FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g02 8/1 p. 23-27
  • Nanampy ahy ny Fatokisana An’andriamanitra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nanampy ahy ny Fatokisana An’andriamanitra
  • Mifohaza!—2002
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Niova fivavahana
  • Niafina nefa mbola nitory ihany
  • Nosamborina sy nogadraina
  • Nanda tsy hanamboatra fiadiana
  • Tafavoaka velona tamin’ny faran’ny ady
  • Nihaona indray tamin’ny Vavolombelona
  • Ny asa taorian’ny ady
  • Namonjy Anay Tamin’ny Fitondrana Jadona i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2007
  • Faly Aho Nanompo An’i Jehovah na dia Nisy Fitsapana Aza
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
  • Nahazo Fanohanana Nandritra ny Fisedrana Nahatsiravina
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Fifaliana toy inona moa ny mipetraka eo amin’ny latabatr’i Jehovah!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
Hijery Hafa
Mifohaza!—2002
g02 8/1 p. 23-27

Nanampy ahy ny Fatokisana An’andriamanitra

NOTANTARAIN’I RACHEL SACKSIONI-LEVEE

NAMELY TEHAMAINA AHY IMBETSAKA NY MPIAMBINA IRAY, SATRIA TSY NETY NANAMBOATRA PIESY HO AN’NY FIARAMANIDINA MPANJERA BAOMBA AHO. TAMIN’IZAY NO NILAZA TAMINY NY MPIAMBINA IRAY HAFA HOE: “TSY ALEONAO AJANONA A! TSY MIALA AMIN’NY ANDRIAMANINY IRENY ‘MPIANATRA NY BAIBOLY’ IRENY, NA DIA KAPOHINA HO FATY AZA.”

TAMIN’NY Desambra 1944 no nitranga izany, tao amin’ny toby fiasana an-tery vozona ho an’ny vehivavy, tany Beendorff, teo akaikin’ny toeram-pitrandrahana sira tany Alemaina avaratra. Mamelà ahy aloha hanazava ny fomba nahatongavako tao, sy ny nahafahako ho tafavoaka velona nandritra ireo volana faramparany tamin’ny Ady Lehibe II.

Jiosy aho, teraka tany Amsterdam, Holandy, tamin’ny 1908. Izaho no faharoa taminay telo mirahavavy. Mpanefy diamondra no asan’i Dada, nitovy tamin’ny Jiosy maro tany Amsterdam, talohan’ny Ady Lehibe II. Roa ambin’ny folo taona aho fony izy maty. Niara-nipetraka taminay i Dadabe nanomboka tamin’izay. Jiosy nafana fo i Dadabe, ka nataony izay hitaizana anay araka ny kolontsaina jiosy.

Nanahaka an’i Dada aho, ka nianatra nanefy diamondra koa. Nanambady aho tamin’ny 1930; mpanefy diamondra koa ny vadiko. Niteraka roa izahay: Silvain, zazalahy mavitrika sady sahisahy, sy Carry, zazavavy kely tsara fanahy sady bonaika. Indrisy anefa fa tsy naharitra ny fanambadianay. Nisaraka izahay, ary nanambady an’i Louis Sacksioni aho taoriana kelin’izay, tamin’ny 1938. Mpanefy diamondra koa izy. Teraka i Johanna, zanakay vavy, tamin’ny Febroary 1940.

Jiosy i Louis, nefa tsy nanaraka ny fivavahana jiosy, ka tsy mba nankalaza fety jiosy izahay. Tiako erỳ anefa izy ireny fony aho mbola kely. Tena nalahelo azy ireny aho, nefa mbola nino an’Andriamanitra foana aho na izany aza.

Niova fivavahana

Nisy vehivavy tonga tao aminay, niresaka tamiko momba ny Baiboly, teo am-piandohan’ny taona 1940; nanomboka nanjaka teto Holandy ny tafika alemà tamin’io taona io. Tsy nisy azoko firy izay nolazain’ilay vehivavy tamiko, nefa nandray boky sy gazety foana aho rehefa tonga izy. Tsy nisy novakiko anefa izay zavatra nomeny ahy, satria tsy te hahafantatra na inona na inona momba an’i Jesosy aho. Nampianarina ahy mantsy fa Jiosy mpivadi-pinoana i Jesosy.

