Hiainga ho any Amin’ny Helodrano Botania
AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY AOSTRALIA
“HITAKO teny an-dalana ilay boky”, hoy ny fitalahoan’i Job, zazalahy iray 19 taona izay feno taim-parasy ny tarehiny. Nosamborina izy raha iny hiampita ny araben’i Londres iny, ka nampangaina ho nangalatra ilay boky. Ny vidiny? Valopolo cents (5 200 FMG)! Tsy nampihontsina ilay mpitsara ny fiarovan-tenan’ilay tovolahy fa nanasazy azy fito taona an-tsesitany izy.
Tany amin’ny ilany amin’ny gilaoby, tao amin’ny faritra iray fantatra hoe Québec, any Kanada, dia nosamborina ny lehilahy nanan-kaja iray antsoina hoe François-Maurice Lepailleur. Nomelohina ho faty izy, noho ny fandraisany anjara tamin’ny fikomiana nitanam-piadiana tsy nahomby iray, tamin’ny fanjakana britanika. Kanefa, nanapa-kevitra ny hanasazy azy tamin’ny fomba hafa ny fitsarana.
Nanan-javatra iombonana hafa ankoatra ny fandikana ny lalàna britanika ireo tovolahy roa ireo. Samy teny ambony sambo izy ireo mba handeha ho any amin’ny tany iray antsoina hoe Aostralia sy ho any amin’ny toeran-tsesitany vaovao, fantatra hoe Helodrano Botania.
Nanao ahoana izany hoe voaheloka tatỳ Aostralia izany? Firy no nalefa tatỳ? Ary nahoana ireo tovolahy roa ireo no lasa lavitra aoka izany ny tany niaviany?
Nahoana no tatỳ Aostralia?
Tamin’ny 1718, ny fanjakana britanika dia nanapa-kevitra ny hampihena ny voafonja tao aminy, izay nitombo isa haingana, ka nanondrana ireo mpanao heloka bevava. Hatramin’ny 1770, dia efa nandefa voafonja arivo isan-taona izy ireo, ka ny ankamaroany nalefany tany amin’ireo zanataniny tany Maryland sy Virginie. Tamin’ny 1783, dia tsy afaka nandefa ireo mpanao heloka bevava tany amin’ireny zanatany ireny intsony ny Britanika, noho ny Ady Revolisionera tany Amerika Avaratra. Hatramin’io fotoana io anefa, dia efa maherin’ny 50 000 ny voafonja nalefany tany.
Ny toerana hafa nandefasana azy ireo dia tany amin’ny tany karakaina iray any amin’ny ilany amin’ny gilaoby. Nosoritana ny morontsirany atsinanana, ary efa nalain’ny manamboninahitra an-dranomasina iray nantsoina hoe James Cook, ho an’i Grande-Bretagne, 13 taona talohan’izay, izy io. I Joseph Banks dia mpamantatra tany vaovao, nanao io dia io koa, ary nilaza izy fa ho toerana tsara dia tsara handefasana ireo olom-pehezina nampidi-doza tao amin’ny Fitambaram-panjakana Britanika io tany io. Araka izany, tamin’ny May 1787, dia nanomboka ny diany, nahatratra 26 000 kilaometatra, ho any amin’ny Helodrano Botania ny andian-tsambo voalohany nisy sambo kely 11. Nandritra ireo 80 taona nanaraka, hatramin’ny 1868, dia nisy 158 829 ny fitambaran’ny voaheloka nalefa tatỳ Aostralia.
Dia an-dranomasina lavitra be
Tamin’ny 1833, dia tonga tao amin’ny Helodranon’i Sydney, tao Port Jackson, i Job sy ny mpiray sambo taminy 300. Kilaometatra vitsivitsy any atsimon’ilay fanondroan-toerana misy soratra hoe Helodrano Botania no nanorenana ilay toerana tamin’ny farany. Na izany aza, dia fantatra amin’ny hoe Helodrano Botania ihany ilay toerana.
Ilay dia mankany mihitsy dia efa fanasaziana mafy, ho an’ny sasany. Ahafahantsika mahita kely ny amin’ny fiainana teny an-tsambo izao sombin-tantara nalaina tao amin’ny diarin’i Francois Lepailleur izao: “Taona 1840 izao, nandalo ny Cap de Bonne-Espérance [Afrika Atsimo] izahay, ary tao ambany lakalin’ilay sambo Buffalo. Tena nahatsiravina indrindra tao noho ny haizina lalandava, ny fitsipika henjana tsy maintsy nankatoavina, sy ny bibikely mahadikidiky izay nanaikitra anay foana, sy ny hafanana, ary nanampy trotraka ny fahorianay ny hanoanana.”
Mahatsikaiky fa ny firaketana an-tsoratra momba ny fahasalamana sy ny dia an-dranomasina nahakasika ireo sambo ireo no anisan’ny firaketana an-tsoratra tsara indrindra tamin’izay fotoana izay. Noho ny vola nomen’ny fanjakana britanika, dia latsaka ny 1,8 isan-jato ny maty, tamin’ny fitambarany, nanomboka tamin’ny 1788 ka hatramin’ny 1868. Mifanohitra amin’izany fa, nanomboka tamin’ny 1712 ka hatramin’ny 1777, dia teo anelanelan’ny 3 isan-jato sy 36 isan-jaton’ireo andevo nentina an-tsambo no indrisy fa maty an-dalana. Ny isan’ny maty tao amin’ny sambo mpitondra mpifindra monina an-tsitrapo avy tany Eoropa ho any Amerika aza mbola be kokoa noho ny tao amin’ny sambo mpitondra ireo voaheloka!
Karazan’olona samihafa
Anisan’ny antony nahabetsaka ny voaheloka tafavoaka velona tamin’ilay dia lavitra ny fahatanoran’izy ireo. Dimy amby telopolo taona eo ho eo i François, somary be taona ihany izany ho an’ny voaheloka iray. Ny ankamaroany mantsy dia teo anelanelan’ny 16 taona sy 25 taona, ary nisy aza vao 11 taona monja. Mihoatra ny ampahenin’ny lehilahy voaheloka ny vehivavy voaheloka.
Avy tany Royaume-Uni ny ankamaroan’ny natao sesitany. Anglisy ny antsasany mahery, avy tany Irlandy ny ampahatelony, ary nisy mpanao heloka bevava an’arivony vitsivitsy avy tany Ekosy. Ny sasany, toa an’i François, dia avy tany amin’ny faritra lavitra ao amin’ny Fitambaram-panjakana Britanika, toy ny toerana fantatra ankehitriny hoe Kanada, Inde, Malezia, Sri Lanka, ary na dia ny nosy bitik’i Malta aza.
Ireny mpifindra monina an-tery ireny dia nitondra nanaraka azy ny talenta sy ny fahaizana maro be nanaitra ny saina. Nisy mpivaro-kena, mpanao vilanibe fitanehana, mpandrendrika halimo, mpandrafitra, mpahandro, mpanao satroka, mpanjaitra, ary mpanenona. Karazan’asa arivo no hita tao amin’ny firaketana an-tsoratra ara-panjakana, ka nampiseho tamin’izany ny solontenan’ny karazana mpiasa britanika rehetra.
Matetika no toa nahita fianarana kokoa noho ireo sarangan’ny mpiasa tsy natao sesitany ireo voafonja. Telo ampahefatr’ireo tonga tany Nouvelle-Galles du Sud no nahay namaky teny sy nanoratra. Raha anaovana fampitahana, dia antsasany mahery kely monja tamin’ny mponina tany Grande-Bretagne no nahay nanao sonia ny taratasy fisoratam-panambadiana.
Ny fakana olona an-keriny sy ny famonoana olona ary ny fampirisihana hikomy tamin’ny fanjakana dia nety ho antony nanaovana sesitany ny olona iray tany amin’ny Helodrano Botania, nefa tsy voafetra ho tamin’ireo ihany. Ny fanokafana toeram-pilalaovana iray ny alahady, ny fangalarana mosara, na ny fanaovana adihevitra momba ny Soratra Masina fotsiny, dia nety ho nahatonga ny tena hatao sesitany tatỳ amin’ny Ila Bolantany Atsimo.
Fiainana tao amin’ilay tany vaovao
Kapoka mafy, habibiana sesilany, ary fiainana tsy sahaza ny olombelona no sary tonga ao an-tsain’ny olona maro, momba ny fiainan’ireo voaheloka voalohandohany teto Aostralia. Tena izany tokoa no izy ho an’ny sasany, fa ho an’ny maro kosa dia nanjary nahazo vola bebe kokoa noho ny tany aminy izy.
Nisy fandaharana natao, ka tamin’izany dia azo notendrena hiasa tamin’olona sy tamin’ny manam-pahefana na ho an’ny tenany mihitsy aza ireo voaheloka. Noho izany, dia tsy nasiana gadra vy sy nalefa hanamboatra lalana izy ireo nandritra ny fotoana manontolo nanefany ny saziny, fa afaka niasa nampiasa ny fahaizany, na niana-java-baovao iray, kosa. I Job, ohatra, dia notendrena hiasa tamin’ny tompon-tany iray nanankarena nefa tsara fanahy, ary nianatra ny ho tonga mpikarakara ny biby fiompy tao amin’ny iray tamin’ny tanin’ilay tompon-tany, tao amin’ny faritra manamorona an’i Sydney, izy.
Nasaina niasa nandritra ny dimy andro sy tapany, na 56 ora, isan-kerinandro ireo voaheloka. Tsara homarihina fa kely izany raha oharina amin’ny fotoana niasan’ny ankamaroan’ny mpiasan’ny orinasa tany Grande-Bretagne tamin’izany fotoana izany, izay niasa mafy raha vao niposaka ny masoandro ka mandra-pilentiny, isan’andro. Ireo voaheloka dia afaka nitaky vola raha nasaina nanao asa ankoatra io fe-potoana voalaza io, ary matetika izy ireo no nanao asa madinika, toy ny fivarotana vilona ho sakafom-biby fiompy, taorian’ny ora fiasana.
Na dia nampiasaina be dia be aza ny karavasy, dia asehon’ny fandinihana iray fa 66 isan-jaton’ireo voaheloka tany Nouvelle-Galles du Sud no tsy nahazo kapoka, na nahazo fa iray monja, nandritra ny saziny. Nidika izany fa tsy voakapoka matetika noho ireo lehilahy niasa tao amin’ny Tafika na Tafika An-dranomasina Britanika, izy ireo.
Izany sy ny fahafahan’ireo voaheloka hahazo tany ho azy manokana rehefa voaefa ny saziny dia nahatonga ny sasany haniry halefa sesitany. Tamin’ny 1835, i W. Cope, governoran’ny Fonjan’i Newgate, nalaza ratsy, tany Londres, dia nanao tatitra toy izao momba ireo voafonja norahonana halefa sesitany: “Sivy ambin’ny folo tamin’ny roapolo no faly handeha.” Ary ny mpiandraikitra ny fonja iray hafa dia nilaza toy izao momba ny voafonja tao aminy: “Sivy amby sivifolo amin’ny zato no tena maniry ny handeha.”
Ny lafy ratsiny
Tena nampahonena ny fiainan’ireo mbola nanohy nankahatra lalàna. Hoy ny tatitra iray: “Ny fanaovana sesitany dia tsy fanasaziana iray tsotra fotsiny, fa fanasaziana maromaro mahafaoka fampijaliana amin’ny ambaratonga rehetra.” Iray tamin’izany fanasaziana izany ny milina fitotoana. Nilazalaza izany toy izao i François: “Izy io dia milina mitoto voa madinika ary ireo voaheloka no nanetsika azy. Nisy lehilahy 18 niakatra tsy an-kijanona teo amin’ny kodiarana, ary ny lanjan’izy ireo no nampandeha ilay kodiarana sy ilay milina. Matetika dia gadra vy iray ihany no teo amin’ny tongotr’ireny lehilahy ireny, mazàna koa anefa, dia gadra vy mahatratra telo na efatra no teo amin’ny tongotr’izy ireo, ary terena hiasa tahaka ny sasany izy ireo, fa raha tsy izany, dia kapohina tsy misy indrafo.”
Ny vehivavy voaheloka tsy nankatò dia nasiana rojo vy ny tendany. Io dia rojo vy niambozonana, izay misy ambiny roa mikiraviravy, mirefy tokony ho iray metatra avy, fara fahakeliny. Ireny zavatra nahatsiravina sy navesatra ireny no noheverina fa hany fomba hihazonana ny vehivavy hitondra tena tsara.
Ny toeram-pigadrana tany Port Arthur, any atsinanan’i Hobart, atsy Tasmania, dia natao ho toerana fanasaziana mafy ho an’ireo mpanao heloka bevava voaheloka indray. Fantatra fa mazana ny fiainana tao amin’ireny toerana ireny raha izao tatitra nataon’ny manam-pahefana iray izao no jerena: “Aleon’ny voaheloka sasany (...) ny fahafatesana toy izay ny figadrana mitohy, ary manao heloka bevava izy ireo mba hovonoina.”
Ho an’ireo mpigadra sasany natao sesitany, dia ny fisarahana tamin’ny fianakaviany no mafy indrindra. Hoy ny nosoratan’i François: “Ry vady aman-janako malala sy tiako indrindra ô, hafiriana no mbola hihazonan’ny fanaovana sesitany ahy ho lavitra anareo, lavitra an’izay rehetra tiako? Dray izany alahelo sy fahoriana entin’ny fisarahana! Ny fisarahana amin’ny vady be fitiavana sy ny zanaka kely izay tsy nahafantatra ny firaiketam-pon’ny raim-pianakaviana iray be fitiavana akory! Ry vady aman-janako malala ô, matetika aho no manandratra ny fanahiko sy ny foko ho amin’ny Lanitra mba hahafahan’Andriamanitra hanapaka ny gadra izay mamatotra ahy ato amin’ity toerana ity, sy hamarana ny fanaovana sesitany ahy mba hahafahako hiverina any amin’ny vady aman-janako malalako, any amin’izay irin’ny foko indrindra.”
Anjara biriky nentin’ireo voaheloka
Tamin’ny 1837, dia hoy ny governora Bourke: “Teto Nouvelle-Galles du Sud, noho ny asan’ireo voaheloka, dia nahavita nanova tany ngazana ho zanatany tsara sy niroborobo ireo tompon-tany tia niasa mafy sy nanan-talenta, tao anatin’ny 50 taona.” Tamin’io fotoana io, dia maherin’ny androatokon’ny mpiasa lehilahy no olona voafonja na voafonja taloha, ka nanampy ny sisa tamin’ireo mpifindra monina an-tsitrapo hanatanteraka io asa niavaka io. Noho ny safidy na noho ny toe-javatra, dia maherin’ny 90 isan-jaton’ny voaheloka rehetra no nanao an’i Aostralia ho fonenany.
Nanjary mponina naharitra teto i Job, satria rehefa nahazo fahafahana izy, dia nanambady ka nanorim-ponenana teto, ary tonga razamben’ireo mponina an-jatony maro eto Aostralia sy Nouvelle-Zélande, tamin’ny farany. I François kosa tetsy an-danin’izany, dia iray tamin’ireo vitsivitsy afaka niverina an-tanindrazana sy tany amin’ny havan-tiany, rehefa nafahana.
Nanohy nandroso haingana ny fiovana hatramin’ireny fotoana tany am-boalohany ireny, ka tao anatin’ny taranaka telo nifandimby monja, dia lasa firenena ahitana kolontsaina maro be ilay “tany tsara dia tsara sy niroborobo”. Isan-taona izao, dia olona an’arivony maro avy any Azia sy Kanada ary Eoropa, anisan’izany i Grande-Bretagne, no mitsidika an-tsitrapo an’i Aostralia na mangataka ny hijanona eto. Rehefa tonga izy ireo, dia mahita trano vato mijoalajoala mandrakotra ilay tany niasan’ireo voaheloka, sy mahita lalam-be vita rarivato manaraka ireo lalana nolavahan’ireo voaheloka. Na dia ny arabe maoderina eto Aostralia, feno olona misomebiseby, sy ireo trano vato tranainy aza anefa, dia mbola vavolombelon’ny asan’ireo tsy nety nankatò ka niainga nankany amin’ny Helodrano Botania.
[Sarintany/Sary, pejy 22]
(Jereo ny gazety)
HELODRANO BOTANIA
[Sary]
JAMES COOK
JOSEPH BANKS
[Sary nahazoan-dalana]
Cook: Painting by John Weber/Dictionary of American Portraits/Dover; Banks: Dickinson, W. Portrait of Sir Joseph Banks when Mr. Banks. Rex Nan Kivell Collection; NK10667. By permission of the National Library of Australia; bay scene: Fittler, James. Sydney, New South Wales, with entrance into Port Jackson. By permission of the National Library of Australia
[Sary, pejy 25]
(Ambony) Eo amin’ilay toerana fantatra taloha hoe toeran-tsesitany tao amin’ny Helodrano Botania no nisy ny Foibem-barotr’i Sydney
[Sary, pejy 25]
Hopitalin’i Sydney taloha, ary ankehitriny dia ny Tranombakoka State Mint, naorin’ny mpiasa voaheloka
[Sary nahazoan-dalana]
Image Library, State Library of New South Wales
[Sary, pejy 25]
Hyde Park Barracks, fonja iray natao sy naorin’ireo voaheloka
[Sary nahazoan-dalana]
Hyde Park Barracks Museum (1817). Historic Houses Trust of New South Wales, Sydney, Australia
[Sary, pejy 25]
Ny Lalana Great North. Nandavaka io lalam-be 264 kilaometatra io, izay eo anelanelan’ny havoana misy vatovary, tamin’ny tanana, ireo voaheloka. Nampitohy an’i Sydney sy ny Hunter Valley, eo akaikin’ i Newcastle izy io. Anisan’ny zava-bita niavaka indrindra teo amin’ny asa vaventy tao amin’ilay tany izy io
[Sary nahazoan-dalana]
Managed by the National Parks and Wildlife Service, N.S.W.