FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g99 8/8 p. 24-27
  • Inona no any Ankoatra An’ireo Planeta?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Inona no any Ankoatra An’ireo Planeta?
  • Mifohaza!—1999
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ireo tenan-javatra lavitra indrindra
  • Karazan-kintana manan-drambo
  • Planeta kely tsy hita isa
  • Avy aiza izy ireny?
  • Fizahana kintana manan-drambo
  • Planeta Kely, Kintana Manan-drambo, Planeta Tany — Hifandona Ve?
    Mifohaza!—1999
  • Ahoana no Nampisy ny Masoandro sy ny Planeta Manodidina Azy?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2007
  • Natao ho Potika Tanteraka ve ny Planeta Tany?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Ny Tany — ‘Naorin’ny’ Kisendrasendra Ve?
    Mifohaza!—2000
Hijery Hafa
Mifohaza!—1999
g99 8/8 p. 24-27

Inona no any Ankoatra An’ireo Planeta?

Planeta X. Izany no anarana nomen’ilay astrônôma antsoina hoe Percival Lowell ny planeta iray mbola tsy hita, nefa nahiahiny ho mihodinkodina any ankoatra an’i Neptune. Nanomboka tamin’ny 1905 izy no nikaroka ny Planeta X, tao amin’ny toeram-pandinihany ny any ambony tsy taka-maso, tao Flagstaff, any Arizona. Na dia maty talohan’ny nahitana ny Planeta X aza i Lowell, dia nitohy ny fikarohana natombony. Tamin’ny farany, tamin’ny 1930, tao amin’ny toeram-pandinihana Lowell, dia hitan’i Clyde Tombaugh ny planeta Pluton. Tena nisy tokoa ny Planeta X!

Nanomboka nanontany tena avy hatrany ireo astrônôma hoe: ‘Sao dia mbola misy Planeta X hafa mety ho hita?’ Enimpolo taona nanaovana fikarohana lalina no nanaraka izany, ary nampiasana na dia sambon-danitra aza, tao anatin’ireo taona faramparany nanaovana fikarohana. Na dia nisy planeta kely sy kintana sy vahindanitra ary zavom-bovoka hita aza, dia tsy nisy planeta vaovao fantatra.

Na izany aza, dia tsy nitsahatra ny fikarohana. Nanomboka nampiasa teknôlôjia vaovao sy teleskôpy natanjaka kokoa ny mpahay siansa mba hahafantarana ny fisian’ny tenan-javatra mihodinkodina, izay faran’izay manjavozavo, ka tsy hita maso mivantana. Novalian-tsoa ny ezaka nataony tamin’ny farany. Mahagaga fa nisy planeta madinika kokoa maromaro hita tany ankoatra an’i Pluton izao!

Fa aiza ireo planeta kely ireo? Mbola misy firy no mety ho hita? Izy ireny ve no tenan-javatra lavitra indrindra ao amin’ny rafi-masoandro misy antsika?

Ireo tenan-javatra lavitra indrindra

Planeta sivy mihodinkodina amin’ny masoandro no mahaforona ny rafi-masoandro. Fanampin’izany, dia misy planeta kely vato an’arivony maro mirimorimo any ambony tsy taka-maso, ka ny maro aminy dia eo anelanelan’i Mars sy i Jupiter. Nisy kintana manan-drambo efa ho arivo koa tsinjo.

Iza amin’ireo tenan-javatra ireo no manalavitra indrindra ny masoandro rehefa mandeha? Raha ny marina, dia ny kintana manan-drambo no tena mandeha lavitra be indrindra.

Ny teny hoe “kintana manan-drambo” dia avy amin’ilay teny grika hoe ko·meʹtes, izay midika hoe “lava volo”, ary manondro ny rambo lava sy mitaritarika izay manaraka ao aorian’ny lohany mamiratra. Kintana manan-drambo no niavian’ny finoanoam-poana sy ny tahotra tsy voafehy maro. Mbola misy foana mpandinika miantso ny fitsidihan’ny kintana manan-drambo hoe matoatoa. Izany dia avy amin’ny finoana efa hatrany am-boalohany hoe misy fifandraisana amin’ny matoatoa ireny tenan-javatra ireny. Nahoana izy ireny no natahorana be? Antony iray ny hoe nifanandrify tamin’ny loza ny fisehoan’izy ireny indraindray. 

Mbola mampahatsiahy firehetana tafahoatra foana ny kintana manan-drambo. Tamin’ny Martsa 1997, tany Kalifornia, Etazonia, dia indray namono tena ireo mpivavaka 39 tao amin’ilay sekta hoe Heaven’s Gate, rehefa nihananatona ny masoandro ny kintana manan-drambon’i Hale-Bopp. Nahoana? Satria nihevitra izy ireo fa nisy sambon-danitra vahiny, voalaza fa niafina tao ambadik’ilay kintana manan-drambo, nanatona mba haka azy ireo.

Tsy ny rehetra anefa no tsy nampiasa ny sainy rehefa mieritreritra an’ireo kintana manan-drambo. Tamin’ny taonjato fahefatra al.f.i., dia nandroso ny heviny i Aristote ka nilaza fa rahona gaza mamoaka hazavana eny amin’ny lanitra ambony be eny ny kintana manan-drambo. Taonjato vitsivitsy tatỳ aoriana, dia nilaza ilay filôzôfa romanina nahira-tsaina atao hoe Sénèque fa tenan-javatra mihodinkodina eny amin’ny habakabaka ny kintana manan-drambo.

Noho ny fahatongavan’ny teleskôpy sy ny fahitan’i Newton ny lalàn’ny hery misintona dia nanjary fahalalana manakaiky ny marina kokoa ny siansa momba ny kintana manan-drambo. Tamin’ny 1705, dia efa fantatr’i Edmond Halley fa mihodinkodina manaraka lalana boribory lavalava sady lavitra be manodidina ny masoandro ny kintana manan-drambo. Ambonin’izany, dia nomarihiny fa nanaraka lalana nitovy ihany ireo kintana manan-drambo niseho tamin’ny taona 1531 sy 1607 ary 1682, ka isaky ny 75 taona teo ho eo no nisehoany. Nilaza araka ny marina i Halley fa kintana manan-drambo iray ihany, izay nantsoina tatỳ aoriana hoe Kintana Manan-drambon’i Halley, no nihodinkodina sy hita tamin’ireo taona ireo.

Fantatry ny mpikaroka ankehitriny fa manana loha fototra mafy, izay manana savaivo eo anelanelan’ny 1 sy 20 kilaometatra, ny kintana manan-drambo. Azo lazalazaina tsara hoe vaingan-dranomandry matroka sady maloto, izay voaforona gilasy miharo vovoka, amin’ny ankapobeny, ilay lohany. Naka sary akaiky ny Kintana Manan-drambon’i Halley ny sambon-danitra Giotto tamin’ny 1986. Mampiseho gaza sy vovoka mifantsitsitra avy amin’ilay kintana manan-drambo ireo sary ireo. Ireny zavatra mifantsitsitra ireny no mahaforona ilay loha mamiratr’ilay kintana manan-drambo sy ny rambony, araka ny fahitana azy avy etỳ an-tany.

Karazan-kintana manan-drambo

Misy kintana manan-drambo karazany roa mihodidina ny masoandro. Misy fomba iray fanasokajiana azy ireny miorina amin’ny fe-potoana fihodinkodinany, na ny halavam-potoana ihodinany manontolo, indray mandeha, amin’ny masoandro. Mila 200 taona latsaka ny kintana manan-drambo manao fihodinkodinana fohy, toy ny Kintana Manan-drambon’i Halley, mba hanaovana dia iray manodidina ny masoandro. Manaraka lalana manakaiky ny faribolana arahin’ny tany sy ny planeta hafa izay mihodidina amin’ny masoandro izy. Mety hisy kintana manan-drambo arivo tapitrisa manao fihodinkodinana fohy, ka ny maro aminy dia mihodidina any ankoatra an’i Neptune sy i Pluton, izay samy planeta lavitra indrindra, any amin’ny an’arivo tapitrisany kilaometatra avy eo amin’ny masoandro. Indraindray, ny lalan’ny sasany amin’izy ireny, toy ny Kintana Manan-drambon’i Encke, dia voatosika ho any akaikin’ny masoandro kokoa, noho ny fihaonana akaiky amin’ireo planeta.

Ary ahoana ny amin’ny lalana arahin’ireo kintana manan-drambo manao fihodinkodinana lava? Tsy mba toa an’ireo namany manao fihodinkodinana fohy izy ireo, fa manodidina ny masoandro avy amin’ny zotra rehetra. Anisan’izy ireny ny kintana manan-drambon’i Hyakutake sy ny an’i Hale-Bopp, izay nampiaiky volana tokoa tamin’ny fisehoany faramparany. Tsy antenaina anefa ny hiverenany ato anatin’ny arivo taona maro!

