noho ny rivotra mangatsiaka sy ny rivotra maherin’ny fararano ary ny ranomandry maivana. Efa 600 000 hektara no may tamin’izay.
Tsy dia namely loatra ny biby ny afo, ary nitombo be ny mpizaha tany nanomboka tamin’izay. Rehefa lasa ny afo, dia niova ny endrik’ilay valam-pirenena, noho ireo ravinkazon’ny fararano misy loko samihafa, ary misy voninkazo dia be dia be mamony eo amin’ny toerana tsy nisy azy teo aloha. Tamin’ireo taona taorian’ilay afo, dia misy hazo vaovao mandrakotra ireo faritra may taloha.
[Sary, pejy 15]
Ikaky Ramahatoky
Riandrano Lower
[Sary nahazoan-dalana]
NPS Photo
[Sary, pejy 16, 17]
Renirano Firehole
[Sary, pejy 17]
Dobo Morning Glory
[Sary nahazoan-dalana]
NPS Photo