Ny fanaovana sorona zaza: nahoana no maharikoriko tokoa izany?
“Ary izy nanorina ireo fitoerana avo any Tofeta, izay ao amin’ny lohasahan’ny taranak’i Hinoma, handoroany ny zanani-lahy sy ny zanani-vavy amin’ny afo; nefa zavatra tsy mba nandidiako na tao an-tsaiko akory aza izany.” — Jeremia 7:31.
TAMIN’NY andron-dry Ahaza sy Manase, mpanjaka jodiana, ny firenen’Isiraely dia nanaiky ho voatarika hanaraka ny fanompoam-pivavahana mampietrin’ireo firenena teny amin’ny manodidina. Ankoatra ny zavatra hafa, izy ireny dia nanolotra ny zanany ho sorona ho an’i Moloka (II Tantara 28:3; 33:6, 9). Na dia nofoanan’i Josia mpanjaka aza taty aoriana ny maro tamin’ny fanao “maharikoriko”, “Jehovah (dia) tsy nitsahatra tamin’ny firehetan’ny fahatezerany mafy, dia ilay fahatezerana nirehitra tamin’ny Joda noho ny fampahatezerana rehetra izay nampahatezeran’i Manase Azy”. (II Mpanjaka 23:10, 26.) Fa nahoana? Inona no nahatonga an’io fandikan-dalana io ‘hahatezitra’ aoka izany ka tsy azo navela?
“Ny fanaovana sorona zaza dia tapany tena lehibe tamin’ny fanompoam-pivavahana natolotra ho an’i Malika-Bala-Kronosy fenisiana”, hoy ny nambaran’ny Encyclopédie juive (anglisy) nataon’i Funk sy Wagnalls. Tamin’ny voalohany ny Fenisiana dia nonina tao amin’ireo faritra amoron-tsiraka avaratr’i Kanana. Koa satria izy ireo vahoaka tatsambo, dia nanorina zanatany nanodidina an’i Mediterane, ary na taiza na taiza nalehan’izy ireo, dia nentiny niaraka taminy ny fombafombany fanaovana sorona zaza naharikoriko. Ny fahitan-javatra araka ny arkeolojia vao haingana, natao tany amin’ny tanàna fenisiana tranain’i Carthage (zana-bohitr’i Tunis, atsy Afrika Avaratra amin’izao andro izao), dia nampiharihary kely fa ratsy aoka izany io fanao io.
Tamin’ny 1921 no hita io tanàna io. Nanomboka tamin’ireo taona 1970 anefa, dia nisy fihadian-tany betsaka natao satria ny tanàna ankehitriny dia nitatra nankany amin’io faritra io. Hita fa io tany io dia korontan-taolana nidadasika nandevenana fatin-jaza natao sorona. Mitantara toy izao ny Revio momba ny arkeolojia ara-baiboly (anglisy):
“Tao amin’io toerana io, nanomboka tamin’ny taonjato faha-8 ka hatramin’ny faha-2 alohan’ny fanisan-taona iraisana, ireo reny sy ireo ray tao Carthage dia nandoro ny taolan’ireo zanany natao sorona ho an’i Bala Hamona andriamanitra sy Tanita andriamanibavy. Tany amin’ny taonjato faha-4 alohan’ny fanisan-taona iraisana, Tofeta [avy amin’ny Tofeta voalazan’ny Baiboly] dia azo inoana fa nanana velarana 6 000 metatra toradroa sy ambaratongam-pandevenana sivy.”
Nahitana toerana sahala amin’izany tany Sicile, tany Sardaigne ary tany amin’ny toerana hafa any Tunisie. Nisy fotoana naha-zanatany fenisiana ny rehetra. Tao amin’ilay korontan-taolana tany Carthage, ireo mpanao fikarohana dia nahita tsangambato maro voaravaka sarin’i Tanita andriamanibavy, fantatra ho Astoreta na Astarta, andriamanibavy kananita, vadin’i Bala. Teo ambanin’ireo tsangambato dia nisy siny tany voaravaka be ny sasany, nirakitra taolan’ireo maty natao sorona voadotra.
Mba hanombanantsika fa niely aoka izany io fanao io, dia manampy teny toy izao ny fitantarana: “Rehefa heverina amin’ny havesaran’ny siny tao amin’ilay faritra nohadinay, dia tombananay fa hatramin’ny 20 000 ny siny nety ho nangonina tao amin’io toerana io teo anelanelan’ny 400 ka hatramin’ny 200 alohan’ny fanisan-taona iraisana.” Vao mainka mahatsiravina io isa io rehefa fantatra, araka io lahatsoratra io, fa fara fahabetsany, ny isan’ny mponina tao Carthage dia 250 000 monja.
Ireo soratra teo amin’ny tsangambato dia mampiseho fa ireo ray aman-dreny dia nanao sorona ny zanany mba hanatanterahana voady nataony tamin’i Bala na Tanita ho takalon’ny tombontsoa avy amin’ireo. Ireo laharana sy lohateny voasoratra eo amin’ny tsangambato dia mampiseho fa niely indrindra io fanao io tao amin’ny fitambaran’olona ambony; miharihary fa nataony izany mba hahazoana ny fitahian’ireo andriamanitra tamin’ny fiezahana nataon’izy ireo mba hahazoana harena sy hery, ary hitanana izany. Ny siny sasany dia nirakitra fatin-jaza roa na telo, angamba iray fianakaviana, rehefa heverina amin’ny tsy fitovian’ny taonany.
Raha maharikoriko izany fanaon’ny fenisiana izany, dia tadidio fa i ‘Manase dia nanao ratsy mihoatra noho ny firenena izay naringan’i Jehovah tsy ho eo anoloan’ny Zanak’Isiraely’. (II Tantara 33:9.) Tsy tafahoatra velively ny nolazain’i Jehovah rehefa nanambara izy hoe: “Nameno ran’ny marina ity tanàna ity izy ireo.” (Jeremia 19:4). Ny lahatsoratra ao amin’ilay revio momba ny arkeolojia dia mirakitra izao fanamarihana mety izao: “Ny fitomboan’ny isan’ny porofo araka ny arkeolojia sy ny soratra taloha omen’ny mponina any Carthage mihitsy dia mahatonga tena hihevitra fa nahalala izay noresahiny ireo mpanoratra kilasika sy ao amin’ny Baiboly.”
Araka izany, toy ny ‘nanafoanan’i’ Jehovah ireo “firenena” kananita mpanompo sampy, dia tsy notsimbininy ireo Isiraelita nivadika. Nahazo izay mendrika azy izy ireo tamin’ny tanan’ny Babyloniana, tamin’ny 607 alohan’ny fanisan-taona iraisana. Amin’izany fomba izany koa, dia hampamoahin’Andriamanitra ireo izay mandatsaka mivantana na tsy mivantana amin’izao andro izao, ran’olona an-tapitrisany maro amin’ny alalan’ny fanao maharikoriko toy ny ady, ny famonoana olona sy ny fanalana zaza. — Apokalypsy 19:11-15.