Fijerena An’izao Tontolo Izao
Zavatra Fahita ny Fampijaliana Ankizy
“Nisy fandinihana vaovao [natao tany Etazonia] momba ny fahasalaman’ny zatovolahy. Hita tamin’izany fa tamin’ny zatovolahy 8, mpianatra any amin’ny lise, dia mihoatra ny 1 no nilaza fa efa nampijalina na novetavetaina”, hoy ny tatitra nataon’ny The New York Times. Hita koa fa “ny fampijaliana ara-batana an’ireo zatovolahy no fahita imbetsaka kokoa noho ny fametavetana azy, ary mpianakaviny ihany no nanao ny androatokon’ny fampijaliana, ka tao an-tranony ihany no nitrangan’izany”. Ireo zatovolahy amerikanina, nanam-piaviana aziatika, no nampiharana fametavetana betsaka indrindra, araka ny voalazany, satria nisy 9 isan-jato nilaza fa novetavetaina. Fito isan-jaton’ny zatovolahy espaniola no nilaza fa novetavetaina, raha 3 isan-jaton’ny mainty hoditra sy fotsy hoditra no nitatitra fa natao toy izany koa. Tsy voafaritra nazava tao amin’ireo fanontaniana ny hoe karazany inona ilay fampijaliana. Izao fotsiny no fanontaniana napetraka: Efa nampijalina ara-batana na novetavetaina ve ianao?
Ilay “Razambe Voalohany Indrindra” Ve?
Vao haingana izay, dia nivory tao Vatikana ny eveka nanerana an’i Azia mba handinika ny fomba ampielezana ny Fivavahana Katolika any amin’ireo tany aziatika. “Any amin’ny ankamaroan’ireo firenena aziatika, ny Kristianisma dia fivavahana tandrefana nentin’ny mpanjana-tany”, hoy ny Monseigneur Oswald Gomis, any Sri Lanka. Noho izany, ny zava-tsarotra dia ny “hahitana teny aziatika hilazana an’i Jesosy”, hoy ny tatitra nataon’ny Associated Press. “Niresaka ny amin’ny fampifanarahana ny eglizy romanina amin’ny fomba amam-panao sy ny fiteny teo an-toerana sy ny mifamadika amin’izany, ireo eveka.” Ohatra iray voaresaka tamin’izany ny amin’ny fivavahana amin’ny razana. Mba hanintonana an’ireo izay manaraka an’io fanao tranainy io, dia nanolotra soso-kevitra ny Monseigneur John Tong Hon, any Hong Kong, ny hampidiran’ny Katolika tsikelikely ny hevitra ny amin’i Jesosy, andriamanitra “kristianina”, ho ny “razambe voalohany indrindra”.
Robot Mpandidy
Nisy dokotera mpandidy roa tao amin’ny hopitaly iray any Paris, nanao fandidiana fo nosokafana. Izany no fandidiana voalohany nahomby, tamin’ny fampiasana robot nobaikoina tamin’ny alalan’ny ôrdinatera, araka ny tatitra nataon’ilay gazety frantsay hoe Le Figaro. Fandidiana enina no natao, anisan’izany ny fandidiana mpanelira iray mifanolotra amin’ny fo, ka namiliana lalana ny ra. Avy eo amin’ny tataka mirefy efatra santimetatra no anaovana ilay fandidiana. Ao anaty efitra kely, metatra vitsivitsy avy eo amin’ilay marary, no mipetraka ireo mpandidy, ary mijery ny ao anatin’ny vatan’ilay marary amin’ny alalan’ny caméra sy mampiasa contrôles anankiroa mba hitarihana ny fihetsehan’ny tanan’ilay robot. Koa satria ilay ôrdinatera mampihena ny fihetsehan’ireo mpandidy ho ampahatelony ka hatramin’ny ampahadiminy, dia marina tsara kokoa ilay fandidiana sady tsy ilana hampidirana zavatra firy ao anatin’ny vatan’ilay marary. Tombony iray hafa koa ny hoe tsy mahatsapa fanaintainana firy ilay olona mandritra ny fotoana iverenan’ny fahasalamany indray.
Mitombo ny Fahafatesana Vokatry ny Lozam-pifamoivoizana
Isan-taona, dia olona maherin’ny 500 000 no maty eny amin’ny lalam-be eto amin’izao tontolo izao, ary mihamitombo ny fahafatesana vokatry ny lozam-pifamoivoizana maneran-tany, araka ny tatitra nataon’ny Fleet Maintenance & Safety Report. Firy àry ny tarehimarika mampiseho ny mety hahavoan’ny lozam-pifamoivoizana lehibe anao? Araka ilay tatitra, dia “olona 1 amin’ny 20, fara fahakeliny, no maty na maratra ao amin’ny fifandonana eny amin’ny lalam-be, isan-taona, any amin’ny firenena ‘be fiarakodia’, ary olona 1 amin’ny 2 no ampidirina hopitaly, indray mandeha, fara fahakeliny, mandritra ny androm-piainany, noho ny ratra vokatry ny lozam-pifamoivoizana”.
Faritra Maloto Manimba Fahasalamana
Na dia toa tsy azo inoana aza, dia mety ho madio kokoa noho ny akalana fitetehana hena ao an-dakozianao ny fipetrahana ao an-kabinenao. Izany no fanatsoahan-kevitr’ireo mpikaroka avy tao amin’ny Oniversiten’i Arizona rehefa avy nandany 30 herinandro nanaraha-maso ireo bakteria hita tao amin’ny tokantrano 15. Avy teo amin’ny toerana 14 samy hafa tao amin’ny trano tsirairay no nakan’ilay ekipana mpikaroka santionan-javatra, toy ny raobine, ny toerana fanasam-bilia, ny akalana fitetehana hena, ny lamba fanasam-bilia, ary ny fipetrahana ao an-kabine. Inona no hitan’izy ireo? “Hitan’ireo mpikaroka fa ny rano avy tamin’ny lamba fanasam-bilia nofiazana dia nisy bakteria avo iray tapitrisa heny noho ny teo amin’ny fipetrahana ao an-kabine”, hoy ilay gazetiboky hoe New Scientist. “Na ny akalana fitetehana hena aza, dia misy bakteria avo telo heny.” Nohazavain’i Pat Rusin, mpitondra teny momba ilay fandinihana, fa “maina loatra ny fipetrahana ao an-kabine, hany ka tsy afaka mitombo eo ny bakteria, izay tia kokoa faritra mandomando”, hoy ny tatitra nataon’ilay gazetiboky. Mba hampitomboana ny fahadiovana, dia manoro hevitra ny hanadiovana ny lamba fanasam-bilia isan-kerinandro i Rusin. “Asio eau de Javel eran’ny kaopy fotsiny ny rano eran’ny fanasam-bilia, arotsahy ao ilay lamba, ary avelao hilona ao mandritra ny 10 minitra, alohan’ny hanamainana azy”, hoy izy.
Fampihenana ny Mety Hisian’ny Vato ao Amin’ny Voa
Nisy mpikaroka nanara-maso ny zavatra fisotron’ny mpitsabo mpanampy mihoatra ny 80 000, tany Etazonia, teo anelanelan’ny 1986 sy 1994, ka nahita fa misy ranon-javatra sasany mety ho azo inoana kokoa fa hanampy ny olona hisoroka ny fahazoana vato ao amin’ny voany, raha oharina amin’ny ranon-javatra hafa, araka ny tatitra nataon’ny Science News. Tamin’ireo karazan-java-pisotro 17 nodinihina, dia ny dite no nampihena ho 8 isan-jato ny mety hahazoana vato ao amin’ny voa, raha nampihena izany ho 9 isan-jato eo ho eo ny kafe mahazatra na ny kafe tsy misy kafeina. Ny fisotroana divay araka ny antonony, dia nanampy mba hampihenana ho 20 isan-jato, fara fahakeliny, ny mety hahazoan’ny olona iray vato ao amin’ny voany. “Mahagaga fa nampitombo ny mety hahazoana vato ao amin’ny voa ho 44 isan-jato ny fisotroana ranona pamplemosy ampahefatry ny litatra eo ho eo isan’andro”, araka ny nasehon’ilay fandinihana. “Tsy misy zava-pisotro hafa misy vokany manimba toy izany.” Voalaza fa nanambara toy izao ny Dr. Gary Curhan, manam-pahaizana manokana momba ny voa sy momba ny valanaretina, any Boston: “Mety hisy vokany ny fanovana kely ny karazan-javatra sotrointsika.” Anisan’ny tetikady fitsaboana ankapobe fotsiny anefa izany.
Ny Hevitry ny Paka any Aostralia
Nanao fitsapan-kevitra ny gazety Sun-Herald any Aostralia, ka nanontany olona kisendrasendra hoe midika ho inona ho azy ireo ny Paka. Araka izao filaharany izao ny vokatra azo, ka navoaka an-gazety: midika ho atodin’ny Paka vita tamin’ny sôkôlà (54 isan-jato), faran’ny herinandro lava tsy hiasana (39 isan-jato), Fampisehoana Amin’ny Paka (21 isan-jato), fisehoan-javatra ara-pivavahana (20 isan-jato). Nilaza i David Milikan, mpitondra fivavahana ao amin’ny Eglizy Mitambatra fa tsy nahagaga azy raha vitsy dia vitsy toy izany ny olona any Sydney nampifandray ny Paka tamin’ny fivavahana. Hoy koa izy: “Efa ho faty ireo eglizy (...) Samy nahita fihenana be teo amin’ny isan’ny mpiangona ireo antokom-pivavahana lehibe rehetra.” Nitaraina toy izao ny arsevekan’ny Fivavahana Katolika any Sydney: “Ho an’ny ankamaroan’ny olona, dia tsy misy heviny ara-pivavahana mihitsy ny Paka; fety tsotra fotsiny izy io.”
Sary Vetaveta ho An’ny Vehivavy
“Mihamanatratra tsikelikely ny lehilahy izao ny vehivavy raha ny fahalianany amin-javatra momba ny lahy sy ny vavy aseho miharihary amin’ny alalan’ny ôrdinatera no asian-teny”, hoy ny tatitra nataon’ny The New York Times. Misy fandaharana maromaro toy izany, natao ho an’ny vehivavy, ao amin’ny Internet mampiaraka ny “sary vetaveta (...) sy ny fividianan-javatra”. Taorian’ny niantombohan’ny fandaharana iray ao amin’ny Internet, izay natao manokana ho an’ny vehivavy tsy miray afa-tsy amin-dehilahy, dia nanamarika ny Times fa “io fandaharana io dia rano indray mitete hafa fotsiny ao anatin’ny dobo lalin’ny zavatra momba ny lahy sy ny vavy aseho miharihary, izay mikoriana any ambanin’ny tontolon’ny ôrdinatera fantatry ny besinimaro”.
Andevozin’ny Fividianan-javatra
“Mihabetsaka hatrany ny olona eto Alemaina tratran’ny aretin’ny faniriana mafy hividy zavatra”, hoy ny tatitra nataon’ilay gazety hoe Grafschafter Nachrichten. Araka ny voalazan’i Alfred Gebert, psikôlôgy momba ny fandraharahana, ireo izay manana izany faniriana mafy izany dia manjary mahatsapa hafaliana be izay manjavona haingana rehefa avy nandoa ny vidin’ny entana novidiny izy ireo. Mahatsapa soritr’aretina ara-batana, toy ny an’ny olona miala amin’ny fahazarana manandevo mihitsy, izy ireo, hoy i Gebert. “Mangovitra sy tsembo-dratsy ary tratran’ny fikainkon’ny vavony izy ireo.” Noho io antony io, dia ireo olona be karama sy azo antenaina tsara fa manam-bola no mora voa kokoa noho ny olona mahantra. Voalaza fa anisan’ny mety ho antony mahatonga io fahandevozana io ny ‘fahatsapana ho manirery, ho tsy manana haja firy, ny fihenjanana ary ny olana any amin’ny toeram-piasana’. Mba handresena ilay faniriana mafy, dia manoro hevitra ny tokony hananana fialam-boly i Gebert. Ny tena zava-dehibe indrindra, hoy i Gebert, dia ny fifandraisana amin’olona. “Raha tsy misy olona hafa manampy, dia tsy hanaiky ny tena hoe andevozin’izany, raha tsy rehefa difotry ny trosa ary efa lany vola tanteraka”, hoy izy.
Asa Fitsikilovana Ankizy
Nisy ray aman-dreny sasany any Japon nanomboka nanakarama mpitsikilo manokana mba hijery sao misy mampijaly ny zanany any an-tsekoly, sy mba hiarovana azy ireny. Araka ny voalazan’ny The Daily Yomiuri, dia nilaza toy izao ny profesora iray ao amin’ny Oniversiten’i Osaka, izay nanao fanadihadiana mpianatra niisa 6 000 mahery: “Amin’ny ankapobeny, ny ankizy ampijalina dia mirona avy hatrany hanafina izany amin’ny fianakaviany, satria matahotra sao kianina noho izy tsy mba mahay mamaly ny mpampijaly azy, na tsy mahay mampitsahatra ny fampijaliana.” Ny ray aman-dreny sasany, izay niahiahy hoe misy olona manorisory an-janany, dia nanafina fitaovana kely elektrônika tany amin’ireo zanany, mba hihainoana ny resak’izy ireo. Nisy ray aman-dreny hafa nanakarama mpitsikilo manokana mba hitsongo dia “ilay zanaka eny lavidavitra eny, ka handrakitra an-tsoratra izay porofon’ny fisian’ny mpampijaly, sy hiriotra toy ny anjely mpiambina mba hamonjy ilay zaza, raha tandindomin-doza ny ainy”. Ireo mpiaro ny zaza anefa, araka ny voalazan’ilay gazety, dia “nanome tsiny ampahibemaso ny asa fitsikilovana ampanaovin’ireo ray aman-dreny ho fepetra tena ratsy izay azo inoana fa hampihataka ireo zanaka mihitsy, nefa tena mila ny mitoky sy mamboraka izay manjo azy manokana amin’olon-dehibe izy ireo”. Milaza anefa ireo ray aman-dreny fa izany dia fomba iray hanampiany ireo zanany izay mahita fahasahiranana, nefa tsy milaza momba izany amin’izy ireo.