Manontany ny Tanora Hoe...
Ahoana no Hahatafavoaka Ahy Amin’izao Tsy Misy Ray Aman-dreny Izao?
“Fony aho telo taona, ary efa-taona ny zokiko vavy, dia nisara-panambadiana ny ray aman-dreninay. Niady tany amin’ny fitsarana izy roa mba homen-dalana hitaiza anay, ka ny niafarany, dia i Neny no nahazo anay. Fony aho fito taona anefa, dia nanapa-kevitra ny hiara-mipetraka amin-drainay izahay mianadahy.” — Horacio.
TAONA vitsivitsy tatỳ aoriana, dia nandao an’i Horacio mianadahy ny rainy sy ny vehivaviny. Hoy ny tsaroan’i Horacio: “Izany no nahatonga ahy ho loham-pianakaviana teo amin’ny faha-18 taonako, ka ny anisan’ny fianakaviana kelinay dia ny zokiko vavy 19 taona sy ny tenako ary ny zandriko vavy 12 taona, iray ray aminay, izay nanapa-kevitra ny hijanona hiaraka taminay.”
Araka ny nasehon’ny lahatsoratra teo aloha, dia tanora an-tapitrisany maro maneran-tany no tsy manan-dray aman-dreny.a Toa an’i Horacio, dia nisy tanora sasany nilaozan’ny ray aman-dreniny. Misy hafa koa namoy ny ray aman-dreniny tao amin’ny fahafatesana, na tafasaraka tamin’izy ireo noho ny ady na ny loza araka ny natiora. Na ahoana na ahoana, dia mety ho sarotra sy mampikorontana anaty izany hoe tsy manan-dray aman-dreny izany. Ary mety hamela andraikitra mavesatra dia mavesatra eo aminao izany.
‘Iza no hikarakara ahy?’
Miankina be dia be amin’ny taonanao sy ny tarehin-javatra misy anao ny hahaizanao, na tsia, hiatrika izany. Miharihary fa sarotra lavitra ny toe-javatra raha toa ka mbola ao anatin’ny fahazazana, na vao miditra amin’ireo taona maha zatovo, ianao. Na izany aza, dia mety ho tsy navela ho irery tanteraka ianao. Mety hisy dadatoa, nenitoa, na zoky lahy na vavy vonona handray anao.
Eo amin’ireo Vavolombelon’i Jehovah, dia heverina ho anisan’ny fanompoam-pivavahany ny fikarakarany ireo kamboty sy vehivavy maty vady. (Jakoba 1:27; 2:15-17). Ary matetika no misy olona ao amin’ny kôngregasiôna vonona hanampy. I Horacio sy ireo anabaviny, ohatra, dia niara-nianatra ny Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, ary nanatrika ireo fivoriany. Nahita fianakaviana kristianina izay nanomboka nanampy azy izy telo mianadahy tany. “Tena velom-pankasitrahana an’i Jehovah aho noho ny tari-dalany sy ny fiahiany feno fitiavana isan’andro!”, hoy i Horacio. “Voatahy izahay satria nahazo ny fanampian’ny fianakaviana iray tena araka ny fanahy sady nanan-janaka nitovy taona taminay, tao amin’ny kôngregasiôna. Azo lazaina hoe nandray anay ho zanany mihitsy izy ireo, ary noho izany, dia nahatsapa mbola tsy nisy toy izany mihitsy izahay hoe anisan’ny fianakaviana iray azonay nianteherana.”
Tsy ny tanora rehetra anefa no nambinina toy izany. Milaza toy izao ny tatitra iray nataon’ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana Mikarakara ny Reny sy ny Zaza: “Indraindray ny ankizy tsy ampy taona sy tsy misy mpiahy dia sendra fianakaviana izay mampijaly azy, manery azy hiasa tsy misy karama na tsy misy fahafahana hivoatra, mampiasa azy ao amin’ny fivarotan-tena na manandevo azy mihitsy aza.” Koa mahaiza mankasitraka raha sendra olona mikarakara tsara anao araka ny tokony ho izy ianao.
