Manontany ny Tanora Hoe...
Nahoana Aho no Tsy mba Mahay Mifandray Kokoa Amin’olona?
“Tsy ahafahana manao zavatra ny hasarotan-kenatra. Tahotra mangeja tsy maintsy hiadianao izy io. Tena misy tokoa izy io.” — Richard.a
“Tena olana tamiko ny hasarotan-kenatra fony aho nihalehibe. Tsy nisy hafa tamin’ny hoe niaina tao amin’ny tontolo kely ahy manokana aho.” — Elizabeth, 18 taona.
‘MISY zavatra tsy metimety ve amiko? Nahoana aho no tsy mba mahay mifandray kokoa amin’olona?’ Manontany tena toy izany ve ianao indraindray? Toa an’i Richard voaresaka etsy ambony, dia mety hahatsapa ho hendratrendratra na mety hanahy ianao rehefa mihaona amin’olona mbola tsy fantatrao. Mety hatahotra ianao rehefa misy olona manana fahefana eo. Na mety hanahy be ny amin’izay heverin’ny hafa momba anao ianao, hany ka rehefa misy fahafahana hamboraka ny fihetseham-ponao na ny hevitrao, dia mangina ianao. “Hitako ho tena sarotra ny manatona sy miresaka amin’olona tsy tena fantatro tsara”, hoy ny fieken’ny tanora iray atao hoe Tracey.
Inona marina no miafina ao ambadiky ny fihetseham-po toy izany? Mety ho ny fahatakarana ilay olana no dingana voalohany handresena azy io. (Ohabolana 1:5). Nilaza toy izao ny vehivavy iray: “Tsy fantatro mihitsy hoe nahoana no tsy azoko ny aiko rehefa nisy olon-kafa teo. Ankehitriny anefa, rehefa fantatro ilay olana mahazo ahy, dia afaka mandamina azy io aho.” Koa andeha àry isika hijery antony vitsivitsy mety hahatonga ny tanora sasany hahita fa sarotra ny mifandray amin’olona.
Ny olana ny amin’ny hasarotan-kenatra
Ny hasarotan-kenatra angamba no antony fahita indrindra. Mazàna no mana-namana maro samihafa ny tanora mahay mifandray amin’olona, fa mahatsapa ho manirery sy mitokana kosa ny tanora saro-kenatra sy mitokantokana. “Tena olana tamiko ny hasarotan-kenatra fony aho nihalehibe”, hoy i Elizabeth, 18 taona. “Tsy nisy hafa tamin’ny hoe niaina tao amin’ny tontolo kely ahy manokana aho.” Tsaroan’i Diane fa tratran’ny fihenjanana izy, tamin’ny taona voalohany nianarany tany amin’ny lise. “Tsy tiako ny ho voamariky ny hafa. Nisy mpampianatra iray izay nanasa anay hanombana ny maha zava-dehibe ny hoe ho tonga be mpahalala, araka ny hevitray. Nomena isa zerô ka hatramin’ny dimy ilay izy, ka ny zerô dia midika hoe tsy zava-dehibe mihitsy ary ny dimy, zava-dehibe. Samy nanome isa dimy avokoa ny ankizivavy be mpahalala rehetra tao an-tsekoly. Izaho kosa nanome isa zerô. Tamiko, dia nitovitovy tamin’ny tahotra ny ho be mpahalala ny hasarotan-kenatra. Tsy tianao ny ho voamariky ny hafa, na ny ho fototry ny fahalianan’ny hafa, satria matahotra ianao sao tsy ho azoazon’ny hafa ianao.”
Mazava ho azy fa tsy ratsy tanteraka akory ny fironana ho somary saro-kenatra. Mifandray akaiky amin’ny hasarotan-kenatra ny fiheveran-tena araka ny antonony — ny fahafantarana ny fetran’ny mety ho vitantsika. Didian’ny Baiboly isika, raha ny marina, mba ‘hihevi-tena araka ny antonony eo am-piaraha-mandeha amin’Andriamanitsika’. (Mika 6:8, NW ). Mety ho mora kokoa ny mifandray amin’olona mihevi-tena araka ny antonony, na somary saro-kenatra mihitsy aza, noho ny mifandray amin’olona miavonavona, vonon-kiady, na mitaky be loatra. Ary raha marina fa misy “andro itenenana”, dia misy koa “andro anginana”. (Mpitoriteny 3:7). Mety tsy ho sarotra firy amin’ny olona saro-kenatra ny mitoetra ho mangina, satria mazàna izy ireo no ‘malady mihaino, sy malai-miteny’, ka matetika no ankasitrahan’ny hafa, satria mpihaino tsara. — Jakoba 1:19.
Matetika loatra anefa ny tanora no tony sy saro-kenatra, hany ka sarotra aminy ny mahazo namana. Ary misy toe-javatra sasany tafahoatra izay ahafahan’ny hasarotan-kenatra miteraka izay antsoin’ny mpanoratra iray hoe “karazana fitokana-monina vokatry ny toe-tsaina tsy ara-dalàna” — tsy fetezana hiaraka amin’ny hafa. — Ohabolana 18:1.
Hasarotan-kenatra — Olana fahita
Raha mampijaly anao ny hasarotan-kenatra, dia fantaro fa olana tena fahita izy io. Tao amin’ny fandinihana iray natao tamin’ny mpianatry ny lise sy ny oniversite, dia ny “82 isan-jaton’ny mpianatra no nihevitra fa efa nisy fotoana naha saro-kenatra azy teo amin’ny fiainany”. (Adolescence, nataon’i Eastwood Atwater). Na dia tamin’ny andron’ny Baiboly aza, dia olana ho an’ny sasany ny hasarotan-kenatra. Mety ho niady tamin’izy io ny lehilahy lehibe toa an’i Mosesy sy i Timoty. — Eksodosy 3:11, 13; 4:1, 10, 13; 1 Timoty 4:12; 2 Timoty 1:6-8.
Hevero ny amin’i Saoly, ilay mpanjaka voalohany teo amin’ny firenen’ny Isiraely fahiny. Lehilahy be herim-po i Saoly mazàna. Naneho herim-po i Saoly, rehefa very ny andiam-bibin-drainy, ka nanomboka nanao dia mba hamonjy azy io. (1 Samoela 9:3, 4). Rehefa voatendry ho mpanjakan’ilay firenena anefa izy, dia tratran’ny hasarotan-kenatra tampoka teo. Tsy niatrika ny vahoaka nihoby azy izy, fa niery tao amin’ny entana! — 1 Samoela 10:20-24.
Mety ho toa sarotra ny hahazo ny antony nahatonga an’i Saoly tsy hatoky tena. Rehefa dinihina tokoa, dia milazalaza azy ho tovolahy manaitra ny maso sy tsara tarehy ny Baiboly. “Nanan-tombo noho ny olona rehetra hatramin’ny sorony no ho miakatra ny halavany”! (1 Samoela 9:2). Fanampin’izany, dia nisy mpaminanin’Andriamanitra nanome toky an’i Saoly fa hitahy ny fanjakany i Jehovah. (1 Samoela 9:17, 20). Na izany aza, dia tsy natoky tena i Saoly. Rehefa nilazana izy fa ho tonga mpanjaka, dia namaly tamim-panetren-tena hoe: “Tsy Benjamita va aho, avy amin’ilay kely indrindra amin’ny firenen’Isiraely? ary tsy kely indrindra va ny mpianakaviko eo amin’ny mpianakavin’ny firenen’i Benjamina rehetra? ka nahoana no miteny amiko toy izany hianao?” — 1 Samoela 9:21.
Raha toa ny olona toa an’i Saoly ka mety tsy ho ampy fatokisan-tena, dia tsy hahagaga firy raha mety ho somary tsy hatoky tena ianao indraindray. Tanora ianao, ary dingana eo amin’ny fiainana izay mbola iovaovan’ny vatanao haingana izao iainanao izao. Vao manomboka mianatra ny fomba iainana ao amin’ny tontolon’ny olon-dehibe ianao. Ara-dalàna tsotra izao àry ny ahatsapanao ho somary saikatsaikatra sy tsy milamin-tsaina indraindray. Izao no nosoratan’ny Dr. David Elkind tao amin’ilay gazetiboky hoe Parents: “Mandritra ny fe-potoana voalohany amin’ireo taona maha zatovo, dia tanora maro no mandia fotoana mahasaro-kenatra, rehefa miatrika ilay antsoiko hoe mpanatrika foronin’ny saina izy — ilay fiheverana fa misy olona hafa mijery azy sy liana ny amin’ny fisehoany ivelany sy ny ataony.”
Koa satria matetika ny tanora no tsaraina araka ny fahitan’ny namany azy, dia maro no sorena noho ny fisehoany ivelany. (Ampitahao amin’ny 2 Korintiana 10:7.) Tsy mahasoa anefa ny fanahiana be loatra momba ny fisehoana ivelan’ny tena. Tsaroan’i Lilia, tovovavy iray any Frantsa, ny zavatra niainany manokana momba izany: “Nanana olana mitovy amin’ny an’ny tanora maro aho. Nisy mony aho! Tsy sahy manatona ny hafa ianao, satria manahy ny amin’izay fahitany anao.”
Olana mifampidipiditra
Koa satria matetika no tsy azon’ny hafa ny mahatonga ny olona saro-kenatra hanao na hilaza toy izao na izao, dia mety ho voafandrika mora foana ao amin’ny tsingerin’ny fitokantokanana izy ireo. Manamarika toy izao ilay boky hoe Adolescence: “Sahirana kokoa ny zatovo saro-kenatra vao mahazo namana, satria matetika izy ireo no heverin’ny hafa amin’ny fomba ratsy. Mazàna ny olona saro-kenatra no heverina ho mihatakataka, mahasorena, tsy mahaliana, manambany tena, mangatsiaka, ary tsy sariaka. Rehefa entina toy izany izy ireo, dia mety hahatsapa ho vao mainka mitokana sy manirery ary ketraka.” Tsy azo ihodivirana fa izany dia mahatonga azy ireo ho vao mainka saro-kenatra, ary mazava ho azy fa manamafy ny fiheveran-diso azy ireo ho olona miseho ho ambony na mihevi-tena ho zavatra izany.
Koa satria “fizàhan’izao rehetra izao” ianao, satria kristianina, dia mazava ho azy fa tokony hanahy ny amin’ny fiheveran’ny hafa anao noho izay ataonao, ianao. (1 Korintiana 4:9). Manao izay tsy hifanojoan’ny masonao amin’ny an’ilay miresaka aminao ve ianao? Moa ve ny fomba fitoetry ny vatanao na ny fihetsikao mandefa hafatra fa maniry havela ho irery ianao? Fantaro àry fa mety handray ny fihetsikao amin’ny fomba diso ny hafa, ka hirona hanalavitra anao. Vao mainka manasarotra ny fahazoana namana izany.
Lafin-javatra hafa
Olana iray hafa fahita ny tahotra ny tsy hahomby. Marina aloha fa tena ara-dalàna tokoa ny hahatsapana tsy filaminan-tsaina kely na fisalasalana kely rehefa manao zavatra vaovao, tsy anananao traikefa, ianao. Misy anefa tanora manitatra izany. I Gail, fony izy mbola tanora, dia natahotra olona tafahoatra, araka ny filazany azy. Hoy izy: “Tsy mba nanome valin-teny aho tany am-pianarana. Ary nahazo fitenenana tsy an-kijanona ny ray aman-dreniko hoe: ‘Tsy mba manangan-tanana izy. Tsy sahy miteny izy.’ Tena tsy azoko ny aiko sady feno tebiteby aho rehefa hanao izany. Na dia amin’izao fotoana izao aza ange dia mbola sarotra amiko ihany ny manao izany e!” Tsy ahafahana manao zavatra ny tahotra ny tsy hahomby. “Matahotra ny hanao fahadisoana aho”, hoy ilay tanora atao hoe Peter. “Tsy tena azoko antoka tsara izay ataoko.” Vao mainka mampitombo ny tahotra tsapan’ny tena manokana, ary miteraka voka-dratsy maharitra eo amin’ny fatokisan-tenan’ny tanora iray ny fananihaniana mahery sy ny fitsikerana avy amin’ny namana.
Olana iray hafa fahita ny tsy fananana fahaiza-mifanerasera amin’ny hafa. Angamba ianao misalasala hampahafantatra ny tenanao amin’olona mbola tsy fantatrao, satria fotsiny tsy hitanao izay holazaina. Mety hahagaga anao ny fahalalana fa mahatsapa ho hafahafa koa, na dia ny olona lehibe kokoa aza, indraindray. Hoy ny mpandraharaha iray antsoina hoe Fred: “Ao amin’ny tontolon’ny fandraharahana, dia haiko ny manao izay zavatra tena haiko tsara. Raha tsy miresaka afa-tsy mahakasika ny fandraharahana aho, dia tsy misy mampisalasala ahy ny amin’ny fanaovana izay hananan’ny hafa fiheverana tsara momba ahy. Rehefa manao resadresaka amim-pisakaizana amin’ireo olona ireo ihany anefa aho, dia miahotrahotra. Mety hosokajina ho mahasorena aho, na manamboamboatra fitenenana, na be fahalalana loatra, na tsy mahaliana loatra.”
Na saro-kenatra ianao, na saikatsaikatra, na hafahafa fotsiny rehefa mifanerasera amin’olona, dia ahitanao soa ny mianatra ny hahay hifandray kokoa amin’ny hafa. Mampirisika ny Kristianina mba ‘hihamalalaka’ sy mba hanjary hahafantatra ny hafa ny Baiboly! (2 Korintiana 6:13). Ahoana anefa no azonao anaovana izany? Hodinihina ao amin’ny nomeraontsika ho avy izany.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Novana ny anarana sasany.
[Sary, pejy 26]
Matetika ny olona saro-kenatra no heverina ho mihatakataka
[Sary, pejy 26]
Mahatonga ny tanora sasany hitokantokana amin’ny hafa ny tahotra ny tsy hahomby