Manapoizina Anao ve ny Tranonao?
NISY fandinihana iray natao vao haingana tamin’olona 3 000 mahery tany Etazonia sy Kanada, araka ny voalazan’ny gazetiboky Scientific American. Nasehon’izany fandinihana izany fa “ao amin’ny toerana izay mazàna no heverin’ny ankamaroan’ny vahoaka ho tsy misy fandotoana indrindra, toy ny tranony sy ny biraony ary ny fiarakodiany, (...) no tena azo inoana fa ifampikasohany be indrindra amin-doto mety hanapoizina”. Ny loharano lehibe indrindran’ny fandotoana rivotra ao an-trano dia ny etona avy amin-javatra mahazatra toy ny zavatra simika fanadiovana, ny fanafody fampandosirana koroka, ny fitaovana fanorenan-trano, ny solika, ny zavatra fanalana fofona, ary ny ranon-javatra famonoana mikraoba, mbamin’ny zavatra simika avy amin’ny fitafiana nodiovina maina sy avy amin’ny fonon-tseza sentetika vaovao.
Ny “gripan’ny any ambony tsy taka-maso” dia aretina nahazo ny mpanamory sambon-danitra, mandra-pahafantatra fa, hay, etona, na “gaza mivoaka” toy izany no nahatonga azy io. Mandre ilay fofona ianao rehefa mipetraka ao anaty fiarakodia vaovao, na rehefa mandeha eo anelanelan’ireo talantalana misy zavatra fanadiovana ao amin’ny fivarotana lehibe iray, na dia mihidy tsara ao anaty fitoerany aza izy ireny. Koa rehefa mihidy be ny trano iray, ohatra, mba tsy hidiran’ny hatsiaka amin’ny ririnina, dia mety ho anisan’ny mandoto ny rivotra ao an-trano ny gaza mivoaka avy amin-javatra simika maro samihafa, ka ho be lavitra noho ny any ivelany izany fandotoana izany.
Ny ankizy, indrindra fa ny zaza vao miana-mandeha, no tena mora voa amin’ny loto ao an-trano, hoy ny Medical Post any Kanada. Akaiky kokoa ny gorodona izy ireo raha miohatra amin’ny olon-dehibe; miaina haingana kokoa noho ny olon-dehibe izy ireo; mitoetra ao an-trano hatramin’ny 90 isan-jaton’ny fotoanany izy ireo; ary noho ny taovany mbola tsy toy ny an’olon-dehibe, dia mora andairan’ny poizina kokoa ny vatan’izy ireo. Raisin’ny vatan’ny ankizy ny 40 isan-jato eo ho eo amin’ny firamainty voateliny, fa 10 isan-jato kosa no raisin’ny an’ny olon-dehibe.
Fihazonana fihetsika voalanjalanja
Koa satria ity taranaka ity mampiasa zavatra simika mbola tsy nisy toy izany mihitsy, dia mbola betsaka ny zavatra tokony hofantarina momba ny vokatra entin’ny zavatra simika. Malina hatrany àry ireo mpahay siansa. Ny fisian’ny zavatra simika mantsy dia tsy midika avy hatrany hoe tokony hatahotra ny ho voan’ny kansera na ho faty ny tena. Eny tokoa, noho ilay Mpamorona ny vatana mahatalanjon’ny olombelona, dia toa mahatanty tsara ihany ny ankamaroan’ny olona. (Salamo 139:14). Na izany aza, dia tsy maintsy mandray fepetra fiarovana araka ny antonony isika, indrindra fa raha mifampikasoka tsy tapaka amin-javatra simika mety hanapoizina.
Ilay boky hoe Chemical Alert! dia milaza fa “manapoizina ny zavatra simika sasany amin’ny heviny hoe manakantsakana ny fifandanjan’ny fiasan[’ny vatana] izy ireny, ka miteraka soritr’aretina tsy mazava tsara izay azo lazalazaina tsara indrindra hoe fahatsapana ho tsy metimety fotsiny”. Tsy voatery hitaky ny hanaovantsika fanovana goavana eo amin’ny fomba fiainantsika akory ny fampihenana ny zavatra simika mety hanimba, fa fanovana kelikely fotsiny eo amin’ny fahazarantsika isan’andro. Mariho, aza fady, ireo fanoloran-kevitra ao amin’ilay faritra voafefy eo amin’ny pejy faha-8. Mety hanampy anao ny sasany amin’izy ireo.
Ankoatra ny fandraisana fepetra fiarovana araka ny antonony amin’ny zavatra simika, dia fanampiana ho an’ny tenantsika ny tsy hanahiantsika be loatra, indrindra raha ny amin’ireo zavatra tsy azontsika anoarana. “Ny fo [tony, NW ] no fiainan’ny nofo”, hoy ny Baiboly ao amin’ny Ohabolana 14:30.
Na izany aza, dia olona maro no tena mijaly sy manjary marary, indraindray azon’aretina mahafaty mihitsy aza, noho ny poizina avy amin-javatra simika.a Toy ireo olona an-tapitrisany maro mijaly noho ny antony hafa maro aoka izany amin’izao andro izao, ireo marary vokatry ny zavatra simika dia manana antony marim-pototra hiandrandrana ny hoavy, satria tsy ho ela ny tany dia tsy hisy poizina hanimba ny mponina eo aminy intsony. Na dia ny eritreritra manapoizina, mbamin’ireo izay manolokolo izany aza, dia ho anisan’ny zavatra efa lasa, araka ny hasehon’ny lahatsoratra famaranana amin’ity fitohitohizan-dahatsoratra ity.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Tato anatin’ireo taona faramparany, dia olona mihamitombo isa hatrany no voan’ny aretina vokatry ny tsy fahazakana zavatra simika isan-karazany. Hodinihina ao amin’ny nomeraon’ny Mifohaza! aoriana izany.
[Efajoro, pejy 8]
Mba Hananana Trano Mahasalama sy Tsy Mampidi-doza Kokoa
Matetika ny fampihenana ny zavatra mety hanapoizina anao no tsy mitaky afa-tsy fanovana kelikely fotsiny eo amin’ny fomba fiainanao. Indreto misy fanoloran-kevitra mety ho hitanao fa manampy. (Raha mila tsipiriany fanampiny sy voafaritra tsara kokoa ianao, dia toloranay hevitra mba hanatona ny tranomboky eo an-toerana.)
1. Miezaha hitahiry ny ankamaroan’ny zavatra simika mamoaka etona, ao amin’ny toerana tsy handotoany ny rivotra ao an-tranonao. Anisan’ireo zavatra simika ireo ny formaldéhyde sy ny zavatra misy mpandevona mora mietona, toy ny loko, ny verinia, ny zavatra mampiraikitra, ny fanafody famonoana bibikely, ary ny ranon-javatra fanadiovana. Mamoaka etona manapoizina ny zavatra mora mietona namboarina avy amin’ny solitany. Anisan’izany ny benzenina, izay raha miangona betsaka mandritra ny fotoana maharitra, dia fantatra ho miteraka kansera sy fahasembanana hatrany am-bohoka ary fahavoazana hafa mifandray amin’ny fananahana.
2. Ataovy izay hisian’ny rivotra mifamoivoy tsara ao amin’ny efitra rehetra, anisan’izany ny efitra fandroana. Mampietona ny zavatra, toy ny klôro, izay nafangaro tao amin’ny rano mantsy ny fampifantsitsirana ny rano. Noho izany, dia mety hisy klôro, eny, klôrôfôrma mihitsy aza, hiangona be.
3. Fafao ny tongotra alohan’ny hidirana ao an-trano. Io fanaovan-javatra tsotra io, hoy ny Scientific American, dia afaka mampihena ho ampaheniny ny habetsahan’ny firamainty eo amin’ny môkety. Mampihena ny habetsahan’ny fanafody famonoana bibikely koa ny fanaovana izany. Ny sasantsasany amin’ireny fanafody ireny mantsy dia misaratsaraka haingana any ivelan’ny trano rehefa azon’ny hainandro, nefa mety haharitra an-taonany maro eo amin’ny môkety. Azonao atao koa ny manala kiraro — fomba amam-panao any amin’ny faritra sasany eo amin’izao tontolo izao. Afaka mampihena ny loto eo amin’ny môkety koa ny aspiratera tsara iray, ary aleo kokoa ilay misy borosy afaka mihodina.
4. Raha manadio efitra iray amin’ny fanafody famonoana bibikely ianao, dia esory tsy ho ao amin’izany efitra izany ny kilalaon’ankizy mandritra ny tapa-bolana, fara fahakeliny, na dia milaza aza ny soratra eo amin’ilay fanafody hoe tsy misy atahorana intsony ilay efitra, rehefa afaka ora vitsivitsy. Vao haingana izay no nahitan’ireo mpahay siansa fa ny plastika sy zavatra anatiny malemilemy sasany ao amin’ny kilalao dia mifoka ara-bakiteny, toy ny sponjy, ny faikana fanafody famonoana bibikely. Ho tafiditra ao anatin’ny ankizy amin’ny alalan’ny hoditra sy ny vava ny poizina.
5. Ahenao ho faran’izay kely ny fampiasanao fanafody famonoana bibikely. Tao amin’ilay bokiny hoe Since Silent Spring, i Frank Graham, zanany, dia nanoratra fa “manana ny toerany ao an-trano sy ao an-jaridaina [ny fanafody famonoana bibikely]. Ny dokam-barotra anefa dia nampiaiky ny tompon-trano any amin’ny faritanàna manamorona tanàn-dehibe fa tsy maintsy manana tahirin-javatra simika be dia be izay ampy hampandosirana andiam-balala afrikanina manafika izy”.
6. Esory avokoa ny loko misy firamainty izay efa miendakendaka, ary soloy loko tsy misy firamainty. Aza avela hilalao eo amin’ny vovobovoka voaloton’ny loko misy firamainty ny ankizy. Raha ahiahina ho misy firamainty ny fantson-drano, dia tokony hosokafana kelikely aloha ny raobinen’ny rano mangatsiaka, mandra-pahatsapa fa miova ny maripanan’ny rano, ary tsy tokony hosotroina ny rano avy amin’ny raobinen’ny rano mafana. — Environmental Poisons in Our Food.
[Sary, pejy 9]
Ny zaza vao miana-mandeha no tena mora voa amin’ny loto ao an-trano