Fahafaham-po sy Fifalian’ny Mpampianatra
“Nahoana aho no tsy kivy? Marina fa sarotra sady mandreraka ny fampianarana, nefa nandrisika ahy hanohy hatrany ny fahitana ireo ankizy dodona hianatra sy mihamahay.”—Leemarys, mpampianatra any New York.
MPAMPIANATRA an-tapitrisa eran-tany no mifikitra amin’io asa nofidiny io, na dia eo aza ny olana sy ny tsy fahombiazana ary ny fahadisoam-panantenana. Ary inona no mahatonga mpianatra an’arivo hilofo ho mpampianatra, nefa fantatr’izy ireo fa mety tsy hahazo ny fankasitrahana mendrika azy akory izy? Nahoana izy ireo no tsy kivy?
Nanazava i Inna, mpampianatra rosianina, hoe: “Mahafinaritra ny mahita ny mpianatrao taloha lasa olon-dehibe sy ny mandre azy ireo milaza fa tena nilainy ny zavatra nianarany taminao. Marisika erỳ ny tena rehefa milaza ny ankizy fa tsy hadinony ny taona maro niarahany taminao.”
Nilaza i Giuliano, mpampianatra voaresaka teo aloha, hoe: “Anisan’ny tena mahafa-po ny mahafantatra fa vitanao ny nanao izay hahaliana ny mpianatra tamin’ny loha hevitra iray. Ohatra, rehefa avy nanazava lafiny iray tamin’ny tantara aho, dia nisy mpianatra nilaza hoe: ‘Aza ajanona Ramose a! Tohizo ihany!’ Mamiratra erỳ ny andronao malomaloka vao maraina iny, rehefa misy miteny aminao toy izany. Izany mantsy no hahitanao fa niteraka fihetseham-po vaovao tao amin’ny ankizy nampianarinao ianao. Faly erỳ ianao mahita ny endriny, rehefa miramirana tampoka ny fijeriny, satria azony ny fanazavana.”
Nilaza i Elena, mpampianatra any Italia, hoe: “Amiko dia ny zavatra madinika miseho isan’andro, dia izay kely vitan’ny mpianatra, no matetika mahafa-po kokoa noho ny zava-bita goavana eto an-tany izay mahalana ihany vao misy.”
Nilaza i Connie, Aostralianina 30 taona eo ho eo, hoe: “Mahafinaritra rehefa misy mpianatrao, nifandray tsara taminao, maka fotoana hanoratana mba hilazana aminao fa nankasitrahany ny ezaka nataonao.”
Mitovy amin’izany koa ny fihetseham-pon’i Oscar, avy any Mendoza, Arzantina: “Tsapako fa tsy very maina ny ezaka rehetra natao, rehefa misy mpianatra mifanena amiko eny an-dalana na any an-toeran-kafa, ka mankasitraka izay nampianariko azy ireo.” Nilaza i Angel, avy any Madrid, Espaina, hoe: “Nanokana ny androatokom-piainako ho an’io asa sarotra sady mahafinaritra io aho. Tsy iadian-kevitra fa ny tena fahafinaretako dia ny mahita ny ankizy nampianariko, lasa lehilahy sy vehivavy manana ny maha izy azy, ary nisy anjara birikiko tamin’izany.”
Nilaza i Leemarys, noresahina terỳ am-piandohana, hoe: “Tena tsapako fa karazan’olona maningana ny mpampianatra. Gaga ihany ny olona mahita anay manaiky izany andraikitra goavana izany. Rehefa nahavita nanova ny fiainan’ny ankizy anefa ianao, na ankizy iray na folo, dia efa vitanao ny adidinao. Fahafinaretana tsy misy ohatra izany! Faly ianao manao ny asanao.”
Efa mba nisaotra ny mpampianatra anao ve ianao?
Raha mpianatra ianao na ray aman-dreny, efa mba nisy mpampianatra nisaoranao, na nandefasanao taratasy fisaorana mihitsy aza ve, noho ny fotoana laniny sy ny fiezahany ary ny fitiavana nasehony? Marina ny nolazain’i Arthur, avy any Nairobi, Kenya, hoe: “Miasa tsara ny mpampianatra rehefa mahazo fiderana. Tokony hihevitra azy ireo sy ny asany ho sarobidy ny fanjakana sy ny ray aman-dreny ary ny mpianatra.”
Nanoratra i LouAnne Johnson, mpanoratra sady mpampianatra, hoe: “Taratasy iray ao anatin’ny zato amin’ny taratasy voaray momba ny mpampianatra, no fanakianana. Koa vao mainka aho mino fa betsaka kokoa ny mpampianatra tsara.” Mahavariana fa maro ny olona manakarama mpitsongo dia, “hanampy amin’ny fitadiavana ny mpampianatra azy taloha. Te hahita sy hisaotra ny mpampianatra azy ny olona.”
Ny mpampianatra no mametraka ny fototra tena ilaina amin’ny fanabeazana ny olona. Na dia ny profesora mahay indrindra any amin’ny oniversite fanta-daza indrindra aza, dia mahatsapa fa tena nanampy azy ny mpampianatra azy taloha. Ireny mpampianatra ireny mantsy no nandany fotoana sy hery namelona sy nikolokolo ny fanirian’izy ireo hanabe, hanovo fahalalana, ary hanana fahaizana. Nilaza i Arthur, avy any Nairobi, hoe: “Tsy maintsy nisy nampianatra daholo ny manam-pahefana ambony, any amin’ny sehatra ara-panjakana sy tsy miankina.”
Tsy tokony hankasitraka an’ireny lehilahy sy vehivavy ireny ve isika? Izy ireny no namelona tao amintsika ny fitia te hahafantatra, nanaitra ny saina sy ny fontsika, nanoro antsika ny fomba hanomezana fahafaham-po ny faniriantsika hanovo fahalalana sy fahaizana.
Tsy mihoatra lavitra noho izany ve ny tokony hankasitrahantsika an’i Jehovah Andriamanitra, ilay Mpampianatra Lehibe? Izy no nanome tsindrimandry hanoratra ny teny ao amin’ny Ohabolana 2:1-6, manao hoe: “Anaka, raha raisinao ny teniko, ary raketinao ao am-ponao ny didiko, ka atongilanao amin’ny fahendrena ny sofinao, ary ampitandremanao fahalalana ny fonao; eny, raha miantso ny fahalalana hianao ary manandratra ny feonao hahazo saina, raha mitady azy toy ny fitady volafotsy hianao ary mikatsaka azy toy ny fikatsaka harena afenina: Dia ho fantatrao marina ny fahatahorana an’i Jehovah, ary ho hitanao ny fahalalana an’Andriamanitra. Fa Jehovah no manome fahendrena; avy amin’ny vavany no ihavian’ny fahalalana sy ny fahazavan-tsaina.”
Mariho fa miverina intelo ilay teny milaza fepetra hoe “raha”, ao amin’ireo andininy mampisaintsaina ireo. Eritrereto fa raha manaiky hanao izany zava-tsarotra izany isika, dia ho “hitantsika ny fahalalana an’Andriamanitra”! Azo antoka fa izany no tsara indrindra amin’ny fampianarana.
[Efajoro, pejy 13]
Faly Ilay Reny
Naharay izao taratasy izao ny mpampianatra iray tany New York:
“Misaotra anao eram-po sy eran-tsaina aho noho izay nataonao ho an’ireo zanako. Nanampy azy ireo ho tafita ny fikarakaranao sy ny hatsaram-panahinao ary ny fahaizanao. Azoko antoka fa tsy ho tonga tamin’izany mihitsy izy ireo raha tsy nisy anao. Noho ny nataonao, dia afaka mirehareha ny amin’ny zanako aho izao. Tsy hohadinoiko mihitsy izany. S. B.”
Iza no mpampianatra azonao deraina?
[Sary, pejy 12]
‘Faly erỳ ianao mahita ny fijerin’ny mpianatra miramirana tampoka, satria azony ilay fanazavana.’—GIULIANO, ITALIA
[Sary, pejy 13]
‘Mahafinaritra rehefa misy mpianatra maka fotoana hanoratana taratasy fankasitrahana ho anao.’—CONNIE, AOSTRALIA