Vavolombelon’i Jehovah Manerana Izao Tontolo Izao — Polonina
TAMIN’NY fararanon’ny taona 1989, ireo fitondram-panjakana kominista nanomboka tany amin’ny Ranomasina Baltika ka hatrany amin’ny Ranomasina Mainty dia nanomboka nirodana. Rehefa nihapotika ny Rindrim-by, ireo firenena any Eoropa Atsinanana dia nanomboka nitady ny sori-dalany manokana. Anisan’izy ireny i Polonina, tany iray rakotry ny havoana be fiakarana sy fidinana sy lemaka marin-tampona ary tendrombohitra mikitoantoana.a
Olona mazoto miasa ny vahoaka poloney, ary namokatra ny sasany tamin’ireo mpanakanto sy mpahay siansa fanta-daza manerana izao tontolo izao i Polonina. Mihoatra noho izany anefa, ankehitriny dia misy andiany maro mihamitombo amin’ny mpitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra.
Sahy manala sarona ny lainga
Any Polonina, dia misy olona maro izay maniry ny hianatra ny fahamarinana avy ao amin’ny Baiboly. Kanefa kivin’ireo havany na ireo mpiara-monina aminy ny sasany. Ohatra, tany akaikin’i Wrocław, dia nitsahatra tsy nianatra ny Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny vehivavy iray naneho fahalianana rehefa nampihatra fanerena taminy ny fianakaviany sy ireo namany. Na dia izany aza, ny zanany vavy tanora dia namaky fitohitohizan-dahatsoratra tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana izay nanala sarona ny fivavahan-diso. Namelona ny fahalianan’izy io tamin’ny fahamarinana ireny lahatsoratra ireny.
Taorian’ny nianarana ny Baiboly tao anatin’ny enim-bolana, io tanora io dia nanapa-kevitra ny hanapaka ny fatorany rehetra tamin’ny fivavahan-diso. Nitsidika ny mpitondra fivavahana tao amin’ny fiangonana nisy azy izy mba hampahafantatra azy io ny amin’ny fanapahan-keviny. Nilaza taminy izy io mba hanoratra izao manaraka izao: “Izaho, K—— P——, dia mandà ny finoana katolika.”
Ny alahady nanaraka, dia novakina tao am-piangonana io filazana io. Safotra ny raiben’ilay zazavavy, ary nigogogogo nitomany ny renibeny. Kanefa, niaiky volana ireo mpiangona hafa ka nanao fanamarihana hoe: “Ela ny ela ka misy olona ampy herim-po mba hilaza fa misy lainga be dia be ato amin’ny fiangonantsika.” Anabavy ara-panahy vita batisa ankehitriny io tanora be herim-po io ary efa nanomboka fampianarana ny Baiboly fito ao amin’ny tanàna kely misy azy.
‘Ny voany’
Namoaka ilay fitantarana hoe “Ho Fantatrareo Amin’ny Voany Izy Ireo”, ny gazety Kujawy i Pomorze mivoaka isan-kerinandro. Tamin’ny ampahany, ilay lahatsoratra dia nilaza fa ireo mpivavaka ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana “raha ny marina dia tsy mihevitra amim-pitandremana firy ireo fotopoto-pitsipika ara-pivavahana izay nekeny. Misy fahasamihafana be eo amin’izy ireo sy ireo Vavolombelon’i Jehovah izay mampihatra izay lazainy, ary izay andidian’ny Baiboly no lazainy”.
Rehefa avy nampitaha ny fahasamihafan’ny fisehoana ivelan’ireo Vavolombelona tamin’ny an’ireo Kristiana anarana ilay fitantarana, dia nanohy toy izao: “Ireto farany dia tena azo inoana fa tsy mahafantatra, ary matetika loatra dia tsy mampihatra, ireo fahamarinana sy fotopoto-pitsipika tena ilaina ao amin’ny finoany. (...) Amin’ny fihetsiny, ireo Vavolombelon’i Jehovah dia mampiseho ny fifanarahan’ny teniny sy ny ataony, ka manaporofo, araka izany, fa tsy ‘mpaminany sandoka’ izy ireo, fa azo fantarina amin’ny voany kosa. ‘Manoty voaloboka amin’ny tsilo va ny olona, na aviavy amin’ny songosongo?’ (Matio 7:15-20).”
Nanoratra taratasy ho an’ny gazety Przyjaciółka mivoaka isan-kerinandro ny vehivavy iray, nilaza ny alahelony fa nandao ny Eglizy Katolika ny zanany lahy ka tonga Vavolombelon’i Jehovah. Inona no torohevitra nomen’ilay mpampanonta? “Raha nanjary nikambana tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny zanakao lahy, nianatra sy nanaiky ny finoan’izy ireo, dia fanapahan-keviny manokana izany rehetra izany, izay tokony hekena sy hohajaina. (...) Io antokom-pivavahana io dia miavaka amin’ireo lafin-toetrany maro mahafinaritra sy faniry eo amin’ny lafiny sosialy, toy ny firaisan-kinany tsy fahita sy ireo fehim-pihavanany lalina, ny fanaovany ny marina miavaka sy ny fanarahana akaiky ireo fitsipika ekena eo amin’ny fiainan’ny fiaraha-monina, ary farany, ny fahaizana miaina mifanaraka amin’ny fahamarinany, amin’ny fampiharana marina ireo zavatra heverina fa sarobidy ambarany. Hatsaran-toetra sarobidy izany.”
[Fanamarihana ambany pejy]
a Mba hahazoana fanazavana fanampiny, dia jereo ny Calendrier des Témoins de Jéhovah 1994.
[Efajoro, pejy 9]
ANTONTAN’ISAN’ILAY TANY
Taom-piasana 1993
TAMPON’ISAN’NY MPITORY: 113 551
AMIN’NY ARA-KEVINY: Vavolombelona 1 ho an’ny olona 339
MPANATRIKA NY FAHATSIAROVANA: 235 642
ANTSALAN’NY MPITORY MPISAVA LALANA: 7 961
ANTSALAN’NY FAMPIANARANA NY BAIBOLY: 79 131
ISAN’NY NATAO BATISA: 8 164
ISAN’NY KONGREGASIONA: 1 397
BIRAON’NY SAMPANA: Nadarzyn
[Sary, pejy 9]
Biraon’ny sampan’i Polonina tany Lodz tamin’ny 1948
[Sary, pejy 9]
Asa fitondrana takelaka misy soratra, Jona 1948, tany Prusse-Orientale teo aloha
[Sary, pejy 9]
Mpikambana 72 amin’ny mpiasan’ny Betela any Polonina, Janoary 1993
[Sary, pejy 9]
Ny biraon’ny sampana vaovao any Nadarzyn