Marina aloha fa fahavoazana iray lavaka izany hoe tsy manan-dray aman-dreny izany. Ary ara-dalàna raha mety ho tsy faly ianao noho ny tsy maha eo azy ireo mba hikarakara anao. Mety ho vao mainka hampahasosotra anao raha havana na zoky no milaza aminao izay tokony hataonao. Aza amparina amin’ireo izay miezaka mikarakara anao anefa ny tsy fahafalianao. Hoy ny Baiboly: “Aoka tsy hamporisika anao [hanao zavatra] ratsy ny fahatezerana (...). Tandremo, aza mivily ho amin’ny ratsy”. (Joba 36:18, 21). Tsarovy ilay tovovavy antsoina hoe Estera, voalaza ao amin’ny Baiboly. Kamboty izy, ka i Mordekay, zanak’olo-mpiray tam-po taminy, izay zokiny amin’ny taona, no nitaiza azy. Na dia tsy rainy niteraka azy aza i Mordekay, dia ‘namepetra azy’, ary nankato azy i Estera, na dia rehefa lehibe aza! (Estera 2:7, 15, 20). Miezaha koa hankato sy ho mora manaiky. Hampihena be ny fihenjanana izany, ary hanamora be lavitra ny fiainana ho an’izay rehetra voakasika.
Andraikitra ara-pianakaviana
Raha manan-joky ianao, na raha efa lehibe ihany, dia mety ho azonareo mpiray tam-po atao angamba ny hitokan-trano. Mety ho ianao mihitsy aza no tsy maintsy handray ny andraikitry ny loham-pianakaviana, izay andraikitra toa mavesatra dia mavesatra! Nisy anefa tanora maro, tao anatin’ny tarehin-javatra toy izany, nahavita zavatra mahatalanjona, dia ny fitaizana ireo iray tam-po aminy.
Tsy mahagaga àry raha mety hahatsapa tsy fahafaliana ianao. Mety hanampy anao hanana fomba fijery tsara kokoa ny fieritreretana hoe tia sy mikarakara ireo iray tam-po aminao ianao. Mety hanampy anao koa ny fiheverana ny fikarakarana azy ireo ho adidy napetrak’Andriamanitra taminao. Rehefa dinihina tokoa, dia nomena baiko hikarakara ny mpianakaviny ny Kristianina. (1 Timoty 5:8). Na dia miezaka araka izay farany azonao atao aza anefa ianao mba ho tonga ray na reny ho an’ireo iray tam-po aminao, dia tsy ho tena rainy na reniny mihitsy ianao.
Tsy mijery ny zava-misy ianao raha manantena ny haneken’ny iray tam-po aminao anao toy ny nanekeny ny ray aman-dreninareo. Raha ny marina, dia mety hitaky fotoana ela be vao hanaiky ny toe-javatra izy ireo, ka hankato anao. Mandra-pahatongan’izany àry, dia miezaha mba tsy ho kivy. Halaviro “ny fo-lentika (...) sy ny fahavinirana sy ny fahatezerana sy ny fitabatabana sy ny fitenenan-dratsy”. Manomeza ohatra ka ampianaro ireo iray tam-po aminao mba ho “samy halemy fanahy (...), ka hifampiantra sy hifamela heloka”. — Efesiana 4:31, 32.
Miaiky i Horacio fa nanao fahadisoana ny tenany: “Hentitra be tamin’ireo iray tam-po amiko aho indraindray. Fiarovana anefa izany, ary nihazona fitondran-tena mahitsy teo imason’i Jehovah izahay.”
Ny famelomanao ny tenanao
Raha tsy eo mba hikarakara anao ny ray aman-dreninao, dia tsy isalasalana fa mampanahy tokoa ny fameloman-tena. Angamba misy olon-dehibe ao amin’ny kôngregasiôna kristianina afaka manampy anao sy ny iray tam-po aminao, raha manana iray tam-po ianao, ka hampianatra anareo hahandro sy hanadio ary hanao ny raharaha hafa ao an-tokantrano, zavatra izay tsy maintsy ataonareo ankehitriny. Inona anefa no hataonao mba hahazoam-bola? Angamba tsy misy azonao atao, afa-tsy ny miezaka hitady asa.
Sarotra anefa ny mahita asa ho an’ny tanora tsy nahita fianarana firy, na tsy manana traikefa, na tsy mahay asa. Koa raha azonao atao ny mamita ny fianarana fototra, na ny hiofana amin’ny asa mihitsy aza rehefa avy eo, dia ataovy izany. Hoy ny tsaroan’i Horacio: “Niasa ny tenako sy ny zokiko vavy mba hahazoam-bola handoavanay ny fianarako sy ny an’ilay anabavinay iray ray aminay.” Raha any amin’ny tany an-dalam-pandrosoana ianao, dia mety ho voatery hitady hevitra mba hahitana asa. — Jereo ilay lahatsoratra hoe “Famoronana Asa Any Amin’ireo Tany Eo An-dalam-pandrosoana”, ao amin’ny Mifohaza! tamin’ny Janoary-Martsa 1995.
Any amin’ny tany mandroso kokoa, dia mety ho azo atao mihitsy aza ny hahazo fanampiana ara-bola avy amin’ny fanjakana. Matetika no misy fikambanana ara-panjakana na tsy miankina izay mifofotra amin’ny fanampiana ireo ankizy tsy manan-dray aman-dreny, na tsy misy mpiahy. Ny fikambanana sasany, ohatra, dia mety hanampy anao mba hahazoanao sakafo, na hahitanao toerana hipetrahana. Mazava ho azy fa tokony hampiasaina amim-pahendrena ny fanampiana ara-bola voarainao. “Fialokalofana ny vola”, hoy ny Baiboly. (Mpitoriteny 7:12). Ary raha tsy mitandrina ianao eo amin’ny fitantanana sy ny fandaniana azy, dia mety ‘haniry elatra [haingana] tokoa izy ka hanidina’. — Ohabolana 23:4, 5.
Mety ho raharaha tsy dia lehibe aminao ny fameloman-tena raha misy olon-dehibe mikarakara anao. Any aoriana any anefa, dia ho avy ny fotoana hilanao hamelon-tena. Koa satria efa tsy manan-dray aman-dreny hampirisika anao amin’ny fianarana intsony ianao, dia mety hitaky ezaka be avy aminao ny fifantohana amin’ny fianarana. Mety ho azo ampiharina amin’ny fianarana ataonao koa ny torohevitr’i Paoly, apostoly kristianina, momba ny fandrosoana ara-panahy nomeny an’i Timoty manao hoe: “Mazotoa hihevitra izany zavatra izany, dia mikeleza aina fatratra amin’izany, mba hiseho (...) ny fandrosoanao.” (1 Timoty 4:15). Amin’ny fanaovana izany no hanomezanao ohatra tsara ho an’ireo olona manodidina anao, sy handraisan’ny tenanao soa koa.
Ny zava-dehibe indrindra dia ny hamelomanao tena eo amin’ny lafiny ara-panahy. Miezaha hanana fahazarana voalanjalanja eo amin’ny asa ara-panahy. (Filipiana 3:16). Ohatra, fanaon’ny fianakaviana Vavolombelon’i Jehovah ny miara-mandinika andinin-teny iray avy ao amin’ny Baiboly isan’andro. Nahoana raha ataonao ho fahazarana izany? Hanampy anao koa ny fahazarana mianatra Baiboly sy manatrika tsy tapaka ny fivoriana kristianina mba hitoerana ho matanjaka ara-panahy. — Hebreo 10:24, 25.
Fiatrehana ilay zava-tsarotra
Sarotra ny tsy manan-dray aman-dreny, nefa tsy midika akory izany hoe hanjombona sy tsy ho sambatra ny fiainanao. Maty ny renin’i Paola, 20 taona, fony i Paola vao enin-taona monja. Maty ny rainy fony izy folo taona. Nisy vehivavy iray tsara fanahy nandray azy sy ireo rahavaviny efatra. Tena nahonena tanteraka ve ny fiainany? Tsia. Hoy i Paola: “Angamba tsy tena mampiseho tsara ny atao hoe fianakaviana izahay, nefa manana fiainana ara-dalàna ihany izahay. Raha ny marina, ny fifankatiavanay dia mafy kokoa noho ny an’ny ankamaroan’ireo fianakaviana.”
Hoy koa i Irene, rahavavin’i Paola: “Na dia tsy manan-dray aman-dreny aza izahay, dia tsy misy hafa amin’ny tanora hafa.” Inona no toroheviny ho an’ny hafa izay ao anatin’ny toe-javatra toy izany? “Aza mihevitra hoe maty antoka ianao.” Hoy koa i Horacio: “Nahatonga ahy ho matotra haingana izany toe-javatra izany.”
Fisehoan-javatra faran’izay mampalahelo amin’izay azo eritreretina izany hoe mamoy ny ray aman-drenin’ny tena izany. Matokia anefa fa noho ny fanampian’i Jehovah, dia afaka ny ho tafavoaka eo amin’ny fiainana sy hahazo ny fitahiany ianao.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ilay lahatsoratra hoe “Manontany ny Tanora Hoe... Nahoana Aho no Tsy mba Manan-dray Aman-dreny?”, ao amin’ny Mifohaza! tamin’ny 8 Desambra 1998.
[Sary, pejy 26]
Afaka mahazo ny fanohanan’ireo loholona kristianina ianao