Inona no Atao hoe Tahotra Vokatry ny Zavatra Nanjo?
NY MIARAMILA avy any an’ady ihany, taona vitsivitsy lasa izay, no nolazaina fa manjary mararin’ny tahotra vokatry ny zavatra nanjo azy. Tsy izany intsony anefa ankehitriny. Tsy voatery ho miaramila taloha ianao vao hatahotra noho ny zavatra nanjo anao. Mety ho voan’izany ianao, raha nandalo zavatra nampahatahotra fotsiny.
Mety ho samy hafa be toy ny ady, na fanandramana hametaveta, na lozam-piarakodia ilay zavatra nodiavinao. Izao no nilazan’ny Foibe Amerikanina miady amin’io aretina io azy: “Tsy maintsy nandalo zavatra nampahatahotra be ilay olona, vao hararin’ny tahotra vokatry ny zavatra nanjo azy.” Io zavatra nodiaviny io koa dia “tsy maintsy nisy ratra na fanafihana ARA-BATANA, na fandrahonana hanao izany.”
Hoy i Jane, voatonona tao amin’ilay lahatsoratra teo aloha: “Fantatro tatỳ aoriana fa manjary misy hormonina mitombo be, noho ny tahotra nanaitra tampoka, ary ireo hormonina ireo no mahatonga ny vatanao ho toy ny vonona hiatrika loza foana. Tokony hiverina amin’ny laoniny ny fatran’izy ireo rehefa dify ilay loza, saingy tsy mety midina kosa izy io, raha mararin’ny tahotra vokatry ny zavatra nanjo anao ianao.” Efa lasa ilay zava-nitranga, nefa toa tsy mety miala ao an-tsain’i Jane ny tahotra mafy tsapany tamin’izay, tsy misy hafa amin’ny mpanofa trano efa roahina nefa miziriziry eo ihany.
Tsara ny mahatakatra hoe tsy irery ianao, raha avy nandia zavatra nampahatahotra, ka mahita voka-dratsy toy ireo, aorian’ilay izy. Hazavain’i Linda Ledray ao amin’ny bokiny momba ny fametavetana fa “vokatra ara-dalàna eo amin’ny olona salama nandia toe-javatra mampahatahotra be tsy azo nofehezina” ny tahotra vokatry ny zavatra nanjo.
Tsy midika anefa izany hoe harary toy izany daholo izay nandalo toe-javatra nampahatahotra. Hoy i Ledray: “Hita tamin’ny fanadihadiana tamin’ny 1992 fa 94 isan-jaton’ireo avy novetavetaina nadinadinina no nahitana soritr’io aretina io, herinandro taorian’ilay zava-nitranga. Nihena ho 47 isan-jato kosa izany rehefa afaka telo volana. Ny antsasak’ireo vehivavy nandalo tao amin’ny Sampan-draharaha Momba ny Fametavetana tany Minneapolis tamin’ny 1993 no nahitana ny soritr’ilay aretina, herintaona taorian’ilay fametavetana.”
Hita, araka izany, fa mitranga matetika tsy araka ny eritreretin’ny olona ny tahotra vokatry ny zavatra nanjo. Voan’izy io koa ny karazan’olona rehetra, arakaraka ny zava-nitranga taminy. Izao no nolazain’i Alexander McFarlane sy Lars Weisaeth, mpanoratra: “Hita tamin’ny fikarohana natao vao haingana fa mitranga matetika amin’ny sivily mandritra ny fotoana tsy isian’ny ady ny toe-javatra mampahatahotra. Voan’izy io koa ny miaramila sy ireo niharan-doza tamin’ny ady, ary maro tamin’ireo tsy maty an’ady no mararin’ny tahotra vokatry ny zavatra nanjo azy.” Misy olona voan’io aretina io koa noho ny fitsaboana arahiny sy ny fihetsehan’ny aretim-po.
“Nanjary aretina fahita izy io”, hoy ireo mpanoratra tetsy ambony. Hoy koa izy ireo: “Hita tamin’ny fanadihadiana natao tamin’ny zatovo amerikanina 1 245 fa ny 23 isan-jaton’izy ireo no nampiharana herisetra na novetavetaina, na nahita herisetra natao tamin’olon-kafa. Ny iray tao anatin’ny dimy tamin’izy ireo no mararin’ny tahotra vokatry ny zavatra nanjo azy. Toa milaza izany fa zatovo amerikanina 1,07 tapitrisa izao no voan’io aretina io.”
Toa midika io antontan’isa io fa zatovo maro no voan’io aretina io any amin’ny tany iray monja! Inona no azo atao ho azy ireny sy ireo an-tapitrisa marary toa azy maneran-tany?
Inona no azo atao?
Ireto misy soso-kevitra, raha inoanao fa mararin’ny tahotra vokatry ny zavatra nanjo ianao na ny olom-pantatrao.
Manaova zavatra ara-panahy foana. “Nanatrika fivoriana tany amin’ny Efitrano Fanjakana foana aho”, hoy i Jane. “Na dia tsy afaka nifantoka tsara aza aho, dia fantatro fa ao no tian’i Jehovah Andriamanitra hisy ahy. Tena tia ahy sy nampahery ahy ny fiangonana. Tena nilaiko ny fitiavana sy ny fiahiana naseho tamiko, nandritra ny fijaliako.” Hoy koa i Jane: “Nanampy ahy koa ny famakiana ny salamo. Toy ny vavaka natao ho ahy ny vavak’ireo niharam-panenjehana. Nilaza fotsiny aho hoe ‘Amena’, rehefa tsy hitako izay holazaina tamin’ny vavaka.”
Aza misalasala mampahery an’ilay marary. Tadidio fa tsy mora taitra loatra na manao fanahy iniana ho sarotsarotiny akory ilay havan-tianao miady amin’ny fahatsiarovana zavatra nampahatahotra. Mety tsy hiova arakaraka ny fiezahanao hanampy azy avy hatrany izy, satria mbola tsy mahatsapa na inona na inona izy, na manahy, na tezitra. Aza kivy anefa! Milaza tokoa ny Baiboly fa “izay tena sakaiza tokoa dia tia amin’ny andro rehetra, sady miseho ho rahalahy hamonjy amin’ny fahoriana.”—Ohabolana 17:17.
Tokony ho fantatr’ilay marary sy hohalaviriny ireo fomba ratsy heveriny fa hiadiana amin’ilay aretina, nefa mitondra zava-manahirana hafa. Anisan’izany ny fampiasana zava-mahadomelina na ny fisotroana toaka be loatra. Vetivety dia manaratsy ny tarehin-javatra izy ireny, na dia toa manamaivana ny aretina aza. Matetika izy ireny no mahatonga an’ilay olona hitokantokana, handa an’ireo maniry hanampy, hiasa tafahoatra, tsy hahafehy fahatezerana, tsy hifehy mihitsy na hifehy loatra ny sakafo haniny, na hanana fihetsika hafa manimba ny tenany.
Manatòna mpitsabo mahay. Mety ho tsy tahotra vokatry ny zavatra nanjo azy no mahavoa an’ilay olona. Misy fitsaboana koa anefa, raha tena voan’izany izy.a Lazao amin’ilay mpitsabo ny zava-drehetra, ary mangataha fanampiana mba handresena an’ireo fihetsika voatonona etsy ambony ireo.
Tadidio izao: Ny ratra ara-batana no sitrana voalohany, saingy ny olona mararin’ny tahotra vokatry ny zavatra nanjo azy kosa dia mety haratra amin’ny lafiny samihafa, na ara-batana, na ara-tsaina, na ara-panahy. Horesahin’ilay lahatsoratra manaraka ny fomba hafa ahazoan’ilay marary sy ny manodidina azy mandray anjara amin’ny fitsaboana azy. Hiresaka momba ny fanantenana ho an’ireo mararin’ny tahotra vokatry ny zavatra nanjo azy koa izy io.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Tsy manasongadina, na manome soso-kevitra momba ny fitsaboana tokony harahina ny Vavolombelon’i Jehovah, na fitsaboana tsotra izany, na fitsaboana ara-tsaina.
[Efajoro/Sary, pejy 6]
Ireo Soritr’aretina
Toy ny mbola velona ao an-tsain’ilay olona ny zavatra nampahatahotra nanjo azy. Matetika izy no tsy mahafehy na tsy afaka manala izany ao an-tsainy. Ireto avy no mety ho vokatr’izany:
• Fahatsapana fa toa mitranga indray ilay zavatra nampahatahotra
• Nofy ratsy mampahatahotra
• Mora mitsamboatra noho ny tabataba mafy, na ny olona tonga tampoka avy ao aoriana
• Mangovitra sy tsemboka
• Mitempo haingana be ny fo, na tsy avy miaina
• Mikorontana tampoka rehefa misy zavatra hita, na re, na tsapa, na mandre fofona, na tsiron-javatra mampahatsiahy an’ilay zavatra nampahatahotra
• Fanahiana na tahotra, na fahatsapana fa toa mety hiharan-doza indray
• Tsy voafehy ny fihetseham-po, satria toa mahatonga hanahy sy ho tezitra ary hikoropaka tampoka ny fahatsiarovana
• Tsy mahavita mifantoka na mieritreritra tsara
• Tsy mahita tory, na ratsy torimaso
• Taitaitra toy ny hoe hisy loza hitranga foana
• Tsy mahatsapa na inona na inona
• Tsy afaka mamboly fitiavana na mahatsapa fihetseham-po mahery
• Fahatsapana fa toa hafahafa na toa tsy tena izy ny zavatra manodidina
• Tsy liana intsony amin-javatra nahafinaritra taloha
• Tsy mahatadidy tsara ireo tapany lehibe tamin’ilay zavatra nampahatahotra
• Mihevitra fa tsy mifandray intsony amin’ny tontolo manodidina sy ny zava-mitranga
[Sary, pejy 5]
Maro ny fisehoan-javatra mampahatahotra, mety hiteraka an’ilay aretina