FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w98 1/6 p. 28-31
  • Nahazo Fanohanana Nandritra ny Fisedrana Nahatsiravina

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nahazo Fanohanana Nandritra ny Fisedrana Nahatsiravina
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fiaviana jiosy
  • Fiandohan’ny fisedrana
  • Ny fisedrana ratsy indrindra nahazo ahy
  • Vanim-potoam-pahamaivanana
  • Tafita velona tao Auschwitz
  • Tafita velona tao amin’ny toby hafa
  • Fanafahana sy ny fiainanay taorian’izany
  • Nanampy ahy ny Fatokisana An’andriamanitra
    Mifohaza!—2002
  • Namonjy Anay Tamin’ny Fitondrana Jadona i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2007
  • “Nogadraina Noho ny Finoany”
    Mifohaza!—2006
  • Tsy Nanary Toky Mihitsy Aho na dia Voasedra Mafy Aza
    Mifohaza!—2002
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
w98 1/6 p. 28-31

Nahazo Fanohanana Nandritra ny Fisedrana Nahatsiravina

NOTANTARAIN’I ÉVA JOSEFSSON

Nivory vetivety tao Újpest, distrika iray ao Budapest, any Hongria, ny vitsivitsy taminay, talohan’ny nandehananay teny amin’ny fanompoana kristiana. Izany dia tamin’ny 1939, taloha kelin’ny nanombohan’ny Ady Lehibe Faharoa, ary teo ambany fandrarana ny asa fitorian’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Hongria. Matetika no nosamborina ireo izay nandray anjara tamin’ny fampianarana Baiboly ampahibemaso tamin’izany andro izany.

KOA SATRIA vao voalohany no nandraisako anjara tamin’io asa io, dia toa nanahy kely sady hatsatra no tsy maintsy ho fijerin’ny hafa ahy. Nitodika tatỳ amiko ny anadahy kristiana be taona iray, ary nilaza hoe: “Tsy mila ny matahotra na oviana na oviana ianao, Éva a. Ny fanompoana an’i Jehovah no voninahitra lehibe indrindra mety ho azon’ny olombelona.” Nanohana ahy nandritra ny fisedrana nahatsiravina maro ireo teny nampiseho fiheverana sy fanatanjahana ireo.

Fiaviana jiosy

Izaho no zokiny indrindra tao amin’ny fianakaviana jiosy iray nisy zaza dimy. Tsy afa-po tamin’ny Jodaisma i Neny, ka nanomboka nandinika fivavahana hafa. Tamin’izany no nihaonany tamin’i Erzsébet Slézinger, vehivavy jiosy hafa iray izay nitady ny fahamarinana ara-baiboly koa. Nampifandray an’i Neny tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah i Erzsébet, ary ho vokany, dia nanjary liana dia liana tamin’ny fampianaran’ny Baiboly koa aho. Tsy ela aho dia nanomboka nizara tamin’ny hafa izay nianarako.

Tamin’ny fahavaratra 1941, rehefa 18 taona aho, dia nanamarika ny fanoloran-tenako tamin’i Jehovah Andriamanitra tamin’ny alalan’ny batisa tao amin’ny Reniranon’i Danube. Natao batisa tamin’izay fotoana izay koa i Neny. I Dada anefa tsy nandray ny finoanay kristiana vaovao. Tsy ela taorian’ny batisako, dia nanao fandaharana mba hanao ny asan’ny mpisava lalana aho, izany hoe handray anjara amin’ny fanompoana manontolo andro. Nila bisikileta aho, ka nanomboka niasa tao amin’ny laboratoaran’ny orinasa lehibe iray mpanao lamba.

Fiandohan’ny fisedrana

Nanafika an’i Hongria ny Nazia, ary tonga teo ambanin’ny fitantanan’ny Alemà ilay orinasa niasako. Indray andro, dia nantsoina hiseho teo anoloan’ny mpampiasa ny mpiasa rehetra mba hianiana tsy fivadihana tamin’ny Nazia. Nilazana izahay fa hisy vokany lehibe ny tsy fanaovana izany. Nandritra ilay fombafomba izay nangatahana anay hitsaoka an’i Hitler, dia nitsangana tamim-panajana aho nefa tsy nanatanteraka ilay zavatra notakina. Nantsoina tany amin’ny birao aho tamin’io andro io ihany, nomena ny karamako, ary dia noroahina. Koa satria tsy nisy firy ny asa, dia nanontany tena aho hoe inona no hiafaran’ny fikasako hanao ny asan’ny mpisava lalana. Kanefa ny ampitson’iny ihany dia nahazo asa vaovao tsara karama kokoa aho.

Izao dia azo notanterahina ny faniriako hanao ny asan’ny mpisava lalana. Niara-niasa tamin’ny namana mpisava lalana maromaro aho, ary i Juliska Asztalos no farany taminy. Ny Baibolinay ihany no nampiasainay teny amin’ny fanompoana, fa tsy nanana zavatra vita an-tsoratra hatolotra izahay. Rehefa nahita olona liana izahay, dia niverina nitsidika azy ary nampindrana azy zavatra vita an-tsoratra.

Imbetsaka izahay sy i Juliska no voatery nanova ny faritany niasanay. Izany dia satria nisy pretra iray nahafantatra fa nitsidika ny ‘ondriny’ izahay, ka nanao fampandrenesana tao am-piangonana hoe raha nitsidika azy ireo ny Vavolombelon’i Jehovah, dia tsy maintsy nanao tatitra tany aminy na tany amin’ny polisy izy ireo. Rehefa nisy olona tsara fanahy nilaza taminay momba ny fampandrenesana toy izany, dia niova faritany izahay.

Indray andro, dia nitsidika ankizilahy iray naneho fahalianana izahay sy i Juliska. Nanao fotoana hiverina hitsidika azy izahay mba hampindrana azy zavatra hovakina. Rehefa niverina anefa izahay, dia efa tao ny polisy, ary nosamborina sy nentina tany amin’ny paositry ny polisy tany Dunavecse izahay. Nampiasaina ho fandrika hisamborana anay ilay ankizilahy. Rehefa tonga tany amin’ny paositry ny polisy izahay, dia nahita pretra iray tao ary fantatray fa voarohirohy tamin’izany koa izy.

Ny fisedrana ratsy indrindra nahazo ahy

Tao amin’ny paositry ny polisy, dia nokakasana ny voloko rehetra, ary voatery nijoro nitanjaka teo anoloan’ny polisy tokony ho 12 aho. Nanadinadina ahy izy ireo, satria naniry hahafantatra hoe iza no mpitarika anay tany Hongria. Nohazavaiko fa tsy nanana mpitarika hafa ankoatra an’i Jesosy Kristy izahay. Avy eo izy ireo dia nikapoka ahy tamin’ny fomba tsy nifaditra ovana tamin’ny hazony. Tsy namadika an’ireo anadahiko kristiana anefa aho.

Taorian’izany, dia nofatoran’izy ireo niaraka ny tongotro ary nohazoniny teo ambony lohako ny tanako izay nofatorany niaraka koa. Avy eo, dia nifandimby nisavika ahy izy ireo, dia izy rehetra, afa-tsy ny iray tamin’ireo polisy. Nofatorana mafy aoka izany aho, hany ka mbola nisy marika teo amin’ny hatotanako, telo taona tatỳ aoriana. Nentina tamin-kalozana aoka izany aho, hany ka nohazonina tao anaty lakaly nandritra ny tapa-bolana, mandra-pahasitrantsitran’ireo ratrako ratsy indrindra.

Vanim-potoam-pahamaivanana

Tatỳ aoriana, dia nentina tany amin’ny fonja iray tany Nagykanizsa, izay nisy Vavolombelon’i Jehovah maro, aho. Roa taona somary nahafaly ihany no nanaraka izany, na dia tao an-tranomaizina aza izahay. Niafina izahay nanao ny fivorianay rehetra, ary nitovitovy tamin’ny kongregasiona ihany ny fiasanay. Nanana fahafahana maro hanao fanambarana tsy ara-potoana koa izahay. Tao amin’io fonja io no nihaonako tamin’i Olga Slézinger, iray tam-po tamin’i Erzsébet Slézinger, ilay vehivavy nampahafantatra ny fahamarinana ara-baiboly taminay sy ny reniko.

Tamin’ny 1944, ny Nazia tao Hongria dia nanapa-kevitra ny hanafoana ireo Jiosy hongroà, toy ny efa namonoany azy ireo tany amin’ireo faritra hafa nofeheziny. Indray andro, dia tonga haka anay sy i Olga izy ireo. Nafatratra tao anaty lamasinina mpitondra omby izahay, ary taorian’ny dia iray tena sarotra namakivaky an’i Tsekoslovakia, dia tonga tany amin’ny toerana halehanay tany atsimon’i Polonina izahay — ny toby famonoana tany Auschwitz.

Tafita velona tao Auschwitz

Nahatsiaro ho voaro aho niaraka tamin’i Olga. Afaka ny ho be vazivazy izy tao anatin’ny tarehin-javatra nisedra. Rehefa tonga tany Auschwitz izahay, dia niseho teo anatrehan’ny Dr. Mengele ratsy laza, izay nanavaka an’ireo vao tonga tsy afaka niasa tamin’ireo natanjaka. Nalefa tany amin’ny efitra famonoana amin’ny gaza iretsy voalohany. Rehefa tonga ny anjaranay, dia hoy i Mengele tamin’i Olga: “Firy taona ianao?”

Sady feno fahasahiana izy no nisy namirapiratra feno vazivazy teo amin’ny masony, ary namaly hoe: “20”. Raha ny tena izy, dia avo roa heny noho izany ny taonany. Nihomehy anefa i Mengele ka namela azy ho eny amin’ny ankavanana mba ho velona ihany.

Nasiana marika ho famantarana teo amin’ny akanjony ireo voafonja rehetra tao Auschwitz — ny Kintan’i Davida ny an’ireo Jiosy, ary telozoro volomparasy ny an’ireo Vavolombelon’i Jehovah. Rehefa nitady hanjaitra ilay Kintan’i Davida teo amin’ny akanjonay izy ireo, dia nohazavainay fa Vavolombelon’i Jehovah izahay ary ilay telozoro volomparasy no tianay. Izany akory tsy hoe noho izahay menatra ny fiavianay jiosy, fa efa Vavolombelon’i Jehovah izahay izao. Nanandrana nanery anay hanaiky ilay marika jiosy izy ireo tamin’ny fandakana sy ny fikapohana anay. Tsy nilefitra anefa izahay mandra-panaikin’izy ireo anay ho Vavolombelon’i Jehovah.

Tatỳ aoriana, dia nifankahita tamin’i Elvira rahavaviko, izay zandriko telo taona, aho. Nentina tao Auschwitz ny fianakaviako manontolo nisy fito mianaka. Izaho sy i Elvira ihany no nekena ho afaka niasa. I Dada sy i Neny ary ny iray tam-po taminay telo dia maty tao amin’ny efitra famonoana amin’ny gaza. Tsy Vavolombelona i Elvira tamin’izay, ary tsy niray toerana izahay tao amin’ilay toby. Tafita velona izy, ary nankany Etazonia, tonga Vavolombelona tany Pittsburgh, any Pennsylvanie, ary tatỳ aoriana dia maty tany tamin’ny 1973.

Tafita velona tao amin’ny toby hafa

Tamin’ny ririnin’ny taona 1944-1945, dia nanapa-kevitra ny hamoaka ny olona tao Auschwitz ny Alemà, satria nanatona ny Rosiana. Koa nafindra tany Bergen-Belsen, tany amin’ny faritra avaratr’i Alemaina, àry izahay. Tsy ela taorian’ny nahatongavanay, dia nalefa tany Braunschweig izahay sy i Olga. Tao izahay dia nasaina nanadio ireo poti-javatra taorian’ireo baomba vary raraka nazeran’ny tafiky ny mpiray dina. Niresaka momba ilay izy izahay sy i Olga. Koa satria tsy azonay antoka raha nandika ny fialanalananay ny fanaovana io asa io, dia nanapa-kevitra ny tsy hanao azy io izahay mirahavavy.

Nahatonga resaka be ny fanapahan-kevitray. Nokapohina tamin’ny karavasy hoditra izahay, ary avy eo dia nentina teo anoloan’ny antokona mpitifitra. Nomena iray minitra mba hieritreretana momba ilay izy indray izahay, ary nilazana fa raha tsy niova hevitra izahay, dia hofitifirina. Nilaza izahay fa tsy nila fotoana hieritreretana satria efa vita ny fanapahan-kevitray. Kanefa, satria tsy tao ny komandàn’ilay toby, ary izy irery ihany no manana fahefana hanome baiko hamono, dia voatery nahemotra ny famonoana anay.

Nandritra izany fotoana izany, dia noterena hitsangana teo an-tokotanin’ilay toby tontolo andro izahay. Miaramila nitam-piadiana roa, nosoloana isaky ny adiny roa, no niambina anay. Tsy nomena sakafo izahay ary nijaly mafy noho ny hatsiaka, satria Febroary tamin’izay. Lasa ny herinandro nitondrana anay toy izany, nefa mbola tsy nipoitra ihany ilay komandà. Koa napetraka tao aoriana tao amin’ny kamiao iray izahay, ary akory ny fahagaganay fa tafaverina tany Bergen-Belsen izahay.

Tamin’izay dia efa nahatsiravina ny toe-batanay. Niongotra ny ankamaroan’ny voloko ary voan’ny tazo mahery aho. Nila nanao ezaka faran’izay mafy aho vao afaka niasa kely. Tsy ampy ilay lasopy laisoa natsatso sy ilay tapa-mofo kely isan’andro. Tena nilaina anefa ny niasanay satria ireo izay tsy afaka dia novonoina. Nanampy ahy hiala sasatra ireo rahavavy alemà izay niara-niasa tamiko tao an-dakozia. Rehefa nanatona ireo mpiambina nanao fisafoana, dia nampitandrina ahy ireo rahavavy, mba hahafahako hijoro teo amin’ny latabatra fiasana, toy ny hoe niasa mafy.

Indray andro i Olga dia tsy nanan-kery tsotra izao handehanana tany amin’ny toeram-piasany, ary taorian’izay dia tsy nahita azy intsony izahay. Namoy sakaiza sady namana be herim-po iray aho, dia ilay nanampy ahy be dia be nandritra ireny volana sarotra tao amin’ireo toby ireny. Noho izy mpianatra voahosotr’i Jesosy Kristy Tompontsika dia tsy maintsy ho nandray avy hatrany ny valisoany any an-danitra izy. — Apokalypsy 14:13.

Fanafahana sy ny fiainanay taorian’izany

Rehefa nifarana ny ady tamin’ny May 1945 ary tonga ny fanafahana, dia osa aoka izany aho, hany ka tsy afaka nifaly fa resy ny ziogan’ireo mpampahory rehefa ela ny ela; tsy afaka niaraka tamin’ireo andiana fiara nitondra ireo olona afaka ho any amin’ireo tany vonona handray azy, koa aho. Nijanona telo volana tao amin’ny hopitaly aho mba hahazoako tanjaka indray. Taorian’izany, dia nentina tany Soeda, izay tonga fonenako vaovao, aho. Avy hatrany aho dia nifandray tamin’ireo anadahiko sy rahavaviko kristiana, ary tatỳ aoriana dia nanomboka nanao ny fanompoana teny amin’ny saha, izay harena sarobidy.

Tamin’ny 1949 aho dia nanambady an’i Lennart Josefsson, izay mpiandraikitra mpitety faritanin’ny Vavolombelon’i Jehovah nandritra ny taona maro. Nampidirina am-ponja koa izy nandritra ny Ady Lehibe Faharoa, vokatry ny fihazonany ny finoany. Nanomboka nanao ny asan’ny mpisava lalana niaraka izahay mivady, tamin’ny 1 Septambra 1949, ary notendrena hanompo tany amin’ny tanànan’i Borås. Nandritra ireo taona voalohandohany laninay tany, dia nitarika tsy tapaka fampianarana Baiboly folo isan-kerinandro tamin’ny olona liana izahay. Faly izahay nahita ny kongregasiona tany Borås nanjary telo tao anatin’ny sivy taona, ary dimy amin’izao fotoana izao.

Tsy afaka nijanona ho mpisava lalana ela aho, satria tamin’ny 1950 dia niteraka zanakavavy iray izahay, ary roa taona tatỳ aoriana dia niteraka zanakalahy iray. Noho izany, dia nanana tombontsoa nahafinaritra aho nampianatra ny zanakay ilay fahamarinana sarobidy nampianarin’ilay anadahy malala ahy tany Hongria, fony aho vao 16 taona monja, dia ny hoe: “Ny fanompoana an’i Jehovah no voninahitra lehibe indrindra mety ho azon’ny olombelona.”

Rehefa mitodika ny lasa aho, dia takatro fa nahita ny fahamarinan’izay nosoratan’i Jakoba mpianatra aho, rehefa nampahatsiahy antsika ny amin’ny fiaretan’i Joba toy izao izy: “Miantra indrindra [i Jehovah, NW ] sady be famindrampo.” (Jakoba 5:11). Na dia niharan’ny fisedrana nahatsiravina koa aza aho, dia nahazo fitahiana tondraka tamin’ny fananana zanaka roa, sy ny vadin’izy ireo avy, ary zafikely enina — izay samy mpanompon’i Jehovah. Ankoatra izany, dia manana zanaka sy zafikely ara-panahy maro dia maro aho, ka ny sasany aminy dia mpisava lalana sy misionera. Ny fanantenako lehibe izao dia ny hihaona amin’ireo hava-malalako izay matory ao amin’ny fahafatesana, ary ny hamihina azy ireo, rehefa hatsangana avy ao amin’ny fasam-pahatsiarovany izy ireo. — Jaona 5:28, 29.

[Sary, pejy 31]

Teny amin’ny fanompoana tany Soeda, taorian’ny Ady Lehibe Faharoa

[Sary, pejy 31]

Miaraka amin’ny vadiko

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara