Mediterane — Ranomasina Voafefy, Misy Fery Mangotanatana
AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ANY GRESY
Fatina feso arivo mahery no mivangongo eny amoron-dranomasina, manomboka eto Gresy ka hatrany Maroc; samonta mena (marée rouge) feno poizina, ao amin’ny Ranomasina Égée; roatran-javatra mitsiloliloly an-tapitrisany taonina, ao amin’ny Ranomasina Adriatika; soka-dranomasina sy phoques efa ho lany tamingana; fari-dranomasina efa tsy misy zavaboary velona intsony. Fa misy inona ao amin’ny Ranomasina Mediterane ao? Tsy maintsy ho fandotoana sy fahasimbana ve ny hoavin’izy io?
“NY TRANAINY indrindra amin’ireo faritra nohajarin’olombelona eto amin’izao tontolo izao”. Izany no nambaran’i David Attenborough, manam-pahaizana momba ny biby, raha nilazalaza an’i Mediterane sy ny morony izy. Varavarana fidirana mankamin’ny kontinanta telo io ranomasina io, ka nanana anjara toerana lehibe teo amin’ny fisondrotana sy ny fianjeran’ny firenena telo, dia i Ejipta sy i Gresy ary i Roma. Izy io ihany koa no loharano nipoiran’ny ankamaroan’ny kolontsaina sy ny sivilizasiona amin’izao andro izao. Latsaka an-katerena anefa i Mediterane, noho ny fampandrosoana tafahoatra, ny firohotr’ireo mpizaha tany, ny fanjonoana tafahoatra, ary ny fandotoana, tato anatin’ireo am-polony taona faramparany. Niolomay nitady vahaolana ireo mpahay siansa velom-panahiana sy ireo firenena tra-pahasahiranana vokatr’izany, saingy zara raha nahita hatramin’izao.
I Mediterane no ranomasina afovoan-tany midadasika indrindra eto amin’izao tontolo izao. Misy mponina maherin’ny 160 tapitrisa ny morontsirany mirefy 46 000 kilaometatra, izay ifampizaran’ny firenena 20. Tombanana fa amin’ny taona 2025, raha tara indrindra, dia ho avo roa heny io isan’ny mponina io. Zara raha misy fihemorana sy fisondrotana ny ranomasin’i Mediterane, noho izy mafana kokoa sy masira kokoa noho ny Ranomasina Atlantika, izay mpamatsy rano azy lehibe indrindra. Koa satria isaky ny 80 na 90 taona eo ho eo vao misolo ny rano ao aminy, dia mora azon’ny fandotoana koa izy io. “Na inona na inona ariana ao Mediterane dia mitoetra ao mandritra ny fotoana ela be”, hoy ny National Geographic.
Ny fibosesehan’ny mpizaha tany
Tora-pasika azon’andro tsara, faritra taza-maso mahafinaritra, fahaiza-mandray vahiny izay fomba nentim-paharazan’ireo mponin’ny morontsirak’i Mediterane, toerana maro manan-tantara, ireo rehetra ireo no mahatonga an’ilay faritra manontolo ho tiam-bahoaka fatratra, amin’ny fotoan’ny vakansy. Olona zato tapitrisa isan-taona no mitsidika an’iny faritra iny: eo ireo tompon-tany mpandeha eny amoron-dranomasina ary eo koa ireo vahiny mpizaha tany. Ampoizina hitombo avo telo heny io tarehimarika io ao anatin’ny 25 taona. Anisan’ny mandray anjara amin’ny fahasimban’ilay toerana falehan’ireo olona ireo amin’ny vakansy ve ny fibosesehan’izy ireo ao? Diniho ny zava-misy.
Ny fisian’izany vahoaka be izany dia mahatonga fako, izay tsy efan’ireo firenena manamorona an’i Mediterane intsony ny fanalana azy. Eo amin’ny 80 isan-jaton’ny rano maloto aterak’izy ireny, izany hoe maherin’ny 500 tapitrisa taonina isan-taona, no miafara any an-dranomasina. Tsy nasiana fanadiovana akory anefa ireny rano maloto ireny! Amin’ny vanim-potoana maina no ahatongavan’ny maro amin’ireny mpizaha tany ireny, ka izany no anisan’ny mampahaloto ilay tahirin-drano efa kely ananan’iny faritra iny. Ny rano voaloto kosa indray avy eo dia mahatandindomin-doza ny fahasalamana. Ny filomanosana ao amin’ny faritra sasany amin’ny Ranomasina Mediterane dia mety hampisy otrikaretina ao amin’ny sofina, ny orona, ny tenda, ary tsy lazaina intsony ny aretin’aty sy ny fivalanan-dra, ary ny kôlerà izay mitranga tsindraindray.
Miankina amin’ny fizahan-tany anefa ny toe-karen’ny firenena maro manamorona an’i Mediterane. Niresaka momba ireny tany ireny i Michel Batisse, tale jeneraly lefitra taloha tao amin’ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana Misahana ny Fanabeazana sy ny Siansa ary ny Kolontsaina. Hoy izy: “Ny fizahan-tany no hany loharanon-karenan’izy ireo. Izany anefa dia miankina amin’ny fiarovana ny morontsiraka mba tsy ho simban’ny fanorenana gaboraraka, izay entanin’ny fitadiavana hahazo tombony haingana.”
Be loatra ny fifamoivoizan’ireo sambo mpitondra solika
Ny Ranomasina Mediterane no lalam-pitaterana lehibe indrindra mampifandray an’i Moyen-Orient sy i Eoropa, hany ka be loatra ny sambo mpitondra solika mifamoivoy ao. Maherin’ny 20 isan-jaton’ny solika ampiasain’izao tontolo izao no mandalo ao. Ny solika fanary, raraka ao Mediterane isan-taona, dia tombanana ho avo 17 heny noho ny verin’ilay sambo Exxon Valdez, tany Alaska, tamin’ny 1989. Sambo 14 mpitondra solika no vaky tao Mediterane teo anelanelan’ny 1980 sy ny 1995. Isan-taona, dia solika tsy voadio hatramin’ny iray tapitrisa taonina no arian’ny sambo, satria mazàna no tsy manana fitaovana hanangonana ny solika fanary na hanadiovana ireo fitahirizan-tsolika ny fitodian-tsambo.
Tsy vitan’izany ihany fa lalina ny rano mivoaka avy ao Mediterane, izay mandalo amin’ny Andilan-dranomasin’i Gibraltar mba hankany amin’ny Ranomasina Atlantika. Koa satria mitsinkafona ny solika, dia mihamarivo sy mihamaloto ny rano ao amin’ilay ranomasina, noho ny fironany hihazona ny solika mihandrona eny amin’ny fanamboniny. “Hita soritra eo amin’ireo zavamiaina mifampihinana ao Mediterane ankehitriny ny fandotoana ateraky ny solika”, hoy i Colette Serruya, tale taloha tao amin’ny Ivon-toerana Israelianina Momba ny Hairanomasina. “Tafiditra ao amin’ny tambantselan’ny trondro sy ny môlioska eto amintsika izy io.” Tamin’ny 1990, ny Fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana Momba ny Tontolo Iainana (PNUE) dia nitatitra fa ny 93 isan-jaton’ireo biby misy akorany avy ao Mediterane, dia be bakteria avy amin’ny diky. Betsaka noho ny fatra ambony indrindra eken’ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana aza izany bakteria izany.
Ekôsistema mihaosa
Manampy trotraka izany fandotoana mandravarava izany ny fanimbana lehibe atao amin’ny morontsirak’i Mediterane. Mandra-pahatongan’ny taonjato faha-15, dia mbola ala matevina no nandrakotra ny ankamaroan’iny morontsiraka iny. Naripaka ny ala mba hisian’ny toeram-pambolena, na hanitarana ny tanàna, na hakana fitaovana hanamboarana ireo sambo lain’i Venise, hany ka tsy misy fanafany intsony fa nokaohin’ny riaka ny tany. Ankoatra ireo vaingan-javatra entin’ny ranonorana, dia entin’ny renirano mivarina any an-dranomasina koa ny loto toy ny zavatra simika fanadiovana sy ny fanafody famonoana bibikely ary ireo metaly mavesatra. Ny reniranon’i Rhône any Frantsa, i Nil any Ejipta, i Pô any Italia, i Èbre any Espaina, sy ny renirano hafa, dia samy mitondra faikan-javatra mihamitombo, izay avy nampiasaina tamin’ny fambolena sy ny indostria.
