Rehefa Nanjavona ny Fanantenana sy ny Fitiavana
NY ANKIZIVAVY kanadianina iray, 17 taona, dia nanoratra ireo antony nahatonga azy haniry ho faty. Ankoatra ny zavatra hafa, dia ireto avy no notanisainy: ‘Fahatsapana ho manirery sy matahotra ny amin’ny hoaviko; fahatsapana ho tena ambany noho ny mpiara-miasa amiko; ny ady niokleary; ny fahasimban’ny sosona ôzônina eo amin’ny atmôsfera; ratsy tarehy be aho, ka tsy hahazo vady mihitsy, ary ho irery no hiafarako; tsy misy zavatra firy azoko antenaina avy amin’ny fiainana, koa nahoana no hiandry mba hahitana izany; hanamaivana ny hafa ny fahafatesako; tsy hisy ho afaka hampahory ahy intsony.’
Mety ho ireo koa ve ny sasany amin’ireo antony mahatonga ny tanora hamono tena? Any Kanada, “ankoatra ny lozam-pifamoivoizana, dia ny famonoan-tena izao no antony fahita indrindra mahatonga fahafatesana eo amin’[ny tanora]”. — The Globe and Mail.
Izao no nambaran’ny Profesora Riaz Hassan, avy ao amin’ny Oniversiten’i Flinders, any Aostralia Atsimo, tao amin’ilay lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe “Unlived Lives: Trends in Youth Suicide” (Fiainana Nifarana Tampoka: Fironana eo Amin’ny Tanora Mamono Tena): “Antony sôsiôlôjika maromaro no mahatonga ny tanora hamono tena. Ary toa tena nisy akony lehibe teo amin’ny fitomboan’isan’ny zatovo mamono tena ireo antony ireo. Ireto avy izany: Fahabetsahan’ny tanora tsy an’asa; fiovana ao amin’ny fianakaviana aostralianina; fitomboan’ny fampiasana sy ny fidorohana zava-mahadomelina; fitomboan’ny herisetra eo amin’ny tanora; aretin-tsaina; ary ny elanelana mihamitombo eo amin’ny ‘fahafahana teôria fotsiny’ sy ny fahafahana tena iainana.” Ny vokatry ny fanadihadiana maromaro, hoy ihany ny fanambaran’ilay lahatsoratra, dia nampiharihary fa tsapa ho kely fanantenana ny amin’ny hoavy ny ankamaroan’ny tanora. Nanondro koa izy io fa “amin-tahotra sy fanahiana no ijeren’ny ankamaroan’ny tanora ny hoaviny sy ny hoavin’izao tontolo izao. Tontolo ravan’ny ady niokleary sy simban’ny fandotoana sy ny fahasimban’ny tontolo iainana, fiaraha-monina manitsakitsaka ny mahaolona, fiaraha-monina tsy mahafehy intsony ny teknôlôjia ary ielezan’ny tsy fananana asa, izany no fanombanan’ny tanora itỳ tontolo itỳ”.
Araka ny fitsapan-kevitra Gallup natao tamin’ny tanora 16 ka hatramin’ny 24 taona, dia anisan’ny antony fanampiny mahatonga ny tanora hamono tena ny fitomboan’ny elanelana misy eo amin’ny manankarena sy ny mahantra, ny fitomboan’isan’ny tokantrano tsy misy afa-tsy ray na reny, ny fitomboan’isan’ny basy any am-pelatanan’ny olona, ny fametavetana ankizy, ary ny tsy “fananana toky ny amin’ny hoavy”, izay hita eo amin’ny olona amin’ny ankapobeny.
Manao tatitra ny Newsweek fa any Etazonia, dia “ny basy no mety ho ny anton-javatra lehibe indrindra mahatonga [famonoan-tena eo amin’ny zatovo]. Ny vokatry ny fandinihana iray dia nampiseho fa ny fisian’ny basy voafahana, tao an-tokantrano, no hany zavatra tsy nitovizan’ny zatovo izay toa tsy narary saina akory nefa namono tena, sy ny ankizy tsy namono tena. Tsy marina ny filazana fa tsy mampidi-doza ny fananana basy”. Tokantrano an-tapitrisany maro tokoa anefa no manana basy voafahana!
Ny tahotra sy ny fitambaran’olona tsy miahy ny hafa dia zavatra roa manosika haingana tanora mora iharan-javatra ho eo am-pototry ny famonoan-tena. Hevero izao: Avo roa heny mahery noho ny tahan’ny heloka bevava natao tamin’ny mponina rehetra amin’ny ankapobeny ny tahan’ny heloka bevava natao tamin’ny tanora 12 ka hatramin’ny 19 taona. Asehon’ny fandinihana fa “ny vehivavy tanora 14 ka hatramin’ny 24 taona no azo inoana indrindra fa hiharam-panafihana”, hoy ny tatitra nataon’ilay gazetiboky hoe Maclean’s. “Matetika tokoa ny vehivavy no tafihina sy vonoina ho faty, kanefa dia ireo olona milaza ho tia azy no manao izany aminy.” Inona no vokany? “Mampihena tsikelikely ny fatokisan’ireo ankizivavy sy ny fahatsapany ny tenany ho voaro” ny tahotra ny hisy hanafika sy ny tahotra hafa. Hita tamin’ny fandinihana iray izay nanadinadinana vehivavy nisy nametaveta, saingy tsy maty, fa efa ho ampahatelon’izy ireo no nihevitra ny hamono tena.
Manolotra fomba fijery hafa ny amin’ny antony mahatonga ny tanora hamono tena ny tatitra iray avy any Nouvelle-Zélande, ka manao hoe: “Ny harena sy ny hatsaran-tarehy ary ny fananana fahefana no fitsipika itsarana ny fahombiazan’ny olona. Io fitsipika io, izay fatra-piahy ny zavatra ara-nofo, sy miorina amin’ny harena, dia miely patrana, ary izany no mahatonga tanora maro hihevitra ny tenany ho tsy misy vidiny sy ho nolavin’ny fiaraha-monina.” Fanampin’izany, dia hoy ny The Futurist: “Maniry mafy hahazo fahafaham-po eo no ho eo [ny tanora], ka ta hahazo fahafaham-po betsaka araka izay azo atao, ary ta hahazo izany haingana. Ny tantara mitohy no fandaharana tiany indrindra ao amin’ny tele. Ho tian’izy ireo ny hanana tontolo feno olona tsara tarehy toy izany koa, sy olona mitafy araka ny lamaody farany, be vola sy manana laza amam-boninahitra, ary anefa tsy voatery hiasa mafy.” Ny fahabetsahan’ny fanantenana toy ireo, izay tsy araka ny zava-misy sady tsy mety ho tanteraka, no toa miteraka famoizam-po ary mety hitarika ho amin’ny famonoan-tena.
Toetra mamonjy aina hoe e?
Nanoratra toy izao i Shakespeare: “Mankahery, toy ny tara-masoandro aorian’ny orana, ny fitiavana.” Milaza toy izao ny Baiboly: “Ny fitiavana tsy ho levona mandrakizay”. (1 Korintiana 13:8). Ao amin’io toetra io no misy ny fanalahidin’ny olana mahazo ny tanora mirona hamono tena: ny faniriany fatratra fitiavana sy fifampiresahana. Manambara toy izao ny The American Medical Association Encyclopedia of Medicine: “Mazàna ny olona mirona hamono tena no mahatsapa tena ho faran’izay manirery, ary ny fahafahana hiresaka amin’olona iray mahay miombom-pihetseham-po aminy sady mahatakatra ny manjo azy fotsiny indraindray dia efa ampy mba hisakanana azy tsy hanao ilay fihetsiky ny mamoy fo.”
Fitiavana sy fahatsapana ho tsy atao an-kilabao mazàna no tena ilain’ny tanora. Mihasarotra isan’andro isan’andro ny fanomezana fahafaham-po an’izany eo anivon’ny tontolo tsy misy fitiavana sy manimba — tontolo izay tsy ananan’ny tanora zo firy hanapa-kevitra, na tsy ananany izany zo izany mihitsy. Mety ho anton-javatra mahatonga ny zatovo hamono tena koa ny fanilihan’ny ray na ny reny, noho ny tokantrano rava sy ny fisaraham-panambadiana. Ary manana endriny maro io fanilihana io.
Andeha hodinihintsika ny amin’ny ray aman-dreny izay mahalana vao tafaraka amin-janany ao an-trano. Mety ho voatazona tanteraka amin’ny asany i Dada sy i Neny, na variana amin’ny fialam-boly, izay tsy hitondrany ny zanany. Mandefa hafatra tsy mivantana any amin’ireo taranany izany, dia ny hoe fanilihana mibaribary. Ilay mpanao gazety sy mpikaroka be mpahalala atao hoe Hugh Mackay dia nanamarika fa “mihamanjary tsy mihevitra afa-tsy ny tenany ny ray aman-dreny. Apetrany eo amin’ny toerana voalohany ny tombontsoany mba hihazonany ny fomba fiainany efa nahazatra azy. (...) Raha lazaina amin’ny fomba mivantambatana, dia nanjary nilaozan’ny toetr’andro ny zanaka. (...) Sarotra ny fiainana ary somary repotra ny olona”.
Ankoatra izany, ao amin’ny kolontsaina sasany, dia mety tsy haniry ho hita ho mpitaiza zanaka ireo lehilahy mihevi-tena ho tena lehilahy marina. Nilaza izany mazava tsara toy izao ilay mpanao gazety atao hoe Kate Legge: “Amin’ny ankapobeny, ny lehilahy tia mitondra fanampiana ho an’ny fitambaran’olona dia mifidy ny asan’ny mpamonjy aina na ny an’ny mpamonjy trano may toy izay ny fitaizan-janaka (...). Aleon’izy ireo mampiseho herim-po mangina amin’ny fiadiana amin’ny hery ivelan’ny tenany toy izay ny asa ikarakarana ny hafa.” Ary mazava ho azy fa, amin’izao andro izao, dia anisan’ny asa ikarakarana ny hafa ny hoe raim-pianakaviana. Mitovy amin’ny fanilihana ny zanaka ny tsy fitaizana azy tsara. Ho vokany, dia mety hampitombo fiheverana ratsy momba ny tenany ny zanakao, ary tsy hahay firy hifandray amin’olona. Izao no fanamarihan’ny The Education Digest: “Raha tsy manana fiheverana tsara momba ny tenany ny ankizy, dia tsy ho afaka handray fanapahan-kevitra ho tombontsoan’ny tenany manokana.”
Famoizam-po no mety ho vokany
Mihevitra ireo mpikaroka fa lafin-javatra iray lehibe mahatonga famonoan-tena ny famoizam-po. Izao no fanamarihan’i Gail Mason, mpanoratra momba ny famonoan-tena eo amin’ny tanora, any Aostralia: “Heverina fa ny famoizam-po no misy ifandraisana betsaka amin’ny fananana eritreritra ny hamono tena, miohatra amin’ny fahaketrahana. Indraindray ny hoe famoizam-po dia faritana hoe famantarana ny fahaketrahana. (...) Mazàna izy io no miseho amin’ny endriky ny tsy fananana fanantenana momba ny hoavin’ny tanora, indrindra indrindra momba ny hoaviny ara-bola, ary amin’ny endriky ny famoizam-po kely kokoa mahakasika ny toe-draharaha maneran-tany.”
Tsy manosika ireo tanora hampisondrotra ny fari-pitsipiny manokana momba ny fitsipika arahina sy ny fitsipi-pitondran-tena ny ohatra ratsin’ireo olom-pirenena mpitarika, raha ny momba ny fanaovana ny marina. Tonga ho azy, araka izany, ilay fihetsika manao hoe: “Inona koa no hisahiranako hanao ny marina?” Miresaka momba ny fahaizan’ny tanora mahatsikaritra ny fisian’ny fihatsarambelatsihy ny Harper’s Magazine ka milaza hoe: “Mora mahatsapa ny fisian’ny fihatsarambelatsihy ny tanora, ka, raha ny marina, dia mpamaky teny mahay izy ireo, saingy tsy boky no vakiny amin’izany. Hitany tsara mihitsy ireo famantarana sosialy alefan’ilay tontolo tsy maintsy hivelomany.” Ary inona izany famantarana izany? Izao no fanamarihan’ilay mpanoratra atao hoe Stephanie Dowrick: “Mbola tsy tototry ny fanazavana toy izao mihitsy isika hatramin’izay, raha ny fanazavana momba ny fomba fiaina no asian-teny. Mbola tsy nanankarena sy nahazo fanabeazana tsara kokoa toy izao isika, kanefa dia hita hatraiza hatraiza ny famoizam-po.” Ary vitsy dia vitsy ny azo alain-tahaka amin’ireo sarangan’olona eo amin’ny politika sy ny fivavahana. Mety tsara ny nametrahan’i Dowrick ireto fanontaniana vitsivitsy ireto: “Ahoana no hahazoantsika fahendrena sy fahaiza-miarina ary ahoana no hahazoantsika ny hevitr’izao mihitsy aza, raha fijaliana tsy misy heviny no iainantsika? Ahoana no ambolentsika fitiavana ao anatin’ny rivo-piainana feno fitiavan-tena sy fahatezerana tsy amin’antony ary fierenana?”
Ho hitanao ao amin’ny lahatsoratra manaraka ny valin’ireo fanontaniana ireo, ary mety hahagaga anao ny valiny.
[Teny notsongaina, pejy 6]
“Amin-tahotra sy fanahiana no ijeren’ny ankamaroan’ny tanora ny hoaviny sy ny hoavin’izao tontolo izao”
[Teny notsongaina, pejy 7]
“Ny fahafahana hiresaka amin’olona iray mahay miombom-pihetseham-po aminy sady mahatakatra ny manjo azy fotsiny indraindray dia efa ampy mba hisakanana azy tsy hanao ilay fihetsiky ny mamoy fo”
[Efajoro, pejy 6]
Famantarana Maromaro ny Olona Mety Hamono Tena
• Tsy fahitan-tory, tsy fahazotoan-komana
• Fitokantokanana sy fihatahana amin’ny hafa, mora voan’ny loza
• Fandosirana miala ny tokantrano
• Fiovana be eo amin’ny fisehoana ivelany
• Fidorohana zava-mahadomelina sy/na fisotroana tafahoatra
• Tsy fahatoniana sy filana ady
• Firesahana momba ny fahafatesana; fanoratana hafatra milaza fa hamono tena; fanaovana sary mampiseho herisetra, indrindra fa herisetra ampiharina amin’ny tenany ihany
• Fahatsapana ho meloka
• Famoizam-po, tebiteby, fahaketrahana, fitomaniana be tsy amin’antony
• Fanomezana ny fananan’ny tena ho an’ny hafa
• Tsy fahafaha-mampifantoka ny saina maharitra
• Tsy fahalianana intsony amin’ny fanaovan-javatra mahafinaritra
• Fanakianan-tena
• Fanaovana firaisana amin’olona maro samy hafa
• Fihenana tampoka eo amin’ny fahaizana any an-tsekoly, tsy fahatongavana mianatra
• Fidirana ao amin’ny antokom-pinoana madinika, na ny andian-jiolahy
• Hafaliana be, arahin’ny fahaketrahana
Miorina amin’ny Teens in Crisis (Fikambanan’ny Mpitantana Sekoly Amerikanina), sy amin’ny Depression and Suicide in Children and Adolescents (Fahaketrahana sy Famonoan-tena eo Amin’ny Ankizy sy ny Zatovo), nataon’i Philip G. Patros sy i Tonia K. Shamoo
[Sary, pejy 7]
Afaka manampy ny tanora hankamamy ny fiainana ny fitiavana feno firaiketam-po sy ny fangoraham-po