Fijerena An’izao Tontolo Izao
Lalao Manimba ao Amin’ny Ôrdinatera
“Nandrara ny fivarotana lalao iray ao amin’ny ôrdinatera [ny Minisiteran’ny Fitsarana any Brezila]. Amin’izany lalao niteraka ady hevitra izany mantsy, dia mahazo isa amboniny ny mpilalao rehefa mangalatra fiarakodia sy mamono polisy”, hoy ny tatitra nataon’ny Reuters. Heverina fa “mampidi-doza [ilay lalao] satria manamaivana ny halatra sy ny vonoana olona ary mety handrisika ny tanora mpilalao ho amin’ny herisetra”. Tamin’ny 1997, ny minisitera dia efa nandrara lalao iray ao amin’ny ôrdinatera izay “manome tombon’isa ny mpilalao izay mamono mpandeha an-tongotra, anisan’izany ny vehivavy be taona sy ny vehivavy bevohoka”. Hoy ny mpitondra tenin’ny Procon, fikambanana miaro ny zon’ny mpanjifa: “Mampidi-doza sady manimba ireny karazan-dalao ireny, satria mampitombo ny herisetra. Manomboka mihevitra izany ho ara-dalàna ny ankizy.”
Ranomasina Voaloto
“Mahatandindomin-doza ny fototry ny fiainana eto amin’ny tany manontolo ny fanjonoana tsy mifaditra ovana sy ny poizina simika ary ny fako radiôaktifa ariana any amin’ny ranomasimbe”, hoy ny tatitra nataon’ilay gazety hoe Nassauische Neue Presse. Ny Ranomasina Mainty no anisan’ny voa mafy indrindra, araka ilay gazety hoe Kieler Nachrichten. Heverina fa izy io no iray amin’ireo ekôsistema tandindomin-doza indrindra eto an-tany, satria maty tanteraka ny 90 isan-jato aminy. Nanjary rano maloto volontsôkôlà manopy maitso no nitopatopa teo amin’ny moron-tsirak’i Ukraine, vokatry ny rano maloto tsy voasivana, ary nandritra ny herinandro monja no nisokafan’ny torapasika any amin’ny manodidina an’i Odessa, tamin’ny fahavaratra lasa teo. “Voa mafy ny Ranomasina Mainty ka ahina ny aminy”, hoy i Emil Constantinescu, prezidàn’i Romania. “Raha avelantsika ho faty izy io, tsy ho ela isika dia hizaka vokatra ratsy kokoa tsy araka ny noeritreretintsika.” Nambaran’ny Firenena Mikambana ho “Taona Iraisam-pirenena Momba ny Ranomasina” ity taona 1998 ity.
Fanafody Sandoka
“Sandoka ny 8 isan-jato eo ho eo, amin’ny fanafody rehetra amidy eto amin’ny planeta”, hoy ny fanambaran’ny Le Figaro Magazine. Voalazan’ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana fa tombanana ho 30 isan-jato ny fanafody sandoka any Brezila, ary 60 isan-jato be izao izany atsy Nizeria. Voalaza fa fandraharahana mikirakira vola telo hetsy tapitrisa dolara ny varotra fanafody hosoka, ka ny fikambanan’ny mpanao heloka bevava no mandray anjara betsaka indrindra amin’izany. Na eo aza ny ezaka ataon’ireo kompania mpanao fanafody mba hamaranana io varotra io, dia tsy nahita vahaolana ny polisy sy ireo fikambanana iraisam-pirenena. Fampandriana eritreritra fotsiny, raha misy, no hany vokatra tsara entin’ny fanafody sandoka, ary fahafatesana kosa no vokany ratsy indrindra mety hisy. “Mifotitra mamely ny fahasalaman’ny marary ny fanafody sandoka”, hoy ny fanamarihan’ny Le Figaro Magazine.
Fitiavam-basy any Etazonia
“Misy fahasamihafana miavaka tsara eo amin’i Amerika [Etazonia] sy ireo tany hafa”, hoy ny fanamarihan’ny The Economist. “Tamin’ny 1996, dia basy poleta no namonoana olona 2 tany Nouvelle-Zélande, olona 15 tany Japon, 30 teto Grande-Bretagne, 106 tany Kanada, 211 tatsy Alemaina, ary 9 390 tany Etazonia.” Isan-taona, tany Etazonia, dia nampiasana basy ny antsasa-tapitrisa eo ho eo tamin’ireo heloka bevava sy fahafatesan’olona 35 000 eo ho eo, na maty namono tena izany, na noho ny loza tsy nampoizina. Na izany aza, dia “maniry hihazona ny basiny ihany [ny olona manam-basy any Etazonia] na betsaka toy inona aza ny olona namoy ny ainy”, hoy ilay gazetiboky. “Tsy nifidy ny hamoaka fitsipika henjana kokoa momba ny fananam-basy, toy ny nataon’ny tany hafa maro be, izy ireo, fa ny mifanohitra amin’izany no mahamay azy atao.” Manome lalana ny olona hitondra basy miafina ny fanjakana 31 any Etazonia, ankehitriny.
Tetezana Mihantona Lava Indrindra Eran-tany
Nosokafana tamin’ny Aprily ny tetezana Akashi Kaikyo, any Japon, ary nosoratana avy hatrany tao amin’ny boky mirakitra ny tompon-daka, amin’ny mahatetezana mihantona lava indrindra eran-tany azy. Mampitohy ny Nosy Awaji amin’ny tanànan’i Kobe io tetezana io. “Folo taona izay no nanamboarana azy, ary 7,7 arivo tapitrisa dolara no lany tamin’ilay tetik’asa. Mirefy [1 991 metatra] ny elanelan’ny tilikambo roa eo amin’ireo vavan’ilay tetezana”, hoy ilay gazetiboky hoe Time. “Avo kokoa noho ny trano misy rihana 89 ny tilikambo tsirairay, ary misy fitaovana 20 mifehy ny fihovotrovotra; raha ahilangilan’ny rivotra izy ireo, dia misy karazana kapilim-pamantaranandro misintona azy hiverina eo amin’ny toerany.” Novolavolaina mba hahatohitra horohoron-tany mafy hatramin’ny 8 amin’ny mari-drefy Richter koa ilay tetezana. Raha velarina ny câble tsỳ (acier) aminy, dia hahodidina ny tany impito.
Zavamaniry Tandindomin-doza
Taorian’ny asa naharitra 20 taona, dia nanatsoaka hevitra ireo manam-pahaizana momba ny zavamaniry sy mpiaro ny loharanon-karena voajanahary fa atahorana ho lany tamingana ny 12,5 isan-jaton’ireo karazan-javamaniry 270 000 fantatra maneran-tany, izany hoe zavamaniry 1 amin’ny 8. “Zanatany ao amin’ny tany iray ihany ny 9 amin’ny zavamaniry 10 ka noho izany, dia misy fiantraikany be aminy ny tarehin-javatra ara-toe-karena sy sosialy eo amin’ny firenena, na eo an-toerana”, hoy ny The New York Times. Antony lehibe roa mahatandindomin-doza ireo zavamaniry no aroson’ireo mpahay siansa: 1) fanimbana amin’ny ambaratonga lehibe ny faritra any ambanivohitra, amin’ny alalan’ny fampandrosoana sy ny fitrandrahana ala ary ny fambolena sy fiompiana, 2) fampidirana zavamaniry tsy zanatany be loatra izay nangeja ireo zanatany. Milaza ilay lahatsoratra fa ny zavamaniry no “zavatra fototra ilain’ny natiora kokoa [noho ny biby mampinono sy ny vorona], eo amin’ny fomba fiasany”. Nanampy teny toy izao koa izy io momba ny zavamaniry: “Izy ireo no fototry ny ankamaroan’ny fiainana hafa rehetra, anisan’izany ny fiainan’ny olombelona, noho izy ireo manova ny tara-masoandro ho sakafo. Izy ireo koa no ahazoana akora hanaovana fanafody maro; izy ireo no mitahiry fototarazo izay enti-mampitombo ny karazan-javamaniry famboly. Ary izy ireo no fototry ny faritra voajanahary taza-maso, dia ny sehatra isehoan’ny zavatra hafa rehetra.”
Fahazoana Otrikaretina any Amin’ny Hôpitaly
“Olana lehibe mahakasika ny fahasalamam-bahoaka ny fahazoana otrikaretina any amin’ny hôpitaly, taorian’ny nitsaboan-tena na ny nandidiana ny tena tao”, hoy ilay gazety frantsay hoe Le Figaro. Any Frantsa fotsiny, dia olona 800 000 isan-taona no nahazo otrikaretina, ary tombanana ho 10 000 ny isan’ny maty. Misy fepetra isan-karazany afaka mampihena ny mety hahazoana otrikaretina: ny famonoana otrikaretina ao amin’ny efitry ny marary, alohan’ny hahatongavan’ny marary vaovao, sy ny fanaraha-maso ny fizotran’ny famonoana otrikaretina, ary ny fanasana tsara ny tanana alohan’ny hitsaboana marary. Toa atao tsirambina matetika ny maro amin’ireo fanao ireo. Ny fandinihana iray natao tao amin’ny hôpitaly iray tao Paris dia nampiharihary fa 72 isan-jato monja amin’ireo mpiasan’ny hôpitaly, no nilaza fa nanana fahazarana nanasa tanana isaky ny avy nikasika marary iray. Amin’ireo, dia ny 60 isan-jato no nanasa ny tanany tao anatin’ny fotoana fohy loatra, tsy araka ny tokony ho izy. Nanatsoaka hevitra ilay gazety hoe “toa mbola misy ezaka be tokony hatao”, raha jerena ireo antontan’isa manjombona ireo.
Mamonjy Aina ny Fehikibo Fiarovana eny Ambony Fiaramanidina Eny
Izay mpandeha fiaramanidina matetika rehetra dia mahalala tsara fa mety ho sendra rivotra misafotofoto be tampoka sy tsy ampoizina ny fiaramanidina, ka mety hisy mpandeha haratra na ho faty mihitsy aza. Ny hany fepetra fiarovana mandaitra azonao raisina, hoy ny manam-pahaizana manokana, dia ny fametahana ny fehikibo fiarovana amin’ny fotoana rehetra ijanonanao ao anaty fiaramanidina. “Faran’izay sarotra ny manombana sy ny mahita mialoha ary ny miala amin’ny rivotra misafotofoto eny amin’ny lanitra tsy misy rahona”, hoy ny U. S. News & World Report. Raha mbola eo am-pikarohana fomba hanamboarana fitaovana izay hahita mialoha ireny rivotra misafotofoto ireny ireo mpahay siansa, ankehitriny ny ankamaroan’ireo fiaramanidina dia miantehitra amin’izay tatitra ataon’ny fiaramanidina vao avy nanaraka zotra mitovy amin’ny azy. Efa ho ny olona rehetra naratra rehefa sendra rivotra misafotofoto no tsy nametaka fehikibo fiarovana. “Mbola tsy hitan’ny kompaniam-piaramanidina anefa izay fomba hanerena ny mpandeha hamatotra ny fehikibo fiarovana”, hoy ny fieken’ilay lahatsoratra.
Tsitsio ny Herin’aratra
“Fitaovana mandeha amin’ny herin’aratra izay tsy ampiasaina akory, nefa atao ho vonon-kiasa, no mandany ny 11 isan-jaton’ny herin’aratra ampiasain’ny tokantrano sy ny birao eto Alemaina”, hoy ny tatitra nataon’ilay gazetikely hoe Apotheken Umschau. Araka ny fanombantombanana natao ho an’i Alemaina, dia nandany herin’aratra tokony ho 20 500 tapitrisa kilowatts-heures isan-taona ny tele, ny stéréos, ny ôrdinatera, sy ny fitaovana elektrônika hafa, izay natao ho vonon-kalefa. Betsaka kokoa noho ny herin’aratra lanin’i Berlin, isan-taona, izany, nefa i Berlin no tanàna lehibe indrindra ao Alemaina. Mety ho azo atao ny mitsitsy herin’aratra sy vola amin’ny famonoana tanteraka ny fitaovana sasany, fa tsy hamela azy ireny ho vonon-kiasa fotsiny eo kosa.
Mihamanjavona ny Ranomasina Maty
Mihamanjavona haingana ny Ranomasina Maty, ilay toerana iva indrindra sy masira indrindra eto an-tany. Tamin’ny 1965, dia 395 metatra ambanin’ny haabon’ny ranomasina ny fanambonin’ny Ranomasina Maty. Ankehitriny, dia 413 metatra ambanin’ny haabon’ny ranomasina izy io, ary miseho kely ny fanambaniny, ka lasa mizara roa ilay ranomasina. Efa any afovoan-tany be ankehitriny ireo hotely naorina teo amoron-drano. “Mihena 80 santimetatra be izao ny ranony ao anatin’ny herintaona, ary tsy mety hoe ho feno indray intsony ilay ranomasina satria eo ny filan’ny olona rano sy ny antony politika”, hoy ny The Dallas Morning News. “Mety ho ritra ny Ranomasina Maty, ka milaza izany fa ho mafy ny tsy fahampian-drano hanjo an’iny faritra iny. Etsy an-danin’izany, ny tsy fahitana vahaolana dia manondro fa mifampiankina be ny rano sy ny fandriampahalemana any Moyen-Orient main-drano. (...) Amin’izao andro izao, ny Ony Jordana, izay loharano lehiben’ny Ranomasina Maty, dia efa ho voavily tanteraka, (...) voavilin’i Israely sy i Syria ary i Jordania.” Izao no lazain’ilay lahatsoratra momba ny tantaran’ny Ranomasina Maty: “Ny fitantarana velombelona indrindra [momba azy io], hatramin’izay, dia ny fitantaran’ny Baiboly ny amin’ny nisian’ireo Tanànan’ny Tany Lemaka tao amin’ny faritra lonaka iray, ‘mandra-pandatsak’[Andriamanitra] solifara sy afo teo amin’i Sodoma sy i Gomora’ mba hahatonga azy io ho tany ngazana, satria nalahelo Andriamanitra fa nandika fitsipi-pitondran-tena izy ireo.”