Nahoana no Mamoy ny Heriny ny Fiangonana?
“Izay rehetra Stoika dia Stoika; fa ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana kosa, aiza ny Kristiana?”
RALPH WALDO EMERSON, MPANORATRA SY POETY AMERIKANA TAMIN’NY TAONJATO FAHA-19.
“KATOLIKA aho — fa tsy mafana fo”, hoy ny fanazavan’ny reny tanora iray. “Tsy miraharaha ny amin’ny fivavahana aho”, hoy ny teny nanampin’ny tovolahy iray. Mampiseho ny fihetsiky ny taranaka tanora kokoa any Eoropa ny tenin’izy ireo. Na dia mbola mpiangona aza ny ray aman-dreniny — na azo inoana kokoa, ny raibeny aman-drenibeny — dia tsy niampita tamin’ilay taranaka tanora kokoa ny finoana ara-pivavahana.
Nahoana no nilaozana ny fahazarana ara-pivavahana izay nolalain’ny taranaka maro tany Eoropa?
Tsy anton-javatra intsony ny tahotra
Nandritra ny taonjato maro dia nampihatra heriny mafy teo amin’ny Eoropeana ny tahotra afobe mirehitra na afo fandiovana. Ny toriteny nirehidrehitra sy ny sary hosodoko ao am-piangonana mampiseho mazava tsara ny afobe mirehitra tsy mety maty, dia nandresy lahatra ny lahika fa hoe ny fandehanana miangona mampiseho fitiavam-pivavahana no hany afa-mamonjy azy ireo amin’ny fahaverezana. Ankoatra izany, dia manambara ny Catechism of the Catholic Church fa “manery ny mpiangona ‘handray anjara amin’ny Litorjia araka an’Andriamanitra, amin’ny alahady sy amin’ireo andro fankalazana’ ny Eglizy”.a Tany amin’ny faritra ambanivohitra dia goavana koa ny faneren’ny saranga — nampoizina ny handehanan’ny rehetra hiangona ny alahady.
Niova anefa ny fotoana. Mahatsiaro ho afaka manao izay tiany ny olona ankehitriny. Tsy anton-javatra intsony ny tahotra. Nasitrika moramora ny afobe, satria tsy mino azy io koa moa ny ankamaroan’ny Katolika eoropeana.
Amin’ny fampiharana, dia tsy heverina ho zava-dehibe loatra ilay “fahotana” hoe tsy manatrika Lamesa ny alahady. Miaiky toy izao i Tirso Vaquero, pretra katolika any Madrid, Espaina: “Raha tsy tonga amin’ny Lamesa ny alahady ny Kristiana [katolika] iray, dia malahelo amim-pahatsorana izahay satria tsy nahazo an’io fotoam-pifandraisana amin’Andriamanitra sy amin’ny rahalahiny io izy, fa tsy hoe satria nanao fahotana izy. Tsy dia zava-dehibe izany.”
Koa tsy mampianatra fifikirana intsony ny tahotra. Ahoana ny momba ny fahefana ara-pitondran-tenan’ny fiangonana sy ireo mpitondra ao aminy — afaka mitaky ny tsy fivadihan’ireo andian’ondriny ve izy ireo?
Krizin’ny fahefana
Nifanandrify tamin’ny fikororosiana voamarika teo amin’ny toe-pitondran-tenan’ny fiangonana ny fitsaharan’ny tahotra ara-pivavahana. “Nandritra ny taonjato maro isika dia nanana (...) mpampianatra fitsipi-pitondran-tena maro aoka izany ary mpampianatra tsara fitondran-tena vitsy aoka izany”, hoy ny fitarainan’i Giordano Bruno Guerri, mpanoratra tantara italiana. Nasongadin’ny ady lehibe roa izay nandrava ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana io tsy fisian’ny fitarihana ara-pitondran-tena io. Tsy nanan-kery ireo fiangonana eoropeana mba hisakanana an’ireo mpino tsy hirotsaka tamin’ilay fandatsahan-dra. Ny mbola ratsy kokoa aza, ireo fiangonana dia nanjary nitsabaka tamim-paharisihana tamin’ilay ezaka tamin’ny ady — tamin’ny andaniny roa.
“Nanokatra fe-potoan’ny loza sy henatra ho an’ny Kristianisma ny Ady Lehibe Voalohany, ady an-trano teo amin’ireo antokom-pinoana kristiana”, hoy ny fanamarihan’i Paul Johnson, mpanoratra tantara. “Nitondra famelezana vao mainka mafy kokoa teo amin’ny toe-pitondran-tenan’ny finoana kristiana, ny Ady Lehibe Faharoa noho ilay Voalohany. Nalan’izy io sarona ny tsy fananan-kery nisy tao amin’ireo fiangonana tany Alemaina, ny toerana niandohan’ny Réforme, sy ny hakanosana sy ny fitiavan-tenan’ny Saint-Siège.”
Nanimba koa ny fahefana ara-pitondran-tenan’ny eglizy ireo fifanekena nifanaovan’ny Vatikana tamin’ny fitondrana nazia nentin’i Hitler sy tamin’ireo fitondram-panjakana fasista nentin’i Mussolini tany Italia sy nentin’i Franco teto Espaina. Rehefa nandeha ny fotoana, ny vidiny ara-pivavahana noho ny fitadiavana tombony ara-politika eo no ho eo toy izany dia hoe tsy ninoan-teny intsony ny eglizy.
Eglizy sy fanjakana — Famahana ilay fehy fampiraisana
Nandritra ny taonjato faha-20, ny ankamaroan’ireo tany eoropeana dia namaha, rehefa ela ny ela, an’ilay fehy fampiraisana namatotra ny Eglizy sy ny Fanjakana. Raha ny marina, dia tsy misy tany lehibe eoropeana ankehitriny manaiky ny Katolisisma ho fivavahany ofisialy.
Na dia mety ho mbola ampian’ny fitondram-panjakana ara-bola aza ireo fiangonana lehibe indrindra, dia namoy ny hery ara-politika nampihariny taloha izy ireo. Tsy izay rehetra anisan’ny klerjy no nanaiky io zava-misy vaovao io. Mino ilay Zezoita espaniola fanta-daza atao hoe José María Díez-Alegría fa “ireo mpitondra ao amin’ny eglizy [katolika] dia mieritreritra — maro amin’izy ireo no manao izany amim-pahatsorana tanteraka — fa tsy afaka miantsoroka ny adidiny amin’ny maha-mpiandry izy ireo raha tsy mahazo ny fanohanan’ny fitondram-panjakana”.
Nirodana anefa io “fanohanan’ny fitondram-panjakana” io. Mampiseho io tarehin-javatra io, ohatra, i Espaina, izay nanana fitondram-panjakana “katolika-nasionaly” hatramin’ny 1975. Tato anatin’ireo taona faramparany, ny lohandohany ara-pivavahana espaniola dia nanana ady nitohy tamin’ny fitondram-panjakana sosialista momba ny tahirim-bolan’ny eglizy. Vao haingana izay, dia nitaraina tamin’ireo mpiangona ao aminy ny evekan’i Teruel, Espaina, hoe mahatsiaro ho “enjehina amin’ny maha-Katolika” izy, satria tsy manome fanohanana ara-bola ampy ho an’ny eglizy ny fitondram-panjakana espaniola.
Tamin’ny 1990, ireo eveka espaniola dia nanambara fa nisy “krizy lehiben’ny feon’ny fieritreretana sy ny fari-pitondran-tena” niantraika tamin’ny fitambaran’olona espaniola. Iza no nomen’izy ireo tsiny noho io ‘krizy ara-pitondran-tena’ io? Nilaza ireo eveka fa iray tamin’ireo antony lehibe indrindra nahatonga izany ny “toe-tsaina tsy mazava nampandrosoan’ny fitantanan-draharaham-panjakana [ny fitondram-panjakana espaniola] matetika”. Miharihary fa antenain’ireo eveka ny hampandrosoan’ny fitondram-panjakana ny firehan-kevitra katolika ary koa ny hanomezany fanampiana ara-bola.
Mampihatra izay toriny ve ireo anisan’ny klerjy?
Nahasadakaitra foana an’ireo pretra izay miasa any amin’ireo paroasy nampahantraina ny harena goavan’ny Eglizy Katolika. Vao mainka nahasadakaitra kokoa izy io rehefa voarohirohy tao amin’izay nantsoin’ny gazety Time hoe “ny raharaha ara-bola nahafa-baraka ratsy indrindra tany Italia taorian’ny ady”, ny Bankin’ny Vatikana. Tamin’ny 1987, dia nisy taratasy fisamborana navoakan’ny mpitsara italiana mba hisamborana arseveka iray sy mpitantan-draharaha roa hafa tao amin’ny Bankin’ny Vatikana. Noho ny toerana fara tampony sady manokana ananan’ny Vatikana anefa, dia nihodivitra fisamborana ireo anisan’ny klerjy voampanga. Nanizingizina ny Bankin’ny Vatikana fa tsy nisy fanaovan-dratsy, kanefa tsy voakosony ilay fahatsapana hoe tsy nampihatra izay ampianariny ny eglizy. — Ampitahao amin’ny Matio 23:3.
Vao mainka nanimba bebe kokoa ny fampahafantaran’ny fampitam-baovao fatratra ny momba ny fitondran-tena ratsy eo amin’ny lahy sy ny vavy. Tamin’ny May 1992, ny eveka irlandey iray, nalaza noho ny fankasitrahany ny fitovoana, dia nangataka ny dioseziny mba “hamela ny helony” sy “hivavaka ho azy”. Voatery nametra-pialana izy taorian’ny nahavaky bantsilana fa rain-jazalahy 17 taona iray izy ary nampiasa ny tahirim-bolan’ny eglizy mba handoavana ny saram-pianaran’ilay zazalahy. Iray volana talohan’izay, ny pretra katolika iray dia niseho tao amin’ny televiziona alemanina niaraka tamin’ny “vehivaviny” sy ny zanany roa. Nilaza izy fa niriny ny “hanokatra fifampiresahana” momba ilay raharaha ny amin’ny firaisana tsy ara-dalàna miafina, izay ataon’ny pretra maro aoka izany.
Tsy azo ialana ny hoe mamela marika ireo raharaha mahafa-baraka. Manantitrantitra i Guerri, mpanoratra tantara, ao amin’ilay bokiny hoe Gli italiani sotto la Chiesa (Ireo Italiana eo Ambany Fitondran’ny Eglizy) fa “nandritra ny taonjato maro, ny Eglizy dia nanafintohina an’ireo Italiana”. Ny vokany iray, hoy izy, dia ny “fitomboan’ny fanoherana ny fahefan’ny klerjy miely patrana, na dia eo amin’ireo mpiangona aza”. Mety hahatsiaro halaim-panahy hametraka amin’ny klerjiny, fanontaniana mitovy amin’izay napetraky ny apostoly Paoly toy izao tamin’ny Romana, ireo Katolika tezitra: “Hianao izay mitory hoe: Aza mangalatra, mba mangalatra ihany va hianao? Hianao izay manao hoe: Aza mijangajanga, mba mijangajanga ihany va hianao?” — Romana 2:21, 22.
Ny hantsana mampisaraka ny klerjy sy ny lahika
Olana iray tsy dia miharihary firy saingy mety hampahalemy kokoa, ilay hantsana mampisaraka ny klerjy sy ny lahika. Toa manorisory, fa tsy mampianatra an’ireo mpiangona akory, ny taratasin’ny mpiandry avy amin’ireo eveka. Tao amin’ny fanadihadiana iray teto Espaina, dia 28 isan-jato monja tamin’ireo nadinadinina no “niombon-kevitra tamin’ny fanambaran’ireo eveka”. Nitovy isa tamin’izany no “tsy niraharaha”, ary 18 isan-jato no nilaza fa “tsy azony izay resahin[’ireo eveka]”. Niaiky toy izao ilay arseveka atao hoe Ubeda any Majorca, Espaina: “Isika eveka dia tsy maintsy manaiky koa ny nananantsika andraikitra tamin’ilay fandrosoan’ny fitaomana tsy ho Kristiana — izay zava-misy iray.”
Mampanalavitra kokoa ny lahika ny tsy fisian’ny hafatra araka ny Soratra Masina mazava. Araka ny Catholic Herald, dia “pretra maro [any Frantsa] no nifidy ny hitsabaka amin’ny politika mba ‘hananan-danja’ ”, na dia tian’ny ankamaroan’ireo mpiangona ao aminy kokoa aza izy ireo hifantoka amin’ny raharaha ara-panahy. Miaiky toy izao ilay pretra sy sosiology italiana atao hoe Silvano Burgalassi: “Angamba izy ireo [ny tanora] nihataka tamin’Andriamanitra, noho ny ohatra ratsy nomentsika. Nanome azy ireo ‘fifangaroan’ny’ fanekena lembenana, ny fivavahana sy ny fandraharahana, sy ny fitiavan-tena sy ny fandotoana, isika.” Tsy mahagaga raha mamoy ny lazany ara-tsosialy ny pretra. “Katolika aho, kanefa tsy mino an’ireo pretra” no fitenenana re matetika avy amin’ireo Katolika espaniola.
Hitan’ny Katolika sasany ho sarotra ny matoky ny klerjy, ary manana fisalasalana lehibe momba ny foto-pampianaran’ny eglizy — indrindra ireo fampianarana heverin’izy ireo ho tsy araka ny antonona na tsy azo ampiharina — ny hafa.
Foto-pampianarana tsy azon’ny saina takarina
Ohatra iray mivandravandra ilay fampianarana katolika ofisialy momba ilay foto-kevitra ny amin’ny afobe. Manambara toy izao ny Catechism of the Catholic Church: “Manamafy ny fisian’ny afobe sy ny maha-mandrakizay azy ny fampianaran’ny Eglizy.” Na dia izany aza, dia tondroin’ny fanadihadiana vao haingana fa ny ampahefatr’ireo Katolika frantsay sy ny ampahatelon’ireo Katolika espaniola monja no mino fa misy ny afobe.
Toy izany koa, raha ny amin’ny raharaha ara-pitondran-tena, dia mirona ho “Kristiana araka izay anaovan’ny tenany azy” ny Eoropeana. Mino i Mimmi, tanora loteriana avy any Soeda, fa ireo raharaha ara-pitondran-tena, toy ny hoe fananan-janaka ivelan’ny fanambadiana, dia “zavatra izay an’ny tena irery ny fanapahan-kevitra amin’izany”. Miombon-kevitra aminy ny ankamaroan’ny Katolika frantsay. Rehefa miatrika fanapahan-kevitra lehibe eo amin’ny fiainana, ny 80 isan-jato dia nilaza fa hanaraka ny tari-dalan’ny feon’ny fieritreretany izy ireo fa tsy ny an’ny eglizy.
Tamin’ny lasa, ny fahefan’ny eglizy dia ampy mba hanafoanana an’izay rehetra mety ho fanehoan-kevitra maneho tsy fanekena. Araka ny fomba fijerin’ny Vatikana, dia tsy nisy zavatra niova firy. Manambara amin’ny fomba tsy azo hozongozonina ny Catechism fa “izay rehetra nolazaina momba ny fomba hanazavana ny hevitry ny Soratra Masina dia ampandalovina amin’ny fitsaran’ny Eglizy, amin’ny farany”. Tsy nahazo fanohanana firy anefa ilay fomba jadona. “Mitoetra ho tsy voafehy ilay ady hevitra momba ny fahefana”, hoy ny fitarainan’i Antonio Elorza, profesora espaniola momba ny fianarana politika. “Tian’ny Eglizy kokoa ny manorina fefy mimanda, amin’ny fankamasinana ny maha-manan-kery ny lovantsofiny eo anatrehan’ny tantara.” Ivelan’ilay “fefy mimanda”, ny herin’ny eglizy sy ny fahefany dia manohy mihena.
Ankoatra ny fikororosiana ara-panahy, dia anton-javatra lehibe hafa iray mahatonga ny tsy firaikana amin’ny fivavahana ireo antony ara-tsosialy. Manome fialam-boly sy fahafahana hanary dia maro be ny fitambaran’olona mirona ho amin’ny fividianan-javatra — ary manana ny faniriana hankafy azy ireny sy ny fomba hanatanterahana izany ny ankamaroan’ny Eoropeana. Rehefa ampitahaina amin’izany, ny fandehanana miangona dia toa fomba tsy mahaliana mba handaniana ny alahady maraina. Ankoatra izany, ireo fotoam-pivavahana any am-piangonana dia mahalana no toa mahatakatra an’ireo zavatra ilain’ny olona ara-panahy sy miantefa amin’izany.
Toa tsy azo inoana fa hahazo indray ny fifehezana ny andian’ondry eoropeana ny fivavahana nentim-paharazana. Moa ve ny fivavahana hery iray naman’ny lasa — voatokana ho amin’ny fahafoanana?
[Fanamarihana ambany pejy]
a Navoaka voalohany tamin’ny 1992 ny Catechism of the Catholic Church ary nokendrena mba ho fanambarana ofisialin’ny foto-pampianarana ho an’ny Katolika manerana ny tany manontolo. Ao amin’ny teny fampidirana, ny Papa Jean Paul II dia milazalaza azy io ho “fari-pitsipika azo antoka sy azo itokiana ho an’ny fampianarana ny foto-pampianarana katolika”. Tamin’ny 1566 no fotoana farany namoahana katesizy katolika niraisam-pirenena toy izany.
[Teny notsongaina, pejy 6]
Nandresy ny fototry ny ain’ny Tontolon’ ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana ny fifikirana amin’ny fakana aina
[Sary, pejy 7]
Rehefa miatrika ny safidy hoe toriteny sa fitaninana andro, dia tsy misalasala ny ankamaroan’ny Eoropeana mifidy ny torapasika