FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g01 8/6 p. 4-9
  • Fitsaboana Maoderina—Ho Tafakatra Hatraiza?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fitsaboana Maoderina—Ho Tafakatra Hatraiza?
  • Mifohaza!—2001
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Mametraka fototra
  • Mpanala volombava lasa mpandidy
  • Fandresena ny aretina
  • Fitsaboana tamin’ny taonjato faha-20
  • Sao dia ambony loatra io zava-kendrena io?
  • Ny ady atao amin’ny aretina sy ny fahafatesana — Mahomby ve izany?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Hahavita Hanafoana ny Aretina ve ny Mpahay Siansa?
    Mifohaza!—2007
  • Aretina sy Fitsaboana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Areti-mandringana Amin’izao Taonjato Faha-20 Izao
    Mifohaza!—1997
Hijery Hafa
Mifohaza!—2001
g01 8/6 p. 4-9

Fitsaboana Maoderina—Ho Tafakatra Hatraiza?

FETSIFETSY ny ankamaroan’ny ankizy, ka miakatra eo an-tsoroky ny namany mba hanakarana ny paiso tsy takany. Misy zavatra toy izany mitranga eo amin’ny fitsaboana. Tsy nitsaha-niakatra sy nahomby ny mpikaroka ara-pitsaboana, ka toy ny hoe niakatra teo an-tsorok’ireo mpikaroka fahiny izy ireo rehefa nanao izany.

Anisan’ireo mpitsabo fanta-daza fahiny i Hippocrate sy i Pasteur, ary ireo tsy dia tena fantatry ny maro, dia i Vésale sy i William Morton. Inona no anjara biriky nentin’izy ireo ho an’ny fitsaboana?

Mazàna no tsy fahaizana momba ny siansa ny fitsaboana taloha, fa nifandray tamin’ny finoanoam-poana sy ny fombafombam-pivavahana. Hoy ny Tantaran’ny Fitsaboana (anglisy), nosoratan’ny Dr. Felix Marti-Ibañez: “Mba hitsaboana ny aretina ... dia nampifangaro ny fivavahana sy ny fitsaboana ny Mezopotamianina, satria ninoany fa sazy avy amin’Andriamanitra ny aretina.” Niorina tamin’ny fivavahana koa ny fitsaboana ejipsianina, nanaraka izany. Hatramin’izay niandohany tokoa, araka izany, dia nifangaro ny fivavahana sy ny fitsaboana.

Nilaza toy izao i Thomas A. Preston, ao amin’ilay bokiny hoe Ilay Fototra Tanimanga (anglisy): “Mbola namela soritra tsy azo fafana eo amin’ny fitsaboana ankehitriny ny finoan’ny ntaolo. Anisan’izany ny hoe tsy azon’ny marary atao na inona na inona ny aretina, fa ny hery mahagagan’ny mpitsabo ihany no afaka manasitrana azy.”

Mametraka fototra

Nanjary nampifandraisina kokoa tamin’ny siansa anefa ny fitsaboana, rehefa nandeha ny fotoana. I Hippocrate no loha laharana tamin’ireo mpitsabo fahiny nanao izany. Teraka tany Kos, nosy any Gresy, tamin’ny 460 al.f.i. tany ho any izy, ary heverin’ny maro ho ny rain’ny fitsaboana tandrefana. Izy no nametraka ny fototry ny fomba fitsaboana ampiasana fahaizana. Tsy nekeny ilay hoe sazy avy tamin’ny andriamanitra ny aretina, fa nolazainy kosa hoe misy antony miteraka azy ireny. Nantsoina hoe masina, ohatra, ny androbe, satria ninoana fa ny andriamanitra ihany no afaka manasitrana azy io. Nanoratra toy izao anefa i Hippocrate: “Momba ilay aretina antsoina hoe Masina: toa hitako fa tsy avy amin’andriamanitra mihitsy na masina noho ny aretina hafa io, fa nisy zavatra niteraka azy fotsiny.” I Hippocrate koa no mpitsabo voalohany fantatra ho nandinika ny soritr’aretina samihafa, ka nanoratra azy ireny mba hojerena any aoriana.

Taonjato maro tatỳ aoriana, dia nanao fikarohana siantifika vaovao toy izany i Galien, dokotera grika teraka tamin’ny 129 am.f.i. Nandidy olona sy biby izy, ka avy tamin’izany no nanoratany boky fianarana ny firafitry ny vatan’ny olombelona, nampiasain’ny dokotera nandritra ny taonjato maro! Nanoratra ilay boky hoe Ny Firafitry ny Vatan’ny Olombelona (anglisy) i André Vésale, teraka tany Bruxelles tamin’ny 1514. Notoherin’ny olona izy io satria nifanohitra tamin’ny fampianaran’i Galien. Io kosa anefa no fototry ny fianarana ny firafitry ny vatan’ny olombelona amin’izao andro izao. Araka ilay boky hoe Die Grossen (Ireo Olo-nalaza), dia nanjary “iray tamin’ireo mpikaroka ara-pitsaboana nalaza indrindra hatramin’izay” i Vésale.

Nolavina koa ny teorian’i Galien momba ny fo sy ny fikorianan’ny ra, rehefa nandeha ny fotoana.a Nandidy biby sy vorona nandritra ny taona maro i William Harvey, dokotera anglisy. Nandinika ny fomba fiasan’ny fo izy, nijery ny habetsahan’ny ra tao amin’ny ila fo havia sy havanana ary nanombana ny habetsahan’ny ra ao amin’ny vatana. Navoakany tamin’ny 1628, tao amin’ilay boky hoe Ny Fiasan’ny Fo sy ny Ran’ny Biby (anglisy) ny vokatry ny fikarohana nataony. Nokianina izy sady notoherina sy notafihina ary notenenina ratsy. Anisan’ny nampivoatra tanteraka ny fitsaboana anefa ny asany, satria hita tamin’izay ny fikorianan’ny ra ao amin’ny vatana!

Mpanala volombava lasa mpandidy

Nisy dingana lehibe natao koa teo amin’ny fandidiana. Mazàna ny mpanala volombava no nanao io asa io tamin’ny Moyen Âge. Tsy mahagaga raha misy milaza fa i Ambroise Paré, Frantsay niaina tamin’ny taonjato faha-16, no rain’ny fandidiana maoderina. Mpisava lalana ny mpandidy izy, ary niasa ho an’ny mpanjaka efatra tany Frantsa. Namorona fitaovam-pandidiana samihafa koa izy.

Mbola tsy hain’ny mpandidy tamin’ny taonjato faha-19 ny nanala ny fanaintainana amin’ny fandidiana. Tamin’ny 1846 anefa, dia nampiasa voalohany ny fanatoranana teo amin’ny fandidiana, izay nanjary fanao tatỳ aoriana, i William Morton, mpandidy sy mpitsabo nify.b

Nanao fanandramana momba ny herinaratra i Wilhelm Röntgen, dokotera alemà, tamin’ny 1895, ka nahita taratra nandeha tany anaty nofo, fa tsy nandeha tany anaty taolana. Tsy fantany izay niavian’ilay taratra, ka nantsoiny hoe taratra X (rayon X) ilay izy. Io no mbola iantsoan’ny maro azy amin’izao fotoana izao. (Antsoin’ny Alemà hoe Röntgenstrahlen, na taratr’i Röntgen kosa izy io.) Nilaza toy izao tamin’ny vadiny i Röntgen, araka ilay boky hoe Die Großen Deutschen (Olo-malaza Alemà): “Holazain’ny olona fa ‘lasa adala’ aho.” Ary tena nisy nihevitra izany tokoa. Nanova tanteraka ny fandidiana anefa ny zavatra hitany. Afaka mijery ny ao anatin’ny vatana izao ny mpandidy, kanefa tsy voatery handidy azy io.

Fandresena ny aretina

Nandritra ny tantara, dia niverimberina nitondra valanaretina sy tahotra ary fahafatesana ny aretina toy ny nendra mahery. Nanoratra ny filazalazana marina voalohany momba ny nendra mahery i Ar-Rāzī, Persanina tamin’ny taonjato fahasivy, ary noheverin’ny sasany ho ny dokotera nahay indrindra teo amin’ny Miozolimanina tamin’izany. Taonjato maro tatỳ aoriana anefa vao nahita fomba itsaboana azy io i Edward Jenner, dokotera anglisy. Hitan’i Jenner fa voaro amin’ny nendra mahery ny olona iray raha vao voan’ny nendran’omby, aretina tsy mahafaty. Naka zavatra avy tamin’ny hoditra voan’ny nendran’omby izy avy eo, mba hanaovana vaksinin’ny nendra mahery. Tamin’ny 1796 izany. Nokianina sy notoherina toa an’ireo mpanao fanavaozana talohany koa i Jenner. Noho ilay fomba vaovao fanaovana vaksiny hitany anefa dia foana tsikelikely ilay aretina, ary nahita fitaovana mandaitra vaovao ny fitsaboana.

Nampiasa vaksiny hiadiana amin’ny haromotana sy ny vain’omby i Louis Pasteur, Frantsay. Noporofoiny koa fa anisan’ny antony lehibe mahatonga aretina ny mikraoba. Hitan’i Robert Koch tamin’ny 1882 ny mikraoba miteraka ny tioberkilaozy, izay nolazalazain’ny mpahay tantara iray ho toy ny “aretina namono olona be indrindra tamin’ny taonjato fahasivy ambin’ny folo”. Hitan’i Koch, tokony ho herintaona taorian’izay, ny mikraoba miteraka ny kôlerà. Hoy ny gazetiboky Aina (anglisy): “Ny asan’i Pasteur sy i Koch no niantombohan’ny siansa momba ny mikraoba, sady nampandroso ny fitandremam-pahasalamana sy ny fahadiovana ary ny fomba fisorohana aretina. Nampitombo bebe kokoa ny halavam-piainan’ny olona noho ny nataon’ny fandrosoan’ny siansa hatramin’ireo 1 000 taona lasa koa ny asan’izy ireo.”

Fitsaboana tamin’ny taonjato faha-20

Toy ny hoe niakatra teo an-tsorok’ireo mpitsabo mahay ireo sy ny hafa koa, ny fitsaboana, tamin’ny fiandohan’ny taonjato faha-20. Nanomboka tamin’izay dia nanao dingan-dava ny fitsaboana: insuline ho an’ny diabeta, fitsaboana simika ho an’ny kansera, fitsaboana amin’ny alalan’ny hôrmônina ho an’ireo marary taova, antibiotika ho an’ny tioberkilaozy, klaorokinina ho an’ny tazo sasany, dializy ho an’ny marary voa, fandidiana ny fo sokafana sy famindrana taova, raha ireo fotsiny aza no hotanisaina.

Amin’izao fiandohan’ny taonjato faha-21 izao anefa, efa akaikin’ilay zava-nokendreny hoe hanana “fahasalamana antoniny ny mponina maneran-tany” ve ny fitsaboana?

Sao dia ambony loatra io zava-kendrena io?

Hitan’ny ankizy fa tsy ho takany daholo ny paiso rehetra, na dia miakatra eo an-tsoroky ny namany aza izy. Eny an-tampon’ilay hazo ny sasany amin’ireo paiso mamy indrindra, ka tsy ho takany mihitsy. Toy izany koa ny fitsaboana. Nahavita zavatra maro nisesy izy ary niakatra ambonimbony kokoa foana. Toa mbola eny an-tampon’ilay hazo anefa, ka saro-takarina ilay zava-kendrena lehibe indrindra, dia ny fahasalamana tsara ho an’ny rehetra.

Koa na dia niteny aza ny Vaomiera Eoropeanina tamin’ny 1998 fa “mbola tsy lava andro niainana sy salama toy izao ny Eoropeanina”, dia hoy koa izy: “Ho faty alohan’ny faha-65 taonany ny ampahadimin’ny olona. Kansera no hahafaty ny 40%, ary aretina momba ny fo sy ny lalan-dra no hahafaty ny 30% ... Tsy maintsy misy fiarovana tsara kokoa amin’ireo aretina vaovao mandrahona ny olona.”

Nilaza ny Gesundheit, gazetiboky alemà momba ny fahasalamana, tamin’ny Novambra 1998, fa mihamandrahona hatrany ny areti-mifindra toy ny kôlerà sy ny tioberkilaozy. Nahoana? “Tsy mandaitra intsony” ny antibiotika, ary “maro hatrany ny bakteria mahatohitra, fara fahakeliny, iray amin’ireo fanafody mahazatra; tena mahatohitra fanafody maro mihitsy ny maro aminy.” Tsy vitan’ny hoe miverina anefa ny aretina taloha, fa mipoitra koa ny aretina vaovao toy ny SIDA. Mampahatsiahy antsika toy izao ny Statistics ’97, gazety alemà momba ny fanafody: “Hatramin’izao dia tsy misy fomba itsaboana ny antony mahatonga ny ampahatelon’ny aretina, izany hoe 20 000 eo ho eo.”

Ny fotoana no hilaza raha ny fomba fitsaboana maoderina hafa no hahatanteraka ny fampanantenany lehibe na tsia. Tsy tokony hanantena be loatra koa anefa isika. Nolazalazain’ilay boky hoe Ilay Fototra Tanimanga, ilay zava-mitranga mahazatra: “Hindrahindraina any amin’ny fivorian’ny dokotera sy ny gazety momba ny fahasalamana ny fitsaboana vaovao rehefa mipoitra. Lasa nalaza ilay namorona azy io, ary derain’ny fampitam-baovao ilay fandrosoana. Rehefa avy nanonofy nandritra ny fotoana kelikely teo ny olona, ary nahita ireo porofo manohana an’io fitsaboana hafakely io, dia manomboka misy fahadisoam-panantenana, ka maharitra volana vitsivitsy izany, na am-polony taona maro. Avy eo dia misy fitsaboana vaovao hita, ary voasolon’io vetivety ilay iray teo aloha, izay tsy ampiasaina avy hatrany sy heverina ho tsy misy vidiny intsony.” Maro tokoa tamin’ny fitsaboana mahazatra nampiasaina vao haingana no tsy ampiasain’ny ankamaroan’ny dokotera intsony satria heveriny ho tsy mahomby.

Na dia tsy ampifandraisina amin’ny fivavahana toy ny fahiny intsony aza ny dokotera amin’izao andro izao, dia misy olona sasany mirona hihevitra ny dokotera ho toy ny manana herin’andriamanitra, ary mino fa tsy maintsy ho vitan’ny siansa ny mitsabo ny aretin’olombelona rehetra. Tena lavitra an’izany anefa ny zava-misy. Manamarika toy izao ny Dr. Leonard Hayflick, ao amin’ilay bokiny hoe Ny Fomba sy ny Antony Mahatonga Antsika Hihantitra (anglisy): “Tamin’ny 1900 dia ny 75 isan-jaton’ny Amerikanina no maty talohan’ny faha-65 taonany. Amin’izao kosa anefa dia saika nivadika tanteraka io isa io satria tokotokony ho ny 70 isan-jaton’ny Amerikanina no maty aorian’ny faha-65 taonany.” Inona no nahatonga izany? Manazava i Hayflick fa “ny fihenan’ny fahafatesan’ny zaza vao teraka” no mahalava kokoa ny androm-piainan’ny olona. Aoka àry izao hatao hoe afaka hanafoana ireo aretina—toy ny aretim-po sy ny kansera ary ny fahatapahan’ny lalan-dra—izay mahafaty ny olona be taona, ny fitsaboana. Tsy hidika ve izany fa tsy ho faty intsony ny olona? Tsy izany velively. Nanamarika ny Dr. Hayflick fa na dia amin’izay aza “dia ho zato taona eo ho eo ny androm-piainan’ny ankamaroan’ny olona”. Hoy koa izy: “Mbola mety ho faty ihany ny olona amin’izay. Inona anefa no hahafaty azy ireo? Tsotra fotsiny: Hihaosa kokoa hatrany fotsiny izy ireo, mandra-pahafatiny.”

Na dia nanao ezaka be aza ny fitsaboana, dia tsy ho takany, na tsy ho vitany mihitsy ny fanafoanana ny fahafatesana. Nahoana? Tsy ho tratra mihitsy ve ilay zava-kendrena hahasalama tsara ny olon-drehetra?

[Fanamarihana ambany pejy]

a Araka ny Rakipahalalan’izao Tontolo Izao (anglisy), dia noheverin’i Galien fa novan’ny aty ho ra ny sakafo levona, ary avy eo dia mikoriana manerana ny vatana ka levoniny.

b Jereo ilay lahatsoratra hoe “De la souffrance à l’anesthésie”, ao amin’ny Mifohaza! (frantsay) 22 Novambra 2000.

[Teny notsongaina, pejy 4]

“Mbola namela soritra tsy azo fafana eo amin’ny fitsaboana ankehitriny ny finoan’ny ntaolo.”—Ilay Fototra Tanimanga

[Sary, pejy 4, 5]

Nametraka ny fototry ny fitsaboana maoderina i Hippocrate sy i Galien ary i Vésale

[Sary nahazoan-dalana]

Nosy Kos, Gresy

Courtesy National Library of Medicine

Sary sokitr’i A. Vésale, nataon’i Jan Steven von Kalkar, nalaina avy tao amin’ny Meyer’s Encyclopedic Lexicon

[Sary, pejy 6]

Mpisava lalana ny mpandidy i Ambroise Paré, niasa ho an’ny mpanjaka efatra tany Frantsa

Ankavia: Ar-Rāzī, dokotera persanina; Ankavanana: Edward Jenner, dokotera anglisy

[Sary nahazoan-dalana]

Paré sy Ar-Rāzī: Courtesy National Library of Medicine

Avy amin’ilay boky hoe Great Men and Famous Women

[Sary, pejy 7]

Noporofoin’i Louis Pasteur, Frantsay, fa miteraka aretina ny mikraoba

[Sary nahazoan-dalana]

© Institut Pasteur

[Sary, pejy 8]

Na dia foana aza ireo antony lehibe mahatonga fahafatesana, dia mbola hahafaty ihany ny fahanterana

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara