Sidintsidina No Anarany Sady Haingam-panidina Izy
AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY “MIFOHAZA!” ATSY KENYA
MANIDINA ENY AMIN’NY RIVOTRA amin’ny elatra miendrika antsy fijinjana ny iray amin’ireo zavamananaina haingam-panidina indrindra eto an-tany. Voronkely tsy milanja afa-tsy am-polony grama vitsivitsy monja izy io, nefa afaka manidina mamakivaky ny lanitra amin’ny hafainganam-panidina mafy. “Inoana fa maherin’ny [160 kilaometatra] isan’ora ny hafainganam-panidin’ny sidintsidina, eny amin’ny rivotra”, hoy ny The Encyclopedia Americana. Tsy mahagaga àry raha antsoina hoe sidintsidina ireny zavaboary voloina haingam-panidina ireny, ary tena mifanentana aminy ilay anarana!
Toa tsy maka sarotra akory izy manidina miakatra any ambony be any, ka mirimorimo mafy mivily sy misompirana, eo am-pitadiavana bibikely. Ny sidintsidina no vorona velona am-panidinana indrindra: eny am-panidinana izy ireny no misambotra hanina, mihinana, misotro, manangona izay hanamboarana ny akaniny, ary manao firaisana mihitsy aza. Betsaka tokoa ny fotoana laniny eny am-panidinana, hany ka nisy mpandinika tamin’ny andro fahiny nino fa miteronterona any an-danitra ny sidintsidina, any amin’ny rahona any ka tsy hita. Misy sidintsidina entin’ny rivotra eny mandritra ny volana maromaro, hatramin’ny sivy volana ao anatin’ny taona. Toa matory mihitsy eny am-pisidinana eny aza ireny vorona kely mahagaga ireny!
Natao hanidina mihitsy
Zava-mahatalanjona manam-bika natao hoentin’ny herin’ny rivotra ny sidintsidina. Mandaitra ireo elany miendrika volantsinana izay mibiloka mankany aoriana, ka manafoana ny ankamaroan’ny hery mampihemotra, izay mampiadana ny fanidinan’ny ankamaroan’ny vorona. Rehefa eny ambony eny izy, dia manafaingana ny diany amin’ny fanaovana kopak’elatra madinika haingankaingana sy fisidinana fohy tsindraindray.
Anisan’ny mahatonga azy ho afaka hivily amin’ny fomba tsy fahita firy ny fahafahan’ny elany iray hikopaka haingana kokoa noho ny ilany, eny am-panidinana. Ahafahan’ny sidintsidina mivily tampoka, nefa tsy mihena ny hafainganam-panidiny, ny elany, rehefa somary tsy ampiarahiny ny fanakopahany azy. Izany no mahatonga azy ho haingam-panidina be eo am-piviliana ka hahazoany bibikely manidina izay arapany amin’ny vavany mitanatana. Tsy maintsy mihinana bibikely be dia be ny sidintsidina, mba hahazoana ny hery betsaka ilainy noho ny fiainany hazakaza-dava. Ary mahavita kilaometatra an-jatony maro isan’andro ireny mpanidina mavitribitrika ireny, eo am-pikarohana bibikely atao remby.
Jerena ho toa vorona tsinontsinona ny sidintsidina, nefa manana fahaiza-manidina miavaka. Na ny lahy na ny vavy dia samy tsy manaitra ny saina ny fijery azy; volondavenona matroka na volontsôkôlà ny ankamaroany. Ahitana karazany maro amin’ny sidintsidina hatraiza hatraiza maneran-tany, fa any amin’ny tany tropikaly sy ambanin’ny tropika no tena ahitana azy. Amin’ny ririnina, ireo izay any amin’ny Ila Bolantany Avaratra dia mifindra monina any amin’ny an’arivony kilaometatra maro, any amin’izay misy toetany mafana.
Akany natao tamin’ny dity
Tena tsy mampino ny fitaovam-panorenana ampiasain’ny sidintsidina hanaovany ny akaniny: ny rorany ihany! Manana fihary rora hafa kely izy ireo, ary afaka mamoaka rora be dia be, izay ampiasaina ho zavatra mampiraikitra ireo fitaovam-panorenana akany.
Mahalana ny sidintsidina vao mipetraka eo amin’ny tany marina, ary tsy mba afaka miteronterona toy ny vorona hafa izy. Bitika sy miendrika faraingo mantsy ny rantsantongony izay fohy kely, hany ka tsy afaka mampisondrotra azy avo mba hahafahan’ny elany hikopaka manontolo. Kanefa, tena tonga lafatra ny rantsantongony mba hiakarana amin-javatra mijidina, toy ny hantsam-bato, ny zohy, ary ny rindrin-trano. Rehefa tonga ny fotoana hanorenana akany, dia tsy afaka manangona ravinkazo sy tapa-kazo, na fotaka eo amin’ny tany ny sidintsidina, toy ny mahazatra ny vorona hafa. Tsy maintsy mahita fomba hafa izy.
Ny sidintsidina mponina an-tampon-trano, eo amin’ny fivoahan-tsetroka, dia manangona rantsankazo kely amin’ny fanidinana haingana eny anelanelan’ny rantsan’ny hazo maniry, ka mandrombaka tampoka rantsankazo kely, sy manapaka azy amin’ny herin’ny tosiny. Avy eo dia atambany amin’ny dity ireo rantsankazo, ka araikiny mafy eo amin’ny faritra mijidina amin’ny alalan’ny rorany madity. Manidina amim-pahavitrihana eny amin’ny rivotra ny sidintsidina amerikanina mponina eny amin’ny hazo palmie, ka misambotra tampoka volon-javatra, volom-borona, sy sombin-dandihazo ary zavatra hafa maivana sy mitsinkafona, izay ampiasainy miaraka amin’ny rorany mba hanorenany akany.
Misy sidintsidina hafa nantsoina tamin’ny fomba mety hoe ilay sidintsidina kely manana akany fihinana. Saika rora avokoa no nanaovany ny akaniny, ny rorany izay nanjary nivaingana. Efa hatramin’ny taonjato maro no nampiasana ny rora amin’ireny akany ireny ho taharo fototra anaovana lasopy matsiro izay ankafizin’ny any Orient. Voalaza fa akany an-tapitrisany maro isan-taona no ampiasaina hanaovana io sakafo fy io.
Anisan’ny akany mahaliana indrindra ilay natao tamin’ny rora toy ny dity an’ny sidintsidina afrikanina mponina eny amin’ny hazo palmie. Io vorona bitika io dia mandraikitra volom-borona maromaro eo andamosin’ny ravina palmie. Mitsongoloka ilay akany mihantona, ary matetika no tsofin’ny rivotra mafy etsy sy eroa. Ahoana no itoeran’ny atody bitika ao amin’ilay akany? Manazava toy izao i David Attenborough, ao amin’ilay bokiny hoe Trials of Life: “Toa tsy azo inoana mihitsy ny ahafahan’ilay atody tokana hitoetra ao amin’ilay akany bitika. Mety ho latsaka tokoa izy io, saingy tsy vitan’ny hoe naraikitr’ilay vorona teo amin’ny ravina palmie ilay akany, fa naraikiny teo amin’ilay akany koa ilay atody.” Koa satria samy miraikitra mafy amin’ilay ravina palmie na ilay akany na ilay atody, dia mamikitra mafy amin’ny sisin’ilay akany amin’ny alalan’ny hohony ireo vorona ray sy reny, ary mifandimby mikotrika ilay atody. Rehefa foy ilay atody, dia mifikitra amin’ilay akaniny tsofin’ny rivotra ilay vorona kely, mandra-panirin’ny volony ka hanidinany amin’izay.
Mahafinaritra ny mijery sidintsidina an’arivony maro manidina haingana sy misangodingodina ary mikiakiaka mafy toy ny hoe mientam-po. Rehefa mijery azy ireo avy etỳ ambany ny tena, dia mitolagaga noho ny fahafahan’izy ireo manidina, ary koa mankasitraka ny hakanton’ny bikany izay natao tamim-pahiratan-tsaina. Eny, mora takatra tokoa ny antony tena mahamendrika ilay anarana hoe sidintsidina izay nomena ireny mpanao tsimbadimbadika eny amin’ny rivotra ireny, izay kinga be sy haingam-panidina!
[Sary, pejy 17]
Sidintsidina any Alpes
Sidintsidina eoropeanina mahazatra
[Sary nahazoan-dalana]
Animals/Jim Harter/Dover Publications, Inc.
[Sary, pejy 17]
Sidintsidina mponina eo amin’ny fivoahan-tsetroka
[Sary nahazoan-dalana]
© Robert C. Simpson/ Visuals Unlimited
[Sary nahazoan-dalana, pejy 16]
© D. & M. Zimmerman/VIREO