Nahoana ny Lehilahy no Mamono ny Vadiny?
MISY manam-pahaizana milaza fa ny vadiny no azo inoana kokoa hamono hahafaty ny vehivavy, noho ireo mpamono olona samy hafa rehetra atambatra. Nisy fikarohana maro natao, mba hanafoanana ny famonoana vady. Karazan-dehilahy manao ahoana no mamono vady? Nanao ahoana ny fahazazany? Nahery setra ve izy talohan’ny fanambadiana? Ahoana no fandraisany ny fitsaboana azy?
Hitan’ny manam-pahaizana fa tsy mitovy daholo ny mpamono vady. Ny malefaka indrindra aminy dia ireo mahery setra tsindraindray fotsiny. Tsy mampiasa fitaovam-piadiana izy, ary mbola tsy namono vady mihitsy. Tsy toetrany mihitsy ny mamono vady, fa mety ho zavatra avy atỳ ivelany no nanosika azy hanao izany. Ny mahery setra indrindra kosa, dia ny efa tena mpamono vady mihitsy. Mitohy ilay zavatra ataony, ary toa zara raha manenina, na tsy manenina mihitsy, izy.
Tsy misy famonoana vady azo lazaina hoe tsy mampaninona anefa, na dia samy hafa aza ireo mpamono vady. Tena mety handratra, na hahafaty mihitsy, rehefa mety ho karazana herisetra ara-batana. Noho izany, dia tsy misy famonoana vady azo leferina, na dia mahalana kokoa na malefaka kokoa aza ny ataon’ilay lehilahy. Tsy misy mihitsy izany famonoana vady “azo leferina” izany. Inona avy anefa no antony mahatonga ny lehilahy hamono ny vadiny izay nanaovany voady hotiavina mandra-pahafatiny?
Ohatry ny ray aman-dreny
Maro amin’ireo lehilahy mpamono vady no tao anatin’ny fianakaviana mahery setra. “Nobeazina tao anatin’ny ‘ady’ ny ankamaroan’ireo mpamono vady”, hoy i Michael Groetsch, efa nanao fikarohana momba ny mpamono vady, nandritra ny 20 taona mahery. “Efa ‘nahazatra’ azy ireo tamin’izy mbola zaza sy ankizy ny fandratrana fihetseham-po sy ny herisetra.” Ny lehilahy notezaina tao anatin’izany rivo-piainana izany, hoy ny manam-pahaizana iray, “dia mety hanahaka ny fitondran-drainy ny vehivavy, raha mbola kely izy. Ianaran’ilay zazalahy fa tsy maintsy mifehy ny vehivavy foana ny lehilahy, ary ny fampitahorana, na ny fandratrana, na fanambaniana azy no fomba anaovana izany. Ianarany amin’izay koa fa ny fanaovana izay ataon-drainy ihany no hany fomba ahazoany sitraka amin-drainy.”
Asehon’ny Baiboly mazava fa mety ho mora manahaka ny toetran’ny ray aman-dreniny ny ankizy, na tsara izany na ratsy. (Ohabolana 22:6; Kolosiana 3:21) Mazava ho azy fa tsy azo atao fialana mba hamonoana vady akory ny ohatry ny ray aman-dreny. Manampy anefa izany mba hanazavana ny nipoiran’ny toetra mahery setra.
Herin’ny kolontsaina
Misy firenena mihevitra fa azo ekena sy ara-dalàna mihitsy ny famonoana vady. “Maro ny fitambaran’olona mino mafy fa zon’ny lehilahy ny mamono sy mandrahona ny vadiny”, hoy ny tatitry ny Firenena Mikambana.
Mbola mahery setra koa anefa ny olona maro, na dia tsy mihevitra izany ho azo ekena aza ny fireneny. Manafintohina ny eritreritry ny lehilahy sasany, satria tsy misaina lavitra. Miresaka ny fanadihadiana natao tany Le Cap ny gazety iray atsy Afrika Atsimo. Tantarainy fa heverin’ny ankamaroan’ny lehilahy mamono vady fa azo atao ny mamely tehamaina na totohondry ny vehivavy, ary tsy herisetra izany.
Mazava ho azy fa nanomboka tamin’ny fahazazana izany hevi-diso izany. Hita tamin’ny fikarohana iray natao tany Grande-Bretagne, ohatra, fa ny 75 isan-jaton’ny ankizilahy 11 sy 12 taona no mihevitra fa azon’ny lehilahy atao ny mamono vehivavy raha mahatezitra azy ilay vehivavy.
Tsy azo ekena ny famonoana
Mety hanampy mba hanazavana ny anton’ny famonoana vady ireo anton-javatra voalaza ireo, kanefa tsy manala tsiny izany kosa. Tena fahotana lehibe eo imason’Andriamanitra anefa ny famonoana vady. Izao no lazain’ny Baiboly, Teniny: “Ny lehilahy [dia] tokony ho tia ny vadiny tahaka ny tenany ihany. Izay tia ny vadiny dia tia ny tenany. Fa tsy mba nisy olona tsy tia ny nofony, fa mamelona sy mitaiza azy, dia tahaka an’i Kristy amin’ny fiangonana.”—Efesiana 5:28, 29.
Efa ela ny Baiboly no nilaza fa ‘tsy hanam-pitiavana’ sy ho “lozabe” ny olona amin’ny andro faran’ity tontolo ity. (2 Timoty 3:1-3) Mihabetsaka izao ny olona mamono vady, ka miharihary fa tena miaina amin’ny fotoana voalazan’io faminaniana io isika. Inona anefa no azo atao mba hanampiana ireo vehivavy vonoin’ny vadiny? Mety hiova ve ireo mpamono vady?
[Teny notsongaina, pejy 5]
“Samy jiolahy ny olona mamely totohondry olona tsy fantany sy ny lehilahy mamono vady.”—Lehilahy Mamono Vady (anglisy)
[Efajoro, pejy 6]
Zava-manahirana Eran-tany ny Herisetra An-tokantrano
Misy eran-tany ny lehilahy miavonavona sy mampihatra herisetra amin’ny vehivavy, araka ny asehon’ireto tatitra ireto:
Ejipta: Hita tamin’ny fikarohana nandritra ny telo volana natao tany Aleksandria fa ny herisetra an-tokantrano no antony voalohany mampaharatra ny vehivavy. Ny 27,9 isan-jaton’ireo tonga any amin’ny dispansera no toy izany.—Famintinana No. 5 ny Zaikabe Iraisam-pirenena Fahefatra Momba ny Vehivavy.
Tailandy: Ny antsasaky ny vehivavy manambady any amin’ny tanàna lehibe indrindra manamorona an’i Bangkok no vonoin’ny vadiny foana.—Ivon-toeran’i Pasifika Momba ny Fahasalaman’ny Vehivavy.
Hong Kong: “Nitombo 40 isan-jato ny isan’ireo vehivavy milaza ho novonoin’ny vadiny, tamin’ny taona lasa teo.”—South China Morning Post, 21 Jolay 2001.
Japon: Nisy 4 843 ny vehivavy nanatona ny trano ho an’ny olona mila fiarovana, tamin’ny 1995, ary lasa 6 340 izany, tamin’ny 1998. “Ny ampahatelony teo ho eo no nilaza fa mandeha mankany izy ireo, satria mahery setra ny vadiny.”—The Japan Times, 10 Septambra 2000.
Grande-Bretagne: “Misy fametavetana, fikapohana, fanindronana antsy mitranga isaky ny enina segondra eo ho eo eto Grande-Bretagne.” Araka ny tatitry ny polisy anglisy, dia “maharay antso 1 300 isan’andro avy amin’ireo niharan’ny herisetra an-tokantrano ny polisy, izany hoe maherin’ny 570 000 isan-taona. Vehivavy novonoin’ny vadiny ny 81 isan-jaton’ireo.”—Ny Fotoana, 25 Oktobra 2000.
Peroa: Famonoana vady ny 70 isan-jaton’ireo heloka bevava rehetra notaterina tany amin’ny polisy.—Ivon-toeran’i Pasifika Momba ny Fahasalaman’ny Vehivavy.
Rosia: “Nisy vehivavy rosianina 14 500 maty novonoin’ny vadiny indray taona izay, ary nisy 56 400 hafa nanjary kilemaina, na naratra mafy.”—Ilay Mpiambina (anglisy).
Chine: “Olana vaovao io. Mitombo haingana izy io, indrindra fa any an-tanàn-dehibe”, hoy ny Profesora Chen Yiyun, mpitantana fikambanana iray mikarakara ny fianakaviana. “Tsy mahasakana ny herisetra an-tokantrano intsony ny tahotra ny mpiara-monina.”—Ilay Mpiambina.
Nikaragoay: “Mitombo be ny herisetra atao amin’ny vehivavy any Nikaragoay. Milaza ny fikarohana iray fa 52 isan-jaton’ny vehivavy any no nampiharan’ny vadiny herisetra, tamin’ny herintaona fotsiny.”—Vaovaon’ny BBC.
[Efajoro, pejy 7]
Inona avy no Mety Hahatonga Izany?
Ireto avy no mety hahatonga ny herisetra ara-batana sy ara-pihetseham-po ao an-tokantrano, araka ny fikarohana notarihin’i Richard Gelles, avy any amin’ny Oniversiten’i Rhode Island, Etazonia:
1. Efa mahery setra ao an-tokantranony ilay lehilahy.
2. Tsy an’asa izy.
3. Mampiasa zava-mahadomelina izy, fara fahakeliny, indray mandeha isan-taona.
4. Hitany namono ny reniny ny rainy.
5. Tsy mpivady ara-dalàna izy mivady fa manao tokantranomaso.
6. Kely karama ilay lehilahy, raha miasa.
7. Tsy nahatody hatrany amin’ny lise izy.
8. Eo anelanelan’ny 18-30 taona izy.
9. Mahery setra amin’ny ankizy ao an-trano ny iray amin’izy mivady, na izy mivady mihitsy.
10. Kely loatra ny fidiram-bolan’izy ireo.
11. Samy hafa ny kolontsaina nitaizana azy mivady.
[Sary, pejy 7]
Mety hisy fiantraikany be eo amin’ny ankizy ny herisetra an-tokantrano