FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g99 8/12 p. 13-15
  • Ahoana no Hahaizako Hifandray Kokoa Amin’olona?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ahoana no Hahaizako Hifandray Kokoa Amin’olona?
  • Mifohaza!—1999
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Atsaharo ny fanambanian-tena
  • Manehoa fiheverana ny hafa
  • Atosiky ny fitiavana
  • Nahoana Aho no Tsy mba Mahay Mifandray Kokoa Amin’olona?
    Mifohaza!—1999
  • Nahoana Aho no Saro-kenatra Aoka Izany?
    Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra
  • Inona no Azoko Atao fa Saro-kenatra Aho?
    Manontany ny Tanora
  • Fahaizana Iray ny Miresaka
    Mifohaza!—1995
Hijery Hafa
Mifohaza!—1999
g99 8/12 p. 13-15

Manontany ny Tanora Hoe...

Ahoana no Hahaizako Hifandray Kokoa Amin’olona?

“Tsy dia be resaka izay aho hatramin’izay. Nihevitra aho fa hihatakatahan’ny hafa raha nilaza zavatra. Saro-kenatra be ny reniko, ary heveriko fa izany no antony nahatonga ahy ho toy izany koa.” — Artie.

IRINAO ve indraindray ny tsy ho saro-kenatra loatra, fa mba ho somary sariaka kokoa sy hahay kokoa hifandray amin’olona? Toetra fahita ny hasarotan-kenatra, araka ny nohazavain’ny lahatsoratray teo aloha tamin’ity fitohitohizan-dahatsoratra ity.a Koa tsy dia hoe misy zavatra tena tsy metimety àry aminao raha tsy be teny, tsy manao vazivazy matetika, na mihafihafy ianao mazàna. Afaka ny ho tonga tena olana anefa ny hasarotan-kenatra tafahoatra. Fara faharatsiny, dia afaka misakana anao tsy hana-namana izy io. Ary noho izy io koa, dia manjary sarotra aminao ny hahatsapa ho tsy sakodiavatra na hahay hifampiresadresaka tsara amin’olona maro.

Matetika no miady amin’ny hasarotan-kenatra, na dia ny olon-dehibe aza. Loholona ao amin’ny kôngregasiôna kristianina i Barry.b Mazàna anefa izy no mangina rehefa eo anivon’olona maromaro. Miaiky toy izao izy: “Tsy mahita zavatra misy heviny holazaina aho.” Manana olana mitovy amin’izany koa i Diane, vadiny. Ny vahaolany? Hoy izy: “Tiako ny miaraka amin’olona mahay mifandray amin’ny hafa, satria mihevitra aho fa afaka manohy ny resaka izy ireny.” Inona avy no fomba sasany hahaizan’ny tenanao hifandray kokoa amin’olona?

Atsaharo ny fanambanian-tena

Voalohany aloha, dia mety hilainao ny mamerina manombana ny tenanao. Moa ve ianao manambany tena tsy an-kijanona, ka manao anakampo hoe tsy ho tia anao ny hafa, na tsy mba manan-javatra mendrika holazaina ianao? Tsy hanao afa-tsy ny hanakana anao tsy hahay hifandray amin’olona ny fanananao fihetseham-po tsy mijery afa-tsy ny lafy ratsin-javatra momba ny tenanao. Rehefa dinihina tokoa, dia hoy i Jesosy: “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao” — fa tsy hoe fa tsy ny tenanao! (Matio 19:19). Koa mahasoa sy mety àry ny itiavanao araka ny antonony ny tenanao. Afaka manome anao ilay fatokisan-tena mety hilainao mba hanatonana ny hafa izany.

Raha misy fahatsapana tsy fahamendrehana mamely ianao, dia mety ho hitanao fa manampy ny mamaky ny toko faha-12 hoe “Nahoana no Mahasosotra Ahy ny Tenako?”, ao amin’ilay boky hoe Manontany ny Tanora — Valiny Mandaitra.c Io fanazavana io dia mety hanampy anao hahita fa olona manan-javatra betsaka azo atolotra ianao. Kristianina ianao, ary izany dia efa mampiseho fa mahita zava-tsarobidy ao aminao Andriamanitra! Rehefa dinihina tokoa, dia nilaza i Jesosy hoe: “Tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy taomin’ny Ray Izay naniraka Ahy”. — Jaona 6:44.

Manehoa fiheverana ny hafa

Mampitandrina toy izao ny Ohabolana 18:1: “Izay mitokana ho azy dia mitady ny mahafinaritra ny tenany ihany”. Eny, azo inoana fa hampifantoka be loatra ny sainao amin’ny tenanao ianao raha mihataka amin’ny hafa. Mampirisika antsika ny Filipiana 2:4 mba ‘tsy samy hihevitra ny antsika ihany, fa samy ny an’ny namantsika koa’. Tsy saikatsaikatra firy ianao rehefa mampifantoka ny sainao amin’ny tombontsoan’ny hafa sy ny zavatra ilainy. Ary arakaraka ny hiahianao ny hafa no azo inoana fa hahavoatosika anao hanao ny dingana voalohany mba hahafantarana azy ireo.

Raiso, ohatra, i Lydia, vehivavy izay nanjary fantatra ho nampiseho tsara izany atao hoe olona sariaka sy tia mandray vahiny izany. Milaza amintsika ny Baiboly fa rehefa avy nandre ny tenin’ny apostoly Paoly izy ka natao batisa, dia niangavy an’i Paoly sy ireo namany hoe: “Raha ataonareo ho mahatoky amin’ny Tompo aho, dia midira ao an-tranoko”. (Asan’ny Apostoly 16:11-15). Na mpino vao haingana aza i Lydia, dia nanao ny dingana voalohany mba hahafantarana ireo rahalahy ireo — ary tsy isalasalana fa nandray fitahiana betsaka izy ho vokany. Rehefa nafahana avy tany am-ponja i Paoly sy i Silasy, taiza no nalehany? Mahaliana fa niverina tany an-tranon’i Lydia izy ireo! — Asan’ny Apostoly 16:35-40.

Toy izany koa fa ho hitanao fa haneho fihetsika tsara ho setrin’ny fiheverana asehonao aminy ny ankamaroan’ny olona. Ahoana no ahafahanao manomboka izany? Indreto misy fanoloran-kevitra vitsivitsy manampy.

● Manomboha tsikelikely. Ny hoe mahay mifandray amin’olona dia tsy midika hoe hanjary hisokatra tafahoatra amin’ny hafa, na ho tonga olona be hatao eo amin’ny fifaneraserana amin’ny hafa. Miezaha hiresaka amin’olona iray, isaky ny mandeha. Azonao atao tanjona ny hanombo-dresaka amin’olona iray, fara fahakeliny, isaky ny manatrika fivoriana kristianina, ianao. Miezaha hitsiky. Mizàra mijery olona hatrany rehefa miresaka aminy.

● Tapaho ny fanginana. ‘Amin’ny fomba ahoana?’, hoy angamba ianao. Tsy sarotra mazàna ny mahita zavatra horesahina raha tena maneho fiheverana ny hafa ianao. Hoy ny tanora iray any Espaina, antsoina hoe Jorge: “Voamariko fa ny fanontaniana fotsiny amin’ny hafa hoe manao ahoana ny fahasalamany na manontany azy momba ny asany dia manampy anao hanjary hahalala azy ireny tsara kokoa.” Manolo-kevitra toy izao ny tanora iray antsoina hoe Fred: “Raha tsy hitanao izay holazaina, dia manomboha fotsiny mametraka fanontaniana.” Mazava ho azy fa tsy irinao ny hanao izay hahatsapan’ny olona hoe adinadinina izy ireo. Raha toa tsy ta hamaly fanontaniana ny olona iray, dia miezaha hilaza ny mombamomba anao aminy.

Hoy i Mary, renin’ny zatovo iray: “Hitako fa ny fanaovana izay hiresahan’ny olona momba ny tenany no fomba tsara indrindra hanaovana izay tsy hahasaikatsaikatra azy.” Hoy koa ny tanora iray antsoina hoe Kate: “Manampy ny fanaovana teny fiderana amin’ny olona momba ny fitafiany na ny zavatra hafa. Ny fanaovanao izany dia manao izay hahatsapany hoe tiana izy.” Mazava ho azy fa tokony ho izay tena ao am-ponao no holazainao, ka hanalavitra ny fandokafana poaka aty. (1 Tesaloniana 2:5). Maneho fihetsika tsara ho setrin’ny teny avy amin’ny fo, teny feno hatsaram-panahy sy mahafinaritra, ny olona amin’ny ankapobeny. — Ohabolana 16:24.

● Mihainoa tsara. ‘Aoka halady hihaino, ho malai-miteny’, hoy ny Baiboly. (Jakoba 1:19). Rehefa dinihina tokoa, dia fanaovan-javatra mifamaly ny resadresaka — fa tsy fanaovan-javatra irery. Koa raha mahamenatra anao mazàna ny miresaka, dia mety ho tena tombony ho anao izany! Tian’ny olona mantsy ny mpihaino tsara.

● Mandraisa anjara. Rehefa voafehinao tsara ny fahaiza-miresaka amin’ny olon-tokana, dia miezaha indray izao ho amin’ny firesahana ao anatin’ny antokon’olona. Eto indray koa, dia toerana filamatra hahazoana izany fahaizana izany ny fivoriana kristianina. Indraindray ny fandraisana anjara amin’ny resadresaka efa ifanaovan’ny antokon’olona iray no fomba mora indrindra handraisana anjara amin’ny resadresaka iray. Mazava ho azy fa eto dia tena ilaina ny fahaiza-manavaka sy ny fahalalam-pomba. Aza tonga dia mitsofotsofoka amin’izay efa hita fa dinidinika manokana. Rehefa mazava anefa fa miresadresaka fotsiny ny antokon’olona iray, dia miezaha handray anjara amin’izany. Mahaiza mandanjalanja; aza manapa-teny na manandrana mibodo resaka. Miezaha hihaino mandritra ny fotoana kelikely. Mety hirona hilaza zavatra vitsivitsy ianao, rehefa tsy sakodiavatra intsony.

● Aza manantena fahalavorariana avy amin’ny tenanao. Indraindray, dia misy tanora manahy be loatra sao miteniteny foana. Hoy ny tsaroan’ny ankizivavy iray, antsoina hoe Elisa, any Italia: “Natahotra foana aho sao hahateny zavatra tsy tokony ho nolazaiko, raha nilaza zavatra.” Mampahatsiahy antsika anefa ny Baiboly fa tsy lavorary avokoa isika rehetra, ka tsy ho vitantsika tsotra izao ny hamoaka fitenenana lavorary. (Romana 3:23; ampitahao amin’ny Jakoba 3:2.) Hoy i Elisa: “Fantatro fa namako ireo, ka tsy haninona izy ireo, raha sendra miteniteny foana aho.”

● Ihomehezo fotsiny ilay izy. Marina fa sakodiavatra ny tena rehefa nilaza zavatra tsy nety. Araka ny marihin’i Fred anefa, dia “hisinda vetivety ihany izany raha tony fotsiny sy mihomehy ny amin’ny tenanao ianao. Manasaro-javatra ianao raha mamela ny tenanao ho sosotra, ho kivy, na hanahy”.

● Manàna faharetana. Fantaro fa tsy ny rehetra no hamaly avy hatrany. Raha misy fotoana fohy tsy isian’ny resaka ka mahasakodiavatra, izany akory tsy midika hoe tsy mahazoazo anao ilay olona, na hoe tokony hanary toky ianao ka tsy hanandrana hiresaka intsony. Lasa eritreritra fotsiny ny olona indraindray — na saro-kenatra toa anao koa. Amin’ny toe-javatra toy izany, dia mety hanampy ny fanomezana fotoana fanampiny ho an’ilay olona mba hahatsapany ho tsy saikatsaikatra eo anatrehanao.

● Miezaha hiresaka amin’olon-dehibe. Indraindray dia misy olon-dehibe, indrindra fa Kristianina matotra, tena tsara fanahy amin’ny tanora izay miady amin’ny hasarotan-kenatra. Koa aza matahotra ny hanombo-dresaka amin’olon-dehibe. Hoy i Kate: “Tony aho rehefa miaraka amin’olon-dehibe, satria fantatro fa tsy hitsara ahy, haneso ahy, na hampahory ahy toy ny mety hataon’ny mitovy taona amiko, ny olon-dehibe.”

Atosiky ny fitiavana

Na dia mety hanampy aza ireo fanoloran-kevitra ireo, dia tsy misy raikipohy mora ampiasaina handresena ny hasarotan-kenatra. Rehefa mandeha ny fotoana, dia tsy raharaha mahakasika ny fampiharana teknika na fomba fanaovan-javatra feno hakingana ilay izy. Avy amin’ny hoe “tiava ny namanao tahaka ny tenanao” ilay izy. (Jakoba 2:8). Eny, mianara miahy ny hafa — indrindra fa ireo rahalahinao sy anabavinao kristianina. (Galatiana 6:10). Raha manana fitiavana marina ao am-ponao ianao, dia handresy tahotra sy tsy filaminan-tsaina, ka hiezaka hifandray amin’ny hafa. Araka ny nolazain’i Jesosy, dia “avy amin’ny haben’ny ao am-po no itenenan’ny vava”. — Matio 12:34.

Izao no nomarihin’i Barry, voatonona tetsy am-piandohana: “Arakaraka ny ahafantarako olona hafa no mahamora ny iresahako amin’izy ireny.” Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia arakaraka ny hanazaranao tena hahay hifandray amin’olona no hahamora aminao ny fanaovana izany. Ary tsy isalasalana fa ho tsapanao fa tena mendrika ny nanaovana ezaka ny vokany azo, rehefa hitanao fa mahazo namana vaovao ianao, ary tsapanao fa mihamandray anao ny hafa!

[Fanamarihana ambany pejy]

a Jereo ilay lahatsoratra hoe “Manontany ny Tanora Hoe... Nahoana Aho no Tsy mba Mahay Mifandray Kokoa Amin’olona?”, ao amin’ny nomerao tamin’ny 8 Novambra 1999.

b Novana ny anarana sasany.

c Navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.

[Sary, pejy 15]

Manaova ny dingana voalohany ary mandraisa anjara amin’ny resadresaka ataon’ny hafa!

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara