FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g02 8/4 p. 28-29
  • Topy Maso Eran-tany

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Topy Maso Eran-tany
  • Mifohaza!—2002
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Maso Be Anankiray
  • Bakteria Matanjaka
  • Mirongatra Indray ny Aretin-torimaso
  • Tsy Tia Fivavahana Intsony ny Tseky
  • Nankaiza ny Toe-tsaina Vonon-kiasa?
  • Mamangy Fasana Amin’ny Alalan’ny Internet
  • Tandindomin-doza ny Tendrontany Avaratra
  • Mihabetsaka ny Ankizy Matavy Loatra
  • Fanapahan-kevitra Voahevitra Tsara
  • Fampijaliana Vehivavy Bevohoka
  • Ny Fomba Ahitan’ny Kintan-dranomasina
    Mifohaza!—2013
  • Topy Maso Eran-tany
    Mifohaza!—2003
  • Fijerena An’izao Tontolo Izao
    Mifohaza!—1998
  • Fijerena An’izao Tontolo Izao
    Mifohaza!—2000
Hijery Hafa
Mifohaza!—2002
g02 8/4 p. 28-29

Topy Maso Eran-tany

Maso Be Anankiray

Noheverina hoe tsy mana-maso ny ophiure, karazana kiririndolo (étoile de mer) velona any ambanin’ny ranomasina maizina be any. Gaga ny mpikaroka hoe ahoana no toa hahafantaran’io biby io hoe misy mpiremby tamy, ka hahafahany hitsoaka. “Fantatry ny mpahay siansa izao ny antony”, hoy ny gazety The New York Times. “Mahaforona maso be anankiray ny akorany manontolo.” Lopy (fitaratra mpamily hazavana) maro be toy ny vakana no mahaforona ilay lazaina fa maso be anankiray ampiasain’ny ophiure. Milaza koa ilay gazety fa mety “hahery noho ny lopy bitika indrindra amboarina any amin’ny laboratoara” izy ireny. Nilaza ny Dr. Joanna Aizenberg, tompon’andraikitra tamin’ilay fandinihana, hoe: “Asehon’io fandinihana io fa misy zavatra voajanahary tena mahavariana, manambaka ny teknolojia ankehitriny.”

Bakteria Matanjaka

Milaza ny gazety National Post, any Kanada, fa tena feno zavamiaina eto an-tany, na dia any amin’ny kilaometatra maromaro any ambanin’ny tany aza. Milaza i Terry Beveridge, profesora ao amin’ny Oniversiten’i Guelph, hoe: “Mety ho any amin’ny lalina be any ambanin’ny Tany any ireny bakteria ireny, ka mila 50 000 taona ny ranonorana vao ho tody any ambany any. Tsy misy hazavana any, tsy misy fôtôsentezy, tsy misy siramamy isan-karazany na proteinina mba hohaniny.” Ahoana no tsy mahafaty ilay bakteria? Hitan’ny mpanao fikarohana fa miraikitra amin’ny oksida-na vy ny bakteria Shewanella, ka manova ny elektrona ho raha mineraly. Mampihena ny tahana vy izy mba hakana ny hery ilainy hahavelomana. Araka ny vinavinan’ny mpahay siansa, dia misy karazana mikraoba an’alina velona any ambanin’ny tany, kanefa mbola tsy ny 10 isan-jaton’izy ireny akory no tena fantatra tsara.

Mirongatra Indray ny Aretin-torimaso

Milaza ny gazetiboky British Medical Journal, hoe: “Mampitandrina ny mpanao fikarohana fa miverina indray, ary tena mahery be, ny aretin-torimaso any amin’ny faritra sasany atsy Afrika.” Hoy i Pierre Cattand, avy ao amin’ny Fikambanana Afrikanina Miady Amin’ny Aretina Tripanosomiase: “Olona 60 tapitrisa no heverina fa mety ho voa, kanefa, telo na efatra tapitrisa monja no mahazo fanaraha-maso. Olona 45 000 isan-taona àry no voan’io aretina io. Araka ny vinavina, dia 300 000 ka hatramin’ny 500 000, fara fahakeliny, no voa izao.” Noheverina hoe efa saika foana tanteraka io aretina io, tamin’ireo taona 1960. Ny lalitra tsetse no mamindra azy io amin’ny olona. I Angola sy ny Repoblika Demokratikan’i Congo ary ny faritra atsimon’i Soudan, no lazaina fa tena tandindomin-doza ka mitady fanampiana hatraiza hatraiza.

Tsy Tia Fivavahana Intsony ny Tseky

Asehon’ny antontan’isa navoakan’ny Biraon’ny Statistikan’ny Repoblika Tseky, fa betsaka ny olona tsy tia fivavahana intsony any amin’ny firenena Tseky, tao anatin’ireo folo taona farany. Tseky 2,7 tapitrisa monja, ohatra, no nilaza ny tenany ho Katolika tamin’ny 2001, nefa 4 tapitrisa no isan’izy ireo tamin’ny 1991. Nandritra izany fotoana izany ihany, dia nihena 32 isan-jato ny isan’ny mpiangona tany amin’ny Fiangonana Ara-pilazantsara ary 46 isan-jato ny tany amin’ny Fiangonana Hussite. Fa naninona? Nahatsiaro ho nalalaka, ka afaka nilaza ny tenany ho mpiangona amin’izay ny Tseky, taoriana kelin’ny naharavan’ny Kominisma. Efa ho 60 isan-jato amin’ny mponina any anefa izao, no milaza tena ho tsy mpivavaka. Inona no niafaran’ny Repoblika Tseky, firenen’i Jan Hus, ilay mpitondra fanavaozana ara-pivavahana nalaza? Lasa anisan’ny firenena eoropeanina tsy tia fivavahana indrindra izy izao.

Nankaiza ny Toe-tsaina Vonon-kiasa?

Milaza ny gazetiboky The Futurist hoe: “Ny 55 isan-jaton’ny tompon’andraikitra ambony nanontaniana [teto Etazonia] no nilaza fa mihavitsy ny olona manana toe-tsaina vonon-kiasa, ka hisy fiantraikany lehibe eo amin’ny fandroson’ny orinasa izany.” Betsaka ny antony mahatonga izany, hoy ilay gazety. Hitan’ny ankizy, ohatra, “ny ray aman-dreniny mahatoky amin’ny mpampiasa azy erỳ, kanefa voaroaka avy eo.” Izany no nahatonga ny ankamaroan’ireo ankizy teraka tamin’ireo taona 1960 sy ny tatỳ aoriana kokoa hanjary hihevitra ny asa ho “fomba hahazoana izay tadiaviny fotsiny: Vola sy fahafinaretana ary fialam-boly.” Milaza ilay lahatsoratra fa noho izany antony izany, dia tsy “ny asa azo antoka sy tsara karama intsony izao no mampaharisika ny olona amin’ny asa.” Zavatra roa izao no hamantarana fa mihatsy misy intsony ny toe-tsaina vonon-kiasa: Tara lava ny mpiasa ary manararaotra ny andro harariana andraisan-karama noferan’ny mpampiasa.

Mamangy Fasana Amin’ny Alalan’ny Internet

Milaza ny gazety The Japan Times, fa azo atao izao ny mamangy fasana tena izy, ao amin’ny Internet. Afaka mandoa vola amin’ny Internet ny havana aman-tsakaiza mba hanomezam-boninahitra ny maty. Misy sarina fasana miseho amin’ny ordinatera, miaraka amin’ny sary sy ny mombamomba an’ilay olona maty. Misy toerana malalaka eo amin’ny ordinatera azon’ilay mpamangy fasana amelana hafatra. Ho an’ireo Bodista, dia azo atao ny manolotra voankazo, voninkazo, emboka manitra, sy toaka eo amin’ilay fasana tena izy, ao amin’ny ordinatera ihany. Nilaza toy izao i Tadashi Watanabe, tompon’andraikitr’ilay kompania mikarakara fahatsiarovana ny maty amin’ny Internet: “Misy olona milaza fa hevitra mety mihitsy io ho an’ireo tsy afaka mamangy fasana matetika; anisan’izany, ohatra, ireo mipetraka any an-tany hafa lavitra an’ilay fasana.”

Tandindomin-doza ny Tendrontany Avaratra

“Raha mbola haingana foana ny fandroson’ny indostria any amin’ny Tendrontany Avaratra, dia ho simba be mihitsy ny 80 isan-jaton’io faritra marefo io, any antenatenan’ity taonjato ity”, araka ny voalazan’ny gazety kanadianina The Globe and Mail. Hazavain’ny tatitra nataon’ny Fandaharan’asan’ny ONU Momba ny Tontolo Iainana, fa mihamisy fiantraikany foana eo amin’ny Tendrontany Avaratra iray manontolo ny fandrosoana vitan’ny olombelona. Milaza ilay tatitra fa raha ny fandroson’ny indostria nanomboka tamin’ny 1940 ka hatramin’ny 1990 no mitohy, dia fahasimbana be no ho vokany. Misy milaza fa mety hitatra any amin’ny faritra hafa koa ilay fahasimbana, satria betsaka ny biby any amin’ny Tendrontany Avaratra no mpifindrafindra monina. Milaza ilay gazety fa “efa simba [be] ny 10 ka hatramin’ny 15 isan-jaton’ny faritra any amin’ny Tendrontany Avaratra, noho ny fandroson’ny indostria.”

Mihabetsaka ny Ankizy Matavy Loatra

“Nitombo efa ho avo roa heny ny isan’ny ankizy kely mihoatra ny lanja tokony ho izy, tao anatin’ireo folo taona farany”, hoy ny gazety The Times, any Londres, raha nanazava ny fanadihadiana vao haingana navoakan’ny gazety anglisy iray momba ny fahasalamana. “Maherin’ny iray isaky ny dimy amin’ny ankizy latsaka ny efa-taona no mihoatra ny lanja tokony ho izy, ary efa ho iray isaky ny folo no kilasina ho matavy loatra.” Milaza ny Dr. Peter Bundred, avy ao amin’ny Oniversiten’i Liverpool fa “sakafo efa masaka, izay matetika no be zavatra matavy” no vidin’ny ankamaroan’ny reny sy omeny an-janany, ary apetrany hijery tele izy avy eo. Rehefa miditra mianatra ireny ankizy ireny, dia aterina amin’ny fiara ny ankamaroany fa tsy mandeha an-tongotra. Mijery tele izy ireo rehefa mirava, fa tsy milalao any an-tokotany. “Mbola tsy nahita ankizy kely nihanatavy haingana be toy izao mihitsy izahay”, hoy i Bundred.

Fanapahan-kevitra Voahevitra Tsara

Folo taona taorian’ny didim-pitsarana voalohany, tamin’ny Janoary 1991, dia nilaza indray ny Minisiteran’ny Fahasalamana any Italia fa tsy azo atao mihitsy ny fampidiran-dra raha tsy azo ny hevitr’ilay marary, ary fantany izay ho vokany. Izao no voalazan’ilay didim-pitsarana, tamin’ny 25 Janoary 2001, navoaka tao amin’ny Gazzetta Ufficiale della Repubblica Italiana (Gazety Ofisialin’ny Repoblika Italianina): “Ampahafantarina an’ilay marary fa mety hisy fiantraikany ny fampidirana ra na taharon’ny ra sy ny fampiasana fanafody vita amin’ny ra, na miaraka amin’ny fampidiran-dra na tsia. Rehefa fantany izany, dia tokony hataony an-tsoratra na manaiky izy na mandà ny hanaovana izany aminy.”

Fampijaliana Vehivavy Bevohoka

“Fantatra ankehitriny fa ny fampijalian’ny lehilahy no mampidi-doza kokoa ho an’ny reny sy ny zaza, fa tsy ny aretina hitan’ny dokotera ka tsaboiny mandritra ny fitondrana vohoka”, hoy ny gazety The Independent, any Londres. ‘Nandinika momba ny herisetra an-tokantrano, any Grande-Bretagne, ny Oniversite Royal Mampianatra Momba ny Fiterahana. Hita avy tamin’ilay fandinihana fa ny ampahatelon’ny fampijaliana vehivavy dia nitranga voalohany nandritra ny fitondrany vohoka. Mihamitombo ny zava-misy ahafantarana fa mialona an’ilay zaza vao ho teraka ny lehilahy sasany, ka izany no mahatonga azy ireo hahery setra.’ “Tsiravina izahay nahita ilay antontan’isa momba an’i Grande-Bretagne”, hoy ny Profesora James Drife, avy ao amin’ilay Oniversite. Nasehon‘ny fandinihana mitovy amin’io koa, natao tany Etazonia, fa maty novonoina ny 1 isaky ny 5 tamin’ireo vehivavy maty tany. Io àry no “tena antony mahafaty ny vehivavy bevohoka [any].”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara