“Mety Hiova Amin’izay Izy Izao”
RENY mavitrika sy tsara tarehy i Roxana,a any Amerika Atsimo. Manan-janaka efatra izy ary manambady dokotera mpandidy hajain’olona. “Mahay mifandray tsara amin’ny lehilahy sy ny vehivavy rehetra ny vadiko”, hoy izy. Manana toetra ratsy anefa ny vadin’i Roxana, ary tsy misy mahita izany, na dia ny naman’izy ireo akaiky aza. “Bibidia izy rehefa ao an-trano, satria tena saro-piaro be.”
Feno fanahiana ny tarehin’i Roxana, rehefa nanohy ny tantarany izy. “Vao herinandro vitsivitsy nivadiana izahay, rehefa nanomboka ilay zava-manahirana. Namangy anay ny anadahiko sy ny reniko, ary faly erỳ aho niresaka sy nihomehy niaraka tamin’izy ireo. Natosiky ny vadiko mafy hianjera teo ambonin’ny seza anefa aho, rehefa lasa izy ireo, satria tezitra mafy izy. Tsy nampino ahy ny zava-nitranga.”
Indrisy fa vao fiandohan’ny fahorian’i Roxana fotsiny izany, satria namono azy matetika ny vadiny, rehefa nandeha ny taona. Toa tsy miova mihitsy ny zava-mitranga fa ny eo ihany no eo. Mamono an’i Roxana izy, ary avy eo dia miala tsiny mafy ary mampanantena fa tsy hanao intsony. Nihatsara kely indray ny toetrany, ary avy eo dia miverina indray ilay toetram-biby teo. “Nieritreritra foana aho hoe mety hiova amin’izay izy izao”, hoy i Roxana. “Nody tany aminy ihany aho, na dia nisintaka aza.”
Matahotra i Roxana sao dia ho tafahoatra ny herisetran’ny vadiny, indray andro any. “Efa nilaza izy fa hovonoiny ho faty izaho sy ny ankizy ary avy eo dia hamono tena izy”, hoy i Roxana. “Nambanany hety teo amin’ny tendako aho, indray mandeha. Nambanany basy koa teo amin’ny sofiko indray mandeha, ary tena nopihiny ilay izy! Soa ihany fa tsy nisy bala ilay izy. Efa saika matin’ny tahotra anefa aho.”
Mitohy ny fanginana
An-tapitrisany maro ny vehivavy eran-tany ampijalin’ny lehilahy.b Tsy mitantara ny fahoriany anefa ny maro amin’izy ireny. Heveriny fa tsy hisy dikany ny hanaovana izany. Misy lehilahy mamono vady tokoa mandà ny fiampangana azy, ka milaza fotsiny hoe “kizitina ny vadiko”, na hoe “manita-dresaka fotsiny izy.”
Mampalahelo fa vehivavy maro no tena matahotra foana ny hisy hamono ao an-tranony, dia ilay toerana tokony tsy hananany ahiahy. Matetika anefa no ilay mpamono indray no angorahana, fa tsy ilay voavono. Maro tokoa no tsy mety mino hoe mamono ny vadiny ny lehilahy iray toa olom-pirenena mahafatra-po. Notantarain’i Anita, ohatra, fa namono azy ny vadiny, izay olona mendri-kaja tokoa. “Izao no nolazain’ny namanay iray: ‘Ahoana no ahafahanao miampanga lehilahy mahafinaritra toa azy?’ Nisy namanay hafa nilaza fa mety ho izaho no manao izay hahatezitra ny vadiko! Nanjary nihatakataka tamiko mihitsy ny namako sasany, na dia efa hita aza ny zava-dratsy nataon’ny vadiko! Mino izy ireo fa tokony ho nandefitra aho, satria ‘izany no toetran’ny lehilahy.’”
Sarotra amin’ny maro ny manaiky ny zava-misy momba ny lehilahy mamono vady, araka ny tantaran’i Anita. Inona no mahatonga ny lehilahy tsy hifaditrovana toy izany amin’ny vehivavy lazainy fa tiany? Ahoana no anampiana ireo vonoin’ny vadiny?
[Fanamarihana ambany pejy]
a Novana ny anarana ato amin’ity andian-dahatsoratra ity.
b Ekenay fa maro koa ny lehilahy vonoin’ny vadiny. Ny vehivavy anefa no azo inoana fa betsaka maratra sy voa mafy kokoa, araka ny fanadihadiana. Noho izany, dia ny vehivavy no horesahin’ireto lahatsoratra ireto ho iharan’ny herisetra.
[Efajoro/Sary, pejy 4]
Endriny Maro Amin’ny Herisetra An-tokantrano
Izao avy no anisan’ny “herisetra atao amin’ny vehivavy”, araka ny Fanambaran’ny Firenena Mikambana Momba ny Fanafoanana ny Herisetra Atao Amin’ny Vehivavy: “Izay herisetra rehetra atao aminy, ka miteraka, na mety hiteraka, fahavoazana ara-batana, na ara-pananahana, na ara-tsaina ho an’ilay vehivavy. Anisan’izany ny fandrahonana hanao herisetra, ny fanerena azy, na ny fanafoanana tsotra izao ny fahafahany, na hitan’ny olona izany, na miafina.” Anisan’io herisetra io ny “herisetra ara-batana sy momba ny firaisana ary ara-tsaina, mitranga ao anatin’ny fianakaviana sy eo amin’ny fiaraha-monina, toy ny famonoana, fametavetana ankizivavy, herisetra mifandray amin’ny haren-jazavavy, faneren’ny vady hanao firaisana, famorana vehivavy, na fomban-drazana hafa manimba ny vehivavy.”