Misy vokany mivantana izany fandotoana izany, ka iray amin’ireny ny samonta mena izay namely faritra maro samihafa amin’ny Ranomasina Adriatika sy Égée, ka nahatonga ny moron-dranomasina ho rakotry ny fotaka madity sy maimbo. Matoa misy izany fitrangan-javatra izany, dia satria mampihena ny ôksizenina levona ao anaty rano ny faikan-javatra mihalo, ka sempotra ny ankamaroan’ny zavamaniry sy ny biby eo an-toerana. Anisan’ny faritra hafa tandindomin-doza noho io fitrangan-javatra io ny Hoalan’i Lions (Frantsa), ny Farihin’i Tunis (Tonizia), ny Hoalan’i Izmir (Torkia), ary Riakasian’i Venise (Italia).
Nihaosa izaitsizy ny ekôsisteman’ny morontsiraka, ka afaka nandimby toerana ny karazan-javamaniry tompon-tany ny karazan-javamaniry vahiny tsy fahita tany Mediterane. Ohatra iray mampiseho izany tsara ny amin’ny ahidrano “mpamono” iray, antsoina hoe Caulerpa taxifolia, izay mandripaka ireo karazan-javamaniry hafa any an-dranomasina. Tafiditra tsy nahy tao an-dranomasin’i Monaco izy io, ary efa manomboka miely any amin’ny fanambanin’ny ranomasina ankehitriny. Misy poizina izy io, ary tsy misy biby fantatra ho mihinana azy, hany ka niely patrana hatraiza hatraiza izy io. “Mety hahita ny fanombohan’ny loza aman’antambo eo amin’ny tontolo iainana isika”, hoy i Alexandre Meinesz, profesora momba ny biôlôjia an-dranomasina, ao amin’ny Oniversiten’i Nice, any Frantsa.
Tsy tapitra hatreo akory ny vaovao ratsy. Zavamiaina an-dranomasina vahiny maherin’ny 300 no tafiditra ao Mediterane, araka ny voalazan’i Charles-François Boudouresque, biôlôjista momba ny ranomasina. Ny ankamaroan’izy ireny dia avy ao amin’ny Ranomasina Mena, mandalo ny Lakan-dranon’i Suez. Mihevitra ny mpikaroka sasany fa tsy azo arenina intsony io fandotoana biôlôjika io, ary izy io no mety ho iray amin’ireo olana lehibe indrindra eo amin’ny tontolo iainana, amin’ny taonjato manaraka.
Fahafatesana ao anaty rano
Miatrika loza maro ireo zavamaniry ao Mediterane. Iray amin’ireny loza ireny ny fahasimban’ireo faritra anirian’ny Posidonia, izay tsy inona akory fa ahi-dranomasina. Ireny faritra ireny mantsy no havokavoka sy fitahirizan-tsakafo ary toeram-pitomboan’ny zana-trondro ao an-dranomasina ao, no sady toerana fampitomboan-taranaka ho an’ny zavamaniry sy ny biby an-dranomasina an-jatony maro. Ireo manda an-dranomasina sy fiantsonan-tsambo tonga hatrany amin’ireny faritra ireny dia mety hanimba azy, tsy misy hafa amin’ny botry fitsangantsanganana, izay manimba ireo zavamaniry amin’ny alalan’ny vatofantsika alatsany.
Tandindomin-doza toy izany koa ny biby ao amin’ilay ranomasina. Efa madiva ho fongana ny phoque moine ao Mediterane, izay iray amin’ireo karazam-biby 12 ahina ho lany tamingana indrindra eto amin’izao tontolo izao. Nisy phoques moines efa ho 1 000 tao Mediterane tamin’ny 1980, saingy naripaky mpihaza sy ny mpanjono izy ireny, ka ankehitriny dia eo anelanelan’ny 70 sy 80 sisa izy ireny. Ankehitriny, dia tsy manatody afa-tsy eto amin’ny tora-pasik’i Gresy sy ny any i Torkia ireo soka-dranomasina goavambe. Mbola voahitsaky ny mpizaha tany koa anefa ireny atody ireny indraindray. Mazàna no voasingotry ny harato ireny sokatra ireny ka sakafo any amin’ireo hotely eo an-toerana no iafarany. Nanampy ho isan’ireo karazam-biby tandindomin-doza koa ireo makamba antsoina hoe Squilla mantis, ireo akorandriaka marokoroko antsoina hoe Pinna nobilis, ary ny akorandriaka atao hoe Lithophaga lithophaga.
Tetik’asa
Mba hiatrehana izany tarehin-javatra mampahonena izany, dia nampiharina teo ambany fiahian’ny PNUE ny atao hoe Tetik’asa Momba An’i Mediterane na MAP, tamin’ny 1975. Ny tanjon’izy io dia ny fampandraisana andraikitra an’ireo firenena manamorona an’i Mediterane, mbamin’ireo mpikambana hafa ao amin’ny Vondrona Eoropeanina, mba tsy ho vitan’ny hoe hiaro ny ranomasina tsy ho azon’ny fandotoana izy ireo, fa hanao izay hahazoana antoka koa fa tsy hanimba ny tontolo iainana ny fampandrosoana ny morontsiraka. Tamin’ny 1990, dia natomboka ny atao hoe Tetik’asa Fanampiana Ara-teknika Momba ny Tontolo Iainana any Mediterane, na METAP, izay nodimbasan’ny METAP II, tamin’ny 1993. Nisy ezaka hafa natao mba hamoronana tahirin-javaboary sy faritra voaro ary valam-pirenena an-dranomasina, ary nisy vokany mendri-piderana izany teo amin’ny fiarovana ny feso, ny trozona, ny phoques moines, ny soka-dranomasina, sy ny karazam-biby hafa ahina ho lany tamingana.
Tsy dia araka ny teny nomena loatra anefa ny zava-bita. Teo am-piandohan’ireo taona 1990, dia efa saika nirodana tanteraka ny MAP, satria tsy nanefa ny latsakemboka tokony haloany ireo firenena manana anjara vola betsaka indrindra. Araka ny voalazan’ireo tompon’andraikitra amin’ilay tetik’asa, dia tsy nisy tratra ny tanjon’izy io, na dia iray akory aza. Nampitandrina toy izao i Ljubomir Jeftic, mpandrindra lefitra ao amin’ny MAP, raha nitatitra momba ny fahavononan’ireo firenena any Mediterane, mahakasika ny fandraisana fepetra fanatsarana: “Aza dia be fanantenana loatra.” Na dia afaka hiray hina hanao zavatra aza ireo firenena ireo, dia mety hila am-polony taona maro vao ho voarina ny fanimbana efa vita. Hoy ny fanamarihan’ilay gazetiboky hoe New Scientist: “Amin’izao fotoana izao, toy ny ankamaroan’ireo zavamananaina ao Mediterane, dia efa maty ao anaty rano no fijery ny MAP.”
Hanao ahoana àry ny hoavin’i Mediterane? Ho tonga ranomasina maty feno ahidrano ratsy fofona sy mamotaka ve izy io? Izany angamba no izy raha miankina amin’ny olombelona samirery ny hoaviny. I Jehovah Andriamanitra, Mpamorona ity planeta ity anefa, dia miahy “ny ranomasina, fa Izy no nanao azy”. (Salamo 95:5). Nampanantena izy fa tsy ho ela ny tenany dia ‘hanimba izay manimba ny tany’. (Apokalypsy 11:18). Ilaina aloha ny hanesorana ireo olona tsy mahay mandray andraikitra, izay mandoto koa ny ranomasina, ankoatra ny zavatra hafa. Haverin’Andriamanitra amin’ny laoniny avy eo ny fifandanjana eo amin’ny tontolo iainana, ary haveriny koa ireo karazan-javamiaina maro samihafa, ka amin’izay dia “hidera Azy (...) ny ranomasina sy izay rehetra mihetsika ao aminy”, izay ho voadio tsy hisy loto. — Salamo 69:34.
[Sarintany/Sary, pejy 15]
(Jereo ny gazety)
ATLANTIKA
PORTOGALY
ESPAINA
MAROC
FRANTSA
MONACO
ALZERIA
TONIZIA
SLOVENIA
ITALIA
KROASIA
IOGOSLAVIA
ALBANIA
MALTA
GRESY
TORKIA
LIBYA
EJIPTA
CHYPRE
SYRIA
LIBAN
ISRAELY
[Sary, pejy 16]
Nitarika ho amin’ny fandotoana ny fampandrosoana tafahoatra
Lloret de Mar, any Costa Brava, any Espaina
Hotely any Benidorm, any Espaina
[Sary, pejy 16]
Rano voaloto any Espaina sy (etsy ambany) solika mitsinkafona eny ambony rano, any Gênes, any Italia
[Sary nahazoan-dalana]
V. Sichov/Sipa Press
[Sary, pejy 17]
Soka-dranomasina goavambe izay ahina ho lany tamingana
Efa ho fongana ireo “phoques moines” ao Mediterane
[Sary nahazoan-dalana]
Soka-dranomasina: Tony Arruza/Corbis; Phoques: Panos Dendrinos/HSSPMS