Misy kintana manan-drambo maro dia maro manao fihodinkodinana lava mivoivoy any amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny rafi-masoandro. Nantsoina hoe ny rahon’i Oort ireo kintana manan-drambo mihahohaho ireo. Anaran’ilay astrônôma holandey izay nilaza voalohany ny fisian’izy ireo, tamin’ny 1950, ny hoe Oort. Kintana manan-drambo firy no mahaforona io rahona io? Tombanan’ireo astrônôma ho maherin’ny iray tapitrisa tapitrisa! Lasa hatrany amin’ny année-lumière iray, na mihoatra, avy eo amin’ny masoandro ny sasany amin’ireny kintana manan-drambo ireny.a Amin’izany halavirana izany, dia tena mety hila maherin’ny folo tapitrisa taona ny fihodidinana indray mandeha vao ho vita!

Planeta kely tsy hita isa

Ireo planeta madinika fantatra vao haingana, voalaza terỳ am-piandohana ireo, dia miaraka amin’ny kintana manan-drambo manao fihodinkodinana fohy, any ankoatra an’i Pluton. Nanomboka tamin’ny 1992, dia nahita tenan-javatra kely tokotokony ho 80, mitovy amin’ny planeta, ireo astrônôma. Mety hisy an’aliny maro amin’izy ireny manana savaivo mihoatra ny 100 kilaometatra. Ireny planeta madinika ireny no mahaforona ny faritra atao hoe fehikibon’i Kuiper, nomena ny anaran’ny mpahay siansa izay niahiahy ny amin’ny fisian’izy ireny, efa ho 50 taona lasa izay. Azo inoana fa fifangaroam-bato sy gilasy no mahaforona ireo tenan-javatra ao amin’ny fehikibon’i Kuiper.

Nanova ny fomba fijery ny rafi-masoandro anatiny ve ny nahitana an’ireo planeta kely ireo vao haingana? Izany tokoa! Ankehitriny dia heverina ho tenan-javatra avy tamin’ny fehikibon’i Kuiper i Pluton, i Charon zanabolany, i Triton zanabolan’i Neptune, ary tenan-javatra hafa voaforona gilasy ao amin’ny rafi-masoandro anatiny. Misy aza astrônôma mihevitra fa tsy azo lazalazaina ho planeta lehibe intsony i Pluton!

Avy aiza izy ireny?

Ahoana no nahabetsaka ny kintana manan-drambo sy ny planeta madinika ao amin’ny fehikibon’i Kuiper? Misy astrônôma milaza fa tany am-boalohany, dia rahona voaforom-piti-bovoka sy gilasy nitsonika ireny tenan-javatra ireny, izay nitambatra ka nitombo mba hahaforona tenan-javatra lehibe kokoa. Kanefa, nanify loatra ny fivelaran’ireny tenan-javatra ireny ka tsy nanohy nitombo ho lasa planeta lehibe kokoa izy ireny.

Anisan’ny tapany lehibe amin’ny rafi-masoandro koa ireo kintana manan-drambo manao fihodinkodinana lava. Avo 40 heny eo ho eo noho ny lanjan’ny tany ny lanjan’ny fitambaran’ireo kintana manan-drambo ireo. Ny ankamaroany dia heverina ho niforona aloha be tao amin’ny rafi-masoandro, tao amin’ny faritra ivelan’ireo planeta goavana voaforona gaza.

Inona no nanosika ireny kintana manan-drambo ireny hiala amin’ny lalana fihodinany amin’izao fotoana izao, izay lavitra ny masoandro? Toa manao toy ny mpanosika mahery an’izay kintana manan-drambo rehetra tonga manatona azy ny planeta lehibe, toa an’i Jupiter.

Fizahana kintana manan-drambo

Anisan’ny sasany amin’ireo zavatra nisy efa hatramin’ny ela indrindra ao amin’ny rafi-masoandro ny kintana manan-drambo. Ahoana no azo andalinana kokoa ny fizahana ireny tenan-javatra mahavariana ireny? Ny fitsidihana tsindraindray ataon’ny kintana manan-drambo ao amin’ny rafi-masoandro anatiny no ahafahana mandinika azy ireo akaiky. Misy fikambanana maro samihafa momba ny any ambony tsy taka-maso mikasa ny handefa sambon-danitra maromaro mba hizaha kintana manan-drambo mandritra ireo taona maromaro manaraka.

Iza no mahalala izay mety mbola ho hita ao amin’ny rafi-masoandro misy antsika? Ireo zava-baovao hita sy fahatakarana vaovao momba ny tenan-javatra lavitra mihodidina ny masoandro ireo dia manamafy ilay andalan-teny ao amin’ny Baiboly voasoratra ao amin’ny Isaia 40:26, manao hoe: “Asandrato ny masonareo, ka mijere; iza no nahary ireny? Izy no mamoaka ny antokony araka ny isany sy miantso azy rehetra amin’ny anarany avy”.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Ny année-lumière iray dia mitovy halavirana amin’ny dian’ny hazavana ao anatin’ny herintaona, izany hoe 9,5 tapitrisa tapitrisa kilaometatra.

[Efajoro, pejy 27]

KINTANA MANAN-DRAMBO SY TAIN-KINTANA MIRARAKA

Manontany tena ve ianao, rehefa mijery tain-kintana mitselatra mahatalanjona mamakivaky ny lanitra, raha avy amin’ny kintana manan-drambo izy io? Mety ho izany. Rehefa manatona ny masoandro mantsy ny kintana manan-drambo iray, dia miharava tsikelikely ilay lohany gilasy ka mamoaka soritra voam-bato, na meteôrôida. Tsy maivana toy ny vovoka ao amin’ny rambon’ilay kintana manan-drambo akory ireny voam-bato ireny, ary araka izany dia tsy voatosiky ny rivotry ny masoandro ho any ambony tsy taka-maso. Mahaforona soritra potipoti-javatra izay mihodinkodina amin’ny masoandro manaraka ny lalan’ilay kintana manan-drambo niaviany kosa izy ireo.

Isan-taona, dia mifanena amin’ny maromaro amin’ireny riakana meteôrôida ireny ny tany. Nisy tain-kintana niraraka antsoina hoe Leonid teo antenatenan’ny Novambra, ary izany dia vokatry ny poti-javatra navelan’ny kintana manan-drambon’i Tempel-Tuttle. Tsy manam-paharoa ny fisehoan’io tain-kintana miraraka antsoina hoe Leonid io, isaky ny 33 taona. Nilaza ireo mpandinika ny lanitra izay nijery ny Leonid tamin’ny 1966 fa nahita tain-kintana mihoatra ny 2 000 isa-minitra izy ireo. Tena riaka tokoa izany! Tamin’ny 1998, dia nanome vaingan’afo namirapiratra izy io, ary azo antoka fa tena mendrika hojerena izy io amin’ity Novambra ity.

[Kisary/Sary, pejy 24-26]

1. Kintana Manan-drambon’i Hale-Bopp, tamin’ny 1997

2. Edmond Halley

3. Percival Lowell

4. Kintana Manan-drambon’i Halley, tamin’ny 1985

5. Kintana Manan-drambon’i Halley, tamin’ny 1910

6. Gaza sy vovoka mifantsitsitra avy amin’ny Kintana Manan-drambon’i Halley

[Sary nahazoan-dalana]

1) Tony and Daphne Hallas/Astro Photo; 2) Culver Pictures; 3) Courtesy Lowell Observatory/Dictionary of American Portraits/Dover

4) Courtesy of Anglo-Australian Observatory, photograph by David Malin; 5) National Optical Astronomy Observatories; 6) the Giotto Project, HMC principal investigator Dr. Horst Uwe Keller, the Canada-France-Hawaii telescope

[Kisary]

(Jereo ny gazety)

7. Lalana fihodinkodinan’ny kintana manan-drambo maromaro

Kintana Manan-drambon’i Kohoutek

Kintana Manan-drambon’i Halley

Masoandro

Tany

Kintana Manan-drambon’i Encke

Jupiter

[Sary]

8. Talohan’ny nidonany mafy tamin’i Jupiter tamin’ny 1994, dia nivakivaky ho sombiny 21 ny kintana manan-drambon’i Shoemaker-Levy faha-9

9. Vohon’i Pluton

10. Kintana Manan-drambon’i Kohoutek, 1974

11. Planeta kely Ida, miaraka amin’i Dactyl, zanabolany

[Sary nahazoan-dalana]

8) Dr. Hal Weaver and T. Ed Smith (STScI), and NASA; 9) A. Stern (SwRI), M. Buie (Lowell Obs.), NASA, ESA; 10) NASA photo; 11) NASA/JPL/Caltech

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara