FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g01 8/4 p. 4-9
  • Fandaharam-pampianarana Atao Maneran-tany

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fandaharam-pampianarana Atao Maneran-tany
  • Mifohaza!—2001
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Asa fanaovam-pirinty maneran-tany
  • Nahoana no natao tamin’ny fitenin’izy ireo?
  • Nahoana no ankasitrahana ilay asa?
  • Fampianarana fototra
  • Inona avy ny Fitaovana Ampiasaintsika mba Hitoriana Eran-tany?
    Efa Mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra!
  • Vaovao Tsara Amin’ny Fiteny 500
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • “Aoka Hiravoravo ny Nosy Maro”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
  • Mitarika ny Fitoriana Eran-tany i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
Hijery Hafa
Mifohaza!—2001
g01 8/4 p. 4-9

Fandaharam-pampianarana Atao Maneran-tany

“Ny nahita fianarana ihany no olona afaka.” — Epictète, t. 100 am.f.i.

NINO i William H. Seward, mpanentana ny fanoherana ny fanandevozana tamin’ny taonjato faha-19, fa “ny fanantenana manontolon’ny fandrosoan’ny olombelona dia mihantona amin’ny hery tsy mitsaha-mitombo ananan’ny Baiboly”.

Manaja lalina ny Baiboly koa ny Vavolombelon’i Jehovah. Miaiky izy ireo fa manjary lehilahy na vehivavy vady tsara kokoa, zanaka tsara kokoa — eny ny olona tsara indrindra eto an-tany — ny olona mampihatra ny foto-pitsipik’izy io. Mankatò ny didin’i Jesosy Kristy toy izao àry, izy ireo: “Koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, (...) sady mampianatra azy”. — Matio 28:19, 20.

Mba hanatratrarana an’io zava-kendrena hampianarana Baiboly ny olona io, dia nanomboka asa izay azo lazaina hoe ny hetsika ara-pampianarana niely patrana indrindra teo amin’ny tantara ny Vavolombelon’i Jehovah. Hatraiza no tratran’izy io?

Asa fanaovam-pirinty maneran-tany

Mampiasa fandikan-tenin’ny Baiboly misy amin’ny fiteny an-jatony maro ny Vavolombelona, eo amin’ny fanompoana ataony ho an’ny besinimaro. Namoaka ny Les Saintes Écritures — Traduction du monde nouveau tamin’ny fiteny 21 sy ny Les Écritures grecques chrétiennes — Traduction du monde nouveau (antsoina hoe Testamenta Vaovao), tamin’ny fiteny 16 hafa koa anefa izy ireo. Ankoatra izany, dia eo am-pandikana an’io Baiboly io amin’ny fiteny 11 fanampiny izy ireo izao. Fanampin’izany, dia mamoaka zavatra vita an-tsoratra izay mampitombo fankasitrahana ny Baiboly sy manampy mba hahatakarana azy io tsara kokoa ny Vavolombelona.

Ity gazety Mifohaza! ity, ohatra, dia avoaka amin’ny fiteny 82, ka maherin’ny 20 380 000 ny salanisan’ny atao pirinty isaky ny nomerao. Misy 22 398 000 kosa ny salanisan’ny nomerao tsirairay atao pirinty amin’ny fiteny 137, amin’Ny Tilikambo Fiambenana, gazety naman’ity. Maherin’ny arivo tapitrisa amin’ireo gazety ireo, araka izany, no atao pirinty isan-taona! Ankoatra izany, dia miara-mivoaka amin’ny fiteny 124 amin’ireo Ny Tilikambo Fiambenana, ary amin’ny fiteny 58 ny Mifohaza! Noho izany, dia miara-mamaky, amin’ny fiteniny avy, ny fanazavana ao amin’ireo gazety ireo ny olona mampiasa fiteny samihafa maneran-tany.

Fanampin’izany, dia namoaka boky fianarana Baiboly an-jatony tapitrisa maro ny Vavolombelon’i Jehovah, tao anatin’ireo folo taona faramparany. Nisy maherin’ny 107 tapitrisa no natao pirinty tamin’ilay boky hoe Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. Taorian’izay, dia nihoatra ny 81 tapitrisa no natao pirinty tamin’ny Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany, ary vao haingana kokoa, dia nihoatra ny 75 tapitrisa no natao pirinty tamin’ny Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay, tamin’ny fiteny 146. Ankoatra izany, dia 113 tapitrisa mahery tamin’ilay bokikely 32 pejy hoe Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika? no natao pirinty tamin’ny fiteny 240.

Nisy boky hafa natao noho ny zavatra ilaina voafaritra tsara. Nihoatra ny 51 tapitrisa ny natao pirinty tamin’Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly, boky ho an’ny ankizy. Nisy boky roa nomanina manokana ho an’ny zatovo, dia Ny Fahatanoranao — Ny Fomba Handraisan-tsoa Be Indrindra avy Amin’izany, sy ny Manontany ny Tanora — Valiny Mandaitra, ka nisy 53 tapitrisa mahery no natao pirinty tamin’izy roa ireo. Ary natao pirinty tamin’ny fiteny 115 Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana, izay nanampy fianakaviana an-tapitrisany maro hiatrika ny zava-manahirana azy ireo.

Nisy 117 tapitrisa mahery no natao pirinty tamin’ny boky efatra hafa navoaka nanomboka tamin’ny 1985. Mampiorina ny finoana ny Mpamorona sy ny Zanany ary ny Baiboly indrindra izy ireo. Ireto avy izany: Ny Fiainana — Ahoana no Nisiany? Evolisiona sa Famoronana? (frantsay), Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany, Ny Baiboly — Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olona?, ary Y a-t-il un Créateur qui se soucie de vous?

Ankehitriny, ny zavatra vita an-tsoratra miorina amin’ny Baiboly avoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah dia misy amin’ny fiteny 353, ary ny sasany amin’ireo dia havoaka tsy ho ela amin’ny fiteny 38 hafa. Tena nisy roa alina tapitrisa mahery tamin’ireo boky sy bokikely ary gazety ireo tokoa no nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah pirinty nanomboka tamin’ny 1970! Ankoatra izany, dia misy mpampianatra efa ho enina tapitrisa revo amin’ny fizarana fahalalana momba ny Baiboly any amin’ny tany maherin’ny 230. Ahoana anefa no nahavitana izany rehetra izany, ary inona no vokany teo amin’ny fiainan’ny olona?

Nahoana no natao tamin’ny fitenin’izy ireo?

Azonao an-tsaina tsara fa mitaky ezaka goavana sy voarindra tsara tokoa ny fanaovana zavatra vita an-tsoratra tena tsara miara-mivoaka amin’ny fiteny maherin’ny zato. Misy ekipana mpandika teny maro, izay nanome an-tsitrapo ny fotoanany sy ny fahaizany, mampiasa programa amin’ny ordinatera, mba hahavitan-javatra tena tsara sy marina ary haingana. Noho izany, dia misy zavatra vita an-tsoratra voadika haingana, na dia amin’ireo fiteny tsy misy afa-tsy mpandika teny vitsy aza. Ankehitriny dia misy lehilahy sy vehivavy 1 950 mahery mandray anjara amin’io asa fandikan-teny maneran-tany sy tsy itadiavam-bola io. Nahoana anefa no atao izany ezaka izany? Tena mendrika ny hatao ve anefa izany, satria maro be amin’ireo mampiasa fiteny tsy dia fantatra firy no mahay ihany fiteny iray lehibe?

Hitan’ny Vavolombelon’i Jehovah fa tena mendrika ny hatao ilay ezaka, noho ny antony nolazain’i William Tyndale, mpandika Baiboly fanta-daza tamin’ny taonjato faha-16, izay nanoratra hoe: “Takatro avy tamin’ny zavatra hitako fa sarotra dia sarotra ny hampiorina ny lahika ao amin’ny fahamarinana, na inona izany na inona, raha tsy hoe velarina an-karihary eo anoloan’ny masony angaha ny andinin-teny, amin’ny fitenin-drazany, mba hahafahany hahita ny votoatin’ilay soratra sy ny filaharany ary ny heviny.”

Marina fa tsy azon’ny olona natao foana ny nanana zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly tamin’ny fitenin-drazany. Rehefa azo atao kosa anefa izany, dia mahakasika ny fon’izy ireo haingana kokoa sy lalina kokoa ireo fahamarinana ara-baiboly. Voamarika izany tany amin’ireo tany anisan’ny Firaisana Sovietika teo aloha, izay misy foko mampiasa fiteny maro samihafa. Teo am-piandohan’ny taonjato farany teo, dia maro tamin’ireny olona ireny no tao anatin’ny Firaisana Sovietika ary nampianarina sy nasaina nampiasa ny fiteny rosianina. Noho izany, dia sady mamaky sy manoratra ny fiteny rosianina izy ireo no miteny ny fitenin-drazany koa.

Hatramin’ny nirodanan’ny Firaisana Sovietika tamin’ny 1991 indrindra, dia nisy maro tamin’ireny olona ireny no maniry hampiasa ny fitenin-drazany. Anisan’izany ireo miteny ny fiteny adyghé, altaï, belôrosianina, géorgien, kirghiz, komi, ossète, touva, na ireo fiteny maro hafa. Na dia afaka miresaka amin’ny fiteny rosianina aza ny ankamaroany, dia tsy manohina ny fony avy hatrany ny zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly amin’ny fiteny rosianina. Tena manintona azy kosa anefa ny zavatra vita an-tsoratra amin’ny fiteniny. “Tsara ny nanombohanareo mamoaka zavatra vita an-tsoratra amin’ny fiteninay”, hoy ny nomarihin’ny olona iray nandray trakta ara-baiboly tamin’ny fiteny altaï.

Ohatra hafa iray ny amin’izany i Groenlandy, nosy iray any amin’ny Tendrontany Avaratra, misy mponina 60 000 eo ho eo monja. Samy atao pirinty amin’ny fiteny groenlandey Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza!, ary tena tian’ny olona ireo gazety ireo sy ny boky hafa ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah pirinty amin’ny fiteny groenlandey. Raha ny marina, ny zavatra vita an-tsoratra toy izany dia mety ho hita any amin’ny tokantrano maro ao amin’ny tanàna kely lavitra indrindra ao amin’ilay nosy.

Any Pasifika Atsimo, dia misy olona 7 000 eo ho eo miteny nauru, 4 500 miteny tokelau ary 12 000 miteny rotumien. Ankehitriny ny Vavolombelona dia mamoaka trakta sy bokikely ara-baiboly amin’ireo fiteny ireo sy Ny Tilikambo Fiambenana avoaka isam-bolana amin’ny fiteny niue, ampiasain’ny olona 8 000 eo ho eo, sy amin’ny fiteny tuvalu, ampiasain’ny olona 11 000 eo ho eo. Ny Vavolombelon’i Jehovah, raha ny marina, no anisan’ny lehibe indrindra amin’ireo mpanonta boky, amin’ny fiteny tsy be mpampiasa, ka mamoaka zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly amin’ny fiteny toy ny bichlamar, hiri motu, kreôla any Seychelles, kreôla maorisianina, papiamento, pidgin melanezianina, pidgin-n’ireo Nosy Salomon, ary amin’ny fiteny am-polony maro hafa.

Matetika, rehefa vitsy ny mponina mampiasa fiteny iray, dia mitokana sady mahantra izy ireo. Mety ho betsaka anefa ny mahay mamaky teny sy manoratra any amin’ireny faritra ireny. Ary ny Baiboly amin’ny fiteny eo an-toerana matetika no iray amin’ireo boky vitsy azon’ny mponina ao vakina. Raha ny marina, dia tsy misy gazetim-baovao akory amin’ny sasany amin’ireny fiteny ireny, satria mahafaty antoka ny manao izany.

Nahoana no ankasitrahana ilay asa?

Koa satria manome zavatra vita an-tsoratra manatsara ny fiainan’ny olona ny Vavolombelon’i Jehovah, dia maro no nidera ny ezak’izy ireo amin’ny fandikan-teny. Nilaza i Linda Crowl, miara-miasa amin’ny Ivon-toeran’i Pasifika Momba ny Fianarana, ao amin’ny Oniversiten’i Pasifika Atsimo, any Suva, Fidji, fa ny asa fandikan-tenin’ny Vavolombelona no “zavatra mahafinaritra indrindra mitranga eto Pasifika”. Nampirisika ny hamakiana ny zavatra vita an-tsoratr’izy ireo izy, satria tsara dia tsara izany.

Rehefa natomboka natonta isan-telo volana ny Mifohaza! amin’ny fiteny samoan, dia navoakan’ny gazety teo an-toerana sy ny televiziona nasionaly ilay raharaha. Naseho nandritra ilay fandaharana tao amin’ny televiziona ny fonon’ny Mifohaza! ary naseho ny lahatsoratra tsirairay tamin’ilay gazety. Avy eo dia noresahina tsirairay ireo lahatsoratra.

Tsara homarihina fa misy ivon-toerana momba ny fiteny any amin’ny tany sasany manontany tsy tapaka ny mpandika ny bokin’ny Vavolombelona, mahakasika ny fitsipi-pitenenana sy ny tsipelin-teny ary ny famoronana teny vaovao sy ny toy izany. Mazava fa tsy ny fiainan’ireo tonga mpikambana marisika ao amin’ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah ihany no voakasiky ny asa fampianarana maimaim-poana ataon’izy ireo.

Araka ny nomarihina tao amin’ny lahatsoratra teo aloha anefa, dia olon-dehibe efa ho arivo tapitrisa — izany hoe efa ho ny ampahenin’ny mponina eran-tany — no tsy mahay mamaky teny sy manoratra. Inona no natao mba hanampiana ny olona toy izany handray soa avy amin’ny fanazavana lehibe azo noho ny famakian-teny sy ny fianarana?

Fampianarana fototra

Nanao fandaharam-pampianarana maimaim-poana mba hanampiana ny olona hamaky teny sy hanoratra ny Vavolombelona any amin’ny tany maro. Nanao boky fianarana mihitsy aza izy ireo, toy ilay bokikely hoe Miezaha Mamaky Teny sy Manoratra, misy amin’ny fiteny 28. Olona an’arivo tapitrisany maro, anisan’izany ny vehivavy sy ny zokiolona, no nanjary nahay namaky teny sy nanoratra vokatr’ireny fampianarana ireny.

Tany Burundi, dia nampianatra tao amin’ny kilasy fianarana mamaky teny sy manoratra, izay nanampy olona an-jatony maro, ny Vavolombelon’i Jehovah. Rehefa avy nandinika ny vokatra tsara naterak’io fandaharana io ny Birao Nasionaly Momba ny Fahaiza-mamaky Teny sy Manoratra eo Amin’ny Olon-dehibe ao amin’io tany io, dia nanome mari-pankasitrahana ho an’ny Vavolombelona mpampianatra efatra, tamin’ny Andro Iraisam-pirenena ho An’ny Fahaiza-mamaky Teny sy Manoratra, tamin’ny 8 Septambra 1999.

Voaray izao tatitra manaraka izao, momba ny kilasy fianarana mamaky teny sy manoratra tany amin’ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah miisa 700 eo ho eo atsy Mozambika: “Nandritra ireo efa-taona farany, dia mpianatra 5 089 no nahazo diplaoma, ary misy 4 000 izao no nisoratra anarana.” Izao no nosoratan’ny mpianatra iray: “Misaotra anareo eram-po eran-tsaina aho noho ilay sekoly. (...) Tsy nahay na inona na inona aho taloha. Noho ilay sekoly anefa, dia afaka mamaky teny aho, ary afaka manoratra koa, na dia mbola mila fanazaran-tena aza.”

Nanomboka tamin’ny 1946, taona nanombohana nandrakitra an-tsoratra ny olon-dehibe nampianarina namaky teny sy nanoratra tany Meksika, dia nisy 143 000 no nampianarina tany amin’ny sekoly manokana natao ho amin’izany. Izao no nosoratan’ny vehivavy iray, 63 taona: “Tena mankasitraka ny Vavolombelon’i Jehovah izay nampianatra ahy hamaky teny sy hanoratra aho. Nahonena ny fiainako taloha, nefa ankehitriny dia afaka mitady torohevitra ao amin’ny Baiboly aho ary mahafaly ahy ny zavatra raketiny.”

Any Brezila, tany iray any Amerika Atsimo, dia nampianatra olona an’arivony maro hamaky teny sy hanoratra koa ny Vavolombelona. “Toy ny hoe nafahana tamin’ny gadra vy namatotra ahy an-taonany maro aho rehefa nianatra namaky teny”, hoy ny vehivavy iray 64 taona. “Izao aho dia afaka mamantatra fanazavana isan-karazany. Ary ny zava-dehibe indrindra, dia nanafaka ahy tamin’ny fampianaran-diso ny famakiana sy ny fianarana Baiboly.”

Matetika ny Vavolombelon’i Jehovah mpampianatra Baiboly ihany no mampianatra ny mpianany hamaky teny. Valopolo taona mahery i Martina, any Philippines, rehefa nisy Vavolombelona nitsidika azy. Naniry hianatra Baiboly tsy tapaka i Martina, nefa tsy nahay namaky teny. Nandroso anefa izy, rehefa nampian’ilay nampianatra Baiboly azy; ary rehefa nahazo fampiofanana fanampiny teo amin’ny kongregasiona teo an-toerana izy, dia nanjary ampy fahaizana mba hampiasa ny Baiboly hampianarana ny hafa. Mahay mamaky teny izy izao, ary mpampianatra Baiboly manontolo andro.

Mazava fa afaka ny hahay hamaky teny sy hanoratra ny olona rehetra. Mety hanontany tena anefa isika hoe: Mahasoa ny olona tokoa ve ny fahalalana avy ao amin’ny Baiboly momba an’Andriamanitra sy ny fikasany? Hamaly io fanontaniana io ny lahatsoratra farany amin’ity fitohitohizan-dahatsoratra ity.

[Efajoro/Sary, pejy 9]

“Tsy Hitako Izay Teny Ilazana...”

Na ny manam-pahefana, na ny akademia, na ny olon-tsotra dia samy nahamarika avokoa ny ezaky ny Vavolombelon’i Jehovah hampandrosoana ny fampianarana olona maneran-tany. Ireto misy santionany amin’ny tenin’ireny olona ireny:

“Faly indrindra ny governemantako sy ny tenako satria ity boky ity [Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany, amin’ny fiteny tuvalu] dia mbola zava-baovao hafa iray koa sy fanampiny tena lehibe amin’ny ‘harena’ ben’i Tuvalu. Tokony ho faly tokoa ianareo noho ny anjara noraisinareo — anjara tsara dia tsara amin’ny fanorenana ny fiainana ara-panahin’ny vahoakan’ity firenena ity. Inoako fa ho voasoratra ao amin’ny tantaran’i Tuvalu momba ny fanaovana pirinty boky fampianarana ity boky ity.” — Dr. T. Puapua, praiminisitra taloha tany Tuvalu, Pasifika Atsimo.

“Ny Vavolombelon’i Jehovah dia manana fandaharana famoaham-boky tena mandeha tsara, ampiasana ny teknolojia maoderina indrindra, atỳ Pasifika Atsimo. (...) Tena miavaka io zava-bita tamin’ny famoaham-boky io, rehefa dinihina ny fampitan-kevitra miovaova tampoka (...) eto anivon’ireo Nosin’i Pasifika.” — Linda Crowl, Oniversiten’i Pasifika Atsimo, any Suva, Fidji.

“Tena mahatalanjona sy mahery ilay boky hoe Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana, amin’ny fiteny isoko! Misaotra an’ireo mpiasa an-tsitrapo ao amin’ny ekipan’ny mpandika teny isoko izahay nanampy anay hahazo tsara an’io boky io.” — C.O.A., Nizeria.

“Tsy hitako izay teny ilazana ny fankasitrahako lalina an’ity fandikan-tenin’ny Baiboly [Traduction du monde nouveau, amin’ny fiteny serba] ity. Tena mora azo ny hevitr’izy ity. Efa nanandrana namaky ny Baiboly manontolo aho taloha, saingy vetivety dia kivy foana, satria tsy azoko ilay fiteny. Izao aho dia afaka mamaky ity fandikan-teny tsy manam-paharoa ity ary mahazo izay lazainy!” — J.A., Iogoslavia.

“Misaotra noho ireo zavatra vita an-tsoratra tsara dia tsara sy ahitana fianarana sy fampaherezana, nadika tamin’ny fiteny tiv. Tsy hita, raha ny marina, izay teny ilazana ireo soa sy fampaherezana rehetra noraisina avy tamin’ireny boky sy bokikely ireny. Olona an’arivony maro no manana ireny boky ireny.” — P.T.S., Nizeria.

[Sary]

36 tapitrisa amin’ny fiteny 115

[Sary, pejy 4, 5]

“Traduction du monde nouveau” maherin’ny 100 tapitrisa no natonta tamin’ny fiteny 37

[Sary, pejy 7]

Vavolombelon’i Jehovah efa ho 2 000 no mandray anjara amin’ny fandikana ny bokin’izy ireo, maneran-tany. (Ankavia: mpandika teny zoloa atsy Afrika atsimo; eo ambany: mpandika teny any Japon)

[Sary, pejy 7]

“Ny Tilikambo Fiambenana” sy “Mifohaza!” maherin’ny arivo tapitrisa no atao pirinty isan-taona

[Sary, pejy 8]

Nampianatra tao amin’ny kilasy fianarana mamaky teny sy manoratra ny Vavolombelon’i Jehovah, maneran-tany. (Ankavanana: Meksika; ambany: Burundi; eo amin’ny fonony: Ghana)

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara