FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g98 8/10 p. 20-22
  • Ny Fivavahana any Polonina Amin’izao Andro Izao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Fivavahana any Polonina Amin’izao Andro Izao
  • Mifohaza!—1998
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny fanantenan’ny Poloney
  • Niova ny fari-pitsipika, niova koa ny fitondran-tena
  • Inona no tena vahaolana?
  • Ny “Rahalahy Poloney”​—Nahoana Izy Ireo no Nenjehina?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
  • “Fanomezana Lehibe” ho An’i Polonina
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2007
  • Vavolombelon’i Jehovah Manerana Izao Tontolo Izao — Polonina
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Nahoana no Mamoy ny Heriny ny Fiangonana?
    Mifohaza!—1996
Mifohaza!—1998
g98 8/10 p. 20-22

Ny Fivavahana any Polonina Amin’izao Andro Izao

AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ANY POLONINA

FANTATRA maneran-tany ho mpivavaka be ny olona eto Polonina. Raha ny marina, dia ny 95 isan-jaton’ny mponina eo ho eo no milaza ho Katolika.

Tena zava-dehibe amin’ny olona eto amin’ity firenena ity ny fety ara-pivavahana, ary tapany tsy misaraka amin’ny vakok’ilay firenena. Any ambanivohitra indrindra indrindra no tena mahaliana sy maharavoravo ny fety ara-pivavahana, satria manao akanjo nentim-paharazana ireo mpandray anjara, ary mandray anjara amin’ny lalao koa ny olona.

Mamoaka tsy tapaka fisehoan-javatra toy izany, sy fivahiniana masina any amin’ny toeram-pivavahana malaza ary filaharana ara-pivavahana, ny fampahalalam-baovao. Fotoana nohajaina fatratra toy izany koa ny batemy, ny fanamasinana ny fanambadiana, ny andro fety ho an’ny olo-masina ary ny Kôminio voalohany.

Tonga Papa Jean-Paul II i Karol Wojtyła, avy any Polonina, tamin’ny 1978. Vao mainka nanome tosika ny fivavahana katolika eto Polonina izany. Isaky ny mitsidika ny tany niaviany izy, dia vahoaka mirehareha, mpiray tanindrazana aminy, no mandray azy an-tanan-droa.

Ireny fanao ara-pivavahana rehetra ireny dia mahatonga ny olona any ivelan’i Polonina hihevitra fa manam-pinoana matanjaka sy mibaribary ny Poloney. Maneho ny fanahiany anefa ny mpitondra fivavahana katolika sy ny mpandinika hafa eto Polonina, satria mihamitombo isa hatrany ireo mpiangona izay niova fihetsika sy fahazarana.

Ny fanantenan’ny Poloney

Hafa noho izany ny fomba fijerin’ireo olona ambony anisan’ny lohandohany ao amin’ny Eglizy katolika poloney, sy ireo mpanao gazety ary ireo mpikaroka sosialy, momba ny toetoetran’ny fivavahana katolika eto Polonina amin’izao andro izao. Mihamatetika ireo tompon’andraikitra ambony no mampiasa teny mahery ho setrin’ny heloka bevava mihamitombo, ny fari-pitsipika ara-pitondran-tena mihasimba, ary ny fihenan’ny fahalianana amin’ny foto-pinoana sy fanaon’ny eglizy. Saiky mihodinkodina manodidina izao fanontaniana izao ny ankamaroan’ny dinidinika: Manan-kery eo amin’ny fiainana andavanandron’ny olona ve ny fivavahana katolika be mpanaraka?

Voamarik’i Józef Glemp, Arseveka poloney, ohatra, fa mihatsy miraika amin’ny fivavahana ny olona. Niresaka momba ny ilana hanoherana ny firoboroboan’ny fanompoan-tsampy amin’ny endriny vaovao eto amin’ny firenena koa izy. Famakafakana amin’ny an-tsipiriany kokoa momba ilay toe-javatra no nataon’ilay mpanoratra atao hoe Wojciech Chudy, tao amin’ilay gazety katolika hoe Ład. Hoy izy: ‘Tsy maintsy dinihintsika ilay raharaha izay efa an-taonany maro no nanelingelina ny pretra, ny sôsiôlôgy ary ny psikôlôgy mpanadihady momba ny fivavahana. Tsy inona izany fa ny tsy fahitana mihitsy eo amin’ny fiainana andavanandron’ny olona ny maha mpivavaka azy. Mihaino toriteny ianao, nefa raha vantany vao mivoaka ny eglizy ianao, dia hadinonao tsotra izao ny momba an’Andriamanitra. Miditra ao amin’ny tontolo iray hafa isian’ny adim-piainana isan’andro ianao, tontolo iainan’ny olona ny fiainany tsy misy fiheverana an’Andriamanitra mihitsy.’

Lasa lavitra kokoa aza ilay arseveka atao hoe Henryk Muszyński, prezidà lefitry ny Kaonferansy Episkôpaly, ka hoy izy: “Tsy nahavita nanova antsika hatrany anatintsika ny Evanjely. Kristianina an’isa fotsiny ny Poloney. Tsy azo lavina fa amin’ny ankamaroan’ny olona dia fahazarana ny Kristianisma, fa tsy fivavahana.”

Niova ny fari-pitsipika, niova koa ny fitondran-tena

Ireo teny ireo dia mampiseho fa manahy ny amin’ny fiovana lalina nitranga teo amin’ny fari-pitsipika sy ny fitondran-tenan’ny besinimaro ireo olona ambony indrindra ao amin’ny eglizy. Ny antony iray mahatonga izany dia satria toa nosoloan’ny fanahiana hafa ilay fihetseham-po nisy teo aloha izay nampiseho tsara ny atao hoe fitiavam-bavaka.

Indro misy ohatra: nisy fandinihana sosialy iray nampiseho ny zavatra heverin’ny Poloney ho lehibe indrindra eo amin’ny fiainana. Ny fianakaviana no omeny ny laharana voalohany, avy eo ny fanaovana ny marina, ny fanaovana ny rariny, ny hatsaram-panahy, ary ny mahazo ianteherana. Any amin’ny laharana faha-16 vao miditra an-tsehatra ny momba an’Andriamanitra sy ny fivavahana. Ny vokatr’izany dia fihenan’ny isan’ny mpiangona, eny fa na eo anivon’ny olona maro milaza tena ho mpino aza.

Mampanahy an’ireo eveka poloney koa ny amin’ny antontan’isa manondro fa mahazo vahana ny tsy firaharahana ny fampianaran’ny eglizy. Ohatra, nanao fanadihadiana momba ny resaka fivavahana i Irena Borowik, avy ao amin’ny Oniversite Jagielloński. Hita tamin’izany fa 50 isan-jato monja tamin’ireo olona nanaovana fanadihadiana no nilaza fa nino ny fisian’ny fiainana any ankoatra, 47 isan-jato no nihevitra fa tokony havela hanambady ny pretra, ary 64 isan-jato no nankasitraka ny fisaraham-panambadiana.

Ny fandinihana iray hafa, navoaka tao amin’ilay gazetiboky hoe Wprost, dia nanondro fa “ny 69 isan-jaton’ny Poloney no manameloka ny fandraran’ny eglizy ny fampiasana fomba tsy mampiteraka, ny 56 isan-jato manohitra ny fandrarana ny fanalana zaza, ary ny 54 isan-jato mankasitraka ny fanaovana firaisana alohan’ny fanambadiana”. Hita taratra ao amin’ireo isa ireo ny tsy fitovian-kevitra misy eo amin’ny olona ao amin’ny eglizy.

Nohajaina fatratra ny eglizy tato anatin’ireo 20 taona farany, noho ny anjara asany teo amin’ny fanoherana ny Kôminisma. Ankehitriny anefa, ny fanohizan’ny eglizy mitsabaka amin’ny raharaha politika sy sosialy dia toa miteraka fahasosorana, ka fisaraham-bazana vao mainka lalina kokoa eo amin’ny mpiangona sy ny lohandohany ao amin’ny eglizy no vokany.

Inona no tena vahaolana?

Talohan’ilay fiovana ara-politika nanan-tantara tamin’ny 1989, dia nisy fitsipi-pitondran-tena voafaritra tsara naorin’ny fitondram-panjakana, ary tsy maintsy notandremana. Efa navalon’ny tantara izany rehetra izany ankehitriny. Ny rafitra ara-politika vaovao dia nitondra ny demokrasia sy ny fahafahan’ny tena manokana, ary koa ny ady atao mba hahatafitana ao anatin’ny toe-karena anjakan’ny fanalalahana ny varotra. Maro amin’ny mponina eto no mihevitra fa tsy voaomana ho amin’ny fiovana lalina toy izany ny fiaraha-monina poloney. Inona no tsy ampy?

Finoana miorina amin-javatra lalina kokoa noho ny fahazarana ara-pivavahana na ny fombafomba ara-pivavahana no ilaina, mba hananana fitondran-tena sy fahasalamana ara-panahy tsara hatrany ao amin’ny tontolo amin’izao andro izao. Tsy maintsy miezaka mafy ny isam-batan’olona mba hanana finoana mifototra mafy amin’ny fahalalana sy ny fahatakaran’ny tenany manokana ny hevitry ny Baiboly, Tenin’Andriamanitra.

Vao haingana izay, dia ny tenan’ny Papa Jean-Paul II mihitsy no niaiky fa ilaina ny hamakian’ny Kristianina tsy tapaka ny Soratra Masina. Nanasa ny olona “hamboly fahazarana mamaky ny Tenin’Andriamanitra bebe kokoa sy matetika kokoa” izy. Hoy koa izy: “Zavatra fototra ilain’ny mpino ny mianatra mamaky ny Soratra Masina: izany no zanatohatra voalohany mitarika ho amin’ny fisaintsainana, ary araka izany, dia mitarika ho amin’ny vavaka amin-kafanam-po.” “Na iza na iza mitady ny fahamarinana”, hoy ny fampirisihan’ny Papa, “dia (...) tokony hivelona isan’andro amin’ny mofon’ny Tenin’ny Fiainana.”

Taonjato 19 lasa izay, ela be talohan’ny nahatongavan’ny fiainana ho nisafotofoto sy tsy azo antoka toy izao ankehitriny izao, dia nangataka an’Andriamanitra mba hiaro ireo mpianany amin’ny hery mampahosa ara-panahy nanodidina azy ireo i Jesosy Kristy. Nivavaka toy izao izy: “Manamasìna azy amin’ny fahamarinana; ny teninao no fahamarinana.” (Jaona 17:17). “Fahamarinana” ny Baiboly satria Tenin’Andriamanitra izy io, fa tsy tenin’olona. Nisy kôngregasiôna anankiray nanoratan’ny apostoly Paoly toy izao: “Rehefa nandray ny tenin’Andriamanitra izay notorinay hianareo, dia tsy noraisinareo ho tenin’olona, fa araka izay marina, dia ny tenin’Andriamanitra”. — 1 Tesaloniana 2:13.

Koa satria “tenin’Andriamanitra” ny Baiboly, sady “fahamarinana”, dia afaka manome izay ilaintsika mba hanatanjahana ny tenantsika ao amin’ity tontolo tsy miraika amin’ny fivavahana ity izy io. Milaza toy izao ny Baiboly: “Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana, mba ho tanteraka ny olon’Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin’ny asa tsara rehetra.” — 2 Timoty 3:16, 17.

Hitan’ny olona tso-po sy mahira-tsaina maro eto Polonina, sy maneran-tany, fa manome fototra mafy ho an’ny finoana an’Andriamanitra sy ny fikasany ny fianaran’ny isam-batan’olona ny Baiboly. Io karazam-pinoana io no manome azy ireo ny hery ahafahana miaina toy ny Kristianina marina ao amin’ny tontolo amin’izao andro izao, izay mihatsy miraika amin’ny fivavahana.

[Teny notsongaina, pejy 21]

“Kristianina an’isa fotsiny ny Poloney.” — Arseveka poloney

[Teny notsongaina, pejy 22]

Mahazo vahana ny tsy firaharahana ny fampianaran’ny eglizy

[Sarintany, pejy 20]

(Jereo ny gazety)

POLONINA

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara