Fijerena An’izao Tontolo Izao
Tsy Fahazoan-kevitra Nampidi-doza
Nisy tsy fahazoana ny hevitry ny teny kely iray, anisan’ny nahatonga ilay lozam-piaramanidina ratsy indrindra teo amin’izao tontolo izao, tamin’ny taona 1977, hoy ny tatitra nataon’ny gazety The European. Nilaza tamin’ny alalan’ny radio ilay mpanamory holandey ny Boeing 747 hoe “at take-off” (“eo am-piaingana”) izy, fa nihevitra kosa ilay mpanara-maso ny fifamoivoizana ana habakabaka tao Tenerife, any amin’ny Nosy Canaries, fa tsy nihetsika ilay fiaramanidina, araka ny fahazoany ny tiany holazaina. Kanefa, ny tian’ilay mpanamory holazaina dia hoe nihanandeha mafy teo amin’ilay lalana rako-javona matevina ilay fiaramanidina ary nadiva hiainga. Vokatr’izany, dia nidona tamin’ny Boeing 747 iray hafa ilay fiaramanidina, ka nahafaty olona 583. Toy izany koa, fa ny tsy fahaizana tsara ny fiteny dia anisan’ny nahatonga ny fifandonana fiaramanidina teny ambony teny tany akaikin’i Delhi, India, izay nahafatesan’olona 349, tamin’ny 1996. Na dia mahalana aza vao misy fahadisoana lehibe ary na dia mahazo fampiofanana henjana momba ny teny anglisy fampiasa amin’ny fanamoriana fiaramanidina aza ireo mpiasan’ny fifamoivoizana ana habakabaka, dia misy mpiasa sasany tsy mahay afa-tsy ireo teny manokana fampiasa amin’ny fanamoriana fiaramanidina. Rehefa mipoitra ny toe-javatra ilana fanaovan-javatra maika, dia mety ho hadinony tanteraka ny teny hainy. Anoroan’ny manam-pahaizana hevitra ny hanisiana voambolana teknika ao amin’ny ordinatera ao amin’ny efitry ny mpanamory, mba hiantohana fifandraisana mety momba ny fanamoriana fiaramanidina.
Tsy Mihamihilana Intsony ve ny Tilikambon’i Pise?
Rehefa avy nirona nandritra ny an-jatony taona maro ho amin’ny fianjerana toa tsy azo ialana ny Tilikambon’i Pise, dia toa tsy nihanihilana intsony, rehefa ela ny ela — noho ny vaingam-piramainty an’arivony taonina maro napetraka teo am-potony, izay mifandanja amin’ny havesarany. Izany no nambaran’ny Profesora Michele Jamialcowsky, prezidàn’ny vaomiera iraisam-pirenena miantoka ny fiarovana ilay tilikambo tsy hianjera. “Mbola goavana ihany anefa ilay olana”, hoy ilay gazety italiana La Stampa, “satria efa tonga eo amin’ny fetra tena farany ilay fitongilanana dimy metatra avy amin’ny hitsy mijidina izay nitambatambatra nandritra ny fitonjato taona nisiany.”
Fampiasana Tsy Ara-dalàna ny Zava-mahadomelina Maneran-tany
Mahaforona ny 8 isan-jaton’ny raharaham-barotra rehetra iraisam-pirenena sady mampidi-bola 400 000 tapitrisa dolara eo ho eo isan-taona, ny zava-mahadomelina tsy ara-dalàna, hoy ny tatitra iray nataon’ny ONU. Io tatitra 332 pejy io no fandinihana voalohany nahafaoka be momba ny fiantraikan’ny zava-mahadomelina tsy ara-dalàna, maneran-tany. Asehon’izy io fa efa ho 2,5 isan-jaton’ny mponina maneran-tany — olona tokony ho 140 tapitrisa — no mifoka marijuana (ravina sy laingon-drongony) na haschisch (ditin’ny laingon-drongony), izay azo avy amin’ny marijuana. Olona 30 tapitrisa no mampiasa fanafody manaitaitra mitovy karazana amin’ny amphétamine, 13 tapitrisa no mampiasa karazana cocaïne, ary 8 tapitrisa no mampiasa héroïne (karazan-drongony mahery). Na dia marijuana, cocaïne, héroïne, sy morphine an’arivony taonina maro aza no noraofin’ireo sampan-draharaha mpampihatra lalàna, dia mbola be lavitra noho izany no tsy sarona. Tokony ho 30 isan-jaton’ny cocaïne no sarona eny am-pandehanana, ary 10 ka hatramin’ny 15 isan-jato monja amin’ny héroïne, hoy ilay tatitra. Tena be kojakojany be ny fandraharahana iraisam-pirenena momba ny zava-mahadomelina. “Nanjary niitatra naneran-tany aoka izany ilay olana, hany ka tsy voasahan’ny firenena tsirairay”, hoy i Giorgio Giacomelli, tale jeneralin’ny fandaharan’asan’ny ONU miady amin’ny zava-mahadomelina.
Mihamahazo Vahana ny Areti-mifindra
“Tato anatin’ny 20 taona farany, dia nisy areti-mifindra 30 vaovao tanteraka sady mora mifindra aoka izany, nipoitra”, hoy ny tatitra nataon’ny Nassauische Neue Presse. Tsy misy fanafana ny ankamaroan’ireo aretina ireo — toy ny Ebola sy ny SIDA ary ny hépatite C. Ankoatra izany, dia mihamahazo vahana koa ny areti-mifindra toy ny tazomoka sy ny kôlerà ary ny raboka. Nahoana? Araka ny voalazan’ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana (OMS), “dia misy aretina maro mipoitra indray satria virosy mihamaro hatrany no miha-tsy andairana karazana antibiotika betsaka kokoa. Vitsy kokoa ny antibiotika vaovao vokarina, satria lafo be ny fanaovana azy”. Miezaka hampitsimbadika io fironana io ny OMS ka niangavy fitondram-panjakana sy kompania mpanamboatra fanafody mba “hampiasa vola bebe kokoa amin’ny fanamboarana antibiotika vaovao sy amin’ny fanatsarana ny fomba fitiliana areti-mifindra”. Olona tokony ho 55 tapitrisa no matin’ny areti-mifindra naneran-tany, tamin’ny 1996.
“Fitondran’ny Vahoaka Romotra”
Teo ambanin’io lohateny io no nilazan’i Haim Shapiro, anisan’ny mpampanonta ny The Jerusalem Post, ny amin’ny fisehoan-javatra tamin’ny Martsa lasa teo: Nisy nanafika tamin’ny vato sy biriky ny Vavolombelon’i Jehovah, nidirana an-keriny sy noravana ny Efitrano Fanjakanany, ary nodorana ny bokiny. Hoy izy nanazava: “Rehefa nisy nanafika ny Eglizy Katolika iray tany Jaffa tamin’ny taon-dasa, avy hatrany dia nisy olona be dia be indray naneho ny tsy fankasitrahany izany, teto Isiraely sy tany ivelany, ary azo nohamarinina ny fihetsiny. Rehefa nisy nanafika ilay efitrano tany Lod, dia zara raha nisy filazana momba izany.” Na dia ‘tsy tia sy tsy mankasitraka’ ny Vavolombelon’i Jehovah aza ny tenan’i Shapiro, dia tsaroany fa “iray tamin’ireo antokon’olona nenjehina sy nalefa tany amin’ny toby fitanana tany Alemaina Nazia”, izy ireo. Izao no nosoratany: “Mampihoron-koditra ny fieritreretana hoe na iza na iza dia afaka manafika ireo olona ireo sy mandrava ny toeram-pivavahany ary mandoro ny bokiny, kanefa afa-maina amin’izany, ary izany dia mampahatsiahy ireo zava-nitranga nahatsiravina indrindra teo amin’ny tantara, nitovy tamin’izany.”
Ny Fihenan’ny Fitiavam-pivavahan’ny “Tanàna Masina” Iray
Na dia antsoina hoe tanàna masina aza i Roma sady ny filohan’ny Eglizy Katolika no evekany, dia tsy dia tena tia fivavahana araka ny mety hoheverin’ny olona sasany izy io. Araka ny fanadihadiana iray notarihin’ny Oniversite Fahatelon’i Roma tao amin’ilay firenena, dia tokony ho 10 isan-jaton’ny Italiana rehetra no milaza fa tsy liana “velively” amin’ny Kristianisma, kanefa tafakatra ho 19 isan-jato io tarehimarika io ao Roma. Misy 21 isan-jato fanampiny amin’ny mponina ao Roma no tsy liana “firy” amin’ny Eglizy Katolika, hoy ny gazety La Repubblica. Etsy an-danin’izany, dia 10 isan-jato monja amin’izy ireo no tena liana amin’ny fivavahana. Amin’ny mponina ao Roma, dia 1 monja amin’ny 4, araka ny voalazan’ilay sôsiôlôgy atao hoe Roberto Cipriani, no manaraka akaiky ireo didin’ny eglizy mikasika ny fihetsika sy ny fitondran-tena.
Mamely An’i India ny BK
Na dia eo aza ny ezaka be dia be atao mba hampihenana ny fihanahan’ny bakterian’ny raboka (BK), dia milaza ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana (OMS), fa ny antsasaky ny olon-dehibe rehetra any India no voan’izy io. Amin’ireo mponina maherin’ny 900 tapitrisa any India, dia maherin’ny 2 tapitrisa no voan’ny raboka efa miseho, isan-taona, ary hatramin’ny 500 000 no matin’izy io, hoy ny tatitra nataon’ny gazety The Asian Age. Araka ny OMS, dia betsaka loatra ny isan’ny olona voa sy ny fahafahana mety ho voan’ilay aretina, vokatr’izany. Tsy vitan’ny hoe mizaka ilay aretina aterak’izy io ireo izay voan’ny BK, fa tsy maintsy miaritra koa ny fahafaham-baraka izay mazàna no tsy misaraka amin’ilay aretina. Mety hitarika ho amin’ny fanilihan’ny mpiara-monina sy ny mpampiasa ary ny mpiara-miasa izany. Matetika no alefa mody any amin’ny ray aman-dreniny ireo tovovavy vao avy nampakarina izay hita fa voan’ny BK, satria hoe tsy mendrika ny hiteraka.
Voalavo Mahasoa Ve?
“Ratsy laza ny voalavo”, hoy ny The Wall Street Journal. Indro anefa i Rattie, voalavo ampiasaina ao amin’ny laboratoara iray, ka i Judy Reavis, biôfizisiana no tompony. Nanampy tamin’ny fametrahana taribin’ordinatera an’arivony metatra maro tao amin’ny sekoly maromaro i Rattie mba hananganana réseaux-na ordinatera. “Kekeriny ilay tady, ka misisika eo anelanelan’ny vatan-kazo sy ny fantsona ao anatin’ny rindrina sy ao ambanin’ny gorodona ary manaraka ny takelaky ny valin-drihana, i Rattie”, hoy ny fanazavan’ny Journal. “Taomina hivoaka amin’ny lavaka iray izy amin’ny fanapepehana sy amin’ny alalan’ny sakafon-tsaka matsiro. Rehefa mipoitra izy, ilay tady tarihiny dia ampiasaina hisintonana taribin’ordinatera hanaraka ny lalana miolakolaka nalehany.” Nanjary nalaza i Rattie ary manana toerana sy hira iray “nataony”, ao amin’ny Internet. Raha sanatria ka maty alohan’ny fotoana izy, “dia hampiofana voalavo iray hafa izahay”, hoy ny Dr. Reavis. “Rehefa heverina ange, dia voalavo fotsiny izy io e!”
Zazavavy Voafora, Ankizivavy Miteraka
“Sahabo ho roa tapitrisa ny zazavavy forana isan-taona”, hoy ny The Progress of Nations, bokin’ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana Mikarakara ny Reny sy ny Zaza, boky momba ny fahasalamana sy ny sakafo ary ny fanabeazana ankizy, fanontana 1996. “Mahaforona ny 75%-n’izy rehetra ireo ny any Egypta, Etiopia, Kenya, Nizeria, Somalia, sy Soudan. Any Djibouti sy Somalia, dia 98%-n’ny zazavavy no forana.” Ankoatra ny fanaintainana, dia mety hiteraka fahazoana otrikaretina sy fandehanan-dra maharitra sy fahamombana ary fahafatesana ireo fomba fanaovana ilay izy. “Tsy takin’ny fivavahana na iza na iza ny famorana [vehivavy]. Fomban-drazana natao hiarovana ny maha-virjiny sy hiantohana ny fahafahana manambady ary hisakanana ny fanaovana firaisana izy io”, hoy ilay tatitra. Misy antokon’olona sy fikambanana miahy ny amin’ny zon’ny vehivavy sy izay hahasoa ny ankizy, manery fitondram-panjakana mba handrara ilay fanao.
Asehon’ny tatitra iray faharoa fa olana tsy mety afaka any amin’ny tany maro ny fiterahana raha mbola ankizivavy. I Etazonia, ohatra, no manana ny taha ambony indrindra ao amin’ny tontolon’ny firenena be indostria: fiterahana 64 isan-taona isaky ny ankizivavy 1 000, izay 15 ka hatramin’ny 19 taona. I Japon no manana ny taha ambany indrindra: fiterahana efatra isan-taona. Tsy vitan’ny hoe misy fiantraikany eo amin’ny fivelaran’ny tovovavy iray sy ny fianarany ary ny fahafahany handroso ny fiterahany, raha mbola ankizivavy izy, fa mety hitondra olana koa eo amin’ireo zaza, toy ny fikarakarana tsizarizary sy ny fahantrana ary ny tokantrano mihilangilana.