Fijerena An’izao Tontolo Izao
Ny Taona 2000 sy i Kristy
“Araka ny fitsapan-kevitra natao, dia tsy ampy ampahenin’ny Anglisy no mampifandray ny taona 2000 amin’i Kristy”, hoy ny ENI Bulletin. Nisy fanadihadiana Gallup “nampiharihary fa tsy mahalala na inona na inona momba ny Fiandohan’ny Arivo Taona Vaovao akory ny sarabambem-bahoaka: ny 37 isan-jaton’ireo olona nadinadinina dia namaly fa tsy fantany hoe inona no hotsarovana amin’izy io (...), ny 18 isan-jato nilaza hoe fankalazana hanamarika ny taonjato vaovao izany, ary ny 17 isan-jato nilaza hoe hanamarika ny taona 2000 izany”. Ny 15 isan-jato monja no mahita fa misy fifandraisany amin’ny nahaterahan’i Kristy ny taona 2000. Araka ny voalazan’ny Profesora Anthony King ao amin’ny Oniversiten’i Essex, amin’ny ankamaroan’ny olona ilay fiandohan’ny arivo taona vaovao dia “tsy inona fa fahafahana handihy, hisotro champagne, hiari-tory miaraka amin’ny namana na hanao dia lavitra any ivelan’ny taniny”. Nanao izao fanazavana izao ilay eveka anglikanina atao hoe Gavin Reid: “Fiaraha-monina tsy mahatsiaro ny kolontsainy sy ny tantarany ara-panahy intsony no misy antsika.”
Tebiteby Noho ny “Mikraoba Matanjaka Be”
“Ny fisian’ny ‘mikraoba matanjaka be’ izay tsy andairan’ny antibiotika faran’izay mahery dia tokony hanaitra ny rehetra: tsy ny matihanina ao amin’ny fahasalamana ihany fa ny mpanjifa koa”, hoy ny gazety Star, atsy Afrika Atsimo. Mampitandrina i Mike Dove, manam-pahaizana momba ny aretina, fa “niova ary miverina indray ny aretina efa resy na saika fongotra taloha”. Ny fampiasana antibiotika betsaka loatra dia niteraka raboka (BK), tazomoka, tefoedra, angatra, meninzita, ary pnemonia amin’ny endriny vaovao, izay mihasarotra tsaboina sy tsy andairan’ny fanafody maoderina. Olona telo tapitrisa mahery isan-taona no matin’ny BK fotsiny. Afaka manampy ireo marary raha mitadidy izao manaraka izao: Eo am-boalohany, dia manandrama fitsaboana toy ny fisotroana ranon-javatra betsaka, ny fialana sasatra rehefa ilaina izany, ary ny fanaovana gararàka amin’ny rano mafana misy sira, rehefa marary tenda ianao. Aza terena hanome antibiotika anao ny dokoteranao, fa avelao izy hanapa-kevitra raha tena ilaina izy ireny. Raha nasain’ny dokotera nihinana antibiotika ianao, dia tapero hatramin’ny farany foana ilay izy, na dia voamarikao aza fa mihatsara ianao. Tadidio fa ny antibiotika dia tsy hahasitrana ny sery sy ny gripa, izay ateraky ny virosy, fa tsy ateraky ny bakteria. Hoy i Dove: “Tokony hifarimbona ny rehetra mba hiadiana amin’io olana maneran-tany tena mampanahy io, izay mety hiteraka loza aman’antambo eo amin’ny fahasalamana.”
Vidina Lafo ny Fahaketrahana
“Antony lehibe mahatonga ny mpiasa tsy ho tonga hiasa sy tsy hamokatra firy maneran-tany ny fahaketrahana, mihoatra lavitra noho ny aretina ara-batana”, hoy ny gazety brezilianina O Globo. Asehon’ny tatitra iray nataon’ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana fa nahatonga fahafatesan’olona 200 000 ny aretin-tsaina tamin’ny 1997. Fanampin’izany, dia nisy voka-dratsiny teo amin’ny asan’ny olona maherin’ny 146 tapitrisa maneran-tany ny fahavoazana madinika teo amin’ny saina, toy ny fiovan’ny toe-po. Betsaka kokoa izany miohatra amin’ny isan’ireo mpiasa 123 tapitrisa izay voasembantsemban’ny tsy fandrenesana tsara, na ireo 25 tapitrisa izay niharan’ny voina tany am-piasana. Araka ny fandinihana iray nataon’ny Profesora Guy Goodwyn, ao amin’ny Oniversiten’i Oxford, dia hitombo ny olana ny amin’ny fahaketrahana, amin’ireo taona ho avy, ka hiteraka enta-mavesatra goavana ho an’ny fiaraha-monina, satria hanjary tsy hamokatra ny mpiasa ary hiakatra ny vidin’ny fitsaboana. Any Etazonia fotsiny, dia efa mirasanda amin’ny 53 000 tapitrisa dolara ny fatiantoka isan-taona noho ny fahaketrahana.
Tsara Kokoa ny eo Amin’ny Taratasy
“Tsy misy soratra eo amin’ny efijerin’ôrdinatera [écran d’ordinateur] mora vakina toy ny soratra vita pirinty eo amin’ny taratasy”, hoy ny tatitra nataon’ny masoivohon-gazety dpa-Basisdienst, any Alemaina. Tena vitsy kokoa ny fahadisoana ary haingana kokoa ny famakian-teny, raha eo amin’ny taratasy, fa tsy eo amin’ny efijerin’ôrdinatera. Asehon’ny fitsapana fa ela kokoa ka mihoatra 10 isan-jato, amin’ny antsalany, ny fotoana lany amin’ny famakian-teny eo amin’ny efijerin’ôrdinatera, raha oharina amin’ny eo amin’ny taratasy. Rehefa efijerin’ôrdinatera faran’izay tsara no nampiasaina, izay nazava kokoa sy namoaka sary tsara kokoa, ka tsy nipendrampendrana firy, dia nihatsara ny vokatra azo. Na izany aza, dia mbola tsy nahatoraka ny an’ny famakian-teny teo amin’ny taratasy ihany izany. “Izay rehetra miasa amin’ny ôrdinatera dia mandany ny fotoanany rehetra amin’ny fijerena mivantana loharanom-pahazavana izay mahajambena sy mipendrampendrana ary mitaratra”, hoy ilay psikôlôgy atao hoe Martina Ziefle, avy any Aachen, Alemaina. “Tsy miavaka tsara ny endrik’ireo litera, ary tsy mazava firy.” Izao no fanatsoahan-kevitry ny dpa: “Noho izany, rehefa mividy ôrdinatera ianao, dia ny hatsaran’ny efijeriny no tokony hojerenao bebe kokoa.”
Mariky ny Fotoana
“Hisy fomba kanadianina tranainy hafa iray indray hanjavona ato anatin’ny herinandro vitsivitsy, rehefa sambany vao hanomboka hitondra basy poleta ny polisy [atsy Terre-Neuve]”, hoy ny tatitra nataon’ny The Toronto Star. Ny Royal Newfoundland Constabulary, najoro tamin’ny 1729, no “polisy farany tatỳ Amerika Avaratra izay tsy nitana basy rehefa nanao fisafoana”. Nisy lalàna vaovao nanafoana ilay fitsipika teo aloha. Izy io mantsy dia nitaky ny hoe nangata-dalana tamin’ny lehibeny aloha ny polisy vao afaka nitondra basy. Raha nomena lalana ny polisy iray, dia ho nitahiry ny basiny tao amin’ny boaty nihidy iray, napetraka tao anaty fitoeran’entan’ny fiarakodia nentiny nanao fisafoana. Avy eo, rehefa nisy vonjy taitra ka nilana basy, dia tsy maintsy najanony aloha ny fiarany, nosokafany ilay fitoeran’entana, nosokafany ilay boaty, ary nofahanany ilay basy. “Hafa kely ilay izy ary nahafinaritra, saingy tsy tena azo ampiharina izany hoe polisy matihanina sy voaofana iray amin’izao taona 1998 izao nefa tsy afaka mampiasa ny basiny”, hoy ny Praiminisitra Brian Tobin. Mbola mirehareha ho manana ny taha ambany indrindra amin’ny heloka bevava any Kanada ny Rock, teny mamy ahafantarana an’i Terre-Neuve, ary mbola tsy nisy voatifitra teo am-perinasa ny polisiny.
Ny Mamaly Faty no Asan’izy Ireo
Mampanantena “tsiambaratelo tanteraka” sy fahafahana hanampy na aiza na aiza any Japon, ny kompania iray any Tokyo manao izao dokam-barotra izao: “Hamaly faty ho anao izahay”. Ny teôria fototra dia hoe “hampihatra amin’ilay olona nampijaly voalohany an’ilay client, ny karazam-pijaliana mitovy amin’ny nataony”, hoy ilay lehilahy mikarakara ilay sampan-draharaha. Araka ny tatitra nataon’ny Asahi Evening News, ilay kompania dia “hanatanteraka valy faty araka ny lalàna”, toy ny fanaovana izay hahazoana antoka fa “hamoy ny asany sy ny fianakaviany ny olona iray”, sy ny fandravana fihavanana, ary ny “fanomezana antoka fa ho voaroaka ny mpiara-miasa iray, na haetry ny lehibe iray izay nanao fanadalana momba ny lahy sy ny vavy”. Amin’ireo olona sahabo ho 50 miantso an-telefaonina an’ilay kompania isan’andro, dia 20 no manontany momba ny fifanekena hamono olona. Tsy ny hampiasa hery na ny handika lalàna anefa akory no fitsipika ankapobe arahin’ilay kompania, “na dia kely sisa aza tsy anaovany izany indraindray”. Mampiasa olona maromaro ilay kompania, ka ny ankamaroany dia manana asa hafa manontolo andro. Ny sasany dia olona nampijalina sy maniry hanampy ny hafa hamaly faty. “Tsy fantatrao mihitsy raha nisy zavatra nataonao tamin’ny lasa ka nahatonga olon-kafa hitahiry lolompo taminao. Koa tandremo tsara”, hoy ny fampitandreman’ilay tompony.
Foza An-tanety sy Tontolo Iainana
Manapotika ny ravinkazo sy ny fakofako eo amin’ny tany any an’ala ny vitsika sy ny vitsikazo ary ny kankana. Inona anefa no mitranga ao amin’ny ala tropikaly izay mahazo rano tsy tapaka? Ny foza an-tanety no manao ilay asa. Ny olona iray mpandinika ny tontolo iainana, avy ao amin’ny Oniversiten’i Michigan, Etazonia, dia gaga tamin’izay hitany tany amin’ny Morontsirak’i Costa Rica manamorona an’i Pasifika: faritra lehibe dia lehibe tao an’ala izay tsy nahitana ravinkazo mihitsy teo amin’ny tany, fa lavaka maromaro kosa. Tsy natory izy nandritra ny alina fa nanara-maso foza an-tanety, tombanana ho 60 000 isaky ny hektara, nipoitra mba hikaroka ravinkazo maina sy voankazo ary zana-javamaniry, izay nentin’izy ireo nankao amin’ny lalina indrindra amin’ny lavaka fitoerany mirefy iray metatra. Manampy amin’ny famelomana ireo hazo lalim-paka ireny foza izay mirefy 20 santimetatra ireny. Manana solona havokavoka izy mba hifohany rivotra, ary tsy mitsidika any an-dranomasina raha tsy isaky ny hanatody. Miankina amin’izay ataon’ireny zavaboary ireny ny tontolo iainana manontolo ao an’ala, hoy ny tatitra nataon’ny The Times, any Londres.
Any Ambony Tsy Taka-maso Lavitra Be Any
“Nosoratana tao amin’ny boky firaketana ny zava-bita niavaka ho ny zavatra vitan’olombelona izay lasa lavitra indrindra, ny Voyager 1”, hoy ny gazetiboky Astronomy. “Ny Pioneer 10, izay tompon-daka teo aloha, dia manaraka zotra saika mifanipaka amin’ny [an’ny Voyager 1], ary mandeha miadana kokoa.” Aiza ho aiza moa izao ny Voyager 1? Tany amin’ny 10 400 tapitrisa kilaometatra izy, tamin’ny 17 Febroary 1998. Tamin’ny 5 Septambra 1977 no nalefa ilay sambon-danitra; nandalo an’i Jupiter izy tamin’ny 5 Martsa 1979 ary nisidina teo akaikin’i Saturne tamin’ny 12 Novambra 1980. Manohy mandefa fanazavana momba ny rivotry ny masoandro sy ny sahan’andriamby izy. “Amin’ny farany, ny fitaovana ao aminy dia mety ho ny fitaovan-tsambon-danitra voalohany hahamarika ny fetra manasaraka ny faran’ny herin’ny andriambin’ny Masoandro sy ny fanombohan’ny faritra manelanelana ny kintana”, hoy ny National Aeronautics and Space Administration.
Zaza Tsy Voasoratra
“Angamba ny ampahatelon’ny zazakely teraka rehetra no tsy voasoratra any amin’ny fanjakana ny nahaterahany, ka tsy fantatry ny fanjakana izy ireny, ary izany dia mety hidika hoe tsy ho afaka hianatra sy hahazo fikarakarana ara-pahasalamana izy ireny”, hoy ny tatitra nataon’ny The New York Times. Any Afrika atsimon’i Sahara sy any amin’ny tany aziatika sasany, toa an’i Inde, i Kambodja, i Myanmar, ary i Vietnam, no vitsy indrindra ny isan’ny zaza teraka voasoratra any amin’ny fanjakana. “Mitovy amin’ny hoe tsy teraka ny hoe tsy manana fanamarinam-pahaterahana”, hoy i Carol Bellamy, tale mpanatanteraka ao amin’ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana Mikarakara ny Reny sy ny Zaza, ilay fikambanana izay nitarika ilay fanadihadiana maneran-tany. Firenena maro no mitaky fanamariham-pahaterahana alohan’ny hahafahan’ny zaza iray hahazo fitsaboana any amin’ny tobim-pahasalamana na hisoratra anarana any an-tsekoly, ary ny ankizy tsy manana izany dia azo inoana kokoa fa ho voatery hiasa raha mbola kely, na hisy hanao fanararaotana vetaveta. Hoy koa ilay lahatsoratra: “Hitan’ilay tatitra fa tsy ny fahantrana no hany mahatonga ny olona tsy hanoratra any amin’ny fanjakana ny fahaterahan’ny zaza, satria nolazainy fa any Amerika Latina, any Azia afovoany, ary any Afrika Avaratra, dia betsaka ny manoratra any amin’ny fanjakana.”