FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g01 8/11 p. 16-20
  • Carthage—Tanàna Nampihozongozona An’i Roma

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Carthage—Tanàna Nampihozongozona An’i Roma
  • Mifohaza!—2001
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny fanorenana an’ilay tanàna
  • Ny fiandohan’ny fanjakana lehibe iray
  • Teo ambanin’ny herin’i Bala
  • Samy te ho voalohany
  • Ireo adin’i Carthage
  • “Tsy maintsy ravana i Carthage!”
  • Ilay “Roma Afrikanina”
  • Ny fanaovana sorona zaza: nahoana no maharikoriko tokoa izany?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Fizarana 6: Roma: Herim-panjakana Fahenina
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Nahoana no misy fivavahana lazaina fa kristiana be dia be toy izao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1984
  • Roma
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Mifohaza!—2001
g01 8/11 p. 16-20

Carthage—Tanàna Nampihozongozona An’i Roma

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY FRANTSA

ANY akaikin’i Tunis, renivohitr’i Tonizia, morontsiraka avaratr’i Afrika, no misy ny sisa tavela tamin’i Carthage fahiny. Tsy omen-tsiny ny mpizaha tany raha tsy mahita izany, satria tsy misy zavatra manintona ny saina firy ao. Io toerana io anefa no nisy ny iray tamin’ireo tanàna niavaka indrindra fahiny, dia ilay tanàna saika nandavo an’i Roma natanjaka be. Araka ilay mpahay tantara atao hoe Tite-Live, dia “nitaintaina ny mpanjaka sy ny vahoaka naneran-tany niandry izay ho vokatr’io ady nifanaovan’ny tanàna roa nanankarena indrindra io”, satria izay ho mpandresy tamin’izany no hifehy an’izao tontolo izao.

Ny fanorenana an’ilay tanàna

Nipetraka tany amin’ny toerana tery manamorona ny Morontsirak’i Mediterane ny Fenisianina tamin’ny taonarivo faharoa al.f.i. Nanomboka tany avaratra ka hatrany atsimon’i Liban ankehitriny izany. Tantsambo nahay anefa izy ireo, ka nandeha niankandrefana mba hitady volamena, volafotsy, vy, firapotsy ary firamainty, izay natakalony tamin’ny hazo (toy ny sedera malazan’i Liban), lamba miloko volomparasy, ranomanitra, divay sy laron-tsakafo ary entana hafa.a

Rehefa niankandrefana izy ireo, dia nanorina tanàna nanaraka ny morontsirak’i Afrika, i Sicile, i Sardaigne, ary tany amin’ny faritra atsimon’i Espaina, izay mety ho ilay Tarsisy resahin’ny Baiboly. (1 Mpanjaka 10:22; Ezekiela 27:2, 12) Lazain’ny lovantsofina fa naorina tamin’ny 814 al.f.i. i Carthage, izany hoe 60 taona teo ho eo talohan’i Roma rafiny. Hoy i Serge Lancel, manam-pahaizana momba ny tantaran’i Afrika Avaratra: “Ny fanorenana an’i Carthage tamin’ny faramparan’ny taonjato fahasivy al.f.i. no lafin-javatra namaritra nandritra ny an-jatony taona maro ny ho fandehan’ny politika sy ny kolontsain’i Mediterane andrefana.”

Ny fiandohan’ny fanjakana lehibe iray

Teo amin’ny saikinosy iray niendrika “vatofantsika goavana atsipy any an-dranomasina”, araka ny nilazan’ny mpahay tantara atao hoe François Decret azy, no nanombohan’ny mponin’i Carthage ny fanjakany natanjaka. Nanaraka izay efa nataon’ny Fenisianina razambeny i Carthage, ka nanatanjaka tsikelikely ny tsenany. Ny fanafarana metaly no voalohany tamin’izany. Izy mihitsy no nametra ny fitsipiky ny tsena, tamin’ny farany, satria nanana andian-tsambo natanjaka sy tafika mpikarama an’ady izy.

Tsy nety nianina tamin’izay efa azony ny mponin’i Carthage, ka tsy nitsahatra nitady tany hifanakalozana entana. Heverina fa tonga tany Cornouailles, any Grande-Bretagne, ilay tantsambo natao hoe Himilcon, tamin’ny 480 al.f.i. tany ho any. Nisy firapotsy betsaka mantsy tany. Tokony ho 30 taona taorian’izay, dia voalaza fa nitarika andian-tsambo i Hannon, anisan’ireo fianakaviana andriana tany Carthage, mba hanorina zanatany vaovao. Nisy sambo 60 ilay andiany, ary nitondra lehilahy sy vehivavy 30 000. Namakivaky ny Andilan-dranomasin’i Gibraltar i Hannon, ary nianatsimo nanaraka ny morontsirak’i Afrika, ka nety ho tonga tany amin’ny Hoalan’i Guinée sy ny morontsirak i Cameroun mihitsy.

Vokatr’izany fahavononana sy hafetsena izany, dia lasa nalaza ho tanàna nanankarena indrindra tamin’izany, i Carthage. “Nanjary loha laharana ilay tanàna, tamin’ny fiandohan’ny taonjato fahatelo [al.f.i.], satria nanana fahaizana ara-teknika sy andian-tsambo ary tsena niorina tsara”, araka ilay boky hoe Carthage. Nilaza toy izao momba ny mponin’i Carthage i Appien, mpahay tantara grika: “Raha ny amin’ny hery, dia nitovy tamin’ny Grika izy ireo; raha ny amin’ny harena, dia nitovy tamin’ny Persanina.”

Teo ambanin’ny herin’i Bala

Nampiray ny Fenisianina ny zavatra ninoany, na dia niparitaka nanerana ny faritra andrefan’i Mediterane aza izy ireo. Nandova ny fivavahana kananita avy tamin’ny Fenisianina razambeny ny mponin’i Carthage. Nandefa solontena nankany Tyro isan-taona izy ireo, nandritra ny taonjato maro, mba hanao fanatitra ho an’i Melkart. I Bala-Hamona, izay midika hoe “Tompon’ny fatana misy afo mirehitra”, sy i Tanita, na Astarta vadiny, no andriamanitra lehibe indrindra tany Carthage.

Ny fanaovana sorona ankizy no nampahalaza ratsy indrindra ny fivavahana tany Carthage. Nolazain’i Diodore avy any Sicile fa nanao sorona zanak’andriana 200 mahery ny mponin’i Carthage mba hampitonena an’i Bala-Hamona, rehefa nisy nanafika azy ireo, tamin’ny 310 al.f.i. Hoy Ny Rakipahalalana Momba ny Fivavahana (anglisy): “Ny fanaovana sorona zaza tsy nanan-tsiny mba hisolo vaika ny hafa no fomba lehibe indrindra nihavanana tamin’ireo andriamanitra, angamba nikendrena mba hahazoan’ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina fitahiana.”

Hitan’ny arkeology tamin’ny 1921 ilay toerana nanjary nantsoina hoe Tofeta, araka ny teny ao amin’ny 2 Mpanjaka 23:10 sy Jeremia 7:31. Hita tao anaty soson-tany maromaro ny fitoeran-javatra nisy ny sisa tsy may tamin’ny biby (natao sorona ho solon’ny olona) sy tamin’ny zaza nalevina teo ambany tsangambato nisy voady voasoratra. Tombanana ho 20 000 mahery ny ankizy natao sorona nandritra ny 200 taona monja, ka nalevina tao Tofeta. Misy mpanao tsikera milaza fa ilay Tofeta dia toeram-pandevenana zaza maty tany am-bohoka na maty mbola kely loatra ka tsy nalevina tany amin’ny fasan’ny olon-dehibe. Hoy kosa ny nomarihin’i Lancel, voatonona terỳ aloha: “Tsy azo lavina tanteraka fa tena nanao sorona olona ny mponin’i Carthage.”

Samy te ho voalohany

I Carthage indray no nitarika ny Fenisianina tandrefana, rehefa nihena ny herin’i Tyro, tamin’ny taonjato fahenina al.f.i. Tojo fanoherana anefa ny fisandratan’i Carthage. Nifaninana ny mpivarotra avy tany Carthage sy ny Grika mba hifehezana ny fifamoivoizana an-dranomasina sy ny tsena, ka nipoaka ny ady tamin’ny 550 al.f.i. tany ho any. Resin’i Carthage sy ny Etriosika ny Grika, ka lasany ny nosin’i Corse sy i Sardaigne, tamin’ny 535 al.f.i.b Vao mainka nihamafy kokoa àry ny adin’i Carthage sy i Gresy mba hifehezana ny nosy Sicile, izay toeram-pamaharana tena lehibe.

Nanomboka nampiseho ny heriny i Roma tamin’izay. Nisy fifanekena nifanaovan’i Carthage sy i Roma, mba hiantohana ny tombontsoa ara-barotr’i Carthage, sy hanakanana ny Romanina tsy hiditra tany Sicile. Nitombo ny fahefan’i Carthage tamin’ny tany manodidina an’i Italia, ka nanomboka nampiahiahy ny Romanina izany, rehefa izy no nanjaka tany. Nilaza toy izao ilay mpahay tantara grika natao hoe Polybe, niaina tamin’ny taonjato faharoa al.f.i.: “Hitan’ny Romanina fa tsy i Afrikac ihany no lasan’i Carthage, fa ny ampahany lehibe tamin’i Espaina koa, ary mbola izy koa no nifehy ireo nosy [andrefan’i Italia]. Koa raha mbola lasany koa i Sicile, dia hanjary hanelingelina sy hampahatahotra indrindra eo akaikiny eo, satria hanodidina ny morontsirak’i Italia rehetra sy handrahona ilay tany manontolo.” Nanery ny Antenimieran-doholona romanina ny antoko sasany tao, mba handefa miaramila tany Sicile, satria nisy tombontsoan’izy ireo ara-barotra tany.

Ireo adin’i Carthage

Nahita hirika handefasana andian-tafika tany Sicile ny Romanina, rehefa nisy zava-nanahirana nipoitra tany, tamin’ny 264 al.f.i. Nodikain’izy ireo ny fifanarahana iray tamin’izay. Nipoaka tamin’izay ny ady voalohany nifanaovan’i Carthage sy i Roma. Naharitra 20 taona mahery izy io, ary ireo adin’ny tafika an-dranomasina no anisan’ny lehibe indrindra tamin’ny andro fahiny. Resy ny tafik’i Carthage tamin’ny 241 al.f.i., ka voatery nandao an’i Sicile. Nalain’i Roma koa i Corse sy i Sardaigne.

Tapa-kevitra ny hanonitra an’ireo fahavoazana ireo sy hamerina amin’ny laoniny ny herin’i Carthage ny jeneraly Hamilcar Barca, ka lasa nanorina fanjakana lehibe tany Espaina. Naorina tany amin’ny morontsiraka atsimoatsinanan’i Espaina àry ny “Carthage Vaovao”, nantsoina hoe i Cartagène, ka taona vitsivitsy monja, dia nampanankarena indray an’i Carthage ny harena an-kibon’ny tanin’i Espaina. Tsy azo nosorohina ny fifandonana tamin’i Roma noho izany fandrosoana izany, ka nipoaka indray ny ady tamin’ny 218 al.f.i.

I Hannibal, iray tamin’ny zanak’i Hamilcar no mpitari-tafik’i Carthage. Midika hoe “Ankasitrahan’i Bala” io anarana io. Niala tany Cartagène izy, tamin’ny May 218 al.f.i., ka nanao dia lavitra namakivaky an’i Espaina sy i Gaule ary niampita an’i Alpes niaraka tamin’ny tafiny nisy Afrikanina sy Espaniola ary elefanta efa ho 40. Resy tanteraka imbetsaka ny Romanina, satria tsy nanampo izany. Nitranga tamin’ny ady tany Cannes, tamin’ny 2 Aogositra 216 al.f.i., “ny iray tamin’ireo loza nahatsiravina indrindra nahazo ny tafika romanina hatramin’izay.” Nomontsanin’ny tafik’i Hannibal ny miaramila romanina miisa avo roa heny noho ny miaramilany, ka 70 000 no matiny, nefa 6 000 monja ny miaramilany maty.

Toa ho azo tsy ho ela i Roma! Tsy nanaiky hiraviravy tanana anefa ny Romanina, fa nanao izay handrerahana ny miaramilan’i Hannibal tao anatin’ny ady naharitra 13 taona. Tsy nanohana an’i Carthage intsony ny mpiray dina taminy, rehefa nandefa tafika tany Afrika i Roma. Resy tany Espaina sy Sicile koa i Carthage, ka voatery niantso an’i Hannibal hody. Resin’i Scipion l’Africain, jeneraly romanina, ny tafik’i Hannibal tamin’ny ady tany Zama tany atsimoandrefan’i Carthage, tamin’ny 202 al.f.i. Voatery nanome ny andian-tsambony an’i Roma i Carthage, tsy navela hahaleo tena intsony ny miaramilany, ary nosazina handoa onitra be tao anatin’ny 50 taona izy. Nandositra kosa i Hannibal, ary namono tena tamin’ny 183 al.f.i. tany ho any.

“Tsy maintsy ravana i Carthage!”

Nihananankarena indray i Carthage rehefa tsy nisy ady intsony, hany ka afaka nilaza ny handoa ilay onitra tao anatin’ny folo taona monja. Noheverin’ireo fahavalo tsy namindra fo fa hampidi-doza be izany tanjak’i Carthage izany sy ny fanavaozana ara-politika nitranga tany. Nandritra ny efa ho roa taona ka hatramin’ny fahafatesany, isaky ny nanao kabary teo anoloan’ny Antenimieran-doholona ilay mpitondra fanjakana zokiolona romanina natao hoe Caton dia nofaranany tamin’ny teny faneva hoe “Tsy maintsy ravana i Carthage!”

Nahita ny hirika notadiaviny ny Romanina, tamin’ny 150 al.f.i., rehefa nitranga izay nolazaina fa fandikana ny fifanekena. Koa nanapoaka ady nantsoina hoe “ady ho fandringanana” àry i Roma. Nataon’i Roma fahirano nandritra ny telo taona i Carthage. Nisy 30 kilaometatra ny halavan’ny mandan’ilay tanàna, ary 12 metatra ny haavon’ny tapany sasany, nefa novakina izy io tamin’ny 146 al.f.i. Nahatsiravina ny ady nifanaovan’ny Romanina tamin’ny fahavalony, rehefa nandroso teo amin’ireo lalana tery izy ireo, na dia nanao tifitra variraraka aza ny mponin’i Carthage. Nisy taolan’olona hitan’ny arkeology teo ambanin’ireo bolongam-bato, ka manamafy izany fa tena nitranga tokoa izany ady nahatsiravina izany.

Niafina tao amin’ny manda teo ambonin’ny havoana nantsoina hoe Byrsa, ny mponina tokony ho 50 000, kanefa nitolo-batana, rehefa afaka enina andro, satria reraky ny hanoanana. Tsy nanaiky hovonoina na hoentina ho andevo kosa ny hafa, ka nihiboka tao amin’ny tempolin’i Esmona ary nandoro azy io. Nodoran’ny Romanina izay sisa tavela tamin’ilay tanàna. Noravana sy nozonina ary tsy navela honenana i Carthage.

Koa tao anatin’ny 120 taona àry no nandravan’i Roma ny tanjon’i Carthage hanjanahana an’izao tontolo izao. Nilaza toy izao ilay mpahay tantara atao hoe Arnold Toynbee: “Ny tena zava-dehibe tamin’ny adin’i Hannibal dia ny hoe ny Fanjakana Lehiben’i Carthage sa ny Fanjakana Lehibe romanina no handova ny kolon-tsaina grika?” “Raha nandresy i Hannibal”, hoy ny fanazavan’ny Rakipahalalana Momba Izao Rehetra Izao (frantsay), “dia ho azo antoka fa hanorina fanjakana nidadasika toy ny an’i Aleksandra.” Nanomboka tamin’ireo adin’i Carthage kosa ny fanjanahan’i Roma, ka nanjary izy no nifehy an’izao tontolo izao tamin’ny farany.

Ilay “Roma Afrikanina”

Toa tapitra tamin’izay ny tantaran’i Carthage. Nanapa-kevitra hanorina zanatany tany anefa i Jules César, zato taona tatỳ aoriana monja. Nantsoina hoe Colonia Julia Carthago izy io, ho fanomezam-boninahitra azy. Nanesoran’ny injeniera romanina tany 100 000 metatra toratelo teo ho eo ny havoanan’i Byrsa, mba hahazoana velaran-tany marin-tampona, sy mba hampanadinoana tanteraka ny lasa. Nisy tempoly sy tranom-panjakana nirenty naorina teo. Lasa ‘anisan’ireo tanàna nanankarena indrindra teo amin’ny tontolo romanina’, i Carthage, rehefa nandeha ny fotoana. Izany hoe ny tanàna lehibe faharoa tany Andrefana taorian’i Roma. Mba hanomezana fahafaham-po ny mponina niisa 300 000 tao, dia nisy zavatra maro naorina, ka anisan’izany ny kianja fanaovana teatra, ny kianja boribory, ny trano goavana nisy ranomafana filomana, ny lakandrano nahatratra 132 kilaometatra, ary ny kianja fihazakazahan-tsoavaly nahazaka mpijery 60 000.

Tonga tany Carthage sady nandroso haingana teo antenatenan’ny taonjato faharoa am.f.i. ny Kristianisma. Teraka tany Carthage tamin’ny 155 am.f.i. tany ho any i Tertullien, ilay teolojianina nalaza sy mpiaro ny finoana. Lasa fiteny ofisialin’ny Eglizy Tandrefana ny teny latinina, noho ny asa soratra nataony. Maty maritiora tany Carthage i Cyprien eveka, tamin’ny 258 am.f.i. Izy no namorona ireo ambaratongam-pahefana fito eo amin’ny mpitondra fivavahana. Afrikanina Tavaratra koa i Augustin (354-430 am.f.i.), izay heverina ho filozofa lehibe indrindra tamin’ny Kristianisma fahiny. Anisan’ny nampifangaro ny foto-pinoan’ny eglizy sy ny filozofia grika izy. Tena lehibe ny herin’ny eglizin’i Afrika Avaratra, hany ka nilaza toy izao ny mpitondra fivavahana iray: “Ianao, ry Afrika ô, no mafana fo indrindra amin’ny fampandrosoana ny finoantsika. Eken’i Roma sady arahin’ny mpitondra amin’ny tany izay hevitra tapahinao.”

Nadiva ho tapitra anefa ny andron’i Carthage. Nifamatotra akaiky indray tamin’izay nitranga tamin’i Roma ny fiafarany. Niharava niaraka tamin’ny Fanjakan’i Roma i Carthage. Resin’ny fokon’ny Vandala ilay tanàna tamin’ny 439 am.f.i., ka norobainy. Nahemotra kely ny fandravana an’i Carthage, rehefa lasan’i Byzance izy, zato taona tatỳ aoriana. Tsy nahatohitra ny Arabo nandroso haingana nanerana an’i Afrika Avaratra anefa, i Carthage. Resy izy tamin’ny 698 am.f.i., ary nampiasaina mba hanorenana an’i Tunis ny vatony. Nandritra ireo taonjato nanaraka, dia norobaina sy nalefa tany amin’ny tany hafa ny marbra sy ny granita nandravaka an’i Carthage romanina, ka nampiasaina mba hanorenana ny katedralin’i Gênes sy i Pise any Italia, ary ny an’i Cantorbéry any Angletera koa angamba. Anisan’ny tanàna nanankarena sy nahery indrindra i Carthage. Fanjakana lehibe saika nanapaka izao tontolo izao koa izy, saingy potika, ka nanjary tsy fantatra intsony.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Avy amin’ny teny grika hoe phoinix midika hoe “volomparasy”, na koa “palmie”, ny anarana hoe Fenisianina.

b Nifandray akaiky nandritra ny taonjato maro ny mponin’i Carthage sy ny Etriosika, hany ka nilaza i Aristote fa toa firenena iray izy ireo.

c “Anarana nomen’ny mponin’i Carthage an’ilay faritra nanodidina ny tanànany ny hoe Afrika. Nanjary nantsoina hoe Afrika koa ny faritra manontolon’io kontinanta io. Notazonin’ny Romanina ilay anarana, rehefa lasa provansy romanina ilay faritra.”—Rakibolana Momba ny Andro Fahiny—Angano sy Haisoratra ary Haifomba (frantsay).

[Sarintany, pejy 16]

(Jereo ny gazety)

ROMA

RANOMASINA MEDITERANE

CARTHAGE (sisa tavela)

[Sary, pejy 16]

Trano rava nisy ranomafana filomana

[Sary, pejy 17]

Nitatitra sederan’i Liban ny sambo fenisianina

[Sary nahazoan-dalana]

Musée du Louvre, Paris

[Sary, pejy 17]

Firavaka natao ody mahatsara vintana

[Sary nahazoan-dalana]

Musée du Louvre, Paris

[Sary, pejy 18]

Nametraka sarontava tao anaty fasana ny mponin’i Carthage mba hampandosirana fanahy ratsy

[Sary nahazoan-dalana]

Musée du Louvre, Paris

[Sary, pejy 18]

Anisan’ny fivavahana nolovan’ny mponin’i Carthage avy tamin’ny Kananita, ny famonoana ankizy. Ity no tsangambato ho an’ny ankizy iray natao sorona

[Sary, pejy 19]

Sisa tavela tamin’ilay Carthage lasan’ny Romanina tamin’ny 146 al.f.i.

[Sary, pejy 19]

Heverina ho anisan’ny mpahay tetikady miavaka indrindra i Hannibal

[Sary nahazoan-dalana]

Alinari/Art Resource, NY

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara