Ny ady atao amin’ny aretina sy ny fahafatesana — Mahomby ve izany?
TSY hisy aretina intsony, tsy hisy fahafatesana intsony! Ny fandrenesan’ny ankamaroan’ny olona izany dia mety ho zavatra tsy dia manao ahoana fa faniriana fotsiny. Rehefa dinihina tokoa, araka ny nosoratan’i Wade W. Olivier, dokotera sady profesora manam-pahaizana momba ny bakteriolojia, dia hoe: “Nanomboka hatrany amin’ny tantara voasoratra voalohany indrindra, ny aretina dia namolavola ny fiafaran’ny taranak’olombelona tamin’ny fomba tsy hay lazaina (...) Niantonta tamin’ny olombelona tamin’ny hafainganam-pandeha mahatahotra ireo areti-mandringana lehibe (...) Manjohy azy foana ny aretina hatramin’izay.”
Moa ve misy antony tokony hinoana fa efa akaiky ny fiovana goavana iray? Moa ve ny siansa ara-pitsaboana efa madiva hanafoana ny aretina rehetra, ary angamba ny fahafatesana mihitsy aza?
Tsy azo iadian-kevitra fa nahavita asa niavaka teo amin’ny fiadiana tamin’ny aretina ireo mpitsabo sy mpanao fikarohana. Inona no misakana ny olona mahafanta-javatra tsy ho velom-pankasitrahana noho ny fitsaboana kôlerà nahomby izay vita tamin’ny farany, rehefa nanatona ny faran’ny taonjato faha-19, na ny vao nahitana ny fanefitry ny nendra nahatsiravina? Io vaksiny io, tamin’ny 1796, dia vao hitan’i Edward Jenner avy tamina nendran’omby iray tsy dia mahafaty. Tamin’ny 1806, i Thomas Jefferson, prezidàn’i Etazonia dia naneho ny fihetseham-pon’ny maro be hafa rehefa nanoratra toy izao ho an’i Jenner: “Ny anao no volavolankevitra mitondra fampiononana, ka tsy ho hain’ny taranak’olombelona hadinoina na oviana na oviana fa nisy ianao; ho fantatr’ireo firenena mbola ho avy amin’ny alalan’ny tantara fotsiny fa efa nisy ny nendra naharikoriko.”
Ankoatra izany, ny fahombiazan’ny fikarohana ara-pitsaboana mifandray amin’ny aretina toy ny difteria sy ny lefakozatra dia tsy maintsy marihina amim-pankasitrahana sy fisaorana koa. Ary misy olom-bitsy amin’izao andro izao tsy manana aretina na inona na inona nefa midera ny fandrosoana natao vao haingana kokoa eo amin’ny fitsaboana aretim-po sy homamiadana. Na dia eo aza izany, dia mbola eo an-dalam-pahafatesana noho ny aretim-po sy ny homamiadana ihany ny olona. Niharihary ho tsy azo tratrarina mihitsy ny zava-kendrena, dia ny fanafoanana ny aretina sy ny rofy rehetra.
Ireo aretina “vaovao”
Mifanohitra amin’izany, fa ny vanim-potoana ankehitriny izay nahita ny fiavian’ny fitarafana CAT sy ny fandidiana ho fanarenana, dia nahita koa ny fahaterahan’ireo aretina “vaovao” miroborobo, toy ny aretin’ny “légionnaire” sy ny fisehoan’aretina azo avy amin’ny fanapoizinana ary ilay malaza ho mamono be indrindra antsoina hoe SIDA.
Ekena fa maro be no manontany tokoa hoe ahoana no maha-vaovao ireny aretina ireny. Manazava ny lahatsoratra iray ao amin’ny U.S.News & World Report fa amin’ny toe-javatra sasany, ireo aretina namely hatramin’ny ela dia fantatra mazava kokoa fotsiny ary nomena anarana vaovao. Ny aretin’ny “légionnaire”, ohatra, dia fantatra voalohany tamin’ny 1976, nefa nety ho noheverina tamin’ny fomba diso ho pnemônia “virale” izy io teo aloha. Mitovy amin’izany koa, ny fisehoan’aretina azo avy amin’ny fanapoizinana izay nety ho noheverina tamin’ny fomba diso ho “scarlatine” teo aloha.
Na dia izany aza, dia misy aretina vitsivitsy toa azo antoka fa vaovao. Tsy isalasalana fa ny SIDA no fantatra indrindra amin’izy ireny. Fantatra voalohany ary nomena anarana io aretina manimba sady mahafaty io tamin’ny 1981. Ny aretina “vaovao” hafa iray tsy fantatra loatra dia ny “fièvre purpurique” breziliana (fanaviana miteraka lotsidra ao ambany soson-koditra, miloko volomparasy). Hita tany Brezila izy io tamin’ny 1984, ary notombanana ho 50 isan-jato ny taha-pahafatesana nentiny.
Tsy misy fitsaboana fantatra
Noho izany, na dia eo aza ny fiezahana tsara indrindra ataon’ny olombelona, dia tsy misy na aiza na aiza fitsaboana feno sady maharitra ireo aretina manjo ny olombelona. Marina fa ny antsalan’ny halavan’ny androm-piainan’ny olombelona dia nisy fitomboany teo amin’ny 25 taona nanomboka tamin’ny taona 1900. Nefa io fiovana io dia vokatry ny teknikam-pitsaboana nampihena izay mety ho fahafatesana mandritra ny maha-zaza menavava na ny fahazazana indrindra. Ny faharetan’ny fiainan’ny olombelona amin’ny ankapobeny dia mijanona eo akaikin’ny “enimpolo taona miampy folo”, voalazan’ny Baiboly. — Salamo 90:10, Dikantenin’ny mpanjaka Jacques.
Navoaka tamin’ny vaovao ary ny fahafatesan’i Anna Williams tamin’ny Desambra 1987 teo amin’ ny faha-114 taonany. Raha nilaza ny heviny ny amin’ny nahafatesan-dramatoa Williams ny mpanao gazety iray dia nanoratra hoe: “Mihevitra ny mpahay siansa fa 115 ka hatramin’ny 120 taona no azo inoana ho ny fetra ambony eo amin’ny fahelavelon’ny olombelona. Nefa nahoana no tokony ho izany? Nahoana no maty ny tenan’ny olombelona rehefa afaka 70 na 80 na 115 taona aza?”
Tao anatin’ireo taona 1960, dia nahita ireo mpahay siansa ara-pitsaboana fa toa tsy manana fahafahana hizarazara afa-tsy eo amin’ny in-50 eo monja ny selan’ny olombelona. Raha vao tratra io fetra io, dia hita fa tsy misy zavatra azo atao hitanana ny sela mba ho velona. Izany dia fironana hanohitra ny te6rian’ny mpahay siansa taloha kokoa, izay milaza fa afaka ny ho velona mandritra ny fotoana tsy voafetra ny selan’ny olombelona raha omena toe-piainana araka ny tokony ho izy.
Hevero izany miaraka amin’ny fahatakarana fa betsaka ny fijalian’ny olombelona no avy amin’ny ataon’ny olona ihany, araka ny fanatsoahan-kevitry ny mpanao fikarohana iray tamim-pahatakaran-kevitra hoe: “Tsy resy tamin’ny alalan’ny fandinihana momba ny siansa ara-pitsaboana fotsiny ireo aretina. Ny tantaran’ny aretina dia mifamatotra indrindra amin’ny antony ara-tsôsialy sy ara-pitondrantena.”
Nanao fanamarihana toy izao ny Fandaminana iraisam-pirenena momba ny fahasalamana: “Nampahory ny tenantsika isika tamin’ny finoana fa hahita fitsaboana ny siansa sy ny mpitsabo ary ny hôpitaly, fa tsy mba nisoroka nialoha kosa ny tena antony mahatonga aretina aloha voalohany indrindra. Mazava ho azy fa tsy afaka manao izany isika raha tsy misy ireo toeram-pikarakarana ara-pitsaboana izay tena mamonjy aina tokoa, nefa aoka ho takatsika fa tsy manampy ny ‘fahasalamantsika’ izy ireny, manakana antsika tsy ho faty no ataony. (...) Ny fitaomana hanimba tena eo amin’ny mpifoka sy ny mpisotro ary ny fiantraikan’ny tsy fananana asa eo amin’ny saina sy ny vatana: ireo dia sasantsasany amin’ny ‘aretina vaovao’. Nahoana isika no mamela ny hisian’ny ‘lalana ho an’ny areti-mandringana mampidi-doza’ izay mandroba aina sy mandritra ny tahirim-bolantsika?”
Mbola hahita rofy, aretina, fahoriana, ary fahafatesana isika, araka izany. Nefa manana antony hanantenana amim-patokiana isika fa ho avy ny fotoana tsy hisian’ny aretina na ny fahafatesana intsony. Ankoatra ny zavatra rehetra, dia tena misy antony tokony hinoana fa efa antomotra io fotoana io.
[Efajoro, pejy 4]
IREO ‘ARETIN’I EGYPTA’
Ny tsy nahombiazan’ny olombelona teo amin’ny ady natao tamin’ny aretina hatramin’ny taloha ela be dia resahina na dia ao amin’ny Baiboly aza. I Mosesy, ohatra, dia nanisy firesahana mahaliana ny amin’ny “aretin-dratsin’i Egypta [rehetra, MN].” — Deoteronomia 7:15.
Izany dia toa nahafaoka ny “éléphantiasis” (aretina mahatonga ny hoditra ho marokoroko), ny fivalanan-dra, ny nendra, ny pesta, ary ny areti-maso. Nierendoza tamin’ny aretina toy izany ny firenen’i Mosesy tamin’ny ankapobeny, noho ny fandrosoana teo amin’ny fitandremam-pahasalamana nasain’ny faneken’ny Lalàna narahin’izy ireo.
Ny fandinihana tamim-pitandremana ireo faty nohamainina voatahiry any Egypta anefa dia niafara tamin’ny fahafantarana ‘aretin’i Egypta’ maro be hafa. Anisan’izany ny aretin’ny tonontaolana, ny fahavoazan’ny taolan-damosina, ny aretin’ny nify sy ny valanorano, ny aretin’ny kambon-tsinay, ary ny godro. Ny zavatra vita an-tsoratra momba ny fitsaboana iray tamin’ny taonjato teo aloha, fantatra ho ny Ebers Papyrus aza, dia miresaka ny amin’ny aretina toy ny fivontosana, ny aretin’ny vavony sy ny aty, diabeta, habokana, areti-maso, ary tsy fandrenesana.
Nanao izay ho afany ireo mpitsabo egyptiana fahiny mba hiadiana tamin’ireo aretina ireo, ary ny sasany dia nanjary nandalim-pahaizana mihitsy teo amin’ny lafin’ny fitsaboana nisy azy. Nanoratra toy izao i Herodote, mpanoratra tantara grika: “Feno mpitsabo ilay tany [Egypta]; ny sasany mitsabo areti-maso fotsiny; ny hafa indray mitsabo aretin’ny loha, nify, kibo, na ireo taova ao anaty.” Kanefa, maro be tamin’ireo “fomba fitsaboana” egyptiana no tena fifetsena ara-pivavahana ary tsy ara-tsiansa velively.
Nahita fahombiazana lehibe kokoa ireo mpitsabo amin’ny andro ankehitriny teo amin’ny ady nataony tamin’ny aretina. Mbola nanao izao fanatsoahan-kevitra mandiso fanantenana izao anefa i Jessie Dobson, mpanao fikarohana ara-pitsaboana: “Inona àry raha izany no azo ianarana avy amin’ny fandinihana ireo aretina tamin’ireo taona lasa? Ny fanatsoahan-kevitra faobe avy tamin’ny fandinihana ny porofo dia toa hoe tsy misy maha-samy hafa loatra ireo aretina sy faharariana fahiny ela be amin’izay misy amin’ny andro ankehitriny (...) Toa tsy dia nisy vokany firy teo amin’ny famongorana ny aretina ireo fahaizana sy fiezahana natao tamin’ny fikarohana maharitra.” — Aretina teo amin’ny Ntaolo (anglisy).