FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwyp lahatsoratra 105
  • Inona no Azoko Atao fa Saro-kenatra Aho?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Inona no Azoko Atao fa Saro-kenatra Aho?
  • Manontany ny Tanora
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fantaro hoe inona no mampahatahotra anao
  • Inona no azonao atao?
  • Nahoana Aho no Saro-kenatra Aoka Izany?
    Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra
  • Nahoana Aho no Tsy mba Mahay Mifandray Kokoa Amin’olona?
    Mifohaza!—1999
  • Ahoana no Hahaizako Hifandray Kokoa Amin’olona?
    Mifohaza!—1999
  • Fahaizana Iray ny Miresaka
    Mifohaza!—1995
Hijery Hafa
Manontany ny Tanora
ijwyp lahatsoratra 105
Tovovavy iray mipetraka irery ary tsy miresaka amin’iza na iza mandritra ny fiarahana iray.

MANONTANY NY TANORA

Inona no Azoko Atao fa Saro-kenatra Aho?

Ny maharatsy azy: Mety tsy hahazo namana tsara ianao raha saro-kenatra, sady mety tsy ho afaka hanao zavatra mahafinaritra sasany.

Ny mahatsara azy: Tsara ihany indraindray ilay hoe saro-kenatra. Afaka mieritreritra tsara, ohatra, ianao vao miteny. Ankoatra izay, dia mety hahay handinika kokoa sy hahay hihaino kokoa ianao.

Ny tsara hotadidina: Tsy voatery ho saro-kenatra mandrakizay ianao. Misy zavatra azonao atao mba tsy ho saro-kenatra loatra ianao. Miresaka momba an’izany ity lahatsoratra ity.

  • Fantaro hoe inona no mampahatahotra anao

  • Inona no azonao atao?

  • Ny hevitry ny tanora toa anao

Fantaro hoe inona no mampahatahotra anao

Mety hampatahotra be anao ny hoe hiresaka mivantana amin’ny olona, raha saro-kenatra ianao. Mety hahatsiaro ho manirery ianao noho izany, ka hoatran’ny hoe ianao irery no ao amin’ny efitra iray maizina be. Raha fantarinao anefa hoe inona no tena mampahatahotra anao, dia mety ho hitanao hoe hay tsy mitombina akory kay ilay izy. Ireto misy ohatra telo:

  • Zavatra mampahatahotra #1: “Tsy haiko hoe inona no horesahina amin’ilay olona.”

    Zava-misy: Tsy ny zavatra resahinao no tena tadidin’ny olona, fa ny hoe nahafinaritra ve ny niresaka taminao sa tsia. Tsy hatahotahotra hiresaka ianao raha mizatra mihaino tsara ny hafa, izany hoe miezaka ny ho liana amin’ny zavatra lazainy.

    Eritrereto izao: Namana hoatran’ny ahoana no tianao: Olona be resaka sy mahita horesahina foana ve sa olona mihaino tsara anao?

  • Zavatra mampahatahotra #2: “Mety hieritreritra ny olona hoe mankaleo aho.”

    Zava-misy: Na saro-kenatra ianao na tsia, dia tsy maintsy hanana ny heviny momba anao foana ny olona. Raha miezaka ny hiresaka tsara amin’izy ireo anefa ianao, dia ho hitany ny toetra tsaranao ary ho tsara kokoa ny fahitany anao.

    Eritrereto izao: Raha mieritreritra ianao hoe mitsaratsara anao ny olona dia tsy tia anao, tsy ianao ve no tena mitsaratsara amin’izany? Mety hoe tsy fantatrao tsara akory mantsy ilay olona, nefa lazainao fa tsy tia anao.

  • Zavatra mampahatahotra #3: “Vao mainka aho ho menatra be raha tafateny zavatra tsy mety eo!”

    Zava-misy: Samy mety ho diso daholo ny olona rehetra. Raha manao diso ianao rehefa miresaka amin’ny olona, dia araraoty izay mba hampisehoana hoe tsy mieritreritra ny tenanao ho tonga lafatra ianao.. Tsy hatahotahotra intsony ianao amin’izay.

    Eritrereto izao: Mahafinaritra ny miaraka amin’ny olona miaiky hoe tsy tonga lafatra izy, sa tsy izany?

Fantatrao ve? Misy mieritreritra hoe tsy saro-kenatra izy satria miresaka amin’ny olona amin’ny SMS na tambazotran-tserasera foana. Rehefa miresaka mivantana amin’ny olona iray anefa ianao vao tena ho lasa namany. Izao no nosoratan’i Sherry Turkle, psikology sady manam-pahaizana momba ny teknolojia: “Rehefa mahita mivantana ny olona iray sy maheno ny feony ianao, vao tena azo lazaina hoe mifandray aminy.”a

Ilay tovovavy teo aloha ihany miresaka amin’ny mpivady iray mandritra an’ilay fiarahana.

Misy zavatra azonao atao mba tsy hatahotra be intsony ianao rehefa miresaka mivantana amin’ny olona

Inona no azonao atao?

  • Aza mampitaha ny tenanao amin’ny hafa. Tsy voatery ho lasa olona mahay mifandray be amin’ny hafa ianao. Azonao atao tanjona kosa ny hoe tsy ho saro-kenatra loatra, amin’izay ianao hahazo namana tsara ary ho afaka hanao zavatra mahafinaritra.

    “Tsy voatery hoe ho lava be ny resakareo. Tsy voatery hanao zavatra miavaka be koa ianao. Teneno fotsiny ilay olona hoe iza ianao, na mametraha fanontaniana tsotsotra vitsivitsy.”—Alicia.

    Toro lalan’ny Baiboly: “Aoka ... ny tsirairay samy handinika izay ataony avy. Amin’izay dia hanana antom-pifaliana ny amin’ny tenany ihany izy, fa tsy amin’ny fampitahany ny tenany amin’ny hafa.”—Galatianina 6:4.

  • Jereo hoe inona no azonao ianarana avy amin’ny hafa. Azonao jerena ny ataon’ny olona zatra mifandray amin’ny hafa. Inona amin’ny zavatra lazainy no mety tsara rehefa miresaka amin’ny olona? Inona no tsy mety? Inona amin’ny fomba firesany no tianao hotahafina?

    “Jereo tsara ny ataon’ny olona mora mahazo namana. Jereo hoe inona ny zavatra ataony sy lazainy, rehefa mihaona amin’ny olona vaovao izy.”—Aaron.

    Toro lalan’ny Baiboly: “Ny vy no mampaharanitra ny vy, ary olona ihany koa no mampaharanitra ny tarehin’ny olona.”—Ohabolana 27:17.

  • Mametraha fanontaniana. Matetika no faly ny olona rehefa afaka milaza ny heviny. Afaka mametraka fanontaniana àry ianao mba hanombohana ny resaka. Tsy hifantoka be aminao koa ny olona amin’izay.

    “Tsy dia hatahotra ianao raha manomana mialoha. Rehefa hiaraka amin’olona ianao, dia eritrereto mialoha ny zavatra azonao resahina na ny fanontaniana azonao apetraka. Tsy dia hatahotra ianao amin’izay rehefa miresaka amin’ny olona vaovao.”—Alana.

    Toro lalan’ny Baiboly: “Aoka ny tsirairay aminareo hihevitra izay hahasoa ny hafa, fa tsy izay hahasoa ny tenany ihany.”—Filipianina 2:4.

a Tao amin’ilay boky hoe Reclaiming Conversation.

Ny hevitry ny tanora toa anao

Kelsey.

“Zavatra tsotsotra atao amin’ny voalohany, ohatra hoe mitsiky kely na miarahaba. Ho gaga ianao avy eo rehefa mahita hoe miresaka tsara ilay olona. Hatoky tena kokoa ianao amin’ny manaraka, rehefa mila miresaka amin’ny olona indray.”—Kesley

Robin.

“Misy zavatra mahafinaritra daholo amin’ny olona tsirairay. Samy afaka mizara zavatra tsara ho an’ny hafa daholo koa ny olona rehetra. Raha tsy mba miresaka mihitsy ianao, dia tsy ho hitan’iza na iza ny toetra tsaranao.”—Robin.

Veronica.

“Raha tsapan’ny olona hoe mahafinaritra ny miaraka aminao, dia ho tiany ianao na dia saro-kenatra aza. Afaka mitsiky tsara koa ianao. Ny toetra tsaran’ny olona ifantohana, dia hahavita hitsiky avy amin’ny fonao ianao.”—Veronica.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara