Ny Hakanton’ireo Zohin’i Carlsbad
Haizim-pito sy fahanginana tanteraka no hitanay tany anatin’ireo lava-bato, ao amin’ny Valam-pirenena misy ny Zohin’i Carlsbad, any Nouveau Mexique, any Etazonia. Ny nanitikitika ny sainay raha vao niditra tao amin’ireo zohy dia ny hoe: ‘Ahoana no niforonan’ireny lavaka ireny? Toy inona ny halehibeny? Zavatra tsy dia fahita inona avy no miafina ao anatin’izy ireny? Ary tsy mampidi-doza ve ny fitsidihana azy ireny?’
TALOHAN’NY nitsidihanay ireo zohy dia mbola nilasy sy nitsangantsangana tany amin’ny Tendrombohitra Guadalupe, tao amin’ny Valam-pirenena any atsimoandrefan’i Texas, ny antokon’olom-bitsy niaraka taminay. Nananika ny tendron’i Guadalupe izahay, ny toerana avo indrindra any Texas mirefy 2 666 metatra. Nahita taolam-biby maro be mandravaka ireo vatolampy izahay teny. Milaza ny manam-pahaizana momba ny haibolantany fa manampy mba hahafantarana ny niforonan’ireo Zohin’i Carlsbad ny fisian’ireny taolam-biby ireny. Ahoana no hetezan’izany?
Toa nitombo be ny ahidrano, sy ireo karazana akorandriaka maro tetỳ, taloha ela be. Ranomasina mafana no nandrakotra ilay faritra manontolo tamin’izany. Tsy nisy firy ny karazana akorandriaka hafa, izay nahatonga ny fiforonan’ireo harambato hita ankehitriny. Anisan’ny hazandrano hafa indrindra nisy tamin’izany ny karazana orana atao hoe trilobite sy ny sifotra antsoina hoe ammonite, izay efa lany tamingana ankehitriny. Maro tamin’ireny sifotra ireny no tao anaty akorany lehibe mihorongorona sady miefitrefitra, izay mitovy karazana amin’ny an’ny sifotra ankehitriny antsoina hoe nautile. Finaritra erỳ izahay nahita iray tamin’ireny akorandriaka ireny niraikitra tamin’ny vato teny an-dalana!
Nivangongo sy nitambatra, hono, ireo sisan-taolana avy amin’ireo hazandrano maty, niaraka tamin’ny potipoti-javatra hafa tao anaty ranomasina ka nahatonga ny harambatosokay hitombo. Nihalalina hatrany ny ranomasina ka nahatratra 500 metatra mahery ny hatevin’ireo harambato. Nisintona tamin’ny farany ny ranomasina ary voasaron’ny antsanga ireo harambato. Nisondrotra ny tany, ela be tatỳ aoriana, ka nihananjavona ireo antsanga ary nipoitra ireo harambato lehibe toy ny tendrombohitra. Ahoana anefa no niforonan’ireo Zohin’i Carlsbad avy tamin’izany fisondrotan’ny vohontany izany?
Etona, rano, rivotra sy asidra
Lasa misy asidra kely ny ranonorana rehefa tratran’ny rivotra sy ny loto. Toa heverina fa io asidra malefaka io no nandavaka ny ankamaroan’ireo zohy amin’ireo harambatosokay eran-tany. Araka ny filazan’ilay manam-pahaizana momba ny haibolantany atao hoe Carol Hill anefa, dia asidra mahery lavitra noho io no nandavaka ireo zohy any amin’ny Tendrombohitra Guadalupe.
Nilaza i Hill fa nisy etona misy solifara, niforona tao amin’ireo tahirin-tsolitany tao ambanin’ireo harambatosokay. Nanenika ireo harambato ny etona rehefa nanomboka nisondrotra ireo vato. Lasa asidra mahery io etona io rehefa nifangaro tamin’ny rivotra sy ny rano madio tany ambanin’ny tany. Afaka nandevona vatosokay be dia be io asidra mahery io.
Nanjary ritra tsikelikely ny rano tany ambanin’ny tany, arakaraka ny nisondrotan’ny tendrombohitra, ary nihalalina hatrany ireo zohy izay nokaohin’ny ranon’asidra mahery. Nanjary nisy lalana maro mifampidipiditra ao amin’ireo Zohin’i Carlsbad, noho ireo lavaka be sy sampanana midadasika maro mifampitohitohy. Lalana mirefy 37 kilaometatra eo ho eo no efa voafaritra eto. Tsy ireo ihany anefa ny zohy ao amin’ireo tendrombohitra ireo fa mbola misy an-jatony maro. Ny Zohin’i Lechuguilla no lehibe indrindra fantatra, ka lalana mirefy 160 kilaometatra mahery no efa voarakitra an-tsoratra.
Ravaky ny zohy
Raha vao tonga tao amin’ny Zohin’i Carlsbad izahay, dia nandeha tamin’ny fitaovana iray fampakarana sy fampidinana izay nitondra anay nidina tany amin’ny 225 metatra. Tonga teo amin’ilay antsoina hoe Efitra Lehibe izahay. Mahatratra enina hektara eo ho eo ny velarany. Misy maherin’ny 30 metatra miala amin’ny tany ny haavon’ny valindrihana eny amin’ny toerana sasany. Fa ny tena nahasarika ny masonay dia ity: Izay nojerenay rehetra dia nahitanay ireo ravaka voajanaharin’ny zohy. Nisy hazavana miafina nampamirapiratra azy ireny.
Mitombo eny amin’izay hirika rehetra idiran’ny rano izy ireny. Tavela eo amin’ireny hirika ireny mantsy izay sokay tafaraka amin’ny rano ary ny rano kosa lasa etona. Eo amin’izay nisy rano nitete tsy an-kijanona tamin’ny valindrihan’ny zohy àry, dia nanjary nisy fantsona mitsontsorika, nitombo tsikelikely avy tamin’ilay sokay tavela teo ary maherin’ny iray metatra ny halavany. Niraikitra mafy tamin’ny valindrihana izy ireny tamin’ny farany ary nitombo ka lasa ranovato midina miendrika fakan-kazo. Toy ny “lamba” mihevaheva manatsara ny endrik’ireo efitrefitra ao amin’ny zohy, ny fijery azy ireny mihantona eny amin’ny valindrihana.
Mety hisy andry hiforona sy hitombo kosa eo amin’izay misy rano mitete amin’ny tany. Ireny no ranovato miakatra izay mety hipaka amin’ny valindrihana amin’ny farany, na mety hifandray amin’ny ranovato midina ka lasa andry. Nitombo ka nahatratra 18 metatra mahery ny haavon’ny sasany tamin’ireo ranovato miakatra, tao amin’ilay antsoina hoe Efitranon’ny Goavana! Toy ny perla mamirapiratra ao amin’ny zohy ireo silatsilaka vato madinika voasaron’ny vatosokay malamalama, eo amin’ireo lavadavaka itetevan’ny rano. Nisy ravaka mbola hafakely kokoa aza niforona indraindray. Anisan’izany ireo toy ny fanjaitra marefo maromaro mitangorona, ao koa ireo fantsona miolikolika ohatra ny kankana.
Rehefa nibanjina ireo ranovato goavana izahay, dia nieritreritra hoe ‘tsy atahorana hilatsaka ve izy ireny’. Nanome toky anay ilay mpitari-dalana fa mahalana vao misy milatsaka ireny ravaky ny zohy ireny. Nirarianay ny tsy hitrangan’izany nandritra ny fitsidihanay!
Ny tontolo iainana ao amin’ny zohy
Nidina tany anatin’ny zohy izahay rehefa avy nisakafo tany ivelany, ka teo amin’ny lavaka voajanahary amin’ny zohy no nidiranay. Misy sary hoso-doko nataon’ireo Indianina any Amerika mandravaka ny rindrina amin’ilay lavaka.
Nandre fofona tain-dramanavy izahay rehefa niditra tao. Efa ho zato taona lasa izay no nahafantarana fa ahazoana zezika ny taim-biby. Siny misy tadiny vy no nampiasaina mba hanesorana ny taim-biby tao amin’ny zohy. Tatỳ aoriana, dia izany no nanjary fitaovana voalohany natao hampidinana sy hampakarana ireo mpizaha tany. Any amin’ilay antsoina hoe Zohin’ny Ramanavy no tena misy taim-biby, satria any no itoeran’ny ramanavy an-tapitrisany mandritra ny fahavaratra. Miara-miakatra avy any amin’ny zohy ireo ramanavy an’arivony maro, rehefa amin’ny takariva.
Nohazavain’ireo mpiambina ilay toerana fa tena ilana fitandremana ny zohy. Mety hanimba sy handoto mora foana azy io ireo mpitsidika miditra ao. Mety hamindra menaka amin’ireny ravaky ny zohy ireny, ohatra, ny fikasikasihana azy, ka mahatonga azy ho vasoka sy tsy hitombo intsony. Izany no nahatonga anay hijanona teny amin’ny faritra voatokana ary hanao izay tsy hikasihana izay zavatra rehetra mahaforona ny zohy.
Mbola nikasa hiverina hijery zohy hafa koa izahay rehefa avy tao amin’io toerana miafina mahatalanjona io. Tianay ny hahita ireo ramanavy manidintsidina, izay nankafy ireo zohy efa ela be talohan’ny olombelona. Amin’ny olona ihany ireny zohy ireny no mbola zava-mahagaga hatrany.—Nisy nanome.
[Sary, pejy 26]
Ambony: Ranovato toy ny fitoeran-jiro mihantona
[Sary, pejy 26]
Ambany: Mitsidika ilay Efitra Lehibe
[Sary nahazoan-dalana]
© Russ Finley/Finley-Holiday Films
[Sary nahazoan-dalana, pejy 25]
© Russ Finley/Finley-Holiday Films
[Sary nahazoan-dalana, pejy 26]
© Russ Finley/Finley-Holiday Films