Tatỳ aoriana dia nisy lehilahy tonga tao aminay, indray andro. Nametrahako fanontaniana maro izy, anisan’izany ny hoe: “Nahoana Andriamanitra no tsy namorona olon-kafa rehefa nanota i Adama sy Eva? Nahoana no be dia be ny fahoriana? Nahoana no mifankahala sy miady ny olona?” Nanome toky izy fa hovaliany avy ao amin’ny Baiboly ny fanontaniako raha mahandry aho. Natao àry ny fandaharana hampianarana ahy Baiboly tao an-trano.

Mbola tsy nanaiky aho hoe i Jesosy no Mesia. Nivavaka momba izany anefa aho avy eo, ka nanomboka namaky ny faminaniana momba ny Mesia ao amin’ny Baiboly ary nanjary niova ny fijeriko azy ireny. (Salamo 22:7, 8, 18; Isaia 53:1-12) Nataon’i Jehovah izay hahitako fa tanteraka tamin’i Jesosy ireo faminaniana ireo. Tsy liana tamin’izay nianarako ny vadiko, nefa tsy nanohitra izy rehefa niova ho Vavolombelon’i Jehovah aho.

Niafina nefa mbola nitory ihany

Nampidi-doza ho ahy ny fotoana nanjakan’ny Alemà teto Holandy. Nalefan’ny Alemà tany amin’ny toby fitanana mantsy ny Jiosy, nefa Jiosy aho. Vavolombelon’i Jehovah koa aho, nefa tian’ny Nazia hopotehina io fivavahana io. Nazoto foana anefa aho nandany 60 ora isam-bolana tamin’ny antsalany, niresahana momba ny fanantenako vaovao amin’ny maha Kristianina.—Matio 24:14.

Tsy nody ny vadiko indray hariva izay, tamin’ny Desambra 1942. Hay izy voasambotra tany am-piasana niaraka tamin’ny mpiara-miasa taminy. Tsy nahita azy intsony aho hatramin’izay. Nanoro hevitra ahy mba hiafina miaraka amin’ny zanako ny Vavolombelona namako. Afaka nipetraka tany amin’ny rahavavy kristianina iray tany Amsterdam aho. Natahorana anefa raha niara-nipetraka izahay efa-mianaka, ka tsy maintsy navelako tany amin’ny olon-kafa ny zanako.

Imbetsaka aho no efa saika tratra, fa zara raha tafatsoaka. Indray hariva, dia nisy Vavolombelona nitondra ahy tamin’ny bisikileta, ho any amin’ny toeram-piafenana vaovao. Tsy nandeha anefa ny jiron’ny bisikiletany, ka nosakanan’ny polisy holandey roa izahay. Notarafiny tamin’ny jiro ny tarehiko, ka tonga dia fantany fa Jiosy aho. Soa ihany fa nilaza fotsiny ry zareo hoe: “Tohizo haingana ny dianareo, nefa mandehana an-tongotra.”

Nosamborina sy nogadraina

Indray maraina, tamin’ny May 1944, vao handeha hanao fanompoana iny indrindra aho no nosamborina; tsy noho izaho Vavolombelon’i Jehovah akory, fa noho izaho Jiosy. Nampidirina am-ponja tany Amsterdam aho nandritra ny folo andro. Nalefa fiarandalamby niaraka tamin’ny Jiosy hafa aho avy eo, nafindra tany amin’ny toby fitanana fiandrasana tany Westerbork, any amin’ny faritra avaratra atsinanan’i Holandy. Avy tao no nentina nankany Alemaina ny Jiosy.

Nifankahita tamin’ny zaodahiko sy ny zanany tao aho, voasambotra koa ry zareo. Izaho irery no Vavolombelona tamin’ireo Jiosy tao Westerbork, ary nivavaka tamin’i Jehovah foana aho mba hanampy ahy. Avy eo, roa andro taorian’izay, dia natao tao anatin’ny fiarandalamby fitateram-biby izahay telo mianaka—izaho sy ny zaodahiko ary ny zanany—na ho any Auschwitz na ho any Sobibór, toby fitanana famonoana ho faty any Polonina. Nantsoina tampoka anefa aho ka nalefa tao amin’ny fiarandalamby fitaterana olona.

Nisy mpanao diamondra taloha tahaka ahy koa tao. Zato teo ho eo ny mpanefy diamondra nalefa tany Bergen-Belsen, faritra avaratr’i Alemaina. Fantatro tatỳ aoriana fa ny asako no nahavonjy ny aiko, satria nalefa nivantana tany amin’ny efitra famonoana amin’ny gaza izay Jiosy rehetra, na tany Auschwitz na tany Sobibór. Izany no nanjo ny vadiko sy ny zanako roa, ary ny havako hafa koa. Mbola tsy nahafantatra izay nanjo azy ireo anefa aho tamin’izay.

Tao amin’ny toby fitanana tany Bergen-Belsen, dia napetraka tao amin’ny trano manokana izahay mpanefy diamondra rehetra. Tsy nomena asa hafa nety hanimba ny tananay izahay, sao dia very ny fahaizanay an’io asa ilana fitandremana io. Izaho irery no Vavolombelona taminay, ary sahy aho niresaka tamin’ireo Jiosy namako momba ny finoako vaovao. Nihevitra ahy ho mpivadi-pinoana anefa ry zareo, nitovy mihitsy tamin’ny fiheveran’ny olona an’i Paoly tamin’ny taonjato voalohany.

Tsy nanana Baiboly aho, ary tena noana sakafo ara-panahy. Nanana Baiboly ny dokotera jiosy iray tao an-toby, ary natakalony tamiko tapa-mofo vitsivitsy sy dibera ilay izy. Niaraka tamin’ireo ‘mpanefy diamondra’ ireo, tany Bergen-Belsen, aho nandritra ny fito volana. Sorena taminay ireo voafonja jiosy hafa, satria somary niangarana izahay. Tsy nisy diamondra azonay niasana intsony anefa tamin’ny farany, ka vehivavy jiosy 70 izahay no nalefa tany amin’ny toby fanaovana asa an-terivozona ho an’ny vehivavy tany Beendorff, tamin’ny 5 Desambra 1944.

Nanda tsy hanamboatra fiadiana

Nalefa tao amin’ny toeram-pitrandrahana akaikin’ny toby (400 metatra eo ho eo tany ambanin’ny tany) ny voafonja sasany, mba hanamboatra piesin’ny fiaramanidina mpanjera baomba. Novelezina mafy aho satria tsy nanaiky hanao an’io asa io. (Isaia 2:4) Nitrerona ilay mpiambina nilaza fa tokony ho vonona hiasa aho ny ampitso fa raha tsy izany...!

Tsy nanatrika ny fiantsoana anarana aho ny ampitson’iny fa nijanona tao amin’ny trano nisy anay. Nieritreritra mihitsy aho hoe hotifirina, ka nivavaka mafy tamin’i Jehovah aho mba hamaly soa ahy noho ny finoako. Naverimberiko ilay salamo hoe: “Andriamanitra no itokiako; ka tsy mba hatahotra aho; inona no hataon’ny olona amiko?”—Salamo 56:11.

Nosavaina ny trano, ary navoaka tao aho. Tamin’izay no namely tehamaina ahy imbetsaka ny mpiambina iray, sady nanontany hoe: “Iza izany olona mandrara anao tsy hiasa izany?” Namaly foana aho hoe Andriamanitra. Tamin’izay ilay mpiambina iray hafa no niteny taminy hoe: “Tsy aleonao ajanona a! Tsy miala amin’ny Andriamaniny ireny ‘Mpianatra ny Baiboly’a ireny na dia kapohina ho faty aza.” Tena nampahery ahy ireo teniny ireo.

Sazy ny fanadiovana kabine, ary asa faran’izay maloto izany tamiko, nefa nanolo-tena aho hanao izany. Faly aho fa voatendry nanao an’io asa io, satria nandry ny saiko teo am-panaovana azy. Nanatona ahy indray maraina ny lehiben’ny toby, tena natahoran’olona. Nijoro teo alohako izy, ary niteny hoe: “Hay ianao izany Jiosy tsy mety miasa izany!”

“Hitanao fa miasa aho izao”, hoy ny navaliko.

“Fa tsy mety miasa ho fanampiana amin’ny ady ianao. Sa tsy izany?”

“Izany mihitsy”, hoy aho namaly. “Tsy tian’Andriamanitra izany.”

“Nefa ange tsy mamono olona ianao amin’izany e! Sa tsy izany?”

Nohazavaiko fa manenjika ahy ny eritreritro amin’ny maha Kristianina, raha mandray anjara amin’ny fanamboarana fiadiana aho.

Noraisiny ny kifafako ka hoy izy: “Azoko vonoina amin’ity ianao. Sa ahoana?”

“Tena marina izany”, hoy aho, “nefa ange tsy natao hanaovana an’izany ny kifafa e! Basy no natao ho amin’izany.”

Niresaka izahay fa Jiosy i Jesosy, ary koa hoe, na dia Jiosy aza aho dia lasa Vavolombelon’i Jehovah. Nanatona ahy ny voafonja namako, rehefa lasa izy. Gaga izy ireo nahita ahy sahy sady tony niresaka tamin’ilay lehiben’ny toby. Nolazaiko tamin’izy ireo fa tsy hoe sahy aho akory, fa afaka nanao izany aho satria nanatanjaka ahy ny Andriamanitro.

Tafavoaka velona tamin’ny faran’ny ady

Nanatona an’i Beendorff ny tafika mpiray dina, tamin’ny 10 Aprily 1945, ka tsy maintsy nitsangana nantsoina anarana teo an-tokotany izahay, efa ho iray andro maninjitra. Avy eo, dia 150 teo ho eo taminay vehivavy no nafatratra tao amin’ny fiarandalamby mpitondra biby, ary tsy nisy sakafo na rano. Niainga ny fiarandalamby, tsy fantatra hoe ho aiza. Nandritra ny andro maro izahay no nivezivezy teo anelanelan’ny vava ady roa. Nokendain’ny vehivavy sasany ny voafonja hafa mba hahazoana toerana malalaka kokoa tao anatin’ny vagao, ka nanjary voa ny sain’ny vehivavy maro vokatr’izany. Afaka niaritra aho satria natoky aho fa hikarakara ahy i Jehovah.

Nijanona teo akaikin’ny toby fitanana ho an’ny lehilahy ny fiarandalamby nitondra anay, indray andro, ary navela hivoaka ny vagao izahay. Nomena siny hantsakana rano tao an-toby, ny sasany taminay. Nisotro rano be aho aloha, raha vao tonga teo amin’ny paompy, izay vao nameno ny siniko. Rehefa niverina aho, dia niantsambotra tamiko toy ny bibidia ireo vehivavy, ka very daholo ny rano tao anatin’ny siny. Nihomehy ny SS (mpiambina kalazalahin’i Hitler) nijoro teo. Tonga tany Eidelstedt, toby fitanana tany amin’ny faritanàna manamorona an’i Hambourg, izahay tamin’ny farany, iraika ambin’ny folo andro tatỳ aoriana. Sarotra loatra ny dia ka efa ho ny antsasany taminay no maty.

Namaky Baiboly tamin’ny vehivavy voafonja vitsivitsy aho indray mandeha, tao Eidelstedt. Tampoka teo, dia efa nijoro teo am-baravarankely ny lehiben’ny toby. Natahotra be izahay, satria boky voarara tao an-toby ny Baiboly. Niditra izy, noraisiny ilay Baiboly, ary hoy izy hoe: “Baiboly ity an!” Maivamaivana erỳ aho, fa naveriny tamiko ilay izy, ary nilaza izy hoe: “Mila mamaky teny avy ato ianao, rehefa misy maty amin’ireo vehivavy ireo.”

Nihaona indray tamin’ny Vavolombelona

Nafahana izahay, 14 andro tatỳ aoriana, ka nalefan’ny Vokovoko Mena, tany amin’ny sekoly tany akaikin’i Malmö, any Soeda. Natokan-toerana tao aloha izahay nandritra ny fotoana kelikely. Nanontaniako ny iray tamin’ireo mpikarakara, raha azony nilazana ny Vavolombelon’i Jehovah, hoe atỳ amin’ny tranon’ny mpitsoa-ponenana aho. Nantsoina aho, andro vitsivitsy tatỳ aoriana. Nanomboka nigogogogo ny vehivavy iray, raha vao nilazako hoe Vavolombelon’i Jehovah aho. Hay Vavolombelona koa izy! Nangina izy avy eo, ary nolazainy tamiko fa nivavaka ho an’ireo anadahy sy rahavavy kristianina tany amin’ny toby fitanana nazia foana ny Vavolombelona tany Soeda.

Nisy rahavavy tonga nanatitra kafe sy tsindrin-tsakafo ho ahy foana nanomboka tamin’izay. Niala tao amin’ny tranon’ny mpitsoa-ponenana aho avy eo, ka nafindra tany akaikin’i Göteborg. Nanao takarivam-pikoranana ho ahy ny Vavolombelon’i Jehovah tao. Tsy nifankahazo resaka tamin-dry zareo aho, nefa nahazo fampaherezana aho fa voahodidin’ny anadahy sy rahavavy indray.

Nahazo taratasy avy tamin’ny Vavolombelona tany Amsterdam aho, raha mbola tany Göteborg. Nampahafantariny ahy tamin’izay fa voasambotra i Silvain sy i Carry zanako, ary ny havako rehetra, ka tsy niverina intsony. I Johanna zanako vavy, sy ny zandriko faravavy no sisa velona. Vao haingana aho no nahita ny anaran’izy mianadahy zanako voasoratra ho anisan’ny Jiosy novonoina tamin’ny gaza tany Auschwitz sy Sobibór.

Ny asa taorian’ny ady

Niverina tany Amsterdam aho, ka nihaona indray tamin’i Johanna; dimy taona izy tamin’izay. Avy hatrany aho dia nanomboka nanao fanompoana indray. Indraindray aho dia nifankahita tamin’ireo mpikambana taloha tao amin’ny Hetsiky ny Sosialista Nasionaly Holandey (NSB), antoko politika niara-niasa tamin’ny Alemà. Nanampy tamin’ny famonoana tamin-kabibiana saika ny fianakaviako manontolo izy ireo. Tsy maintsy nandresy ny fankahalana àry aho, mba hahafahako hitory ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra tamin’izy ireo. Nataoko an-tsaina foana fa i Jehovah no mahita ny ao am-po, ary raha ny marina dia izy no mitsara fa tsy izaho. Tena nahazo fitahiana aho noho izany!

Nanomboka nianatra Baiboly niaraka tamin’ny vehivavy iray aho. Nogadraina ny vadiny satria niara-niasa tamin’ny Nazia. Rehefa niakatra ny tohatra ho ao aminy aho, dia reko ny olona tao amin’ilay trano niteny hoe: “Jereo! Mankao an-tranona NSB indray iny Jiosy iny.” Tsy tia Jiosy ilay vadiny nigadra ary tena nanohitra be, nefa na izany aza dia lasa Vavolombelon’i Jehovah ilay ramatoa sy ny zanany telo vavy.

Faly be aho fa nanolotra ny fiainany ho an’i Jehovah koa i Johanna, zanako vavy. Nifindra mba hanompo tany amin’ny toerana nilana mpitory ilay Fanjakana betsaka kokoa izahay mianaka. Nandray fitahiana ara-panahy be dia be izahay. Mipetraka ao amin’ny tanàna kely iray, ao amin’ny faritra atsimon’i Holandy aho izao, ary miara-mitory amin’ny fiangonana matetika araka izay azoko atao. Rehefa mitodika ny lasa aho, dia izao ihany no azoko lazaina: ‘Mbola tsy nahatsiaro ho nafoin’i Jehovah mihitsy aho.’ Tsapako fa miaraka amiko foana i Jehovah sy i Jesosy Zanany malala, na dia tamin’ny fotoan-tsarotra indrindra aza.

Nafoiko nandritra ny ady ny vadiko sy ny zanako roa, ary ny ankamaroan’ny havako. Antenaiko anefa fa tsy ho ela dia hihaona amin’izy ireo indray aho, ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra. Rehefa irery iny aho, ka mamisavisa ny fiainako tamin’ny lasa, dia mahatsiaro ho faly sy velom-pankasitrahana aho mieritreritra ilay tenin’ny mpanao salamo hoe: “Ny Anjelin’i Jehovah mitoby manodidina izay matahotra Azy ka mamonjy azy.”—Salamo 34:7.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Anarana niantsoana ny Vavolombelon’i Jehovah taloha.

[Sary, pejy 24]

Jiosy avy tany amin’ny toby fitanana tany Westerbork, hoentina any Alemaina

[Sary nahazoan-dalana]

Herinneringscentrum kamp Westerbork

[Sary, pejy 25]

Miaraka amin’i Carry sy i Silvain zanako, samy maty tamin’ny Famonoana Tambabe

[Sary, pejy 26]

Rehefa natokan-toerana tany Soeda

[Sary, pejy 26]

Kara-panondro vonjimaika niverenana tany an-tanindrazana

[Sary, pejy 27]

Miaraka amin’i Johanna zanako vavy amin’izao andro izao

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara