Ampio ny Vehivavy Vonoin’ny Vadiny
INONA no azo anampiana ny vehivavy vonoin’ny vadiny? Tsy maintsy takatra tsara ny zavatra lalovan’izy ireny, voalohany indrindra. Matetika no tsy ara-batana fotsiny ny vokatry ny herisetra an-tokantrano. Mahatsiaro ho tsy misy vidiny sy tsy afa-manoatra koa ilay vehivavy, satria nanaovana rahom-bava sy fampitahorana.
Hevero i Roxana, noresahina tao amin’ilay lahatsoratra voalohany. Ataon’ny vadiny fitaovam-piadiana, indraindray, ny teny. “ Manambany ahy izy”, hoy i Roxana. “Hoy izy hoe: ‘Olona zara raha nianatra io ianao, ka ahoana no hikarakaranao ny ankizy raha tsy eo aho? Kamo sady tsy misy ilana anao ianao. Dia mba eritreretinao ve fa havelan’ny fanjakana hitaiza ny ankizy ianao, raha misaraka amiko?’”
Ny vadin’i Roxana no mitantam-bola sy manara-maso akaiky ny fampiasana izany, mba hifehezana azy. Tsy avelan’ny vadiny hampiasa ny fiara i Roxana, ary antsoiny an-telefaonina matetika any an-trano mba hamantarana izay ataony. Tezitra be ny vadin’i Roxana, raha vao mba milaza ny heviny izy. Nianatra tsy nilaza ny heviny mihitsy àry i Roxana.
Raharaha tsy azo tsotsorina, araka izany, ny famonoana vady. Mihainoa amim-pangorahana, mba hampaherezana an’ilay vehivavy. Tadidio fa tsy mora aminy ny mitantara ny zava-manjo azy. Ny hampaherezana azy no zava-kendrenao, fa izy kosa no hiatrika ilay tarehin-javatra, araka izay mety aminy.
Misy vehivavy vonoin’ny vadiny mitady fanampiana amin’ny fanjakana. Mety ho tonga saina ny lehilahy mpamono vady ka hahita fa tena lehibe ilay zava-mitranga, rehefa mipoaka ilay raharaha, toy ny rehefa misalovana ny polisy. Mampalahelo anefa fa mihalefy ilay faniriana hiova, rehefa dify io fipoahan’ilay raharaha io.
Tokony hisintaka ve ilay vehivavy? Fanapahan-kevitra lehibe izany, araka ny Baiboly. Tsy manery ny vehivavy vonoin’ny vadiny hijanona koa anefa izy io, raha mety hanimba ny fahasalamany sy mety haningotra ny ainy mihitsy izany. Hoy i Paoly, apostoly kristianina: “Raha misy efa niala, dia aoka hitoetra tsy manam-bady, na aoka hody amin’ny lahy.” (1 Korintiana 7:10-16) Tsy mandrara ny fisintahana ny Baiboly, raha efa tafahoatra ilay zava-mitranga. Noho izany, dia anjaran’ilay vehivavy manokana ny manapa-kevitra. (Galatiana 6:5) Tsy tokony hisy hampirisika azy hisintaka, sady tsy misy tokony hanery azy hijanona amin’ny vadiny, raha mety hampidi-doza ny fahasalamany sy ny ainy ary ny ara-panahiny izany.
Mety hiova ve ny mpamono vady?
Fandikana tsotra izao ny fitsipiky ny Baiboly ny famonoana vady. Izao no lazain’ny Efesiana 4:29, 31: “Aoka tsy haloaky ny vavanareo izay teny maloto ... Esory aminareo ny fo-lentika rehetra sy ny fahavinirana sy ny fahatezerana sy ny fitabatabana sy ny fitenenan-dratsy ary ny lolompo rehetra.”
Tsy afaka hiteny hoe tia ny vadiny ny lehilahy milaza ho mpanara-dia an’i Kristy, raha mamono an’io vadiny io. Hisy dikany inona moa ny asany tsara hafa rehetra, raha mamono ny vadiny izy? Tsy mahafeno fepetra hahazo tombontsoa manokana ao amin’ny fiangonana kristianina ny “mpikapoka.” (1 Timoty 3:3; 1 Korintiana 13:1-3) Azo roahina tsy ho anisan’ny fiangonana kristianina tokoa izay milaza ho Kristianina, kanefa manapoaka fahatezerana foana, sady tsy mibebaka.—Galatiana 5:19-21; 2 Jaona 9, 10.
Mety hiova ve ny lehilahy mahery setra? Nisy niova. Matetika anefa izy no tsy hiova, raha tsy 1) miaiky fa tsy mety ny ataony, 2) maniry hiova, ary 3) mitady fanampiana. Hitan’ny Vavolombelon’i Jehovah fa manan-kery lehibe hanova olona ny Baiboly. Maro tamin’ireo olona liana niara-nianatra ny Baiboly tamin’izy ireo no tena nanjary naniry hampifaly an’Andriamanitra. Fantatr’ireny mpianatra ny Baiboly vaovao ireny fa ‘ny mifaly hampidi-doza dia halan’ny fanahin’i Jehovah Andriamanitra.’ (Salamo 11:5) Mazava ho azy fa tsy ampy ny hoe tsy mamono vady intsony, raha maniry hiova ilay olona. Mila mianatra fomba vaovao hitondrana ny vadiny koa izy.
Rehefa mahafantatra an’Andriamanitra ny lehilahy iray, dia mianatra tsy hihevitra ny vadiny ho mpanompo intsony fa ho “vady sahaza”, na mpanampy azy. Tsy hoheveriny ho ambany koa ny vadiny, fa ‘hohajainy.’ (Genesisy 2:18; 1 Petera 3:7) Mianatra mangoraka sy mihaino ny hevitry ny vadiny koa izy. (Genesisy 21:12; Mpitoriteny 4:1) Nanampy mpivady maro ny fianarana Baiboly ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy misy mpanjakazaka, na mpanao jadona, na mpampijaly kely, ao amin’ny fianakaviana kristianina.—Efesiana 5:25, 28, 29.
“Velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra.” (Hebreo 4:12) Afaka manampy ny mpivady handinika sy hahazo herim-po handaminana ny zava-manahirana azy àry ny fahendrena avy ao amin’ny Baiboly. Misy fanantenana azo antoka sy mampahery koa ao amin’ny Baiboly, dia ny hoe tsy hisy intsony ny herisetra, rehefa hitondra ny olombelona mankatò ny Mpanjaka notendren’i Jehovah. Hoy ny Baiboly: “Hamonjy ny mahantra mitaraina izy sy ny ory tsy manan-kamonjy; hanavotra ny fanahiny amin’ny fampahoriana sy ny fanaovana an-keriny izy.”—Salamo 72:12, 14.
[Teny notsongaina, pejy 12]
Tsy misy mpanjakazaka, na mpanao jadona, na mpampijaly kely, ao amin’ny fianakaviana kristianina
[Efajoro, pejy 8]
Fanitsiana Hevi-diso
• Ilay vehivavy no mahatonga ny vadiny hamono azy.
Miala andraikitra ny maro amin’ireo mpamono vady, ary milaza fa ilay vehivavy no manao izay hahatezitra azy. Mety hihevitra mihitsy ny namana fa sarotra entina ilay vehivavy, ka tsy mahagaga raha tsy mahafehy tena ilay lehilahy, indraindray. Ilay voa indray, araka izany hevitra izany, no diso, fa ilay mpamono no marina. Tena miezaka mafy anefa ireo vehivavy vonoin’ny vadiny mba hampitonena ny fahatezeran’ny vadiny. Tsy azo hamarinina mihitsy koa ny famonoana vady, na inona na inona zava-mitranga. Hoy ilay boky hoe Toe-tsain’ny Mpamono Vady (anglisy): “Alefan’ny fitsarana hotsaboina ireo lehilahy mamono ny vadiny, satria nanjary zavatra ilain’ny vatany ny herisetra. Ampiasainy mantsy ny herisetra mba amoahany ny hatezerany sy ny fahaketrahany, hifehezana sy handaminana tsy fifanarahana, ary hampihenana ny fihenjanana. ... Matetika izy no tsy manaiky ny andraikiny, ary tsy mihevitra an’ilay zava-manahirana ho lehibe.”
• Ny toaka no mahatonga ny lehilahy hamono vady.
Marina fa mahery setra kokoa ny lehilahy sasany rehefa nisotrosotro. Ny toaka ve anefa no tena diso? “Ny hamamoany no ataon’ny mpamono vady ho fialana”, hoy i K. Wilson ao amin’ilay bokiny hoe Rehefa Manomboka ao An-trano ny Herisetra (anglisy). Hoy ihany izy: “Toa mora takatry ny olona kokoa ny anton’ilay famonoana vady, raha mamo ilay mpamono. Mety tsy hihevitra ny vadiny ho mpamono ny vehivavy iray voavono, fa mety hihevitra azy ho mpisotro be, na mamo lava kosa.” Manjary manome fanantenana poak’aty an’ilay vehivavy izany, satria heveriny fa “tsy hamono vady intsony ilay lehilahy, raha tsy misotro toaka intsony.”
Heverin’ny mpikaroka maro fa zava-manahirana roa samy hafa ny fisotroana sy ny famonoana vady. Lehilahy mpisotro toaka maro tokoa no tsy mamono vady. Hoy ireo mpanoratra an’ilay boky hoe Lehilahy Mamono Vady: “Mitohy ilay famonoana, satria mahomby mba hifehezana sy hampitahorana ary hangejana an’ilay vehivavy. ... Fanaon’ilay mpamono vady ny miboboka toaka sy midoroka zava-mahadomelina. Diso anefa ilay hevitra hoe ilay zava-mahadomelina no mahatonga azy hamono vady.”
• Mahery setra amin’ny rehetra ilay mpamono vady.
Matetika ilay mpamono vady no tsara fanahy amin’ny hafa. Azo lazaina hoe amboadia mitafy hodi-janak’ondry izy. Izany no mahatonga ny namana sy ny fianakaviana tsy hino hoe mamono vady izy. Ny marina anefa dia hoe ny herisetra no ampiasain’ilay mpamono vady mba hifehezana ny vadiny.
• Tsy manao na inona na inona ilay vehivavy fa miaritra fotsiny.
Angamba mihevitra izany ny olona, satria tsy mahatakatra tsara fa tsy afa-manoatra ilay vehivavy, sady tsy mahita haleha. Mety handray an’ilay vehivavy mandritra ny herinandro na tapa-bolana ny namany, kanefa inona indray no hataony aorian’izay? Mbola hanahirana be ny hitady asa sy hanofa trano sady hitaiza ankizy. Ary mety ho voararan’ny lalàna ny mandositra miaraka amin’ny ankizy. Nisy nanandrana nandositra, kanefa notadiavin’ny vadiny sy nentiny nody, an-keriny, na notambatambazany. Mety hoheverin’ny namana tsy mahatakatra tsara an’ilay tarehin-javatra fa tsy manao na inona na inona ilay vehivavy fa miaritra fotsiny.