Moa ve Ianao Mitsitsy sa Mandanilany Foana ny Angôvo?
AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ANY GRANDE-BRETAGNE
ANGÔVO mitentina arivo tapitrisa dolara eo ho eo, ampy mba hamatsiana herin’aratra ny tanàna iray mitovy habe amin’i Chicago, no lanilany foana any Etazonia, isan-taona. Amin’ny fomba ahoana? Tsy vonoina tanteraka, nefa tsy ampiasaina, ny fitaovana toy ny ôrdinatera, ny milina fandefasana fax, ny magnétoscopes, ny televiziona, ny fandefasana CD, ary na dia ny milina fanaovana kafe ranony aza. Ny antony dia mba handehanan’ny famantaranandron’ireny fitaovana ireny, hihazonana ny tahirim-panazavana ao aminy, ary hampisehoana ireo programa nofidina hataony — na mba hahatonga azy ireny ho vonona hampiasaina avy hatrany fotsiny.
Tombanana fa eto Grande-Bretagne, isan-taona, ny angôvo lanin’ny fitaovana tsy novonoina tanteraka dia miteraka gaza antsasa-tapitrisa taonina, izay mampiakatra ny maripanan’ny tany, amin’ny alalan’ny herin’aratra vokarin’ny foiben-kerin’aratra. Mankao amin’ny atmôsfera ireny gaza ireny, ary mety hampitombo ny vokatry ny fiakaran’ny maripanan’ny tany. “Na dia lamaody be mpanaraka aza ny firehan-kevitra momba ny fikajiana ny tontolo iainana eo anivon’ireo tanora mpanjifa, dia vitsy ihany no mahita ny fifandraisana misy eo amin’ny famokarana herin’aratra sy ny fiakaran’ny maripanan’ny planeta”, hoy ilay gazety hoe The Times, any Londres.
Tsy ny ankamaroan’ny olona no mahatakatra fa ny fitaovana kely maoderina elektrônika maro, izay tsy vonoina tanteraka, dia mampiasa angôvo mila hitovy amin’izay ampiasainy rehefa mandeha amin’ny fomba feno. Ny fitaovana andraisan’ny televiziona fandaharana amin’ny alalan’ny zanabolana, ohatra, dia mety hampiasa herin’aratra 15 watts rehefa ampiasaina, ary latsaka 1 watt monja amin’izany rehefa tsy vonoina tanteraka. Eo koa ny modely ratsy. Tamin’ny andrana iray, ny fitaovana iray fandefasana CD dia nampiasa 28 watts rehefa tsy novonoina tanteraka, nefa tsy nampiasa afa-tsy 2 watts ny modely iray hafa mahavita ny vitany. Izao anefa dia misy fitaovana kely elektrônika vaovao, fampiasa amin’ny ôrdinatera, novolavolaina. Voalaza fa afaka mampihena ny fandanian’ny fitaovana tsy vonoina tanteraka izy io, avy amin’ny 10 watts ho amin’ny 1 watt, na ho amin’ny 0,1 watt monja mihitsy aza. Antenaina fa eo amin’ny ady mitohy atao amin’ny fandotoana, dia hataon’ireo mpanamboatra fitaovana elektrônika eran-tany ho anisan’ny fitaovana ampiasain’ny rehetra, amin’ny farany, io fitaovana kely elektrônika mitentina 2,5 dolara amerikanina io. Mandra-pahatongan’izany, inona no azonao atao?
Manao izao fanamarihana izao ny minisitry ny tontolo iainana eto Grande-Bretagne: “Mety ho toa tena kely ny herin’aratra lanin’ny fitaovana kely maoderina tsirairay. Kanefa, satria misy 60 tapitrisa isika atỳ amin’ireto nosy [Grande-Bretagne] ireto, dia mitambatra ho tena be dia be izy io.” Miharihary tokoa fa tsy azo vonoina ny fitaovana ao an-tokantrano toy ny vata fampangatsiahana. Tsara anefa ny hananana fahazarana mamono ny jiro, izay tsy ilaina, sy ny fitaovana hafa, fa tsy avela ho tsy maty tanteraka. Tsy vitan’ny hoe hahafahanao hitsitsy vola izany, fa hanampy anao hiaro ny planetantsika amin’ny fandotoana tsy amin’ny antony koa.